FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g97 8/1 p. 16-20
  • Afaka ny ho Toerana Mahafinaritra ny Lakozia

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Afaka ny ho Toerana Mahafinaritra ny Lakozia
  • Mifohaza!—1997
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fianarana ao amin’ny “lakilasin’ny” lakozia
  • Mahafinaritra ny mahandro!
  • Ny fiarahan’ny fianakaviana
  • Avy Amin’ny Mpamaky
    Mifohaza!—1997
  • 2. Tandrovy ny Fahadiovana
    Mifohaza!—2012
  • Manomeza fanabeazana ireo zanakao hatramin’ny vao fahakelezany indrindra
    Ny Fomba Hahitana Fiainam-pianakaviana Sambatra
  • Ampiofano Manomboka eo Amin’ny Maha-zazakely Azy ny Zanakao
    Ny Tsiambarantelon’ny Fahasambaram-pianakaviana
Hijery Hafa
Mifohaza!—1997
g97 8/1 p. 16-20

Afaka ny ho Toerana Mahafinaritra ny Lakozia

“MANDEHANA mivoaka ny lakozia!” Ankizy noana maro no nahazo izany fananarana izany rehefa nitady hanandrana mialoha ny sakafo. Kanefa, toy izay hisakana azy ireny tsy hiditra ao, dia manana antony tsara hanasana ny zanany hankao an-dakozia ny ray aman-dreny. Nahoana no izany no izy? Satria ny lakozia, raha ny marina, dia lakilasy iray mahavariana.

Ny lakozia dia toerana ahafahan’ny ankizy mampitombo fahaiza-mamoron-javatra sy fahaizana mamaha olana, toerana ahafahan’izy ireo mianatra miasa ho an’ny hafa sy miasa amin’ny maha-anisan’ny ekipa iray, toerana izay ahafahan’ny resaka misy heviny izay manohina ny fo mandeha ho azy, toerana izay ahafahana mandentika tsikelikely sady moramora ao am-po sy ao an-tsaina ireo toetra sarobidy tanana mafy. Eny, eo amin’ny lalimoara sy ny vatasarihana ary eo ambonin’ny talantalana mifanizina ao amin’ny lakozia rehetra, dia misy toerana ho an’ny fianarana sarobidy maro — azo ampiasaina avy hatrany eo am-pikarakarana ny sakafo manaraka.

Amin’izao andron’ny teknolojia sy ny fahalalana izao, nahoana no ampiasaina ho toeram-pampiofanana ny ankizy ny lakozia? Ny valiny dia ny fotoana. Fantatry ny ray aman-dreny maro fa tsy misy tsotra izao ny hasolo ny fiaraha-mandany fotoana betsaka amin’ny zanany!a Ny olana dia hoe aiza no ahitana azy io. Misy fahefana sasany mampirisika mafy ny ray aman-dreny hieritreritra ny asa mahazatra fanaony ao an-tokantrano mba ho fahafahana hiara-manao zavatra amin’ny zanany sy hampianarana azy ireny. Mifanaraka amin’ny didy iray nomen’Andriamanitra ny ray aman-dreny tao amin’ny firenen’ny Isiraely fahiny toy izao izany: “Aoka ho ao am-ponao izao teny andidiako anao anio izao. Dia ampianaro tsara ny zanakao izany, ary resaho, na mipetraka ao an-tranonao hianao, na mandeha any an-dàlana, na mandry, na mifoha”. — Deoteronomia 6:6, 7.

Koa satria isika tsy maintsy mandany fotoana tsy tapaka ao an-dakozia na ahoana na ahoana, dia toa hita fa toerana mifanentana ho an’ny asa ifarimbonan’ny fianakaviana izy io. Ary tsy mba tahaka ireo fivoahana manokana izay matetika tsy maintsy miandry mandra-pananantsika fotoana, hery, na vola vao manao azy, dia tsy azo ahemotra ny fahazotoan-komana mahasalama. Etsy an-danin’izany, dia manintona ho azy ny ankizy ny lakozia. Raha dinihina tokoa mantsy, toeran-kafa aiza no ampiofanana azy ireo hampiasa amim-pitandremana ny antsy sy ireo fitaovana hafa? Mety hanao sakafo mihitsy aza indraindray ny ankizy mahita fahafinaretana! Fianarana inona avy anefa no azon’ny lakozia atolotra?

Fianarana ao amin’ny “lakilasin’ny” lakozia

I Louise Smith — fantatr’ireo mpianany efa-taona ho ilay Madama mpanao mofomamy matsiro misy sakamalao — dia nanao izao fanamarihana izao, niorina tamin’ny fanandraman-javatra 17 taona nananany teo amin’ny fampianarana ny ankizy kely mahandro: “Tonga fitaovam-pampianarana lehibe ny sakafo satria izy io zavatra takatry ny ankizy rehetra. Matsilo aoka izany ny fanamboloany sy ny fahatsapany tsiron-javatra ary ny fitsapany raha mbola kely izy, hany ka lasa revo tanteraka izy ireo. Ary afaka mampianatra fanononana teny sy matematika ary fahaizana mamaha olana ianao amin’ny alalan’ny sakafo.” Manampy ny ankizy hampitombo ny hakingan-tanana sy ny fandrindrana ny maso amin’ny tanana ny mandraraka, ny mitoto, ny mamofy, ny manasivana, ny mampifangaro sy ny manafisaka paty. Ny manasokajy (mametraka ny voaloboka sy ny noix ho antontany misaraka) sy ny mandahatra (mampifanongoa kôpy famarana araka ny filaharany) dia mampianatra fahalalana izay ampiasaina ho fototra amin’ny fianarana matematika. Fanazaran-tena amin’ny fampiasana isa, fandrefesana, fijerem-potoana, lojika, sy fiteny, ny fanarahana ireo toromarika ao amin’ny fomba fandrahoan-tsakafo. Ary tsy afaka misosososo ho ao amin’ny tontolon’ny lakozia be kojakojany sy mety hahitan-doza ny tena raha tsy miana-javatra momba ny fiarovana amin’ny loza, ny andraikitra, ny fandaminan-javatra ataon’ny tena manokana sy ny asa atao miaraka.

Zava-dehibe koa ny hasarobidin’ny fianarana mahandro. Tsy mahalana no afaka manomana sakafo manontolo rehefa tonga eo amin’ireo taona maha-zatovo, ireo ankizy izay nanomboka tamin’ny fanampiana tao an-dakozia. Ray na reny be atao iza no tsy hankasitraka izany indraindray? Ankoatra izany, ny mahandro dia manampy ny zatovo hampitombo ny fatokian-tena sy ny fahavitan-tena — toetra izay mahasoa azy ireo rehefa hanomboka hiantsoroka ireo andraikitry ny olon-dehibe izy ireo any aoriana, na hanambady na hitoetra ho mpitovo izy. — Ampitahao amin’ny 1 Timoty 6:6.

I Lee, izay nitoetra ho mpitovo hatreo am-piandohan’ireo faha-30 taonany dia mahatsiaro toy izao: “Nanomboka nampiofana ahy tamin’ireo fomba fanaovan-javatra fototra ao an-dakozia ny reniko, fony aho tokony ho enin-taona. Tamin’ny voalohany, dia nahaliana ahy indrindra ny fanaovana bisikoy, mofomamy sy sakafo mamy hafa. Fony aho sivy taona anefa, dia afaka namolavola sy nanomana sakafo manontolo ho an’ny fianakavianay aho, ary nanao izany tsy tapaka. Tatỳ aoriana, tamin’ny naha-olon-dehibe mpitovo, dia hitako fa nanamora kokoa ny fiainana ny fahaizana manao raharaha isan-karazany ao an-tokantrano, anisan’izany ny mahandro. Ary azoko lazaina mazava fa anisan’ny nahatonga ny fananako fanambadiana vanona ankehitriny izany.”

Mahafinaritra ny mahandro!

Ahoana no ahafahan’ny ray na ny reny iray mahita fotoana ampiofanana ny ankizy ao an-dakozia? Manipy hevitra ny handaharana fotoana rehefa tsy misy fanelingelenana firy araka izay azo atao, ny reny iray. Raha manan-janaka maromaro ianao, dia mety haniry hiara-miasa amin’ny ankizy iray isaky ny mandeha, eo am-panombohany. Mba hanaovana izany, dia fidio ny fotoana rehefa matory kely amin’ny antoandro ireo ankizy hafa na rehefa any an-tsekoly izy ireo. Kendreo ny handany fotoana bebe kokoa noho ny raha mahandro irery ianao. Ary miomàna mba hahita fahafinaretana ao an-dakozia!

Amin’ny fotoana ianarany voalohany, dia mety hamela ny zanakao ianao hifantina izay zavatra ankafiziny ny mihinana azy.b Mitadiava fomba fandrahoan-tsakafo tsotra izay ahazoana vokany haingana. Ataovy azo antoka fa mahafaoka zavatra tokony hatao izay mety ho vitany tsara izy io. Mba tsy hihetsiketsehany sy tsy hahasorisorena azy, dia asaivo mitady mialoha ny sasany amin’ireo taharo sy fitaovana ilaina izy. Mety hanomana mialoha mihitsy amin’ny ampahany ny sasany amin’ireo taharo aza ianao mba tsy hampitarozaka sy mba tsy hampahamonamonaina ilay fotoana fianarana.

Iaraho mamaky manontolo amin’ny zanakao ilay fomba fandrahoan-tsakafo, ka asehoy azy ny fomba tokony hanaovana ny tsirairay amin’ireo zavatra tokony hatao. Omeo faritra ho azy manokana ny zanakao ao an-dakozia — angamba vatasarihana iray misy tsatokaty roa sy fitaovana vitsivitsy — ary omeo aron’akanjo iray izy. Aza ampanaovina aron’ankanjom-behivavy ny ankizilahy, fa itadiavo iray natao ho an’ny lehilahy mpahandro izy. Hatrany am-boalohany mihitsy, dia antitrantero ny maha-zava-dehibe ny fiarovana amin’ny loza ary manomeza fitsipika araka ny antonona arahina ho an’ny lakozia. — Jereo ny faritra voafefy mitondra ny lohateny hoe “Lesona Voalohany — Fiarovana Amin’ny Loza”, pejy faha-18.

Ambonin’izany rehetra izany, dia miezaha mba hahatonga izany hahafinaritra. Aza asaina mijery anao fotsiny ny zanakao; asaivo manasa ny tanany izy, ka asaivo manao zavatra amin’ny tena fanomanana ilay sakafo atao. Omeo fahafahana izy hizaha sy hamantatra, hanandrana, sy hametraka fanontaniana. Ary rehefa tsy dia nety loatra ny nahandro iray, dia aza manahy. Raha ny zanakao ihany no nanao azy io, dia azo inoana fa hihinana azy io izy na ahoana na ahoana!

Ny fiarahan’ny fianakaviana

Tsy misy isalasalana fa ireo soa lehibe indrindra ho azo amin’ny farany avy ao amin’ny lakozia dia mahafaoka ny firaisan-tsain’ny fianakaviana sy ireo fari-pitsipika sarobidy aminy. Mety ho efa voamarikao fa any amin’ny tokantrano sasany amin’izao andro izao, dia samy revo amin’ny asany avy ny mpianakavy ka tsy manana tena fifandraisana eo amin’izy samy izy. Ao anatin’ny toe-javatra toy izany, dia mety ho tonga toerana fijanonana kely fotsiny ny trano, toerana fakana aina. Mifanohitra amin’izany, dia azo inoana kokoa fa hiara-mihinana sy hiara-manadio ny fianakaviana iray izay miara-mahandro. Manome azy ireo fahafahana tsy tapaka mba hifampiresaka, hifanao zavatra ho an’izy samy izy, sy hifandray hatrany, ireny asa ireny. “Ireo dinidinika tsara indrindra nataoko tamin’ireo zanako lahy, dia teo amin’ny toerana fanasam-bilia”, hoy ny tsaroan’ny reny iray. Ary manampy teny toy izao i Hermann, ray kristiana iray: “Ninianay natao ny tsy nanana milina fanasam-bilia nandritra ny taona maromaro, hany ka tsy maintsy nosasana sy nohamainana tamin’ny tanana ny vilia. Voatendry hanao ny fanamainana, nifandimby, ireo zanakay lahy. Tsy nisy fotoana tsara kokoa noho izany nifampiresahana nalalaka.”

Eny, ny fotoana laninao ao an-dakozia miaraka amin’ny zanakao — rehefa mandalo ny herinandro sy ny taona — dia manome fototra iray hahafahan’ireo fitsipika ara-panahy sarobidy sy ireo toetra araka an’Andriamanitra, hitombo. Mandritra ny fotoana fiarahana tsy an-tery toy ireny no afaka mipoitra ho azy ireo fifampiresahana am-po ifanaovan’ny ray na ny reny amin’ny zanaka ka ahafahan’ny fitaoman’ny ohatra omen’ny ray na ny reny manohina moramora ny fon’ny zanaka. Hahasoa ny ankizy mandritra ny androm-piainany ny fampiofanana toy izany, satria hoy ny Ohabolana 22:6: “Zaro amin’izay làlana tokony halehany ny zaza, ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin’izany.”

Koa raha toa ianao, amin’ny maha-ray na reny anao, ka mitady fomba handaniana fotoana bebe kokoa miaraka amin’ny zanakao, nahoana no tsy manasa azy ireo hanampy anao hanomana mofomamy na sakafo manontolo? Mety ho hitanao fa ny fiaraha-miasa amin’izy ireo ao an-dakozia dia fomba iray, izay sady manome sakafo no manolokolo ny fianakavianao.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Mba handinihana an’io foto-kevitra io, dia jereo ilay lahatsoratra hoe “ ‘Fotoana Misy Vidiny’ Tsinjaraina Kely dia Kely”, ao amin’ny Mifohaza! No. 4/1993, pejy 30-31.

b Mihatra amin’ny fomba mitovy amin’ny ankizivavy sy ny ankizilahy ny fanazavana.

[Efajoro, pejy 18]

Lesona Voalohany — Fiarovana Amin’ny Loza

Tsarovy foana ny fiarovana amin’ny loza

• Amin’ny fomba hentitra nefa tsy mampitahotra, dia hazavao ireo loza amin’ny fiasana ao an-dakozia, toy ny hanazavanao ireo lozan’ny fifamoivoizana eny amin’ny arabe be fiara. Aoka hanome ohatra tsara ny tenanao.

• Ataovy izay hisian’ny olon-dehibe manara-maso amin’ny fotoana rehetra iasan’ny ankizy ao an-dakozia. Aza avela hampiasa izay mety ho fitaovana na milina, indrindra elektrika, ny ankizy, mandra-pahaizany mampiasa azy io amin’ny fomba tsy ahitan-doza.

• Ataovy milamina hatrany ny lakozianao. Diovy izay raraka ary esory haingana ny korontana. Tokony havoaka tsy ho ao an-dakozia ny biby fiompy sy ireo fanelingelenana hafa rehefa mahandro ianao.

Arovy ny rantsantanana

• Tsy tokony hampiasaina ireo milina fitotoan-tsakafo sy mixeurs elektrika raha tsy rehefa misy olon-dehibe manara-maso. Ataovy azo antoka fa mipìka sy tsy mitsatoka amin’ny pirizin’aratra ilay milina, alohan’ny hametrahan’ny zanakao fitaovana ao anatiny.

• Ataovy maranitra hatrany ireo antsy, satria mitaky tsindry bebe kokoa ny antsy dombo iray, ka noho izany dia azo inoana fa hibolisatra.

• Asaivo manaraka ireto dingana ireto ny zanakao rehefa mianatra mampiasa antsy: 1) raiso amin’ny tahony ilay antsy, 2) apetraho eo amin’ny sakafo ilay antsy, 3) apetraho eo amin’ny vohon’ny lelan’ilay antsy ny tanana ilany, ary 4) tsindrio mba handidiana ilay sakafo.

• Mampiasà akalana fitetehana. Mba tsy hikodiadia ireo legioma rehefa manandrana mitetika azy ireny ny zanakao, dia silaho roa aloha izy ireny, ary ny lafiny fisaka apetraka amin’ilay akalana fitetehana.

Mitandrema mba tsy ho may

• Piho foana ny fatana sy ny fampandehanana ny lafaoro rehefa tsy miasa. Ataovy lavitra ny afo ireo lamba famaohana, boky fandrahoan-tsakafo, sy lamba fibatana vilany.

• Ahodino mankany afovoan’ny fatana ny tahon’ny lapoaly, mba tsy handonana azy io mora foana ka ho raraka ny ao anatiny.

• Raha avelanao hiasa eo amin’ny fatana ny zanakao, dia ataovy azo antoka fa mafy sy marin-toerana izay ijoroany.

• Aza mibata zavatra mahamay raha tsy efa fantatrao ny toerana hametrahanao azy. Ataovy azo antoka fa fantatr’ireo olon-kafa ao an-dakozia hoe mitondra zavatra mahamay ianao, indrindra indrindra raha mandeha ao ivohony ianao.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara