FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g97 8/4 p. 16-18
  • Mpampijaly Kely — Tena Ratsy Ve?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mpampijaly Kely — Tena Ratsy Ve?
  • Mifohaza!—1997
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Inona no atao hoe mpampijaly kely?
  • Izay mahatonga ny olona iray ho mpampijaly kely
  • Vokany mandritra ny androm-piainana
  • Ny fomba hiovana
  • Hetraketraka—Ny Antony sy ny Vokany
    Mifohaza!—2003
  • Manafaha Tena Amin’ny Hetraketraka
    Mifohaza!—2003
  • Inona no Ataoko fa Ampijalin’ny Ankizy Aho?
    Manontany ny Tanora
  • Hetraketraka—Olana Eran-tany
    Mifohaza!—2003
Hijery Hafa
Mifohaza!—1997
g97 8/4 p. 16-18

Manontany ny Tanora Hoe...

Mpampijaly Kely — Tena Ratsy Ve?

‘Mba nisangisangy kely fotsiny ange aho e! dia maninona anefa? Sady mendrika an’izany koa ange i Nary e!’

METY ho lehibe kokoa sy matanjaka kokoa noho ny ankamaroan’ireo mitovy taona aminao ianao. Na angamba ianao kinga saina sy mpanebaka ary tia ady. Na ahoana na ahoana, dia toa mora aminao ny mampitahotra, mamazivazy, na manao ny hafa ho fihomehezana.

Na dia mety hampihomehy ireo namanao aza ny fampijaliana ny hafa, dia tsy hoe zavatra tsy dia manao ahoana akory izy io. Raha ny marina, ny mpikaroka sasany dia mahita fa manimba an’izay voany, mihoatra noho izay noheverin’izy ireo hatramin’izay aza, ny mpampijaly kely. Ny fanadihadiana iray natao tamin’ny tanora mpianatra amerikana dia nahitana fa “ny 90 isan-jaton’ireo nampijalina dia nilaza ho niharan’ny vokany manimba — dia ny fihenan’ny naoty, ny fitomboan’ny tebiteby, ny famoizana namana na ny fiarahana mahafinaritra”. Tany Japon dia nisy tanora iray 13 taona “nananton-tena rehefa avy namela taratasy lava be nilaza an-tsipiriany momba ny fanaon’ny mpampijaly kely nihatra taminy nandritra ny telo taona”.a

Fa inona marina no mahatonga ny olona iray ho mpampijaly kely? Ary raha mitondra tena toy izany ianao, ahoana no ahafahanao miova?

Inona no atao hoe mpampijaly kely?

Ny Baiboly dia miresaka ny amin’ireo mpampijaly kely izay velona talohan’ny Safo-drano tamin’ny andron’i Noa. Nantsoina hoe Nefilima — teny izay midika hoe “ireo mpanjera”, izy ireo. Nandritra ny fe-potoana nampihorohoroan’izy ireo, dia ‘heni-doza ny tany’. — Genesisy 6:4, 11.

Kanefa, tsy voatery hamely na handidindidy ianao vao ho mpampijaly kely. Na iza na iza mitondra ny olon-kafa — indrindra fa ireo malemy na mora asiana — amim-pahasiahana na amin-karatsiam-panahy, dia mpampijaly kely. (Ampitahao amin’ny Mpitoriteny 4:1.) Ireo mpampijaly kely dia manandrana mandrahona sy mampitahotra ary mifehy. Ny ankamaroany anefa dia mampiasa ny vavany fa tsy ny totohondriny. Raha ny marina, dia ny fampijaliana ara-pihetseham-po no endriny fahita indrindra amin’io fitondrana amin-karatsiam-panahy io. Mety ho tafiditra amin’izany àry ny fanevatevana, ny fanebahana sy ny fanesoana ary ny fanomezana anaram-bosotra.

Mety ho an-kolaka anefa ny fanaon’ny mpampijaly kely, indraindray. Diniho, ohatra, izay nitranga tamin’i Saholy.b Niara-lehibe tamin’ny antokona zazavavy mpinamana izy. Rehefa 15 taona anefa izy, dia nanomboka niova ny tarehin-javatra. Nanjary tena tsara tarehy i Saholy, hany ka nanomboka nanintona be. Hoy izy nanazava: “Nanomboka nanilika ahy ireo namako, ary niteny ratsy ahy tsy teo imasoko — na teo imasoko mihitsy aza.” Nampiely lainga momba azy koa izy ireo, ka niezaka nanimba ny lazany. Eny, natosiky ny fialonana izy ireo ka nampijaly azy tsy an-kiantra sy tamim-pahasiahana.

Izay mahatonga ny olona iray ho mpampijaly kely

Misy ifandraisany amin’ny toe-piainana ao an-tokantranon’ny olona iray matetika ny fananana fihetsika tia ady. “Nanana fihetsika tia ady ny raiko”, hoy ny tanora iray nantsoina hoe Rindra, “hany ka nanana fihetsika tia ady koa aho.” Nanana fiainana an-tokantrano nanahirana koa i Andry. Izao no tadidiny: “Takatro fa fantatry ny olona ny tarehin-javatra nisy ny fianakaviako — dia ny hoe hafa izy io — ary tsy tiako halahelo ahy ny olona.” Koa rehefa nandray anjara tamin’ny fanatanjahan-tena i Andry, dia tsy maintsy nanao izay handresena izy. Tsy ampy azy anefa ny hoe nandresy. Tsy maintsy nanao izay hampietrena an’ireo mpifaninana taminy izy — nanery azy ireo hiaiky ny fahareseny.

I Bary, tetsy an-danin’izany, dia nobeazin’ny ray aman-dreny matahotra an’Andriamanitra. Niaiky toy izao anefa izy: “Nampihomeheziko ny olona, nefa indraindray dia tsy fantatro ny fotoana tokony hampiatoako izany, hany ka nandratra ny fihetseham-pon’ny hafa aho.” Ny fanirian’i Bary hifalifaly sy hisarika ny saina ho amin’ny tenany, dia nahatonga azy tsy hihevitra ny fihetseham-pon’ny hafa. — Ohabolana 12:18.

Toa iharan’ny fitaoman’ny televiziona ny tanora hafa. Ireo tantara misy heloka bevava dia mankalaza ‘ireo bandy mazana’ ary mampiseho ho toy ny hoe tsy lehilahy ny olona tsara fanahy. Feno fanebahana ireo tantara mampitokelaka tiam-bahoaka. Ny filazam-baovao matetika dia manasongadina ny ady sy ny resaka tsy mihaja ifanaovana mandritra ireo fifaninanana ara-panatanjahan-tena. Ireo namantsika koa dia mety hanan-kery eo amin’ny fomba itondrantsika ny hafa. Raha mpampijaly kely ireo mpiaraka amintsika, dia mora amintsika ny manara-drian-drano mba tsy hiharam-panorisorenana tsy an-kijanona.

Na toy inona na toy inona tarehin-javatra misy anao, raha mampiasa tetik’adin’ireo mpampijaly kely ianao, dia tsy ireo olona ampiharanao izany ihany no iharam-pahavoazana.

Vokany mandritra ny androm-piainana

Nitatitra toy izao ny gazetiboky Psychology Today: “Mety ho efa mpampijaly kely hatramin’ny fahazazana ny olona iray, nefa mitohy hatramin’ny fotoana maha-olon-dehibe azy izany.” Nisy fandinihana nataon’ny mpikaroka navoaka tao amin’ny The Dallas Morning News nahitana fa “ny 65 isan-jaton’ireo ankizilahy fantatra ho mpampijaly kely tany amin’ny sekoly ambaratonga faharoa no voaheloka rehefa 24 taona”.

Marina fa tsy lasa mpanao heloka bevava avokoa akory ireo mpampijaly kely. Kanefa, ny fanaovana ho fahazarana ny tsy hiraharaha ny fihetseham-pon’ny hafa, dia mety hiteraka tena zava-manahirana ho anao eo amin’ny fiainanao atỳ aoriana. Raha mitohy hatrany amin’ny fanambadiana izany, dia mety hitera-pahoriana mangidy ho an’ny vady aman-janakao. Koa satria aleon’ny mpampiasa, olona izay mahay mifanaraka amin’ny hafa, dia mety hanaisotra aminao ny fahafahana hahita asa izany. Mety tsy ho azonao toy izany koa ireo tombontsoa any aoriana any, ao amin’ny kongregasiona kristiana. “Indray andro any aho dia haniry hanana ny toetra ilaina mba hanompoana amin’ny maha-loholona”, hoy i Bary, “nefa nampian’i Dada aho hahatakatra fa tsy hanatona ahy hitondra ny zava-manahirana azy ny olona, raha heverin’izy ireo fa mety hilaza fanebahana, aho.” — Titosy 1:7.

Ny fomba hiovana

Tsy mahita amin’ny fomba mazava foana ny fahadisoan’ny tenantsika, isika. Mampitandrina antsika ny Soratra Masina fa ny olona iray dia mety ‘hiarahaba tena mihitsy aza ny amin’ny tsy hahitany ny helony ka hankahalany azy’. (Salamo 36:2). Koa mety hiezaka ianao mba hangataka ny ray na reny, na koa namana itokiana iray na Kristiana matotra iray hanao fanamarihana. Mety hahasosotra ny fahamarinana, nefa izany dia mety hanampy anao indrindra hahita ireo fiovana ilainao hatao. (Ohabolana 20:30). “Heveriko fa ny fihainoana torohevitra no zavatra lehibe indrindra nanampy ahy”, hoy i Andry. “Ireo izay nilaza ny marina dia nilaza tamiko hoe tamin’inona no naha-diso ahy. Tsy izany foana no niriko ho re, nefa izany no tena nilaiko.”

Midika ve izany fa voatery hanao fiovana goavana eo amin’ny toetranao manontolo, ianao? Tsia, azo inoana fa izany dia raharaha hahakasika fanitsiana ny fihevitrao sy ny fihetsikao sasany fotsiny. (2 Korintiana 13:11). Ohatra, angamba ianao hatramin’izao nihevitra fa ambony ny tenanao noho ny habenao sy ny tanjakao, na ny fahakingan-tsainao. Ny Baiboly anefa dia mampirisika antsika hanao zavatra ‘amim-panetren-tena ka hanao ny namana ho mihoatra noho ny tena’. (Filipiana 2:3). Aoka ho takatrao fa ny hafa — na toy inona na toy inona habeny na tanjany — dia manana toetra maha-te-hidera izay tsy anananao.

Mety hilainao koa ny hanesotra ny fironana ho tia ady na hanjakazaka. Miezaha ‘tsy hihevitra ny anao ihany, fa ny an’ny namanao koa’. (Filipiana 2:4). Raha ilainao ny hanambara ny hevitrao, dia ataovy tsy misy fitenenan-dratsy na fanebahana na fanevatevana izany. — Efesiana 4:31.

Raha alaim-panahy hampijaly kely ianao, dia tadidio fa noringanin’Andriamanitra ireo Nefilima mpampijaly kely. (Genesisy 6:4-7; 7:11, 12, 22). Taonjato maro tatỳ aoriana, tamin’ny andron’i Ezekiela mpaminany, Andriamanitra dia nampiseho tsy fahafaliana lehibe tamin’ireo meloka ho ‘nanosika’ sy ‘nanoto’ ireo tsy nanan-kamonjy. (Ezekiela 34:21). Ny fahafantarana fa i Jehovah dia mankahala ny fanaon’ny mpampijaly kely, dia mety ho fandrisihana mahery ho an’ny olona iray mba hanaovany ireo fiovana ilaina!

Manampy koa ny misaintsaina amim-pahatsorana ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly. Milaza toy izao ny Fitsipika Volamena: “Koa amin’izany na inona na inona tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany”. (Matio 7:12). Rehefa alaim-panahy hampitahotra olona iray ianao, dia manontania tena toy izao: ‘Tiako ve ny hatositosika, ny hampitahorina na ny hampietrena? Koa nahoana aho no mitondra ny hafa toy izany?’ Mandidy antsika ny Baiboly mba ‘halemy fanahy amin’ny namantsika avy, ka hifampiantra’. (Efesiana 4:32). Nanome ohatra tonga lafatra tamin’io lafiny io, i Jesosy. Na dia ambony noho ny olombelona hafa rehetra aza izy, dia nitondra ny rehetra tamin-katsaram-panahy sy tamim-pahaiza-niombom-pihetseham-po tamin’ny hafa ary tamim-panajana kosa. (Matio 11:28-30). Miezaha hanao toy izany koa, raha tojo olona malemy kokoa noho ny tenanao, ianao — eny, na dia faran’izay mahasosotra anao aza ilay olona.

Ahoana kosa raha mipoitra avy amin’ny fahatezerana noho ny fomba itondrana anao ao an-trano ny fihetsikao tia ady? Amin’ny toe-javatra sasany, dia mety ho azo hamarinina ny fahatezerana toy izany. (Ampitahao amin’ny Mpitoriteny 7:7.) Milaza amintsika kosa anefa ny Baiboly fa nampitandremana toy izao i Joba, lehilahy marina: “Aoka tsy hamporisika anao hiteny ratsy ny fahatezerana (...). Tandremo, aza mivily ho amin’ny ratsy”. (Joba 36:18, 21). Na dia entina amin’ny fomba ratsy aza ianao, dia tsy manana zo hitondra ny hafa amin’ny fomba ratsy. Ny dingana tsara kokoa tokony hatao dia ny miezaka hiresaka amin’ny ray aman-dreninao momba ilay raharaha. Raha ampiharana fitondrana faran’izay ratsy ianao, dia misy fanampiana ivelan’ny fianakaviana azo takina mba hiarovana anao amin’ny fahavoazana fanampiny.

Mety ho tsy mora ny miova, nefa azo atao izany. Hoy i Bary: “Mivavaka momba izany saika isan’andro aho, ary nanampy ahy hanao fanatsarana i Jehovah.” Rehefa manao fanatsarana toy izany koa ianao eo amin’ny fomba itondranao ny olona, dia tsy isalasalana fa ho hitanao fa ho tian’ny olona kokoa ianao. Tadidio fa mety hatahotra an’ireo mpampijaly kely ny olona, nefa tsy misy olona tena tia azy ireo.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Mba hahitana fandinihana ny amin’ny fomba ahafahan’ireo nasian’ny mpampijaly kely manalavitra ny fanorisorenana tsy an-kijanona, dia jereo ny “Les jeunes s’interrogent... La tyrannie à l’école — Comment s’en protéger?”, nivoaka tao amin’ny Mifohaza! (frantsay) tamin’ny 8 Aogositra 1989.

b Novana ny anarana sasany.

[Teny notsongaina, pejy 18]

“Mety ho efa mpampijaly kely hatramin’ny fahazazany ny olona iray, nefa mitohy hatramin’ny fotoana maha-olon-dehibe azy izany.”

[Sary, pejy 17]

Fomba iray ampiasain’ny mpampijaly kely ny fitenenan-dratsy

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara