Fanararaotana Vetaveta Atao Amin’ankizy — Olana Maneran-tany
AVY AMIN’NY MASOIVOHON’NY MIFOHAZA! ANY SOEDA
Ny fiaraha-monin’olombelona dia voahozongozon’ny endriny manafintohina iray amin’ny fametavetana ankizy. Tsy fantatra hatraiza hatraiza ny halehiben’izy io sy ny mombamomba azy io raha tsy vao tato anatin’ireo taona faramparany. Mba hahitana izay ho azo atao momba azy io, dia nisy solontenan’ny firenena 130 nivory tany Stockholm, eto Soeda, tamin’ny Fihaonambe Eran-tany Hoenti-miady Amin’ny Fanararaotana Vetaveta Atao Amin’ankizy Ahazoam-bola. Io no fihaonambe voalohany natao momba azy io. Nisy masoivohon’ny Mifohaza! eto Soeda koa tao.
FONY 14 taona i Magdalen, dia voasarika hiditra hanao ny asan’ny “mpandray vahiny” tao amin’ny trano iray fisotroana labiera any Manille, any Philippines, izy. Raha ny marina, dia tafiditra tamin’ny asany ny fitondrana clients lehilahy ho ao amin’ny efitrano kely iray ka nampitanjaka ny tenany mba hanaovan’izy ireo fanararaotana vetaveta — amin’ny antsalany, dia lehilahy 15 isaky ny alina ary 30 rehefa asabotsy. Indraindray, rehefa nilaza izy fa tsy tantiny intsony ilay izy, dia nanery azy hanohy ihany ny mpitantana ilay trano fisotroana. Matetika izy no tamin’ny efatra maraina vao nirava niasa, nahatsiaro ho trotraka sy ketraka ary ory.
I Sareoun dia tovolahy kamboty mpirenireny an-dalambe, any Phnom Penh, any Kambodja. Voan’ny tety izy ary fantatra ho ‘nisipa’ tamina lehilahy vahiny. Nomena toeram-ponenana tao amin’ny tempoly iray izy, ka moanina taloha iray no hoe ‘hikarakara’ azy tao. Nametaveta an’ilay ankizilahy anefa io lehilahy io ary nanome azy an’ireo vahiny mba hanaovan’izy ireo firaisana. Rehefa potika ilay toeram-ponenan’i Sareoun tao amin’ilay tempoly, dia nanomboka niara-nipetraka tamin’ny nenitoany izy, saingy mbola voatery nivaro-tena ihany.
Ireo dia ohatra roa monja ny amin’ilay olana mahatsiravina nodinihina tany amin’ny faramparan’ny taon-dasa, tamin’ilay Fihaonambe Eran-tany Hoenti-miady Amin’ny Fanararaotana Vetaveta Atao Amin’ankizy Ahazoam-bola. Manao ahoana ny fielezan’io fanao io? Ankizy ana hetsiny maro no tafiditra amin’izy io — eny tokoa, lazain’ny olona sasany ho an-tapitrisany aza. Namintina ilay olana toy izao ny solontena iray: “Vidina sy amidy toy ny entam-barotra hanaovana firaisana sy [entam-barotra] ara-toe-karena ny ankizy. Atao varo-maizina ao anatin’ny sisin-tany sy any ivelany toy ny entana voarara izy ireo, voagadra any anatin’ny trano fivarotan-tena ary terena hanaiky ireo mpanararaotra vetaveta maro be.”
Tao amin’ny teny fanokafany an’ilay fivoriana, i Göran Persson, praiminisitr’i Soeda, dia nilazalaza an’io fanararaotana io ho “ny karazana heloka bevava tsy mifaditra ovana indrindra sy feno habibiana sy maharikoriko indrindra”. Nilaza ny solontena iray avy amin’ny Firenena Mikambana fa izy io dia “fametavetana ankizy amin’ny lafiny rehetra (...), mahavoafady tanteraka sy fanitsakitsahana ny zon’olombelona, [izay fanitsakitsahana] mendri-kohamavoina indrindra azo saintsainina”. Teny maro mitovy amin’izany, izay nitory hatezerana noho ny fanararaotana vetaveta ny ankizy no nolazaina avy teny amin’ny lampihazo, nandritra ilay fihaonambe, teo am-pandinihana ny halehiben’izy io sy ny mombamomba azy io, ary ny antony sy ny vokany.
“Miampita ny sisin-tanin’ireo firenena ny halehiben’izy io, miampita ny taranaka mifanesy ny vokatr’izy io”, hoy ny loharanon-kevitra iray. Hoy ny iray hafa: “Tombanana ho ankizy iray tapitrisa no inoana fa miditra ao amin’ny tsenan’ny raharaha vetaveta tsy ara-dalàna ampiasana vola an’arivo tapitrisany dolara, isan-taona.” Inona ny vokatr’izany? “Mihena ny fahatsapan’ny ankizy fahamendrehana, ny fahatsapany tena ho manana ny maha-izy azy sy afa-po amin’ny tenany, ary donto ny fahaizany mitoky amin’olona. Tandindomin-doza ny fahasalamany ara-batana sy ara-pihetseham-po, hitsakitsahina ny zony ary rahonan’ny loza ny hoaviny.”
Antony sasany
Inona avy no antony sasany mahatonga ny fitomboan’io olana io ho be dia be aoka izany? Nambara fa ny ankizy sasany dia “voatosika hivaro-tena noho ny toe-javatra misy azy, toy ny hoe fomba iray hahavelomana hatrany any amin’ny faritanàna mahantra, hanampiana hanohanana ny fianakaviany, na hividianana akanjo sy entana ilaina, izy io. Ny hafa dia sodokan’ny fanindrahindrana tsy an-kijanona ny olona manana ny ampy, ao anatin’ny dokam-barotra”. Misy hafa koa olona angalarina ka terena hivaro-tena. Noresahina ho anisan’ireo antony ny fahasimbana haingan’ny soatoavina (valeurs) ara-pitondran-tena hatraiza hatraiza, ary koa ny fahatsapana ankapobe ho very fanantenana.
Ankizivavy sy ankizilahy maro no manjary tafiditra amin’ny anton-draharaha vetaveta, noho ny fitondran’ny fianakaviany azy amin’ny fomba ratsy — ny herisetra sy ny firaisana amin’ny havana akaiky ao an-tokantrano dia mitarika azy ireo hivoaka eny an-dalambe. Rehefa eny izy ireo dia mety hahita loza avy amin’ny fametavetan’ny mpanao firaisana amin’ankizy, sy ny hafa, toa avy amin’ny polisy mihitsy aza. Ny tatitra iray momba io olana io, izay nitondra ny lohateny hoe Kids for Hire (Ankizy Ahofa) dia milaza ny amin’i Katia, enin-taona, any Brezila. Rehefa tratran’ny polisy iray izy, dia noteren’ilehio hanao zavatra vetaveta ka norahonany hovonoina ny fianakaviany raha nilaza tamin’ny lehibeny i Katia. Ny ampitson’iny dia tonga ilay polisy, niaraka tamin’ny lehilahy dimy hafa, ka izy rehetra ireo dia naniry ny hanaovan’i Katia ilay fanao vetaveta iny ihany, ho azy ireo.
Nilaza toy izao tamin’ireo solontena ny Ombudsman ho An’ny Ankizy, fikambanana soedoà iray: “Rehefa natao ny fandinihana momba ny antony mahatonga ny fivarotan-tenan’ny ankizy, dia tsy misy isalasalana fa ny fizahan-tany [mba hanao firaisana] no iray amin’ireo antony lehibe.” Hoy ny tatitra iray: “Ny fandraharahana momba ny fizahan-tany no miteraka mivantana ny fitomboana tsy misy toy izany eo amin’ny fivarotan-tenan’ny ankizy tato anatin’ny folo taona farany. Ny fivarotan-tenan’ny ankizy no zava-baovao farany indrindra manintona mpizaha tany, atolotry ny firenena an-dalam-pandrosoana.” Ny “fizahan-tany mba hanao firaisana”, miainga avy any Eoropa, Etazonia, Japon, sy any an-toeran-kafa, dia mamorona fitadiavana ankizy mpivaro-tena be dia be, manerana izao tontolo izao. Nampiasa kisarisary mahatsikaiky mampiseho ankizy iray manao ‘paozy’ vetaveta mibaribary ny fitaterana ana habakabaka eoropeana iray mba hanaovana dokam-barotra momba ny fizahan-tany mba hanao firaisana. Misy agences de voyage mandamina fizahan-tany mba hanao firaisana, ho an’ny olona an’arivony maro, isan-taona.
Ao anatin’ilay lisitra lava be misy ireo antony koa ny hoe anaovana dokam-barotra iraisam-pirenena amin’ny alalan’ny teknolojia vaovao ny indostrian’ny raharaha vetaveta atao amin’ankizy. Ny Internet, miaraka amin’ny teknolojia hafa mifandray amin’ny ordinatera, dia anaovana tatitra ho ny hany loharano lehibe indrindra ipoiran’ny sary vetaveta. Nanamora toy izany koa ny famokarana sary vetaveta ampiasana ankizy ny fitaovana vidéo mora vidy.
Iza moa izy ireo?
Maro amin’ireo olon-dehibe mametaveta ankizy no mpanao firaisana amin’ankizy. Ny olona iray mpanao firaisana amin’ankizy dia voasintona hanao firaisana vetaveta amin’izy ireny. Araka ny Ombudsman ho An’ny Ankizy eto Soeda, izy ireny dia “tsy voatery ho lehilahy zokiolona manana fisehoana ivelany misavoritaka sady manao akanjo aro orana na karazan’olona mahery setra mampiseho toetran-dehilahy. Ny olona fahita ho mpanao firaisana amin’ankizy dia lehilahy efa lazondazony, avara-pianarana, matetika miasa ho an’ny ankizy, toy ny mpampianatra, ny dokotera, ny mpanao asa sosialy, na pretra”.
Ilay vondron’olona soedoà dia nanintona ny saina ho amin’ny ohatr’i Rosario, ankizivavy 12 taona avy any Philippines, izay novetavetain’ny olona iray mpizaha tany mba hanao firaisana, dia ny dokotera iray avy any Aotrisy. Nitarika ny fahafatesan’i Rosario ny nametavetana azy.
I Carol Bellamy, tale mpanatanteraka ao amin’ny UNICEF (Fikambanana Iraisam-pirenena Miahy ny Reny sy ny Zaza) any Genève, dia nanambara izao manaraka izao momba io ankizivavy 12 taona avy any Philippines io: “Matetika dia ireo olon-dehibe anankinana ny fikarakarana sy ny fiarovana ny ankizy indrindra no manome lalana sy manatanteraka an’io fanao tsy azo leferina io. Misy mpampianatra, mpiasa matihanina eo amin’ny fahasalamana, polisy, mpanao politika, sy mpikambana amin’ny klerjy, izay mampiasa ny lazany sy ny fahefany mba hanararaotana ny ankizy amin’ny fomba vetaveta.”
Voarohirohy ny fivavahana
Tany amin’ilay fihaonambe tany Stockholm, dia nanambara ny solontena iray avy amin’ny Eglizy Katolika fa ny fanararaotana ankizy no “heloka bevava mahatsiravina indrindra” ary “vokatry ny fanolanana lalina sy ny faharavan’ny soatoavina”. Kanefa dia nisy fiantraikany lalina teo amin’ny Eglizy Katolika ny fanao toy izany, teo anivon’ny klerjiny.
Tao amin’ny nomeraon’ny Newsweek tamin’ny 16 Aogositra 1993, ny lahatsoratra iray nitondra ny lohateny hoe “Pretra sy Fametavetana” dia nanao tatitra momba ny “raharaha mahafa-baraka ratsy indrindra nataon’ny klerjy, teo amin’ny tantara maoderin’ny Eglizy Katolikan’i Etazonia”. Hoy ny nambaran’izy io: “Raha mbola filazana tsy nisy porofo no nentina nitory pretra tombanana ho 400, nanomboka tamin’ny 1982, dia vinavinain’ny sasany amin’ny klerjy fa pretra hatramin’ny 2 500 no nametaveta ankizy na zatovo. (...) Ankoatra ny vola, ilay raharaha mahafa-baraka dia nahatonga ny fiangonana hizaka henatra mafy — sy hamoy ny fahefany eo amin’ny fitondran-tena.” Ao anatin’ny tarehin-javatra mitovy amin’izany ny fivavahana hafa manerana ny tany.
Tany amin’ilay fihaonambe tany Stockholm, i Ray Wyre, mpanolo-tsaina momba ny heloka bevava vetaveta, avy any Royaume-Uni, dia niresaka ny amin’ny ankizilahy roa izay novetavetain’ny pretra iray tamin’ny fomba tsy mifaditra ovana. Ny iray amin’ireo ankizilahy ireo ankehitriny dia mitantana fikambanana iray ho an’ireo niharam-pahavoazana tamin’ny fametavetana ankizy nataon’ny pretra, ary ilay iray hafa dia lasa mpametaveta koa.
I Mettanando Bhikkhu, manam-pahaizana bodista iray avy any Tailandy, dia nanao tatitra fa “ny karazana fanao bodista sasany dia anisan’ny mahatonga ny fanararaotana vetaveta atao amin’ankizy, any Tailandy, amin’ny ambaratonga maromaro. Any amin’ireo vohitra eo an-toerana, any Tailandy, ireo moanina indraindray dia nandray soa avy tamin’ny vola naverin’ny ankizy noterena hivaro-tena, ho an’ny fiaraha-monina”.
Inona no azo atao?
Ny Dr. Julia O’Connell Davidson, avy ao amin’ny Oniversiten’i Leicester any Royaume-Uni, dia nanasa ilay fihaonambe mba hanohitra ny fanamarinan’ireo mpanararaotra ny fitondran-tena ataony. Matetika no mifantoka amin’izay heveriny ho fitondran-tena tsy voafehy eo amin’ny maha-lahy sy ny maha-vavy sy ny fahalotoam-pitondran-tenan’ilay ankizy, ireo mpametaveta, amin’ny fanantitranterana fa efa maloto sy simba ilay ankizy. Ny mpanararaotra hafa dia mampiasa ilay fiheverana voaolana sy diso hoe tsy hiteraka fahavoazana ny zavatra nataon’izy ireo ary handray soa ilay ankizy.
Ny antokon’olona voafantina nandinika momba ny fizahan-tany mba hanao firaisana dia nanoro hevitra ny amin’ny hiadiana amin’izy io amin’ny alalan’ny fanabeazana avy amin’ny taranja any an-tsekoly. Fanampin’izany, ny fanazavana hoenti-miady amin’ny fanararaotana vetaveta atao amin’ankizy, dia tokony hahatratra ireo mpandeha mandritra ilay dia manontolo — alohan’ny hiaingana, mandritra ny dia, ary any amin’ilay toerana handehanana.
Raha ny amin’ireo teknolojia vaovao momba ny fampitan-kevitra dia nisy antokon’olona voafantina iray nanipy hevitra hoe tokony homena toro lalana ho amin’ny fanafoanana ireo fitaovana anararaotana ankizy ireo firenena. Nodinihina ny hanorenana fikambanana iraisam-pirenena iray mba handrindra ny asa amin’io sehatra io. Nanoro hevitra ny antokon’olona voafantina hafa iray fa tokony hokilasina ho heloka bevava any amin’ny tany rehetra, ka hampiharana sazy feran’ny lalàna, ny sary vetaveta ampiasana ankizy avoakan’ny ordinatera, sy ny fananana sary vetaveta amin’ny ankapobeny, ampiasana ankizy.
Inona no azon’ny ray aman-dreny atao? Ny antokon’olona voafantina iray nandinika ny anjara asan’ny fampitam-baovao dia nanipy hevitra ny amin’ny handraisan’ny ray aman-dreny andraikitra hiarovana ny zanany. Hoy ny nambarany: “Ny ray aman-dreny dia tsy vitan’ny hoe afaka mitari-dalana fotsiny ny zanany eo am-pitomboan’izy ireo amin’ny maha-mpanjifa ny fampitam-baovao azy, fa afaka manome fampahafantaran-javatra fanampiny sy fanazavana ary loharanom-panazavana maro samy hafa koa, mba hifandanja amin’ny vokatry ny fampitam-baovao sy hanampiana ilay ankizy mba hitombo eo amin’ny fahatakaran-javatra.”
Ny fandaharana iray tao amin’ny televiziona soedoà, rehefa nanao tatitra ny amin’ilay fihaonambe, dia nanamafy ny ilan’ny ray aman-dreny hanao andry maso tsara kokoa ny zanany ary hampitandrina azy ny amin’ireo loza. Kanefa dia izao no torohevitra nomeny: “Aza ireo ‘lahiantitra maloto’ ihany no ampitandremana ny ankizy (...) satria hihevitra izy ireo, araka izany, fa ireo lehilahy zokiolona manana fisehoana ivelany misavoritaka ihany no tokony hitandremany, nefa ny olona iray izay manao ny heloka bevava toy izany dia tena mety hanao fanamiana na complet madio sy milamina. Noho izany, dia ampitandremo izy ireo ny amin’ny vahiny izay mampiseho fahalianana tsy mahazatra amin’izy ireo.” Mazava ho azy fa ny ankizy dia tokony hampitandremana koa — ary ampirisihina hampahafantatra ny manam-pahefana — ny amin’izay olona rehetra mandrokiroky azy amin’ny fomba maloto, anisan’izany ny olona fantany.
Ny hany vahaolana
Ny tsy azon’ilay fihaonambe tany Stockholm nanipazan-kevitra dia ny fomba handresena ireo antony mahatonga ny fanararaotana vetaveta atao amin’ankizy. Tafiditra amin’izany ny fahasimbana haingan’ny soatoavina ara-pitondran-tena hatraiza hatraiza; ny fitiavan-tena mihamitombo sy ny faniriana fatratra hahazo zavatra ara-nofo; ny tsy fanajana mihamitombo ny lalàna natao hiarovana ny olona amin’ny tsy rariny; ny tsy fiheverana mihamitombo izay hahasoa ny hafa, ny fahamendrehany sy ny fiainany; ny firodanana haingan’ny fianakaviana; ny fahantrana miely patrana noho ny fihoaran’ny isan’ny mponina, ny tsy fananana asa, ny fanorenana tanàn-dehibe, sy ny fifindra-monina; ny fanavakavaham-bolon-koditra mihamitombo, atao amin’ny vahiny sy ny mpitsoa-ponenana; ny famokarana zava-mahadomelina mitombo hatrany sy ny fanaovana varo-maizina azy ireny; ny fomba fijery sy fanao ary lovantsofina ara-pivavahana vetaveta.
Na dia manafintohina aza ny fanararaotana vetaveta atao amin’ankizy, dia tsy mahagaga ny mpamaky Baiboly amim-pitandremana ny foto-kevitra toy izany. Nahoana no izany no izy? Satria miaina amin’izay antsoin’ny Baiboly hoe “andro farany” isika izao ary, araka ny Tenin’Andriamanitra, dia ‘fotoan-tsarotra tsy mora setraina’ izao. (2 Timoty 3:1-5, 13, NW ). Koa misy mahagaga àry ve raha miharatsiratsy kokoa ny fitondran-tena?
Kanefa, ny Baiboly dia manondro mialoha ny hany vahaolana amin’ireo olana goavana eo amin’izao tontolo izao — fanadiovana tanteraka hataon’ilay Andriamanitra Tsitoha. Tsy ho ela dia hampiseho ny heriny izy ka hanaisotra ireo rehetra eto an-tany izay tsy manaraka ireo fotopoto-pitsipiny sy lalàny marina: “Ny olona mahitsy no honina amin’ny tany, ary ny tsy manan-tsiny ihany no ho sisa mitoetra ao; fa ny ratsy fanahy kosa hofongorana amin’ny tany”. — Ohabolana 2:21, 22; 2 Tesaloniana 1:6-9.
Ho tafiditra amin’ireo “hofongorana” ireo rehetra mampivaro-tena ny ankizy sy ny lehilahy simba ara-pitondran-tena izay mampiasa ny ankizy amin’ny fomba ratsy. Manambara toy izao ny Tenin’Andriamanitra: “Ny mpijangajanga (...) sy ny mpaka vadin’olona sy ny [lehilahy miray amin’ny lehilahy (na ankizilahy), NW ] (...) dia tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra.” (1 Korintiana 6:9, 10). Manampy teny izy io fa “ny vetaveta (...) sy ny mpijangajanga” dia halefa any amin’ny “fahafatesana faharoa” — fandringanana mandrakizay. — Apokalypsy 21:8.
Hanadio ny tany Andriamanitra ary hampiditra fandehan-javatra vaovao sy marina tanteraka, “lanitra vaovao sy tany vaovao”. (2 Petera 3:13). Amin’izay, ao amin’io tontolo vaovao hataony io, ny olona simba ara-pitondran-tena sy vetaveta dia tsy hanararaotra intsony mihitsy ny tsy manan-tsiny. Ary tsy ho voatery hatahotra ny hiharam-pahavoazana intsony mihitsy ny tsy manan-tsiny, satria “tsy hisy hanaitaitra azy”. — Mika 4:4.
[Teny notsongaina, pejy 12]
“Ny karazana heloka bevava (...) feno habibiana sy maharikoriko indrindra”. — Praiminisitr’i Soeda
[Teny notsongaina, pejy 13]
“Isan-kerinandro, dia lehilahy 10 tapitrisa ka hatramin’ny 12 tapitrisa no mivahiny any amin’ny mpivaro-tena tanora.” — The Economist, Londres
[Teny notsongaina, pejy 14]
Ny fizahan-tany mba hanao firaisana no antony lehibe iray mahatonga ny fanararaotana ankizy any amin’ny tany an-dalam-pandrosoana
[Efajoro, pejy 13]
Fizahan-tany mba Hanao Firaisana — Nahoana?
(Antony sasany mahatonga mpizaha tany hanao firaisana amin’ankizy)
1) Ny tsy fampahafantarana ny anaran’ilay mpizaha tany dia manafaka azy amin’ny fanerena sosialy any aminy
2) Noho ny tsy fahazoana firy ny fiteny eo an-toerana na noho ny tsy fahazoana izany mihitsy, ireo mpizaha tany dia afaka ny ho voafitaka mora foana hihevitra fa ekena na fomba iray hanampiana ankizy ho afaka amin’ny fahantrana ny fandoavam-bola mba hanaovana firaisana amin’ny ankizy iray
3) Ny fihetsika feno fanavakavaham-bolon-koditra dia mahatonga mpitsidika hanararaotra ny hafa, izay heveriny ho ambany
4) Mihevitra ny tenany ho manankarena ireo mpizaha tany rehefa hitany fa azo mora foana ny fikarakarana ny raharaha vetaveta any amin’ny tany an-dalam-pandrosoana
[Efajoro, pejy 15]
Ny Halehiben’ilay Olana Maneran-tany
(Ireto manaraka ireto dia fanombanana nataon’ny manam-pahefana maro samihafa sy fikambanana hafa)
Brezila: Ankizy mpivaro-tena miisa 250 000 fara fahakeliny
Eoropa Atsinanana: Ankizy 100 000 no mpirenireny an-dalambe. Maro no alefa any amin’ny trano fivarotan-tena any Eoropa Andrefana
Etazonia: Miresaka ny amin’ireo ankizy miisa 100 000 mahery tafiditra amin’izany, ny loharanon-kevitra ofisialy
India: Ankizy miisa 400 000 no tafiditra amin’ny indostrian’ny raharaha vetaveta
Kanada: Ireo fikambanan’ny mpanera mpivaro-tena dia mampivaro-tena zatovovavy an’arivony maro
Kolombia: Nitombo avo dimy heny tato anatin’ny fito taona farany ny isan’ny ankizy hararaotina amin’ny fomba vetaveta, eny amin’ireo araben’i Bogotá
Mozambika: Ireo fikambanana mpitondra fanampiana dia niampanga ny andian-tafika mpampandry tany ao amin’ny ONU ho nanararaotra ankizy tamin’ny fomba vetaveta
Myanmar: Ankizivavy sy vehivavy miisa 10 000 no taterina mankany amin’ny trano fivarotan-tena any Tailandy isan-taona
Philippines: Ankizy 40 000
Sina: Ankizy lasa mpivaro-tena, miisa 200 000 ka hatramin’ny 500 000. Tato anatin’ireo taona faramparany, dia ankizivavy sinoa tokony ho 5 000 no voasarika hiampita sisin-tany ka namidy ho mpivaro-tena any Myanmar
Sri Lanka: Ankizy 6 ka hatramin’ny 14 taona miisa 10 000 no andevozina any amin’ireo trano fivarotan-tena ary olona 5 000 eo anelanelan’ny 10 ka hatramin’ny 18 taona no miasa manokana any amin’ireo trano fialam-bolin’ny mpizaha tany
Tailandy: Ankizy 300 000
Taïwan: Ankizy 30 000