“Misaotra ny Vavolombelona Aho Noho Ilay Asabotsy Tena Nahafinaritra”
AVY AMIN’NY MASOIVOHON’NY MIFOHAZA! ANY NORVEZY
Io eo ambony io no nataon’i Eivind Blikstad, mpanoratra ho an’ilay gazety norveziana mpiseho isan’andro hoe Telemark Arbeiderblad, lohatenin’ny lahatsorany. Voalohany aloha, dia naneho ny fahasorenany izy noho ny zavatra tonga nefa tsy nangatahiny, dia dokam-barotra alefa paositra sy antso an-telefaonina mba hivarotan-javatra ary fitsidihana any an-trano — indrindra indrindra rehefa asabotsy maraina. Avy eo dia nanoratra toy izao izy:
“Tampoka teo, dia injao izy ireo. Teo an-tokonam-baravarako. Vavolombelon’i Jehovah. Asabotsy maraina. Miaraka amin’ilay gazetiny hoe Mifohaza! No. 9, tamin’ny 8 Septambra 1996. [“Indiana Amerikana — Inona no Tahirizin’ny Hoavy ho Azy Ireo?”]. Ta hahalala izy ireo raha ho tiako ny hamaky ilay gazety, satria mirakitra zavatra izay inoan’izy ireo fa hahaliana ahy ilay izy. (...) Talohan’ny nahafahako nilaza hoe tsy liana aho, dia nanampy teny toy izao ny iray taminy: ‘Misy lahatsoratra momba ireo Indiana Amerikana ato. Fantatray fa nanoratra zavatra betsaka momba io loha hevitra io ianao.’
“Teo dia voafandrika aho. Izany no izy satria rehefa dokadokafana ny tena, dia mora misinda ny fahatapahan-kevitra mafy orina rehetra ao amin’ny tena. Rehefa niverina tao an-trano aho, teo amin’ny latabatra nisakafoanako maraina, dia resin’ny faniriako ta hahalala aho. Ekena fa somary hafahafa ihany ny hoe Vavolombelon’i Jehovah ampiarahina amin’ny hoavin’ny Indiana Amerikana. Nanao ny solomasoko aho ary nanomboka namaky. Fantatrareo ihany moa, somary nanambony tena ihany aho, toy ny atao rehefa tena mihevitra ny tena fa fandaniam-potoana fotsiny ny fanaovana zavatra iray.
“Raha fintinina, dia tsy vitan’ny hoe tsara ilay lahatsoratra natolotry ny Vavolombelona momba ny tarehin-javatra misy ny Indiana Amerikana, fa faran’izay tsara ilay izy. Mampirisika an’ireo mpampianatra eto Norvezy aho mba hampandefitra ny fitsarana an-tendrony ananan’izy ireo. Manafara gazety ho an’ny tsirairay ao amin’ny lakilasinareo! Mendri-koderaina ny fampiasana ireo loharanon-kevitra, ary tena mazava ny famelabelaran-kevitra izay azo ampiasaina eo amin’ny fampianarana. Milaza ny marina koa izy io, hatrany amin’ny votoatiny, momba ny raharaha izay tsy itovian’ny fihevitry ny Indiana sy ny an’ny Vavolombelona. Tsy misy mariky ny fihatsarambelatsihy. Olana iray saro-bahana any amin’ireo tany maromaro voatokana ho an’ireo Indiana ny momba ny fanorenana casinos [toeram-pilokana]. Manome asa izay tena ilaina izy ireny, nefa tafiditra koa ny fitondran-tena. Novoaboasana tamim-pahakingana io raharaha io, hany ka mahazo fahaiza-mahatakatra ny mpamaky hoe toy inona izany hoe Indiana amin’ny taonjato misy antsika izany.”
Namarana ny teniny toy izao i Blikstad: “Novelombelomin’ny zavatra novakiko aho, ka nanohy namaky ny tapany sisa tamin’ilay Mifohaza!, satria efa teo ihany. Ambonin’izany, dia nisy lahatsoratra iray nampihetsi-po tanteraka momba ireo chapelles sy eglizy nikatona tany amin’ny lohasaha nitrandrahana harena an-kibon’ny tany, any Rhondda, any Pays de Galles. (...) [Jereo ilay nomerao amin’ny teny frantsay.]
“Efa tena tsy manana fahaiza-mitsara zavatra intsony ve aho? Moa ve aho, izay tsy mino an’Andriamanitra, handray tsy misy fanoherana ny fampianaran’ny Vavolombelona? (...) Tsia, tsy anio. Mila fampahatsiahivana tsy an-kijanona momba ny maha-zava-dehibe ny fanariana ny voan’ny fitsarana an-tendrony isika. Amin’ny fotoana manaraka hahitako fa ampangaina ho mandainga ny Vavolombelona, dia mba fantatro, fara faharatsiny, fa tsy nandainga izy ireo raha ny momba ireo Indiana.”
Noho ny fangatahana manokana tamin’ny nomeraon’ny Mifohaza! momba ny Amerikana Tera-tany, dia gazety 37 000 amboniny no natao pirinty tao amin’ireo fanaovam-pirintin’ny Fikambanana Watch Tower any New York. Nisy kongregasiona iray tany Arizona nanafatra gazety 10 000 hiasany manokana ny faritaniny.
Raha ho tianao ny hihevitra an’ireo Vavolombelon’i Jehovah amin’ny fomba tsy misy fitsarana an-tendrony, dia aza misalasala manoratra any amin’ireo mpanonta itỳ gazety itỳ, ary ampiasao amin’izany ny adiresy akaiky anao indrindra ao amin’ny pejy faha-5, na mifandraisa amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ao amin’ny Efitrano Fanjakana eo an-toerana. Tsy misy adidy na vola aloa. Valin-teny feno fahatsorana fotsiny no omena anao.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 31]
Tava-na Indiana: D. F. Barry Photograph, Thomas M. Heski Collection; Indiana mandihy: Men: A Pictorial Archive from Nineteenth-Century Sources/Dover Publications, Inc.; tipis: Leslie’s; haingony mahitsizoro: Decorative Art; haingony faribolana: Authentic Indian Designs