Everglades any Florida — Antso Vonjy Mafy avy any An’efitra
MPITSIDIKA efa ho iray tapitrisa no mirohotra ho amin’io paradisan’ny tany mafana mahazendana io isan-taona, mba hijery ireo zava-mahatalanjon’ny asa tanan’ilay Mpamorona Lehibe. Eto, dia tsy misy hadilanana lalina na hantsambato avo be mitomandavana mampitolagaga, tsy misy rian-drano mahery alaina sary, tsy misy élan mirenireny na grizzli (orsa goavana) mandehandeha tazanina avy eny amin’ny toerana voaro. Tsia, fa ny Valam-pirenena Everglades (heniheny) kosa, dia ny valam-pirenena voalohany eto amin’izao tontolo izao naorina noho ny habetsahan’ny endri-piainana ao aminy, fa tsy noho ny hakanton’ny toerana taza-maso mampiaiky volana.
Koa satria ny tapany aminy feno ahitra, ary ny tapany hafa henihenin’ny tany mafana, dia nantsoina hoe “onin’ahitra” izy io. Mizotra toy ny hatramin’ny taonjato maro ny fiainan’ireo mponina ao aminy. Misy alligators (karazam-boay) telo metatra, mitanina andro eo amin’ny hafanana manevokevoka, ny masony iray misokatra foana mba hijerena ny rembiny manaraka. Amin’ny alina, dia feno ny akon’ny fierony ilay heniheny ary mihovotrovotra ny tany rehefa manao ny fombafomba fivadiany izy ireo. Misy sokatra mitovy habe amin’ny koveta mitady hanina mafy ao anatin’ilay ahitra. Misy loutres an-drano mailamailaka sy tia sangisangy monina ao amin’io toerana io. Misy dian-tongotra vaon’ny panteran’i Florida, izay mitady hanina, eo amin’ny fota-mandrevo. Misy diera fotsy rambo, izay mila miambina mandrakariva satria hihinana azy ireny mpanjohy ireny amin’ny fotoana rehetra. Ny raton laveur, izay aseho matetika ho manasa ny haniny ao amin’ny renirano eo akaiky, dia tena “any aminy”, ao amin’ny Everglades, noho ireo hanina betsaka ao amin’ny Everglades ao ihany.
Misy koa fiainana be dia be izay zara raha hitan’ireo mpitsidika ny Everglades. Misy sahona maro karazana, tsy hay avahana amin’ny ravinkazo eo amin’ny tany sy eo ambony ravina voahirana ary eo ambony tsikafonkafona tsara tarehy ipetrahany, ao amin’ireo lakandrano nataon’olombelona. Mandady miadana dia miadana eo anivon’ny zavamaniry an-drano ny karazana sifotra (Viviparus contectus) — mitovy habe amin’ny baolina pingipongy ary manana sofin-kazandrano sy havokavoka tokana, izay mahatonga azy ho afaka hiaina ao anaty rano sy etỳ ivelany. Feno orana sy foza ary trondro maro karazana ireo rano marivo. Misy bibilava be dia be sy bibikely ary zavatra mandady tsy toko tsy forohana ao — samy miandry ny hihinana na ny hohanina.
Anisan’ireo zavaboary manana elatra hita dia ao ireo akohoala sotrovava tsara tarehy manopy mavokely, ireo akohoala fotsy, ary ireo vano fotsy toy ny orampanala, izay mihodinkodina eny ambony eny rehefa hidina mba hanafana ka hahafoy ny atodiny. Tsy ho hay hadinoina ny fahitana an’ireo vanofasika manga eny ambony eny, manidina haingana loatra ka tsy voaisa. Miombona ny habakabaka amin’ny voromahery heni-kaja, famantaram-pirenen’i Amerika, ny vorondranomasina sy ny pélican ary ny akohondrano volomparasy.
Avy eo, dia eo ireo cormorans lava tenda sy ny Anhinga anhinga, na voronabibilava, antsoina toy izany noho izy mitovy kokoa amin’ny biby mandady noho ny amin’ny vorona, rehefa mamoaka ny tendany miendrika S atỳ ivelan’ny rano. Ireo karazam-borona roa ireo, izay samy tenda an-kanina, dia mitady hanina ao amin’ireo rano marivon’ny Everglades. Rehefa lena izy ireo, dia samy manokatra ny elany sy mamelatra ireo volon-drambony, ka manome fisehoana marevaka toy ny hoe vonona halaina sary. Rehefa maina tanteraka ny volony, vao afaka manidina ireo vorona ireo.
Mba tsy hanadinoana azy, dia hanaitra an’ireo mpitsidika amin’ny alalan’ny tomaniny mafy ny limpkin mitovy amin’ny grue. Antsoina hoe ilay vorona mitomany io vorona lehibe misy pentina volon-tsokolà sy fotsy io, noho izy mitovy feo amin’olona vesaran’alahelo ka mitoreo amim-pahamoizam-po. Fahitana tsy hain’ireo mpijery vorona hadinoina, ny papangon’ny Everglades, sady tsy misy firy no tandindomin-doza, izay vorona mpihaza mitovy habe amin’ny goaika ary miankina amin’ny fisian’ny sifotra ny tsy fahafoanany. Rehefa mibanjina ny habakabaka ireo mpitsidika, dia ho talanjona noho ny vorona maro be tafangona eo amin’ny rantsan’ny hazo oaka feno ravina maitso mangirana ary voaravaka volonkazo espaniola (Tillandsia usneoides). Mifangaro amin’ny lokon’ireo vorona ny voninkazo maitso sy mena mihantona eny amin’ny zavamaniry manodidina an’ireo hazo. Eto, ireo mpitsidika dia mety hanadino hoe tany aiza sy kontinenta aiza no misy azy. Tena tontolo iray manokana itỳ, paradisa ara-bakiteny, vita-Nanahary ary tsara tarehy.
Farany, dia eo ireo rano marivo sy ny ahitra avo volombolamena — ilay mampiavaka indrindra ny Everglades. Hatrany amin’ny farany taza-maso no misy io onin’ahitra mangina manjelajelatra sy mamirapiratra io, toy ny hoe latabatra, misolampy mianatsimo efatra santimetatra latsaka isaky ny kilaometatra. Tsy voamarika akory no sady tsy misy rano mandeha, nefa dia tsy mitsaha-mikoriana moramora mankany an-dranomasina ilay rano. Izy io no ain’ny Everglades; raha tsy misy azy io, dia ho faty ny Everglades.
Tany amin’ny tapany voalohany tamin’itỳ taonjato itỳ, talohan’ny nanimban’ny olombelona sy namiravirany ny Everglades, io ranomasin’ahitra io dia nirefy 80 kilaometatra avy any atsinanana ka hatrany andrefana ary niitatra teo amin’ny 500 kilaometatra avy eo amin’ny Ony Kissimmee ka hatrany amin’ny Helo-dranomasin’i Florida. Ny lehilahy antonontonona iray, dia ho afaka ny hiroboka ao anatiny, nefa tsy handena ny sorony. Misy aéroglisseur misidina haingana aoka izany eo ambonin’ireo rano marivo, manavatsava ilay ahitra avo sy volombolamena ka mampitsangam-bolo an’ireo mpizaha tany. Misy mpanjono tonga mba hanjono bilakibasy sy trondron-dranomamy ary trondron-dranomasira hafa, toy ny nataony efa hatramin’ny ela be.
Antso vonjy mafy
Teo am-piandohan’itỳ taonjato itỳ, ireo mpanao politika sy mpianto-draharaha any Florida dia nihevitra ny Everglades ho henihenin-javamiaina tsy faniry, izay tokony hesorina mba hanomezana toerana ny fampandrosoana ny fanerana trano sy tany, sy hanitarana ny tanàn-dehibe, ary hampiroboroboana ny fambolena. “Sakano amin’ny toho-drano, asio tatatra, hamaino, avilio lalana izy io”, izany no nanjary teny fanevan’izy ireo. Tamin’ny 1905, talohan’ny nahavoafidy azy ho governoran’i Florida, i N. B. Broward, dia nivoady ny hanamaina tanteraka ny ranon’io “heniheny feno areti-mifindra” io.
Tsy fampanantenana poaka aty ireo. Nentina teo ny milina goavam-be mpitrongy tany sy mpandavaka. Teo ambany fitarihana sy fanaraha-mason’ny Injenieran’ny Tafika Amerikana, dia lakandrano 90 kilaometatra ary 9 metatra ny halaliny no nohadina, ka nandrava heniheny mihoatra ny iray tapitrisa metatra tora-droa teo am-panaovana azy. Fefiloha sy tatatra ary toeram-pitrohan-drano goavana no naorina ary lakandrano sy lalana maro kokoa no namakivaky ny Everglades. Navily lalana ny rano sarobidy sy nanome aina avy tamin’io faritra feno fiainana io, mba hanohanana toeram-pambolena midadasika sy vao nampiroboroboina. Nisy tanàn-dehibe teny amin’ny sisin-tany koa nihaniitatra niankandrefana, ka nitelina bebe kokoa ihany tamin’ny Everglades mba hanaovana fitambaran-trano fonenana goavana, autoroutes, toeram-pivarotana lehibe ary fanaovana golf.
Na dia nambara ho valam-pirenena aza ny ampahany tamin’ny Everglades tamin’ny 1947, ny fanamainana sy ny fampiviliana lalana ny rano dia nitohy haingana be ka niteraka fanimbana. Miray hevitra ireo mpiaro ny tontolo iainana fa hadalana goavana ny fanamainana ny Everglades — sy ny fandaniana dolara an-tapitrisany maro mba hanaovana izany. Vitsy no nahatakatra fa ny fanembantsembanana ny fikorianan’ny rano dia hisy vokany manimba eo amin’ny fiainana ao amin’ny Everglades. Nila am-polony taona maro vao niseho ny fanimbana.
Teo am-povoan’ireo taona 1980 anefa, ireo mpiaro ny tontolo iainana sy biolojista dia efa nampitandrina hoe nihamaty ny Everglades. Toa nitaraina ny zavamiaina rehetra tao, ka niantso vonjy mafy. Nanomboka nihamaina noho ny hain-tany ireo kamory nonenan’ireo alligators. Rehefa tonga ny orana ka tondraka ilay faritra, dia lasan’ny rano ny akaniny sy ny atodiny. Izao ny isan’izy ireo dia mihena be. Nisy tatitra azo hoe mihinana ny zanany izy ireo. Ireo voron-drano tsy tompon-tany, izay efa niisa iray tapitrisa mahery tao amin’io faritra io, dia nihena ho an’arivony maro — nihena 90 isan-jato. Ireo akohoala sotrovava tsara tarehy manopy mavokely izay efa nanamaizina ny lanitra teo aloha rehefa niverina hikotrika, dia nihena isa ka lasa vitsy dia vitsy raha oharina amin’ny teo aloha. Hatramin’ireo taona 1960, ny isan’ireo vano an’ala dia nihena ka tonga 500 monja sisa ireo vorona manao akany 6 000, ka mahatandindomin-doza ilay karazana. Voarahona koa ny fiompiana feno trondro ao amin’ny Helo-dranomasin’i Florida, noho ny orinasam-panjakana mitrandraka akorandriaka. Nihena 75 ka hatramin’ny 95 isan-jato ny isan’ny biby manana taolan-damosina hafa rehetra, manomboka amin’ny diera ka hatramin’ny sokatra, hoy ny manam-pahaizana iray.
Niaraka tamin’ny fanembantsembanana tsy tapaka ny fambolena sy ny asa hafa ataon’ny olombelona, dia tao koa ny loto avy tamin’ireo mpandonaka sy mpamono bibikely sarihin’ny ranonorana ary nandoto tsikelikely ny tany sy ny rano. Nahitana volavelona (mercure) be dia be teo amin’ny ambaratonga rehetra tamin’ny hanina tohy vakana, nanomboka tamin’ny trondro ao amin’ireo honahona ka hatramin’ny ratons laveurs sy ny alligators ary ny sokatra. Toroana hevitra ireo mpanjono mba tsy hihinana bilakibasy sy poisson-chat azo avy tamin’ny rano sasantsasany izay misy volavelona nivoaka avy tamin’ny tany. Niharan’ny vokatry ny fanafihan’ny olombelona koa ny pantera. Tsy ny volavelona ihany no namono azy ireo, fa ireo mpangalatra mihaza koa. Tandindomin-doza aoka izany io biby io, hany ka heverina ho latsaka ny 30 ny isany ao amin’ilay fanjakana manontolo ary 10 ao amin’ilay vala. Efa ho lany tamingana koa ny zavamaniry maro, zana-tanin’ny Everglades.
Mino ny mpandinika sy ny mpiaro ny tontolo iainana sasany fa mety ho efa tsy azo atao na inona na inona intsony ny Everglades. Mino anefa ny manam-pahefana ao amin’ny governemanta sy ao amin’ilay vala ary ny mpiaro ny tontolo iainana maro fa raha mamory vola sy manao zavatra haingana ny fanjakana sy ireo fikambanana federaly, dia ho afaka ny ho voavotra ny Everglades. “Tsy misy tena mahalala hoe rahoviana ny zavatra ngezabe sy be kojakojany toy io no tsy ho azo atao na inona na inona intsony”, hoy ny manam-pahefana iray. “Mety ho efa nitranga izany”. Niaiky ilay biolojista atao hoe John Ogden fa tsy azo antenaina loatra ny mety hanarenana ny Everglades, nefa mihevitra ny zava-drehetra ho tsara izy. “Tsy maintsy mihevitra ny zava-drehetra ho tsara aho”, hoy izy. “Ny safidy hafa tavela dia tany efitra biolojika, misy vala kely ambiny mirakitra alligators vitsivitsy eto, sy akanim-borona vitsivitsy eroa, ary tranom-bakoka tsara tarehy iray misy pantera voasesika mololo eo afovoan-trano.”
Ren’ireo manam-pahefana sy mpanao politika federaly any Washington, anisan’izany ny prezidà sy ny prezidà lefitr’i Etazonia, ny antsoantso fanairana nataon’ireo manam-pahefana sy biolojista any Florida ary ireo mpiaro ny tontolo iainana manerana ilay firenena. Izao ilay raharaha dia tafaverina any amin’ny Injenieran’ny Tafika Amerikana any Etazonia indray, ireo izay nodimbasan’izy ireo mantsy dia nanao tsirambina ny asa natombony taona maro lasa izay. Ny tetik’asa vaovao eritreretin’izy ireo izao dia ny hamonjy ny Everglades sy ny fiainana ao aminy, fa tsy hanamaina azy io, hanakana azy io amin’ny toho-drano na hamiliana lalana azy io kosa.
Mazava tsara fa ny rano no raharaha tena lehibe. “Ny fototra ho amin’ny fahombiazana dia rano madio be dia be”, hoy ny nosoratan’ny U.S.News & World Report, ary “tsy ho afaka ny hisy izany raha tsy mitera-pahavoazana ho an’ny fambolena na ny faritra an-tanàn-dehibe. Ny toeram-pambolena fary sy legioma any Florida Atsimo no tarigetra. “Ho sarotra ny fitsinjarana ny rano, nefa ampy ny efa nomenay, ary tsy afaka manome intsony izahay”, hoy i Robert Chandler, mpiadidy ny Vala Everglades. “Tokony hisy fikajiana amim-pitandremana avy amin’ny hafa”, hoy izy. Matahotra ireo mpampirisika ny fanoloran-kevitra hanarenana ny Everglades fa ireo hanohitra indrindra ny tetik’asany dia ireo mpamboly fary sy mpiompy any Florida, izay manana tany be dia be ao amin’ny Everglades. Mitera-pahavoazana ho an’ny Everglades ny rano be dia be sintonina mba hanohanana an’ireo mpamboly.
Ny fanarenana sy ny famonjena ny Everglades no planina famerenana amin’ny laoniny feno fahasahiana indrindra sy lafo indrindra teo amin’ny tantara. “Vola be dia be sy tany be dia be ary famerenana amin’ny laoniny ny ekôsistema, amin’ny ambaratonga mbola tsy hitantsika mihitsy teo aloha na taiza na taiza teo amin’izao tontolo izao, no resahintsika eto”, hoy ilay manam-pahefana miandraikitra ilay tetik’asa momba ny Everglades, ao amin’ny World Wildlife Fund (WWF). “Mandritra ireo 15 ka hatramin’ny 20 taona hanaraka, dia hisy roa arivo tapitrisa dolara eo ho eo holanina”, hoy ny fanazavan’ny gazety Science, “amin’ny fikasan’ny Tafika sy ny fanjakana ary ny fikambanana federaly hafa hanamboatra indray ny fandehan’ny rano ao amin’ny tontolo iainana sy ny zavaboary manontolon’ny Everglades-n’i Florida, anisan’izany ny heniheny sy ny lalan-drano namboarina 14 000 kilaometatra tora-droa”.
Fanampin’izany, ilay planina dia mitaky ny fividianana tany eo akaikin’ny Farihy Okeechobee, sy ny fanovana azy io ho honahona izay hisivana ny loto mitsika avy amin’ny toeram-pambolena sisa tokony ho 40 000 hektara. Manohitra mafy ireo mpamboly fary noho ny fanoloran-kevitra hampihena ariary valo isaky ny antsasa-kilao ny vola fanampiana avy amin’ny orinasa federaly mba hahazoana vola fanampiny hanadiovana ny Everglades. “Ny famerenana amin’ny laoniny dia tokony haloan’ireo izay mandray soa be indrindra avy amin’ny fanimbana azy io: ireo mpamboly sy mpanodina farin’i Florida”, hoy ny fanambaran’ny gazety USA Today. Novinavinaina fa ny vola ariary valo isaky ny antsasa-kilao amin’ny farin’i Florida dia hanome 35 tapitrisa dolara isan-taona.
Ampoizina hitohy ilay ady — tantsaha sy mpamboly fary mifanandrina amin’ny biolojista sy mpiaro ny tontolo iainana ary mpitia ny zavaboary — toy ny tany amin’ny faritra hafan’i Etazonia, ahitana ireo ankolafiny roa ireo ihany mifanandrina. Miangavy mafy mba hisian’ny fiaraha-miasa ny prezidà lefitra Gore. “Amin’ny fiarahantsika miasa”, hoy izy, “dia afaka mandamina io fisaratsarahana io isika sy manao izay hahazoana antoka fa hahazo tontolo iainana tsara sy toe-karena mandroso. Izao anefa no fotoana hanaovan-javatra. Tsy misy Everglades hafa eo amin’izao tontolo izao.”
[Sary, pejy 13]
“Alligator”
[Sary nahazoan-dalana]
USDA Forest Service
[Sary, pejy 14]
Voromahery
[Sary, pejy 15]
Akohoala fotsy
[Sary, pejy 15]
“Anhinga”, na voronabibilava, lahy sy vavy
[Sary, pejy 16]
“Ratons laveurs” telo, bibin-drano
[Sary, pejy 16]
Vano
[Sary, pejy 16, 17]
Vanofasika manga lehibe
[Sary, pejy 17]
“Limpkin”, ilay vorona mitomany
[Sary, pejy 17]
Zanaka “cormoran”