Avy Amin’ny Mpamaky
Famakiana Manontolo Tiako foana ny Mifohaza!, nefa tsy namaky afa-tsy ireo lahatsoratra izay nanintona ny saiko aho. Ankehitriny aho dia mamaky manontolo ilay gazety ary manjary tiako ireo foto-kevitra izay nodinganiko teo aloha. Ohatra, vao avy nahavita ny famakiana ilay hoe “Fomba Nentim-paharazana Indiana Amerikana Tranainy” (8 Martsa 1996) aho izao, ary tiako tsotra izao ilay izy!
E. A. S., Brezila
Fanafintohinana ny Hafa Tonga tamin’ny fotoana nety indrindra ilay lahatsoratra hoe “Ny Fiheveran’ny Baiboly: Izay Tokony Hatao Rehefa Manafintohina ny Hafa Ianao”. (8 Febroary 1996). Nitsahatra tsy niresaka tampoka tamiko ny rahavavy kristiana iray. Nanontany azy aho raha nisy zavatra nataoko nanafintohina azy, ary niala tsiny aho. Tsy nanova ny fihetsiny anefa izany. Tohina mafy noho izany aho ary nanomboka nieritreritra fa tsy azo nekena ny fanompoana nataoko ho an’i Jehovah. Fampiononana toy inona moa no tsapako rehefa namaky ny fehintsoratra farany tamin’ilay lahatsoratra! Milaza izy io fa “rehefa avy nandany hery nanaovana izay hihavanana ianao, dia ho faly i Jehovah hanaiky ny fanompoam-pivavahanao”.
M. R., Arzantina
Cobra Tena nahaliana ilay lahatsoratra hoe “Ho Tianao ve ny Hihaona Amin’ny Cobra?” (8 Aprily 1996). Izao anefa no vakina eo amin’ny soratra eo ambanin’ny sary eo amin’ny pejy faha-16: “Manenjana ny ravin-tendany ny cobra mainty iray eo am-pitaninana andro eo ambonin’ny vatolampy mafana iray.” Raha araka ny fantatro, dia tsy manenjana ny ravin-tendany ny cobra raha tsy rehefa mahatsapa loza na raha tsy rehefa adalaina.
R. F., Alemaina
Nohazavaina tao amin’ilay lahatsoratra izany, eo amin’ny pejy faha-18, fehintsoratra faharoa, ary eo amin’ny pejy faha-20, fehintsoratra faharoa. Milaza ny masoivohonay any India fa teo amin’ilay sary ilay “cobra” dia taitra teo anoloan’ny fanairana nataon’ilay mpanampy ny mpaka sary. — MPAMPANONTA.
Fandihizana Mankafy ny fandihizana amin’ny mozika kilasika sy latina ary malefaka be mpitia ho zavatra atao rehefa tsy miasa aho. Tena nankasitrahako ilay lahatsoratra hoe “Ny Fiheveran’ny Baiboly: Natao ho An’ny Kristiana ve ny Fandihizana?” (8 May 1996). Nanampy ahy izy io mba handinika akaiky kokoa io endri-panarian-dia io. Ireo fanontaniana mahatonga handini-tena napetrakareo dia hanampy ahy hitoetra tsy hanan-tsiny sy “tsy hisy pentimpentina avy amin’izao tontolo izao”. — Jakoba 1:27.
D. D. G., Trinité
Dimy ambin’ny folo taona aho, ary hitako fa tena sarotra ny manapa-kevitra ny amin’izay mety sy tsy mety rehefa ny fandihizana no resahina. Amin’ny fampiasana ny tari-dalana nomen’ilay lahatsoratra — miaraka amin’ireo andinin-teny nalaina avy tao amin’ny Baiboly — dia afaka manapa-kevitra aho ankehitriny ny amin’izay mety.
M. R., Etazonia