Avy Amin’ny Mpamaky
Karnavaly Misaotra anareo noho ilay lahatsoratra hoe “Ny Fiheveran’ny Baiboly: Fankalazana Karnavaly — Tsara sa Ratsy?” (8 Jona 1996). Mipetraka eto Brezila aho, ary fotoana tena mampientana ny karnavaly eto. Nalaim-panahy foana aho handray anjara tamin’ireo fankalazana. Fantatro fa ratsy izany, nefa tsy tena azoko ny antony. Nasehon’io lahatsoratra io mazava anefa fa mahafaoka korana anaranam-po ny karnavaly, ary fa mihevitra ny fankalazana toy izany ho “asan’ny maizina” Andriamanitra. — Romana 13:12.
F. M. M., Brezila
Fahasahiranana Mianatra Tena nankasitrahako ilay lahatsoratra hoe “Manontany ny Tanora Hoe... Nahoana Aho no Tsy Mahay Mianatra?” (8 Jolay 1996). Mitolona mafy aho any an-tsekoly noho ny sasany amin’ireo antony voalaza tao amin’ilay lahatsoratra. Hampihatra ireo fanoloran-kevitra nomenareo aho izao. Misaotra be dia be.
R. C., Etazonia
Nanjary tsy liana intsony tamin’ny fianarana aho ary tsy nifantoka tany an-tsekoly. Amin’ny fampiharana ireo fanoloran-kevitra nomena tao amin’ilay lahatsoratra, dia manantena hanatsara ny fahazarako mianatra aho.
M. E. O., Ouganda
Tsy manana fahasahiranana mianatra aho, nefa tsy tiako fotsiny ny mianatra. Sahirana koa aho mitadidy ireo raikipohy amin’ny matematika. Nilaza ny famerimberenana sy ny fanononana ireo teny ho fanampiana amin’ireo olana momba ny fahafohezan’ny fitadidiana, ilay lahatsoratra. Noeritreretiko tamin’ny voalohany fa hadalana ny hamakiana teny amin’ny feo mafy amin’ny tenako, nefa rehefa nanao izany aho, dia nahafinaritra ilay izy!
N. I., Japon