FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g97 8/6 p. 8-10
  • Afaka Mahita Fialam-boly Mahasoa Ianao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Afaka Mahita Fialam-boly Mahasoa Ianao
  • Mifohaza!—1997
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Aoka ianao hahay hifantina
  • Ny andraikitry ny ray aman-dreny
  • Mankafiza fanaovan-javatra hafa
  • Ahoana no Hifidianana Fialam-boly Mahasoa?
    “Mitoera ao Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra”
  • Mifidiana Fialam-boly Mampifaly An’i Jehovah
    Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
  • Fidio Tsara ny Fialam-boly Ataonao
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2019
  • Ny Fiaraha-miala Voly — Ankafizo Ireo Soa Atolony, Halaviro Ireo Fandrika Entiny
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
Hijery Hafa
Mifohaza!—1997
g97 8/6 p. 8-10

Afaka Mahita Fialam-boly Mahasoa Ianao

SADY tsy manameloka ny fahafinaretana hita amin’ny fialam-boly ny Baiboly no tsy mihevitra ny fanaovana azy io ho fandaniam-potoana. Mifanohitra amin’izany aza fa milaza ny Mpitoriteny 3:4 hoe ao “ny andro ihomehezana” sy “ny andro andihizana”.a Ny vahoakan’Andriamanitra tany Isiraely fahiny dia nankafy karazana fialam-boly maro samihafa, anisan’izany ny mozika sy ny fandihizana ary ny kilalao. Ny tenan’i Jesosy mihitsy aza dia nanatrika fampakaram-bady lehibe, ary tamin’ny fotoana hafa iray, dia nanatrika “fanasana lehibe”. (Lioka 5:29; Jaona 2:1, 2). Koa tsy toherin’ny Baiboly àry izany ny fananana fotoana mahafinaritra.

Kanefa, satria mankalaza fitondran-tena tsy mampifaly an’Andriamanitra ny ankamaroan’ny fialam-boly amin’izao andro izao, dia mipoitra ny fanontaniana hoe: Inona no azonao atao mba hahazoana antoka fa mitoetra ho mahasoa ireo fari-pitsipika mifehy ny fifidiananao fialam-boly?

Aoka ianao hahay hifantina

Raha ny amin’ny fifantenana ny fialam-boliny, ny Kristiana dia haniry hotarihin’ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly. Ohatra, nanoratra toy izao i Davida mpanao salamo: “Jehovah mizaha toetra ny marina; fa ny ratsy fanahy sy ny [tia herisetra, NW ] dia samy halan’ny fanahiny.” (Salamo 11:5). Ary toy izao no nosoratan’i Paoly ho an’ny Kolosiana: “Koa vonoy ny momba ny tenanareo izay etỳ an-tany, dia fijangajangana, fahalotoana, firehetam-po, fanirian-dratsy ary fieremana (...) Esory koa izao rehetra izao, dia fahatezerana, fiafonafonana, lolompo, fitenenan-dratsy, teny mahamenatra”. — Kolosiana 3:5, 8.

Maro amin’ny fialam-boly misy amin’izao andro izao no mandika mazava an’io torohevitra ara-tsindrimandry io. ‘Izaho kosa aloha tsy hanao na oviana na oviana ny zavatra hitako amin’ny filma e’, hoy ny mety ho fanoheran’ny sasany. Mety ho izany no izy. Kanefa, na dia tsy manondro aza ny fialam-bolinao hoe ho karazan’olona hanao ahoana ianao, izy io kosa dia mety hampiharihary zavatra momba ny hoe efa karazan’olona manao ahoana ianao amin’izao fotoana izao. Ohatra, izy io no mety hilaza raha anisan’ireo “tia herisetra” na mampifantoka ny saina amin’ny ‘fijangajangana sy firehetam-po sy fierenana ary teny mahamenatra’ ianao na tsia, na koa, raha anisan’ireo tena ‘mankahala ny ratsy’ ianao na tsia. — Salamo 97:10.

Nanoratra toy izao ho an’ny Filipiana i Paoly: “Na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona mahate-ho-tia, na inona na inona tsara laza, raha misy hatsaram-panahy, ary raha misy dera, dia hevero izany.” — Filipiana 4:8.

Midika ve anefa io andininy io fa ratsy avy hatrany izay rehetra mety ho sarimihetsika, na boky, na fandaharana ao amin’ny televiziona, ka karazana tsy fahamarinana, angamba heloka bevava, ny votoatiny? Sa hailika avokoa ve ny tantara hatsikana rehetra satria tsy “manan-kaja” izy ireny? Tsia, satria asehon’ny teny manodidina fa tsy fialam-boly no noresahin’i Paoly fa ny fisainan’ny fo, izay tokony hafantoka amin-javatra mampifaly an’i Jehovah. (Salamo 19:14). Na dia izany aza, izay nolazain’i Paoly dia afaka manampy antsika raha ny amin’ny fifidianana fialam-boly. Amin’ny fampiasana ilay fotopoto-pitsipika ao amin’ny Filipiana 4:8, dia afaka manontany tena toy izao isika: ‘Moa ve ny fialam-boly fidiko mahatonga ahy hisaintsaina zavatra tsy madio?’ Raha eny, dia ilaintsika ny manao fanitsiana.

Rehefa manombana fialam-boly anefa ny Kristiana, dia tokony ‘hamela ny fahalalany ny antonona ho fantatry ny olona rehetra’. (Filipiana 4:5, NW ). Mazava ho azy fa misy fanaovan-javatra tafahoatra raha ny amin’ny fialam-boly, ka miharihary fa tsy mety ho an’ny Kristiana marina. Ankoatra izany, ny isam-batan’olona dia tokony handanjalanja ilay raharaha amim-pitandremana ka handray fanapahan-kevitra izay hamela azy hanana feon’ny fieritreretana madio eo anatrehan’Andriamanitra sy ny olona. (1 Korintiana 10:31-33; 1 Petera 3:21). Tsy hety ny hitsarana ny hafa amin-javatra madinika na hanorenana fitsipika araka izay tian’ny tena, ka hoe izany no hanerena ny hafa ny amin’izay tokony hataony.b — Romana 14:4; 1 Korintiana 4:6.

Ny andraikitry ny ray aman-dreny

Manana anjara asa lehibe ny ray aman-dreny raha ny amin’ny fialam-boly. Hoy ny nosoratan’i Paoly: “Fa raha misy tsy mamelona ny azy, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nandà ny finoana izy ka ratsy noho ny tsy mino aza.” (1 Timoty 5:8). Araka izany, ny ray aman-dreny dia manana adidy hamelona ny mpianakaviny, tsy eo amin’ny ara-nofo ihany fa eo amin’ny ara-panahy sy ara-pihetseham-po koa. Tafiditra amin’izany ny fanaovana fandaharana ho amin’ny fialam-boly mahasoa. — Ohabolana 24:27.

Indraindray dia atao tsirambina io lafiny amin’ny fiainam-pianakaviana io. “Mampalahelo”, hoy ny misionera iray any Nizeria, “fa misy ray aman-dreny sasany mihevitra ny fialam-boly ho fandaniam-potoana. Ny vokany dia avela hanao izay saim-pantany ny ankizy sasany, ka karaza-namana ratsy sy karazam-pialam-boly ratsy no hitany.” Ry ray aman-dreny, aza avela hitranga izany! Ataovy azo antoka fa manana fialam-boly mahasoa izay tena mamelombelona azy, ireo zanakareo.

Ilaina anefa ny fitandremana. Ny Kristiana dia tsy tokony ho sahala amin’ny maro amin’izao andro izao, izay ‘tia fahafinaretana fa tsy tia an’Andriamanitra’. (2 Timoty 3:1-4, NW ). Eny, tokony hohazonina eo amin’ny toerana tokony hisy azy ny fialam-boly. Tokony hamelombelona — fa tsy hifehy ny fiainan’ny tena — izy io. Koa ny ankizy sy ny olon-dehibe àry dia tsy vitan’ny hoe mila karazana fialam-boly mety fa mila habetsahany araka ny mety koa. — Efesiana 5:15, 16.

Mankafiza fanaovan-javatra hafa

Maro amin’ny fialam-boly tiam-bahoaka no mampianatra ny olona hitorevaka fa tsy hanao zavatra. Diniho, ohatra, ny televiziona. Hoy ny fanamarihan’ilay boky hoe What to Do After You Turn Off the TV (Izay Tokony Hatao Aorian’ny Hamonoanao ny Televiziona): “Toetra maha-izy [ny televiziona] mihitsy ny anazarany antsika hitorevaka: Ny fialam-boly, ary na dia ny fianarana aza, dia manjary zavatra azontsika tsy misy fiezahana, fa tsy vokatry ny nanaovantsika zavatra.” Mazava ho azy fa manana ny toerany na dia ny fialam-boly tsy handraisan’ny tena anjara aza. Kanefa raha maka be loatra amin’ny fotoana malalaka ananan’ny olona iray izany, dia manaisotra aminy fotoana fanararaotra mampientanentana.

Ilay mpanoratra atao hoe Jerry Mander, izay milaza ny tenany ho “anisan’ny taranaka talohan’ny televiziona”, dia milazalaza ireo fe-potoana nisian’ny sorisory tsindraindray, izay nianjady tamin’ny fahazazany: “Niara-dalana tamin’ny tebiteby ilay izy”, hoy izy. “Faran’izay tsy nahafinaritra ilay izy, tena tsy nahafinaritra ka nanapa-kevitra ny handray fepetra aho tamin’ny farany — ny hanao zavatra. Niantso an-telefaonina ny namana iray aho, nandeha tany ivelan’ny trano. Nandeha nilalao baolina aho. Namaky boky. Nanao zavatra e! Rehefa manao jery todika aho, dia mihevitra ireny fotoana nisian’ny sorisory sy ‘fidonanaham-poana’ ireny ho toy ny toe-javatra nampahory izay loharano nipoiran’ny asa famoronan-javatra.” Amin’izao andro izao, hoy ny fanamarihan’i Mander, dia ampiasain’ny ankizy ho toy ny vahaolana tsotra amin’ny sorisory ny televiziona. “Ny televiziona dia mampisinda ilay tebiteby sy ilay fahaiza-mamoron-javatra izay mety hiseho manaraka azy io”, hoy ny teny nanampiny.

Noho izany, dia maro no nahita fa ny fanaovan-javatra mitaky fandraisana anjara fa tsy hoe mitorevaka fotsiny, dia afaka ny hitondra fahafaham-po kokoa tsy araka ny noeritreretin’izy ireo. Hitan’ny sasany fa loharanom-pahafaham-po ny fiaraha-mamaky teny amin’ny hafa amin’ny feo avo. Ny hafa dia manao zavatra ankafiziny manokana, toy ny fitendrena zavamaneno na fanaovana sary hoso-doko. Eo koa ireo fahafahana handamina fiaraha-miala voly mahasoa.c (Lioka 14:12-14). Ahitan-tsoa koa ny fialam-boly any ivelan’ny trano. Manao tatitra toy izao ny masoivohon’ny Mifohaza! iray any Soeda: “Ny fianakaviana sasany dia mandeha milasy na manjono na mitsangantsangana any anaty ala, mandeha lakana, mandehandeha any an-tendrombohitra, sy ny toy izany. Finaritra erỳ ny ankizy.”

Tsy tokony hahagaga antsika ny fisian’ny zavatra manimba eo amin’ny fialam-boly. Nanoratra ny apostoly Paoly fa ‘mandeha amin’ny fahafoanan’ny sainy’ ny olona eo amin’ireo firenena. (Efesiana 4:17). Noho izany, dia ampoizina tsotra izao ny hoe hanome fahafaham-po ny “asan’ny nofo” ny ankamaroan’izay zavatra hitan’izy ireo ho mampiala voly. (Galatiana 5:19-21). Kanefa, ny Kristiana dia afaka mampiofana ny tenany mba hanao fanapahan-kevitra tsara raha ny amin’ny hatsaran’ny fialam-bolin’izy ireo sy ny habetsahany. Afaka manao ny fialam-boly ho zavatra iray ahin’ny fianakaviana koa izy ireo ary afaka manandrana fanaovan-javatra vaovao mihitsy aza, izay hamelombelona sy hampisy fahatsiarovana tsara mandritra ny taona maro ho avy. Eny, afaka mahita fialam-boly mahasoa ianao!

[Fanamarihana ambany pejy]

a Ny endriny hafa amin’ilay teny hebreo nadika hoe ‘mihomehy’ dia azo adika hoe “milalao”, “manolotra fialam-boly”, “mankalaza”, na “manao izay mahafalifaly”.

b Mba hahazoana fanazavana bebe kokoa, dia jereo ny Mifohaza! (frantsay) tamin’ny 22 Jolay 1978, pejy faha-16-21, sy ny 8 Desambra 1995, pejy faha-6-8.

c Mba hahazoana toro lalana araka ny Soratra Masina ny amin’ny fiaraha-mikorana, dia jereo Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Aogositra 1992, pejy faha-15-20, sy ny 1 Oktobra 1996, pejy faha-18-19.

[Sary, pejy 9]

Afaka ny hitondra fahafaham-po ny fialam-boly mahasoa

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara