Ireo “Zava-mahatsiravina Fiton’izao Tontolo Izao”
VOALAZA fa nanao lisitr’izay nantsoiny hoe “Zava-mahatsiravina Fiton’izao Tontolo Izao” i Mohandas Gandhi. Ireto manaraka ireto izy ireo:
• Harena tsy misy asa
• Fahafinaretana tsy misy feon’ny fieritreretana
• Fahalalana tsy misy hatsaran-toetra
• Varotra tsy misy fitondran-tena mahitsy
• Siansa tsy misy fiheverana ny maha-olona
• Fanompoam-pivavahana tsy misy fanaovana sorona
• Politika tsy misy fitsipi-pitondran-tena
Voalaza fa nanampy iray fahavalo i Arun Gandhi zafikeliny, dia ny hoe:
• Zo tsy misy andraikitra
Angamba ianao ho afaka hanolotra vitsivitsy fanampiny, nefa io lisitra io dia azo antoka fa mampisaintsaina. Ny vahaolana omen’ny Baiboly ny amin’ireo “zava-mahatsiravina” ireo dia voafehy ao anatin’ireto didy roa ireto: “ ‘Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra’. Izany no didy lehibe sady voalohany. Ary ny faharoa, izay tahaka azy ihany, dia izao: “Tiava ny namanao tahaka ny tenanao”. Izany didy roa izany no ihantonan’ny lalàna rehetra sy ny mpaminany.” — Matio 22:37-40.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 20]
UPI/Corbis-Bettmann