Andriamanitra Maro Loatra, Mandra-pahitako Ilay Marina
TERAKA tao Croydon, any Angletera tamin’ny 1921 aho, ary vavimatoa tamin’ny vavy telo sy lahy roa. Fony aho telo taona, dia voan’ny difteria ny sasany taminay ankizy. Naiditra hopitaly aho. Maty i Johnnie anadahiko ary satria izy tsy vita batemy, dia tsy namela ny hanaovana fotoam-pivavahana amin’ny fandevenana ny Eglizy Anglikana. Nampikorontan-tsaina ny raiko izany, ka nanontaniany ny iray anisan’ny klerjy raha ho afaka hanao vavaka rehefa hampidinina ao anaty tany ny vatam-patin’i Johnnie. Nanda izy.
Nilaza ny reniko fa nahatonga ny raiko ho tofoka tanteraka tamin’ny fivavahana izany. Natahotra aoka izany izy sao mety hisy zavatra hitranga tamiko na tamin’ireo rahavaviko, ka nitondra anay tany am-piangonana izy ary nampanao batemy anay, saingy tsy natao fantatry ny raiko. Nanjary mpikambana narisika tamin’ny antoko komonista ny raiko ary nampirisika anay hamaky zavatra vita an-tsoratra mifandray amin’ny materialisma dialektika, anisan’izany ny boky nosoratan-dry Huxley, Lénine, Marx. Tsy notononina mihitsy tao an-trano Andriamanitra, raha tsy hoe angaha rehefa nilaza i Dada fa tsy misy Andriamanitra.
Tamin’ny 1931, fony aho tokony ho folo taona, dia niampita ny arabe aho indraindray mba hitsidika an-dry Dadabe sy Nenibe avy amin’ny raiko. Nokianin’ny hafa matetika i Dadabe, kanefa nisy namirapiratra tao anatin’ny masony manga tsara tarehy sady faly mandrakariva izy. Nomeny vatomamy sy zavatra hovakina aho mazàna rehefa nandeha nody. Nohaniko ny vatomamy fa nariako kosa ny zavatra vita an-tsoratra. Tsy azoko tamin’izany fotoana izany ny anton’ny nanabantian’ny hafa azy.
Rehefa zatovo aho dia niaraka tamin’ny Fikambanan’ny Tanora Komonista ary tamin’ny farany, dia nanjary sekretera tao. Nanao kabary tao amin’ny lapan’ny tanàna aho ary niasa teny amin’ny arabe, nitondra ilay gazety hoe Challenge, ka nanolotra azy io tamin’izay rehetra naniry hihaino. Tamin’izany fotoana izany dia nisy antoko fasista iray nantsoina hoe Blackshirts (Lobaka Mainty), nihetsiketsika sady nanohitra mafy ny Komonisma. Tadidiko fa raha ilay nijoro teo amin’ny sisin’ny arabe iny aho, nanolotra ny Challenge, dia nisy mpikambana tamin’ny Blackshirts nanatona ahy ka niresaka tamiko, niantso ahy hoe Sunshine (Tara-masoandro), anaram-bosotra nomen’izy ireo ahy. Fantatr’ireo mpikambana zokiny kokoa tao amin’ny antoko komonista nisy ahy fa nikasa ny hamely ahy tamin’ny totohondry nasiana vy miranirany ny Fasista, koa nanomboka nanome ahy olona mpiaro izy ireo.
Tamin’ny fotoana iray, dia nahafantatra izahay fa handeha hanao dia be hamakivaky ny Sisiny Atsinanan’i Londres (nonenan’ny ankamaroan’ny Jiosy tamin’izany fotoana izany), ny Fasista. Nilazana izahay mba hanohitra azy ireo sady hitondra kitapo feno kanety, izay tokony hatsipinay ao ambanin’ny kitron’ny soavalin’ny polisy rehefa mirohotra hamely izy ireo mba hampisaraka ireo andaniny nifanandrina. Maro no voasambotra tamin’io andro io, nefa soa ihany fa tsy anisan’izy ireo aho, satria nanapa-kevitra ny tsy handeha tany aho.
Nanomboka niasa ny feon’ny fieritreretako
Tamin’ny fotoana hafa iray dia nasaina nilaza zavatra izay fantatro fa tsy marina aho, tamin’ireo vahoaka tafavory. Nanda aho ary nanontaniana hoe: Mampiova inona izany raha mbola tafita ny hevitsika? Tamin’io fotoana teo amin’ny fiainako io no nanomboka nanelingelina ahy ny feon’ny fieritreretako, ka nanomboka nanontany tena ny amin’ny zavatra maro aho.
Indray mandeha, nandritra ireo taona voalohany naha-zatovo ahy, dia nampirisihin’ny reniko aho hanatrika fotoam-pivavahana tany am-piangonana mba hahitako fotsiny izay niseho tany. Tsaroako fa nasaina nankeny amin’ny otely aho mba hiaiky ny fahotako. Rehefa teny aho dia voamariko fa nisy peratra telo nifampidipiditra ilay lamba amboradara nanarona ny otely. Nanontany aho hoe inona no nasehon’ireo ary nilazana aho fa nampiseho ny “Trinite Masina — Andriamanitra Ray sy Andriamanitra Zanaka ary Andriamanitra Fanahy Masina” ireo. Hoy aho anakampo: ‘Hafahafa izany. Mino andriamanitra telo izy ireo, kanefa ny raiko milaza fa tsy misy andriamanitra na dia iray aza!’ Rehefa nametraka fanontaniana fanampiny aho dia nohazavaina fa manana tapany telo ny atody iray kanefa dia atody iray ihany, raha ny tena izy. Tsy nahafa-po ahy koa izany. Nilazana aho tamin’izay fa be fanontaniana loatra. Nandeha nody aho nilaza tamin’ny reniko fa tsy ta handeha any am-piangonana intsony, ary tsy nankany intsony aho!
Tamin’ny fotoana nipoahan’ny Ady Lehibe Faharoa, dia tsy narisika tao amin’ny Fikambanan’ny Tanora Komonista intsony aho. Nanambady Kanadiana iray izay miaramila aho ary nanan-janakalahy iray izahay. Nozeran’ny baomba ny tranonay voalohany tao Londres. Nianjera teo anoloan’ny tranonay ny balafomanga V-1 tamin’ny fotoana tsy naha-tao an-trano anay mianaka. Namoy ny fanananay rehetra ara-nofo izahay. Tototra tao ambanin’ny korontan-trano rava izahay, kanefa nambinina ihany fa afaka namonjy ny ainay. Tany Normandie, Frantsa, ny vadiko tamin’izay fotoana izay.
Tokony ho tamin’izany fotoana izany no tadidiko fa niresaka tamin’ny tovovavy roa aho ka nanontany azy ireo hoe: “Raha misy Andriamanitra, nahoana no mamela izao fijaliana rehetra izao izy?” Nilaza zavatra momba an’i Satana ho ny andriamanitr’izao tontolo izao izy ireo. “Ha”, hoy aho anakampo, “andriamanitra hafa iray izay mbola tsy fantatro indray izany!” Avy eo, dia tonga ny tovolahy iray. Nototofako fanontaniana izy, ary nilaza izy fa nitady ireo ondry fa tsy ny osy. Koa satria tsy nahazatra ahy ny fanoharana nataon’i Jesosy, dia nanontany azy aho raha toa ny tenany ka mpitondra fivavahana na mpiompy. Nandalo ny taona vitsivitsy fanampiny, ary nifarana ny Ady Lehibe Faharoa. Nody ny vadiko rehefa avy nahita ny 95 isan-jaton’ny Rezimentan’i Saskatoon — voaforon’ny miaramila an-tanety mitam-piadiana maivana — ripaka tamin’ilay ady. Nanorim-ponenana tao amin’ny trano hafa iray tao Croydon izahay.
Tonga nitsidika ny Vavolombelona
Indray alahady dia tonga nampaneno ny lakolosy tao am-baravaranay ny Vavolombelon’i Jehovah roa. Ny vadiko no namoha varavarana ary niara-nidinika ela be tamin’izy ireo izy. Nanjary nanakiana mafy ny fivavahana rehetra izy noho ny fihatsarambelatsihy hitany nandritra ny ady. Nanaitra azy ny hoe tsy nomba ny atsy na ny aroa ny Vavolombelona. Nilaza tamiko izy fa nasainy niverina izy ireo mba hanao fiaraha-midinika ny Baiboly. Nanjary tena nanahy aho ary nanontany ny raiko izay tokony hataoko. Nilaza izy fa tsy tokony hiditra amin’izany aho ary raha mikiry amin’io fivavahana adala io ny vadiko dia tsy maintsy mangataka fisaraham-panambadiana aho.
Nanapa-kevitra ny hanatrika fiaraha-midinika iray aho mba hahitana izay hiseho. Nipetraka nanodidina ny latabatra izahay rehetra, ary hoy ilay Vavolombelona: “Indray andro any ianareo dia ho afaka hisakambina liona iray tsy misy hafa amin’ny azonareo atao amin’ny alika iray.” “Ha, adala ireto”, hoy aho anakampo. Tsy afaka nifantoka tamin’izay zavatra hafa voalaza tamin’io takariva io aho, ary taorian’izany, dia niteny tamin’ny vadiko aho fa tsy tiako ny hiverenan’izy ireo indray. Ranomaso havozona ny anay mivady, ary niresaka ny amin’ny hahazoana fisaraham-panambadiana izahay.
Fotoana fohy taorian’izay, dia nisy Vavolombelona hafa iray nitsidika. Fantatray tatỳ aoriana fa mpiandraikitra ny fizaran-tany izay nitsidika ny kongregasiona teo an-toerana izy io, ary nahafantatra ny momba anay. Tena tadidiko tsara izy io. Manga maso izy sady tena tsara fanahy no nanam-paharetana. Nampahatsiahy ahy ilay Dadabeko izy. Navoakako ny lisitra fanontaniana 32 efa nosoratako. “Hodinihintsika tsirairay isaky ny mandeha ireo”, hoy izy, ary izany tokoa no nataonay. Nanampy ahy hahatakatra izy fa mba hahazoana amin’ny fomba feno izay lazain’ny Baiboly, dia nila ny namaky sy nianatra azy io aho. Nanipy hevitra izy ny hisian’ny olona hitsidika anay tsy tapaka mba hiara-mianatra ny Baiboly aminay. Nanaiky aho.
Rehefa nanomboka nahatakatra tsikelikely ny momba an’i Jehovah Andriamanitra, Mpamorona antsika aho, dia tsy tanako ny ranomasoko. Tadidiko fa nankany amin’ny efitrano fatoriana aho ka nivavaka tamin’i Jehovah mba hiangavy aminy hamela ahy, ary mba hanampy ahy hahazo ny hevitry ny Baiboly sy ny fikasany. Natao batisa izahay telo mianaka tamin’ny 1951. Nikorontan-tsaina mafy ny raiko nandre izany ary nilaza izy fa naleony nahita ahy maty toy izay tonga Vavolombelon’i Jehovah.
Fanompoana any amin’izay ilana fanampiana
Nanapa-kevitra ny hiverina tany Kanada ny vadiko, ka tamin’ny 1952 izahay dia nifindra tany Vancouver, any Kolombia Britanika. Nanda tsy hanao veloma anay ny raiko, ary tsy nahita azy na nahazo vaovao momba azy intsony aho. Taorian’ny nipetrahanay taona maromaro tao Vancouver, dia nisy antso natao mba handehanana any amin’izay ilana fanampiana, indrindra indrindra tany amin’ny faritra toa an’i Québec, izay nisy an’i Duplessis Praiministra, izay nanana fihetsika tahaka ny an’i Hitler nanoloana ny Vavolombelon’i Jehovah.
Tamin’ny 1958, dia nofenoinay ny fanananay ara-nofo rehetra ny fiarakodianay ary nankany amin’ilay fivoriambe iraisam-pirenena tany New York izahay. Avy teo izahay dia nankany Montréal, Québec, ka voatendry tao amin’ny kongregasiona frantsay iray tao Ville de Jacques-Cartier. Nanana fanandraman-javatra maro nahaliana izahay nandritra ny fotoana nanompoana an’i Jehovah tany Québec. Indray mandeha, dia naongana ny fiarakodianay, notoraham-bato izahay, ary notondrahan’ny vehivavy iray tamin’ny rano tamin’ny fantsona nalefa faran’izay mafy izahay. Izany dia teo amin’ny toerana nantsoina hoe Magoga.
Tamin’ny fotoana hafa indray, raha ilay nandalo teo amin’ny fiangonana iray iny indrindra izaho sy ilay namako no nilahatra nivoaka ny olona. Nisy nahafantatra anay ka nihiaka hoe: “Témoins de Jéhovah!” (“Vavolombelon’i Jehovah!”). Nisy fifanenjehana notarihin’ny mompera vokatr’izany, saingy tsy naharaka anay ireo olona maro be. Imbetsaka izahay no nosamborina. Kanefa, nanana fifaliana nanampy olona maromaro hahafantatra an’i Jehovah aho, ka ny maro aminy mbola manompo azy amim-paharisihana.
Tany am-piandohan’ireo taona 1960, dia nafindran’ny mpampiasa azy tany Los Angeles ny vadiko, ary nanompo maherin’ny 30 taona tao amin’ny kongregasiona iray tany izahay. Fahafinaretana toy inona moa ny anay niresaka ny fahamarinana tamin’olona izay avy tamin’ny faritra rehetra teto an-tany ka nifindra tany Los Angeles! Nanana tombontsoa aho niara-nianatra tamin’olona avy tany Liban, Egypta, Sina, Japon, Frantsa, sy Italia, raha tsy hanonona afa-tsy ireo aza. Tsaroako ny nihaonako tamin’ny tovovavy iray izay tsy nahay niteny anglisy mihitsy — soa ihany fa nahay niteny anglisy ny vadiny. Koa niara-nianatra tamin’izy ireo niaraka, izahay mivady. Tamin’ny farany, dia niara-nianatra taminy nitokana aho. Ilay boky hoe Aoka Andriamanitra no ho Fantatra fa Marina tamin’ny teny anglisy no nampiasaiko, ary izy nijery ireo andinin-teny tao amin’ny Baiboliny amin’ny teny sinoa sy namaly ireo fanontaniana tamin’ny teny sinoa. Avy eo aho dia nilaza ny valin-teny tamin’ny teny anglisy ary izy namerina izany tamin’ny teny anglisy. Tamin’ny farany, dia nanjary nisosa tsara ny fiteniny anglisy, na dia fomba fiteny britanika aza no nanaovany izany. Faly aho milaza fa samy mpanompon’i Jehovah nanolo-tena izy mivady ankehitriny.
Nifindra vao haingana eto Tucson, Arizona, izahay, ary nanana tombontsoa fanampiny nahita ny mpianakavinay rehetra manompo amim-pahatokiana an’i Jehovah, anisan’izany ny zafiafinay, izay nampianarina momba an’i Jehovah, ilay Mpamorona antsika Lehibe.
Tsetsatsetsa tsy aritra no ilazana fa, nampientam-po ahy ny nahafantarako avy tamin’ireo anadahy tao Croydon fa ilay dadabeko manga maso namirapiratra dia Vavolombelon’i Jehovah. — Notantarain’i Cassie Bright.