Ny Fiheveran’ny Baiboly
Fankalazana Karnavaly — Tsara sa Ratsy?
“TSY mahatohitra ilay izy tsotra izao ianao”, hoy i Michael. “Manery anao hiala avy eo amin’ny sezanao ilay mozika, mampihetsika ny tongotrao, manentana ny lohanao — azon’ny aretin’ny karnavaly ianao!” Eny tokoa, isan-taona ny karnavaly dia mampiakatra ny fitepon’ny fon’olona an-tapitrisany maro maneran-tany, saingy tsy misy toerana izay maha-mafy aoka izany ilay aretin’ny karnavaly toy ny any amin’ilay tany ipetrahan’i Michael, dia i Brezila. Mandritra ny herinandro alohan’ny Alarobian’ny Lavenona, i Brezila dia manao ireo fitafiany marevaka indrindra, manipy ny famantaranandrony sy ny kalandrieny, sy miroboka ao anatin’ny fampisehoana miavaka iray izay manozongozona an’i Brezila, manomboka any amin’ny alan’i Amazonie ka hatrany amin’ny torapasik’i Rio de Janeiro. Fotoana ihirana, andihizana samba, sy anadinoana, izany.
“Izany no antony iray maha-be mpitia aoka izany azy io”, hoy ny fanazavan’i Michael, izay mpankalaza karnavaly nafana fo nandritra ny taona maro. “Manome ho an’ny olona fahafahana hanadino ny fahoriany ny karnavaly.” Ary indrindra fa ho an’ny mahantra an-tapitrisany maro — mivelona tsy manana rano ampy, tsy manana elektrisite, tsy manana asa, sy tsy manana fanantenana — dia misy zavatra maro tiany hohadinoina. Amin’izy ireo, ny karnavaly dia toy ny aspirine: Mety tsy hanasitrana an’ireo olana izy io, kanefa manadonto ny fanaintainana, fara faharatsiny. Fanampin’izany, dia eo ilay fiheveran’ny sasany ao amin’ny klerjy katolika ny karnavaly — nilaza ny eveka iray fa “tena mahasoa ho amin’ny fahaizan’ny olona mandanjalanja ara-tsaina” ny karnavaly. Koa mora àry ny mahita ny antony iheveran’ny olona maro fa fialam-boly mahasoa sy nahazoan-dalana ny karnavaly. Ahoana anefa no fiheveran’ny Baiboly ny fankalazana karnavaly?
Firavoravoana sa filalaovan-dratsy?
Milaza ny Tenin’Andriamanitra fa “ao ny andro ihomehezana; (...) ary ao ny andro andihizana”. (Mpitoriteny 3:4). Koa satria azo adika koa hoe “mankalaza” ilay teny hebreo nadika hoe ‘mihomehy’, dia mazava fa raha ny amin’ny Mpamorona antsika, dia tsy misy maha-ratsy ny fitadiavantsika fahafinaretana mahasoa. (Jereo ny 1 Samoela 18:6, 7.) Raha ny marina, ny Tenin’Andriamanitra dia milaza amintsika mba ho ravo sy hifaly. (Mpitoriteny 3:22; 9:7). Koa mankasitraka ny firavoravoana mety àry ny Baiboly.
Tsy manaiky ny karazana firavoravoana rehetra anefa ny Baiboly. Ambaran’ny apostoly Paoly fa ny filalaovan-dratsy, na ny firavoravoana feno tabataba, dia anisan’ny “asan’ny nofo”, ary koa fa “tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra” ireo mpanao filalaovan-dratsy. (Galatiana 5:19-21). Noho izany, dia nananatra ireo Kristiana ny apostoly Paoly mba “hitondra tena tsara (...); tsy amin’ny filalaovan-dratsy”. (Romana 13:13). Koa izao àry ny fanontaniana: Anisan’ny sokajy inona ny karnavaly — firavoravoana tsy misy tsininy sa filalaovan-dratsy vetaveta? Mba hamaliana izany, dia aoka aloha hohazavaintsika misimisy kokoa izay heverin’ny Baiboly hoe filalaovan-dratsy.
Miseho intelo ao amin’ny Soratra Grika Kristiana, amin’ny heviny tsy manorina foana, ilay teny hoe “filalaovan-dratsy”, na koʹmos amin’ny teny grika. (Romana 13:13; Galatiana 5:21; 1 Petera 4:3). Ary tsy mahagaga izany satria ilay hoe koʹmos dia nipoitra avy tamin’ireo fankalazana nalaza ratsy, diso fantatr’ireo Kristiana tany am-boalohany niteny grika. Fankalazana inona avy?
Manazava toy izao i Will Durant, mpanoratra tantara: “Ny antokon’olona nitondra phallus [marika mampiseho ny filahiana] masina sy nanao an-kira poezia [hira] ho an’i Dionysos (...) dia nahaforona, araka ny fiteny grika, komos, na fiaraha-mifaly tsy voafehy.” Noraisin’ny Romana ho andriamaniny tatỳ aoriana i Dionysos, andriamanitry ny divay tao amin’ny angano grika, ary nomeny anarana hafa hoe Bacchus. Kanefa, mbola nitohy taorian’ny fiovan’ilay anarana ilay fifandraisana amin’ny koʹmos. Nanoratra toy izao ny Dr. James Macknight, manam-pahaizana momba ny Baiboly: ‘Avy amin’ny hoe Comus, andriamanitry ny fety sy ny fiaraha-mifaly tsy voafehy, ilay teny hoe koʹmois [endriny milaza maro amin’ny hoe koʹmos]. Natao hanomezam-boninahitra an’i Bacchus, izay noho izany antony izany dia nantsoina hoe Comastes, ireny fiaraha-mifaly tsy voafehy ireny.’ Eny, tena endriny azo tsapain-tanana amin’ny filalaovan-dratsy ny fankalazana an’i Dionysos sy i Bacchus. Inona avy ireo lafin-javatra nisongadina tamin’ireny fety ireny?
Filazalazana ny amin’ny filalaovan-dratsy
Nandritra ny lanonana grika nanomezam-boninahitra an’i Dionysos, araka ny filazan’i Durant, dia nisy vahoaka betsaka voaforona mpankalaza “nisotro tsy nisy fifehezana, sy (...) nihevitra fa tsy nisy saina izay tsy nety ho very saina. Nitanjozotra tamin’ny filaharana tsy voafehy izy ireo, (...) ary arakaraka ny nisotroany sy ny nandihizany no nampisehoany fahadalana nivahan’ny fifehezana rehetra”. Tamin’ny fomba nitovy tamin’izany, ireo andro firavoravoana romana nanomezam-boninahitra an’i Bacchus (nantsoina hoe bacchanales) dia nanasongadina fisotroana sy hira sy dihy nandranitra ny filan’ny nofo sady fampisehoana “fanaovan-javatra tena tsy mendrika”, hoy ny nosoratan’i Macknight. Noho izany, dia vahoaka lasa adala, fibobohan-toaka, fandihizana sy mozika notairin’ny filan’ny nofo niredareda, sy firaisana maloto, no zavatra fototra nahaforona ny filalaovan-dratsy grika sy romana.
Moa ve ireo karnavaly amin’izao andro izao misy an’ireny zavatra miteraka filalaovan-dratsy ireny? Diniho ireto teny vitsivitsy ireto, izay notononina tao amin’ny tatitry ny filazam-baovao momba ny fankalazana karnavaly: “Vahoaka faran’izay nitabataba”. “Fanaranam-po tamin’ny fisotroana naharitra efatra andro sy fikoranana tontolo alina”. “Afaka maharitra andro maromaro ny fahadisadisana vokatry ny fibobohan-toaka tamin’ny karnavaly teo amin’ny tenan’ireo mpifaly sasany.” Lasa “matroka (...) ireo fampisehoan’ny tarika ‘heavy metal’ raha ampitahaina amin’ireo feo mila hankarenin-tsofina eo akaiky eo”. “Amin’izao andro izao, ny fankalazana karnavaly tsy misy lehilahy miray amin’ny lehilahy dia tahaka ny steak au poivre tsy misy dipoavatra.” “Nanjary mitovy dika amin’ny hoe fitanjahana tanteraka ny karnavaly.” Nanasongadina “fampisehoana fikasikasihana ny maha-lahy sy ny maha-vavy (...) sy endrika samihafa amin’ny firaisan’ny lahy sy ny vavy” ireo dihy tamin’ny karnavaly.
Eny tokoa, manaitra ny saina aoka izany ireo fitoviana eo amin’ny karnavaly amin’izao andro izao sy ireny fety fahiny ireny, hany ka ho naharaka tsara ny olona iray mpanao fiaraha-mifaly tsy voafehy ho an’i Bacchus, raha toa ka nifoha teo anivon’ny fiaraha-mikorana karnavaly amin’izao andro maoderina izao izy. Ary tsy tokony hahagaga antsika izany, hoy ny fanazavan’ilay mpanatontosa fandaharana ao amin’ny televiziona breziliana atao hoe Cláudio Petraglia, satria milaza izy fa ny karnavaly amin’izao andro izao dia “niandoha avy tamin’ny fetin’i Dionysos sy i Bacchus ary izany, raha ny marina, no maha-izy ny karnavaly”. Ambaran’ny The New Encyclopædia Britannica fa mety ho mifandray amin’ny Satiornaly, andro firavoravoan’ny mpanompo sampy tany Roma fahiny, ny karnavaly. Koa na dia atỳ amin’ny vanim-potoana hafa aza ny karnavaly, dia fianakaviana iray amin’ireo nodimbasany. Ny anaran’ilay fianakaviana? Filalaovan-dratsy.
Inona no tokony ho vokatr’io fahalalana io eo amin’ireo Kristiana amin’izao andro izao? Ilay vokany mitovy tamin’izay nentin’izy io teo amin’ireo Kristiana tany am-boalohany, nipetraka tany amin’ireo provansy niharan’ny fitaoman’ny Grika, tany Azia Minora. Talohan’ny nahatongavany ho Kristiana izy ireo dia nanaram-po “tamin’ny fijejojejoana sy ny fanirian-dratsy sy ny fimamoana sy ny filalaovan-dratsy [koʹmois] sy ny fisotroan-toaka ary ny fanompoan-tsampy izay fady indrindra”. (1 Petera 1:1; 4:3, 4). Kanefa, taorian’ny nianarany fa mihevitra an’ireny filalaovan-dratsy ireny ho “asan’ny maizina” Andriamanitra, dia nitsahatra tsy nandray anjara tamin’ny fankalazana mitovy amin’ny karnavaly izy ireo. — Romana 13:12-14.
Nanao toy izany koa i Michael, voatonona teo aloha. Hazavainy toy izao ny antony: “Arakaraka ny nitomboan’ny fahalalako momba ny Baiboly no nahitako fa toy ny menaka sy ny rano ny fankalazana karnavaly sy ny fotopoto-pitsipiky ny Baiboly — tsy mifangaro tsotra izao izy ireo.” Tamin’ny 1979, dia nandray fanapahan-kevitra i Michael. Nilaozany mandrakizay ny fankalazana karnavaly. Inona no safidy hataonao?
[Sary, pejy 14]
Siny grika talohan’ny andro kristiana, mampiseho an’i Dionysos (sary havia)
[Sary nahazoan-dalana]
Courtesy of The British Museum