“Ny Fahalemeko no Fahatanjahako”
NIHALEHIBE tao amin’ny tanàna kely iray any avaratr’i San Francisco, eto Californie, antsoina hoe Petaluma, aho. Somary tia fivavahana ihany ny reniko, fa tsy dia tia fivavahana firy ny raiko. Nino mandrakariva ny amin’ny mpamorona iray aho — saingy tsy fantatro fotsiny hoe iza moa izy.
Zaza sambatra aho rehefa nihalehibe. Toy inona moa ny fankamamiako ny mitadidy ireny andro tsy nananana ahiahy ireny! Tsy fantatro fa nisy zava-nitranga tao anatin’ny vatako tao, izay hanesotra amiko ny ankabeazan’ny fahafahako. Tamin’ny 1960, ny taona farany nankanesako tany amin’ny lise, no tsaroako ho niresahako tamin’ny namako be momba ny fanaintainana nahazo ahy teo amin’ny rantsantanana maromaro.
Tsy ela ny tongotro dia nanomboka naharary ahy mafy aoka izany, hany ka nitondra ahy nankany amin’ny hopitaly iray tany San Francisco ny reniko, ary nijanona tao tokony ho enina andro aho. Valo ambin’ny folo taona aho tamin’izay, ary nasehon’ny valin’ny fitsirihana fa voan’ny polyarthrite rhumatoïde (karazana aretina mitaiza izay miavaka noho ny fanaintainana, ny fihenjanana, ny fivontosana, ary indraindray ny fahasimban’ny tonon-taolana) aho. Nanomboka nitsindrona thiosulfate-na sodioma-na volamena aho, avy eo dia prednisone, ary avy eo dia cortisone tamin’ny endriny hafa. Tamin’ny fitambarany, dia nampiasa ireo fanafody ireo nandritra ny 18 taona aho, ary samy nampihena ny fanaintainana nandritra ny taona vitsivitsy izy ireo, saingy niha-tsy nandaitra rehefa avy eo, ary dia nifindra ho amin’ny fanafody nanaraka aho. Tsy azo nodian-tsy fantatra ilay fanaintainana tsy an-kijanona, ary nanjary namoy fo aho teo am-pikarohako karazana fanampiana ara-pitsaboana hafa. Nahita fitsaboana hafa sasany izay somary nanampy ihany aho. Soa ihany aho izao fa tsy mahatsapa fanaintainana be toy ny tamin’ny fotoana nihanahan’ilay aretina mafy kokoa nanerana ny vatako.
Indray andro tamin’ny 1975, dia sendra nahita boky iray niraketan’ny reniko an-tsoratra ny momba ahy fony aho zazakely ny zanako lahy. Fantatro avy tao fa fony aho enim-bolana, dia nanomboka fitsaboana tamin’ny taratra X tamiko ny dokotera iray mba hitsaboana thymus nitombo habe. Inoako fa ilay fitsaboana tamin’ny taratra natao tamiko tamin’ny fahazazako no mety ho antony naha-toy izao ahy amin’izao andro izao. Raha izany no izy, dia fahadisoana be vava ilay izy!
Nanambady aho tamin’ny 1962. Tamin’ny 1968, fony mbola nanomboka kelikely ilay aretina, dia niara-niasa tao amin’ny trano fanaova-mofo anay manokana izaho sy i Lynn vadiko. Nifoha tokony ho tamin’ny efatra ora maraina izahay, ary nanao ny koba ny vadiko. Indraindray izy avy eo dia natory vetivety teo ambonin’ny gonin-dafarinina raha mbola tao anaty lafaoro ny mofo. Nozarazarainay ny mofo ary nofonosinay, ary avy eo i Lynn dia nanatitra ireo mofo tany amin’olona. Indray mandeha, dia tonga nitsidika tao amin’ilay trano fanaova-mofo ny lehilahy iray mpivarotra fiantohana ka niresaka taminay momba ny Fanjakana nampanantenain’Andriamanitra. Tianay izay renay, kanefa be natao loatra izahay. Nihabetsaka ny olona nanateranay mofo, ary nanjary novesaran’asa tsy ara-pivavahana vao mainka be kokoa izahay. Faly izahay fa nisy trano fanaova-mofo hafa nividy ny anay! Nandeha niasa ho azy ireo i Lynn, ary nandeha niasa tao amin’ny salon de beauté iray aho. Rehefa nihombo anefa ilay godro, dia tsy afa-niasa afa-tsy telo andro isan-kerinandro aho ary tamin’ny farany dia tsy maintsy nitsahatra tanteraka.
Nandritra izany fe-potoana izany, dia nisy Vavolombelon’i Jehovah iray tonga tao an-trano tsy tapaka ka nanolotra ahy ireo gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! Nanome azy vola fandraisana anjara foana aho sady nandray ireo gazety, tamin’ny fiheverana fa naneho hatsaram-panahy taminy aho. Rehefa lasa izy, dia napetrako teo amin’ny talantalana iray nandritra ny andro vitsivitsy ireo gazety tsy nosokafana, ary avy eo ny iray taminay dia nanary azy ireo foana. Tena nampalahelo tokoa izany, satria izao vao takatray ny hasarobidin’izy ireo ara-panahy. Tamin’izany fotoana izany anefa, dia toa tsy tena zava-dehibe taminay ny raharaha ara-pivavahana.
Nahatsapa fa mila zavatra ara-panahy
Indray takariva izahay mivady dia niresadresaka ny amin’ny fomba tokony hampisy heviny kokoa ny fiainana ankoatra ny mihinana sy ny matory ary ny miasa mafy aoka izany. Nanomboka nikaroka ilay zavatra ara-panahy banga teo amin’ny fiainanay izahay. Nampitodika ny sainay ho amin’ny fiangonana kely iray teny ambanimbany tamin’ny arabe izahay, kanefa tsy nahita ilay fanentanana ara-panahy nantenainay. Niresaka momba ny zava-nanahirana azy ireo teo an-toerana fotsiny ireo mpiangona tao.
Tonga nandritra ny herintaona teo ho eo ilay Vavolombelona nitondra ireo gazety, kanefa tsy niova ilay fahazarako mandra-pamakiko tamin’ny farany ny Mifohaza! (anglisy) 8 Oktobra 1968, nitondra ny lohateny hoe “Diso Aoriana Tsy Araka ny Iheveranao Azy ve Izao?” Tiako izay novakiko, ary soa ihany fa nisy akony toy izany koa teo amin’ny vadiko ilay izy. Nanomboka nianatra sy nandray tamim-pahadodonana ny fahamarinana izahay. May erỳ izahay nandray ireo zavatra nahatalanjona rehetra nianaranay. Tamin’ny 1969 izahay no natao batisa.
Rehefa nandeha ny fotoana, dia nanjary sarotra ho ahy ny nitsangana sy nipetraka ary mainka moa fa ny nandeha. Tsy maintsy nanery ny lohaliko hiforitra aho mba hidirana sy hivoahana amin’ny fiara. Nianarako ny niaina nifanaraka tamin’ny fetrako sy ny fanaintainana izay nampitomany ahy tamin’ny ankamaroan’ny fotoana. Tamin’izay dia namboaboariko ny zavatra nahosotro ny tarehiko, ary dia niainga handeha hivory na hivoaka ho amin’ny fanompoana teny amin’ny saha izahay. Nandeha isan-trano aho raha mbola azoko natao koa izany. Niezaka hivoaka ho amin’ny fanompoana teny amin’ny saha indray mandeha na indroa isan-kerinandro aho, mandra-pahatongako ho tsy afaka nanao izany intsony noho ny fihenjanana sy ny fanaintainana teo amin’ny lohaliko sy ny tongotro. Matetika aho no nanahy sao hianjera ka tsy ho afaka ny hitsangana. Nanampy ahy ny firesahana tamin’i Jehovah. Indraindray aho dia nitomany taminy tamin-dranomaso be.
Tsy azoko natao foana anefa ny nitomany. Mety ho mai-maso koa ny olona iray voan’ny polyarthrite rhumatoïde. Nisy fotoana naha-mafy aoka izany ilay fahamainana, hany ka sarotra tamiko ny namaky teny. Rehefa nitranga izany, dia nihaino cassettes mirakitra famakiana Baiboly aho. Matetika aho no nandeha sady nikimpy satria nanakiaka ny masoko ny fanetsehana ny hodi-masoko. Toy ny hoe jamba mihitsy aho. Indraindray aho dia tsy maintsy nanisy ranomaso voatr’olombelona tamin’ny masoko, isaky ny dimy minitra. Ny mbola ratsy kokoa aza, dia tsy maintsy nanosotra menaka fanafody teo amin’ny masoko aho ka namehy azy nandritra ny dimy na enina andro mandra-pahatsarany. Tsy raharaha mora ny mitoetra ho velom-pisaorana rehefa miady mafy amin’ny aretina maharitra iray ny tena, dia amin’ny aretina tsy azo ampoizina ara-drariny ho foana ho azy eto amin’itỳ fandehan-javatra itỳ.
Tamin’ny 1978, dia tsy maintsy nampiasa seza mikorisa aho. Sarotra ny nandray io fanapahan-kevitra io. Nahemotro foana izany raha mbola azoko natao koa, kanefa dia tsy nanan-tsafidy intsony aho. Fantatro fa ho avy io fotoana io, kanefa nanantena aho fa ho tonga alohan’izay ny tontolo vaovaon’Andriamanitra. Nividy seza afa-mihodina avo iray manana kodiarany dimy lehibe i Lynn. Tamin’ny alalan’izy io nahafahako nanosika ny tenako nandehandeha nanerana ny trano.
Hitako ho nahakivy ny nanatratra zavatra, satria tsy vitako ny naninjitra ny sandriko sy ny namikitra tsara tamin’ny rantsantanako niforitra sy nikainkona. Koa tamin’izay no nampiasako ny tehiko “mpandray zavatra”. Amin’ny alalan’izy io no ahafahako maka zavatra latsaka amin’ny tany, manokatra lalimoara sy mamoaka lovia, na mamoaka zavatra avy ao amin’ny vata fampangatsiahana. Noho izaho nampitombo fahaizana vaovao tamin’ny alalan’ilay tehiko “mpandray zavatra”, dia afaka misahana raharaha sasany ato an-trano aho. Afaka mahandro, manasa sy manamaina lovia, mipasoka sy mamalona akanjo, sy manadio ny ambany, aho. Mirehareha aho fa mihatsara ny fahakingako, ary faly aho fa mbola afaka mandray anjara amin’ny zavatra ilaina sasany ato an-trano. Kanefa, izay vitako taloha tao anatin’ny minitra vitsivitsy dia ilako ora maromaro ankehitriny.
Fanaovana fanambarana amin’ny alalan’ny telefaonina
Nila fotoana aho vao nahangona ny herim-poko mba hanandramana hanao fanambarana tamin’ny alalan’ny telefaonina. Tsy nihevitra aho hoe hahavita izany ny tenako, kanefa ankehitriny dia tena mankafy izany aho ary nahita fahombiazana sasany. Gaga be aho fa mitovy amin’ny mandeha isan-trano ihany izany, amin’ny heviny hoe afaka miresaka amin’ny olona momba an’i Jehovah sy ny fikasany aho.
Toy izao no fanombohan’ny iray amin’ireo fomba fitoriako: “Allo, Atoa —— ve izao? Izaho no Rtoa Maass. Miresaka amin’ny olona fotoana fohy monja aho, ary raha manana minitra vitsivitsy ianao, dia azoko atao ve ny miresaka aminao? (Valin-teny mahazatra ny hoe: “Momba ny inona izay?”) Mampahatahotra ny mahita izay mitranga eo amin’izao tontolo izao ankehitriny, sa tsy izany? (Avelako izy hamaly.) Tiako ny hizara itỳ hevitra ara-baiboly itỳ izay manome antsika fanantenana tena izy ny amin’ny hoavy.” Avy eo aho dia mamaky ny Vavaka Nampianarin’ny Tompo sy ny 2 Petera 3:13, raha azo atao. Nisy fitsidihana sasany nomeko ny rahavavy kristiana hafa na nomeko an’i Lynn mba hokolokoloiny teo amin’ny toerako.
Nandritra ireo taona, dia nanao resadresaka tsara maro tamin’olona aho ary afaka nandefa bokikely, gazety, sy boky tany amin’ireo izay naneho fahalianana. Nisy nanomboka nianatra ny Baiboly tamin’ny alalan’ny telefaonina. Nilaza ny vehivavy iray niresahako fa nihevitra izy hoe ampy ho azy ny mianatra samirery. Taorian’ny fiaraha-nidinika maromaro anefa, dia nanaiky ny ho tonga tatỳ an-trano izy mba hianatra Baiboly, satria nolazaiko taminy ny toe-javatra nisy ahy.
Tamin’ny fotoana hafa iray niantsoako an-telefaonina, dia nanome nomerao vaovao ny valin-telefaonina iray noraisim-peo mialoha. Na dia ny eto an-toerana foana aza no antsoiko ary tsy teto an-toerana ilay nomerao vaovao, dia nahatsiaro ho voatosika hiantso ilay nomerao ihany aho. Rehefa avy niresadresaka kelikely tamiko ilay ramatoa namaly tao amin’ny telefaonina, dia nilaza izy fa naniry hifandray tamin’olona izay tena Kristiana izy mivady. Koa nankany an-tranony, izay tokony ho adiny iray avy eto aminay, izaho sy i Lynn mba hiara-mianatra tamin’izy mivady.
Mbola mahita fifaliana sy fahasambarana foana aho eo amin’ny firesahana amin’ny hafa momba an’i Jehovah sy ny fampanantenany lanitra vaovao sy tany vaovao, izay hitoeran’ny fahitsiana. Vao haingana izao no nilaza tamiko ny vehivavy iray niresahako nandritra ny volana maromaro hoe: “Isaky ny miresaka aminao aho, dia mahatsapa fa mandray fahalalana misimisy kokoa.” Fantatro fa ilay fahalalana zaraiko amin’ny hafa dia mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay ary miteraka fifaliana izay hita taratra, na dia eo amin’ny olona iray manana fisehoana ivelany kilemaina toy ny tenako aza. Indraindray aho dia mahavita bebe kokoa noho ny amin’ny fotoana hafa eo amin’ny fanompoana, kanefa iriko ny hahavita be lavitra amin’ny fotoana rehetra! Fantatro fa mahalala ny toe-javatra misy ny rehetra i Jehovah ary koa fa mankasitraka izay azontsika atao izy, na manao ahoana na manao ahoana ny mety ho toa hakelin’izany. Matetika aho no nieritreritra ny Ohabolana 27:11, manao hoe: “Anaka, hendre, ary ampifalio ny foko, mba hamaliako izay miteny ratsy ahy”, ary tiako ny ho anisan’ireo izay manaporofo fa mpandainga i Satana.
Mampahery foana ny manatrika ireo fivoriana, na dia sarotra amiko aza ny mankany. Nanao fandaharana mahatalanjona maro aoka izany i Jehovah mba hahavoafahana tsara antsika amin’ny lafiny ara-panahy, hany ka iriko ny hanararaotra amin’ny fomba feno azy ireny. Toy inona moa ny fahasambaranay fa nandray ny fahamarinana koa ireo zanakay mianadahy! Manambady anadahy mahafinaritra i Terri, zanakay vavy, ary manan-janaka efatra tiako be izy ireo. Manafana ny fonay toy inona moa ny mahita fa tia an’i Jehovah koa ireo zafikelinay! I James zanakay lahy sy i Tuesday vadiny dia nanao ny safidy hanompo an’i Jehovah any amin’ny Betelan’i Brooklyn, foibe maneran-tanin’ny Vavolombelon’i Jehovah, any New York.
Paradisa iray eto an-tany amin’ny alalan’ny herin’i Jehovah
Miezaka hihazona ao an-tsaina ny fampanantenana mahatalanjon’i Jehovah ny amin’ny tany ho zary paradisa aho. Na dia ankehitriny aza, dia zavatra noforoniny tondraka no ahitantsika fahafinaretana. Ankafiziko ny masoandro mody kanto. Maharavoravo ahy ny voninkazo isan-karazany sy ny fameroverony. Tiako erỳ ny raozy! Tsy afa-mivoaka ny trano matetika loatra aho, kanefa rehefa afaka aho, dia mankafy tanteraka ny fahatsapana ny tara-masoandro mafana. Akimpiko ny masoko ary alaiko sary an-tsaina ny toerana kanto iray any an-tendrombohitra, miaraka amin’ny fianakaviako falifaly eny amin’ny tany rakotra ahitra malalaka feno voninkazo dia. Misy sakelidrano misasasasa eo, ary koa voanketsihetsy be ranony sy mamy ho an’ny rehetra! Rehefa afaka manao hosodoko aho, dia manao sarina zavatra izay manampy ahy hieritreritra ny amin’ilay Paradisa eto an-tany nampanantenaina amin’ny hoavy. Rehefa manao hosodoko aho, dia maka sary ny tenako hoe ao koa. Fantatro fa afaka mahatonga an’ireo sary an-tsaina sarobidy lalaiko ankehitriny, ho tena izy, i Jehovah.
Tiako ny mihazona ao an-tsaina ilay andinin-teny ao amin’ny Jakoba 1:12. Hoy izy io hoe: “Sambatra izay olona maharitra fakam-panahy; fa rehefa voazaha toetra izy, dia handray ny satroboninahitra fiainana, izay nolazain’ny Tompo homena izay tia Azy.” Nampitaha ny aretina nahazo azy tamin’ny ‘irak’i Satana hamely azy’ i Paoly. Nivavaka izy mba hanesoran’i Jehovah ilay fahasembanany, kanefa nilazana izy fa notanterahina tamin’ny fahalemeny ny herin’Andriamanitra. Koa porofon’ny herin’Andriamanitra teo amin’i Paoly àry ny nahitany fahombiazana, na dia teo aza ny fahalemeny. Hoy izy: “Ny fahalemeko no fahatanjahako.” (2 Korintiana 12:7-10). Heveriko fa izay kely vitako, na dia eo aza ny fetran’ny tenako, dia tsy vitako raha tsy amin’ny alalan’ny herin’Andriamanitra eo amiko.
Nirakitra an-tsoratra tantara iray izay tena mampahery ahy i Jaona. Izany dia momba ny lehilahy iray voatana teo am-pandriany nandritra ny 38 taona. Nandry tamim-panantenana teo anilan’ny dobon-drano iray izy, niaraka tamin’ny narary hafa, satria naniry mafy dia mafy ny hamelombelona ny tenany tao anatin’ilay dobo. Tsy nahatratra ilay rano, izay noheveriny fa mety hahasitrana azy, izy. Indray andro i Jesosy dia nahita azy ka nanontany azy hoe: “Te-ho sitrana va hianao?” Ho toy inona moa ny ranomasom-pifaliako rehefa hamaly io fanontaniana io aho! “Hoy Jesosy taminy: Mitsangàna, ento ny fandrianao, ka mandehana.” (Jaona 5:2-9). Maro amintsika no miandry amim-pahadodonana ny handre antso toy izany! — Notantarain’i Luretta Maass.
[Sary, pejy 24]
Nieritreritra ny amin’ny zaza iray tia olona aho, ary io izy, falifaly manavatsava toerana misy ahitra
[Sary, pejy 25]
Rehefa iny narisidrisika iny aho, dia naka sary an-tsaina ankizilahy kely iray sahisahy nandeha tamin’ny tongo-kazo, niaraka tamin’ny alikany teo an-tongony
[Sary, pejy 26]
Manangona nomeraon-telefaonina ho amin’ny fanompoana eny amin’ny saha
Miantso an-telefaonina