Avy Amin’ny Mpamaky
Fahafatesan-jaza Tampoka Misaotra anareo noho ilay lahatsoratra kely tao amin’ny “Fijerena An’izao Tontolo Izao” mitondra ny lohateny hoe “Mifandray Amin’ny Fahafatesan-jaza Tampoka ny Fifohana Sigara”. (8 Febroary 1997). Manantena aho fa handray am-po io lahatsoratra io ny reny rehetra. Saika nafoiko tao amin’ny fahafatesan-jaza tampoka ny zanako lahikely, satria nanohy nifoka sigara aho nandritra ny fitondrako vohoka. Nandritra ny herintaona taorian’ilay fitrangan-javatra, dia tsy maintsy nasiana fitaovana fijerena ny fo izy isaky ny natory, ka raha mijanona ny fony, dia maneno ilay fitaovana. Raha mba nahafantatra an’i Jehovah mantsy aho tamin’izany fotoana izany, dia ho nitsahatra tsy nifoka aho, ary angamba tsy ho tratran’io nofy ratsy io na izaho na ny zanako.
A. C. A., Etazonia
Safo-drano Tamin’ny Andron’i Noa Ilay lahatsoratra hoe “Ny Fiheveran’ny Baiboly: Ny Safo-drano — Zava-nisy sa Angano?” (8 Febroary 1997), dia tena nanampy ahy hihevitra akaiky io fitrangan-javatra ara-tantara io. Izaho, sahala amin’ny maro hafa, dia nampianarina momba ny Safo-drano fony mbola kely. Kanefa, tsy fantatro na oviana na oviana fa ny fitantarana momba ny Safo-drano dia heverin’ny maro ho toy ny angano fotsiny. Ilay zava-misy hoe nampitaha ny andro farany tamin’ny andron’i Noa i Jesosy, dia mampiseho fa tena nisy tokoa ny Safo-drano.
S. M., Etazonia