Ela Velona Kokoa ny Vehivavy Saingy Tsy Voatery ho Miaina Tsara Kokoa
MANERAN-TANY dia aoriana kokoa vao manambady ireo vehivavy, vitsy kokoa ny zanany, ary ela velona kokoa izy ireo. “Miova ny fomba fiainan’ny vehivavy”, hoy ny tatitra ataon’ny gazetiboky UNESCO Sources. Teo anelanelan’ny 1970 sy 1990, ny fanantenam-pahaveloman’ny vehivavy teo am-pahaterahana dia nitombo efa-taona tany amin’ireo tany mandroso ary efa ho sivy taona tany amin’ireo tany an-dalam-pandrosoana. “Midika izany fa any amin’ireo tany mandroso ankehitriny, dia velona enin-taona sy tapany ela kokoa noho ny lehilahy amin’ny antsalany, ny vehivavy. Any amin’ireo tany an-dalam-pandrosoana, dia dimy taona ilay elanelana any Amerika Latina sy Caraïbes, telo taona sy tapany any Afrika ary telo taona any Azia sy Pasifika.”
Na dia izany aza, dia tsy midika ho fiainana tsara kokoa ny hoe ela velona ho an’ny vehivavy maro. Nomarihin’ny gazetibokin’ny Firenena Mikambana atao hoe Our Planet, fa ho an’ny ankamaroan’ny vehivavy maneran-tany, ireo zon’olombelona fototra dia “ny hanim-pito loha mbola tsy nandramany mihitsy. Mbola mikatsaka ny vary sy laoka tsotra mahazatra izy ireo”. Kanefa, na dia ireo zavatra fototra ireo aza, hoy ny ONU, dia tsy takatry ny vehivavy an-tapitrisany maro satria mbola vehivavy ihany no betsaka indrindra amin’ireo tsy mahay taratasy sy mpitsoa-ponenana ary olo-mahantra rehetra eto amin’izao tontolo izao. Na dia teo aza ny fandrosoana sasany vita, hoy ny famaranan-kevitry ny UNESCO Sources, “ny fahatsinjovana ny hoavin’ny vehivavy amin’ny ankapobeny (...) dia toa tsy mahavelom-panantenana”.