Fijerena An’izao Tontolo Izao
Aoka Ianao ho Falifaly Lava — Ary dia ho Salama Kokoa!
“Amin’ny fahaizana mandray sy manao zavatra amin’ny vazivazy, dia manjary mandefitra kokoa, mahazaka tsara ireo fahadisoam-panantenana, sy mihazona fahasalamana ara-batana sy ara-tsaina ny olona”, hoy ny lazain’ny Profesora Sueli Damergian avy ao amin’ny Oniversiten’i São Paulo. Araka ny tatitra iray tao amin’ilay gazety breziliana hoe O Estado de S. Paulo, dia azo ianarana ny fahaizana tsara mandray sy manao vazivazy — tsy misy hafa amin’ny fahaiza-mamaky teny sy manoratra. Mazava fa mitaky fiovana eo amin’ny fisainana izany ho an’ny olona iray mimonjo-dava. Manazava toy izao i Raquel Rodrigues Kerbauy, profesora momba ny psikolojia: “Raha toa ka mieritreritra ny olona iray fa tsy afaka ny ho faly izy raha tsy rehefa mandeha araka ny hitsiny izao tontolo izao, dia ho soso-dava mandrakizay izy. Rehefa heverina mantsy, hatraiza hatraiza dia misy ny tsy rariny.” Na dia feno aza ny fandaharam-potoanan’ny olona falifaly dia mankafy ny fifandraisany amin’olona izy, hoy ny nomarihin’ilay tatitra. Mankasitraka ny zava-madinika, toy ny “resadresaka, vatomamy, na fotoana fohy ihainoana mozika mahafinaritra”, izy ireny. Mampitandrina toy izao anefa i Damergian: “Tsy tokony hampifangaroina amin’ny fahamaivanan-doha sy ny vosoboso-dratsy ny fahaizana mandray sy manao vazivazy.”
Tandindomin-doza Noho Ireo Mpitia Azy ve Ireo Voronkely?
Ireo mpitia voronkely dia mety hitondra fahavoazana kokoa fa tsy soa, amin’ny famelana sakafo eny an-jaridainany mba hohanin’ny voronkely, hoy ny tatitra ataon’ny Sunday Times any Londres. Ny sakafo voapoizin’ny bakteria salmonelles, ireo katsentsitra, sy ireo zavamananaina bitika fanampiny tsy fantatra, dia namono an’aliny maro tamin’ireo voronkely an-jaridaina ankafizin’ny Anglisy manokana, tsy ela izay. Manahy i James Kirkwood, lehiben’ny veterinera ao amin’ny toeram-pijerena biby any Londres, fa any amin’ny faritra sasany, dia mety ho ripaka tanteraka ny karazany sasany. Ilay bakteria sy ireo katsentsitra mafy aina dia mbola velona ihany mandritra ny andro maro eo amin’ireo taim-borona eo amin’ny fitaovana fihinanany na eo amin’ny tany. Mampidi-doza indrindra indrindra ireo noix bobongolo, hoy ny fampitandreman’ny Profesora Chris Perrins avy ao amin’ny Oniversiten’i Oxford. “Raran’ny fitondram-panjakana ny fivarotana amin’ny olombelona ireo noix mitondra aretina, nefa avelany hatao sakafom-borona izy ireny”, hoy ny nomarihiny, sady nanampy teny toy izao izy: “Mamono voronkely be dia be izy ireny.”
Fonenana Mampiadana ho An’ny Parasy
Nidika ho fahafatesan’ny parasy ny andro ririnina namirifiry. Miova anefa ny toe-javatra, hoy ny tatitra ataon’ny gazetiboky New Scientist any Grande-Bretagne. “Tao anatin’ireo folo taona lasa dia nisy fitomboan’ny fisian’ny parasin-tsaka”, hoy i John Maunder, avy ao amin’ny Cambridge Medical Entomology Centre. Ankehitriny, dia toy ny toeram-pialofana mampiadana ho an’ireny parasy ireny, izay mivelona eo amin’ny alika koa, ireo trano maoderina. Tamin’ny lasa, dia nitondra fihenan’ny fahamandoana niaraka taminy ny andro mangatsiaka — fitrangan-javatra nahafaty ny olitra parasy. “Ankehitriny”, hoy ny nomarihin’i Maunder, “dia tsy tsara mihitsy ny fivezivezen’ny rivotra any amin’ny tokantrano maro, hany ka mitoetra ho be dia be ilay fahamandoana miaraka amin’ny ririnina, ka tsy hahafaty ny parasy na dia ny andro mangatsiaka maharitra aza.”
Fomba Hiatrehana Ireo Mpampijaly Kely any An-tsekoly
Noho ny fielezan’ny resa-be vao haingana momba ny fampijaliana kely ataon’ny ankizy any an-tsekoly, dia nanao fanadihadiana tamin’ny ankizy sy ny ray aman-dreniny ary ny mpampianatra 9 420 ny Ministeran’ny Fanabeazana any Japon. Nahariharin’ny vokatr’ilay famakafakana fa, hatramin’ny 70 isan-jaton’ny ray aman-drenin’ireo mpianatra ampijalina, avy amin’ny sekoly fanabeazana fototra sy ny lise no, na tsy nahalala ilay olana na tsy nihevitra ho zava-dehibe ny fitarainan’ireo zanany. Noho ny tahotra valy faty, dia tsy mitantara amin’ny mpampianatra ireo ankizy maro iharan’izany fa ampijalina izy ireo. Nasehon’ilay fanadihadiana anefa fa rehefa manomboka mandamina amim-pitandremana ilay olana ny mpampianatra, dia 2 isan-jaton’ireo ankizy iharam-pahavoazana monja no iharan’ny valy faty, ary mitsahatra ilay fampijaliana kely ataon’ny ankizy ho an’ny 40 isan-jaton’ireo mpianatra iharam-pahavoazana eo ho eo. Nanao izao fanamarihana izao ny Profesora Yoji Morita, avy ao amin’ny Oniversiten’i Osaka: “Vao mainka aho miaiky fa azo resena ny fampijaliana kely ataon’ny ankizy, raha mitaraina amin’ny mpampianatra azy ireo iharam-pahavoazana ary raha manao zavatra mety mikasika izany ny mpampianatra.”
Zavatra Tian’ny Ankizy sy Tsy Tiany
Inona no zavatra faran’izay tsy tian’ny ankizy indrindra ny manao azy? Tao amin’ny fanadihadiana iray nataon’ny Profesora Gustavo Pietropolli Charmet, avy ao amin’ny Oniversiten’i Milan, Italia, tamin’ny ankizy 6 ka hatramin’ny 11 taona, dia nilaza toy izao ny ankamaroany: “Mijanona ao an-trano mijery tele”, na “Mijanona ao an-trano miaraka amin’i Neny manao entimody.” Ny zavatra tsy mahafinaritra indrindra ataony, hoy ilay gazety La Repubblica, dia ny “mamonjy fotoana”, izany hoe mihazakazaka hamonjy fianarana dihy, miteny anglisy, mitendry piano, sy ny toy izany. Afa-tsy izany koa dia tsy tiana mainty amin’ny ankapobeny ny “mitoetra irery”. Etsy an-danin’izany, dia irin’ny 49 isan-jaton’ireo ankizilahy ny ‘hamelan’ny ray aman-dreny ny ankizy hilalao any alatrano’, kanefa kosa dia irin’ny ankizivavy ny ‘hahitan’ny ray aman-dreny fahafinaretana rehefa miara-milalao amin’ny zanany’. Raha ny tena izy, dia hoy izy ireo: ‘Rehefa miara-milalao amiko i Neny, dia tsy maintsy tena mody milalao izy. Afaka milaza ianao raha toa ka tsy mahita fahafinaretana izy, ka amin’izay dia tsy mahita fifaliana koa aho.’
Nankasitraka ny Asan’ny Vavolombelona ny Kardinaly Iray
Tsy ela izay dia maty teo amin’ny faha-91 taonany ny Kardinaly Suenens any Belzika, mpampandroso ireo fihetsiketsehana katolika eokiomenika sy manao fanasitranana mahagaga. Nomarihin’ilay gazety belza atao hoe Het Belang van Limburg, fa na dia nanatontosa zavatra maro aza i Suenens, dia tsy nahatanteraka ny nofinofiny teo amin’ny fiainana. Nilaza ny Kardinaly Danneels, mpandimby azy, fa i Suenens “dia naniry foana ny mba hahatongavan’ny Kristiana ho marisika kokoa. Izy (...) dia nanontany tena raha tokony handeha isam-baravarana isika, tsy misy hafa amin’ny ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah. Ary tamin’ny farany, dia hitany fa tsy dia hoe fomba fanaovan-javatra ratsy loatra izy io. Fanamarihana re matetika nataony ny hoe: ‘Tsy Kristiana marina ianao raha tsy nahatonga olon-kafa ho Kristiana koa.’ ”
Fanadiovana ny Oseana
Na dia amin’ny andro maina aza, dia ranondalo (rano mandalo vokatry ny orana na oram-panala mitsonika) sy potipoti-javatra voaloto avy amin’ny araben’ny tanàna an-tapitrisany litatra maro no mivarina mankany amin’ny rano amoron-dranomasina manodidina an’i Los Angeles, Californie. Amin’ny andro manorana, dia mety hahatratra an’arivony tapitrisa litatra ny ranondalo! Ny manam-pahefana tao an-tanàna dia nanohana fandaharan’asa iray mba hampahafantarana ny mponina fa, izay zavatra rehetra ariana, sasana, na fafana mankeny amin’ny arabe dia mivarina mivantana — tsy voadio — any amin’ny oseana, amin’ny alalan’ireo fantsona fivarinan-drano! Izany dia mahafaoka ireo solika sy ranoka hafa avy amin’ny fiara, tapatapa-javamaniry avy amin’ny tokotany, fako, malotom-biby. Mba tsy hanimbana ny ekolojian’ny (fifampiankinan’ny zavamananaina amin’ny tontolo iainany) Helo-dranomasin’i Santa Monica tsy lavitra eo, dia ampirisihina ny mponina mba: Tsy hanary fakofako mihitsy eny amin’ny arabe; hamafa amin’ny kifafa ny sisin-dalana fa tsy hanasa izany amin’ny rano mifantsitsitra; handroaka ireo malotom-biby; hanamboatra ireo loaka amin’ny fiara; ary hanova mba ho azo ampiasaina indray ny menaka maotera. Manao tatitra ny The Wall Street Journal fa ireo olona milomano eo akaikin’ny fantsona fivoahan-drano iray dia azo inoana kokoa fa hanjary ho voan’ny tazo, handoa, ho voan’ny aretina eo amin’ny fisefo, na hahazo fanaintainana amin’ny sofina, in-50 isan-jato noho ireo izay mijanona eny amin’ny 360 metatra, fara fahakeliny.
Sambo Mpisitrika Voloina
Mihazona rafi-pifandraisana amin’ny micro any anaty rano ny Tafika An-dranomasina soedoa mba hamantarana ny fiboiboika ataon’ny helisy mihodin’ny sambo mpisitrika, araka ny gazetiboky New Scientist. Rehefa nandinika tatitra 6 000 momba ny “zavatra natao hafahafa tany anaty rano”, niorina tamin’ilay rafi-pifandraisana amin’ny micro sy ny zavatra hitan’ny olona ny vaomieran’ny fitondram-panjakana, dia nahita porofo marim-pototra ny amin’ny zavatra nataon’ny sambo mpisitrika, tamin’ny tarehin-javatra enina monja. Maro tamin’ny sisa tamin’ireo fanairana no nety ho nahetsiky ny “tongotra kely mitsikaroka mafy”, hoy ilay tatitra. Toa visons sy loutres de mer milomano no miteraka feo mitovy be amin’ny an’ny helisin’ny sambo mpisitrika, ka araka izany dia nampisafotofoto ireo mpihaino teny ambonin’ny sambo mpiady.
Ankizy Mametaveta Ankizy
Zatovo an’arivony maro atsy Afrika Atsimo no iharan’ny fametavetana ataon’ny ankizy hafa tsy ampy taona, hoy ny tatitra ataon’ilay gazety any Johannesburg hoe Saturday Star. Hazavain’i Evanthe Schurink ao amin’ny Filan-kevitra Mpanao Fikarohana Amin’ny Siansa Momba ny Olombelona fa, amin’ny ampahany, dia noho ny tenan’ireo mpametaveta tanora ireo koa nentina tamin-kerisetra no nahatonga izany fametavetana izany. Miombon-kevitra amin’izany i Marilyn Donaldson, mpanolo-tsaina ho an’ny ankizy ao amin’ny Centre for the Study of Violence and Reconciliation’s Trauma Clinic, ka manao hoe: “Any amin’ny (...) tokantrano maro aoka izany, dia iharan’ny herisetra an-tokantrano mahatsiravina ireny ankizy ireny ary matetika ireo vetavetainy dia anisan’ny fianakaviany tsy lavitra.” Nomeny tsiny noho ny habetsahan’ny fametavetana koa ny sorisory ary ny fanaovan’ny ray aman-dreny an-tsirambina. “Tsy misy olona mba hijery ny ankizy ao an-trano rehefa miasa ny ray na ny reny”, hoy ny fanamarihany, “hany ka eo ambany fahefan’ny mpametaveta tanteraka izy ireo.” Mitarika ny saina ho amin’ny loza fanampiny iray i Donaldson rehefa nilaza fa hitany mitombo hatrany ny isan’“ireo ankizikely 6 ka hatramin’ny 10 taona mankany amin’ilay foibe, voan’ny Sida, izay azony tamin’ny firaisana”.
Alkaola Mandritra ny Fitondrana Vohoka
“Nohamafisin’ny fikarohana vao haingana iray ny fifandraisana misy eo amin’ny fisotroan’ny vehivavy bevohoka alkaola sy ny mety hitomboan’ny loza hahazoan’ilay zazakely kanseran’ny ra”, hoy ny tatitra ataon’ny The Medical Post, any Kanada. Ilay fandinihana dia nahafaoka zazakely 302 voan’ny kanseran’ny ra, izay herintaona sy tapany na latsaka izany, tamin’ny fotoana nahitana ilay aretina, niaraka tamin’ny antokon-jazakely hafa 558 nanaovana fitsapana izay tsy nisotro ny reniny. Ho an’ireo zaza izay nisotro alkaola ny reniny teo amin’ny telo volana faharoa na fahatelo nitondrany vohoka, dia efa ho avo folo heny noho ny an’ny zanak’ireo reny tsy nisotro, ny nety ho nahazoany kanseran’ny ra mafy eo amin’ny tsokan-taolana. Voalaza fa ilay fikarohana vao haingana dia mifanaraka amin’ireo fandinihana hafa natao momba ireo reny miandry vohoka izay misotro alkaola sy ny mety hitomboan’ny loza hahazoan’ny zanany kanseran’ny ra.