FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g97 8/1 p. 3-4
  • “Ny Fandripahana ny Natiora”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Ny Fandripahana ny Natiora”
  • Mifohaza!—1997
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fanapoizinana ny planety
  • “Isika ihany no mampahory ny tenantsika”
  • Mampanantena Andriamanitra fa ho Tsara Fiafara ity Tanintsika Ity
    Mifohaza!—2023
  • Fampidirana
    Mifohaza!—2023
  • Manana hoavy ve ireo ala?
    Mifohaza!—1991
  • Ala
    Mifohaza!—2023
Hijery Hafa
Mifohaza!—1997
g97 8/1 p. 3-4

“Ny Fandripahana ny Natiora”

AVY AMIN’NY MASOIVOHON’NY MIFOHAZA! ANY IRLANDE

MANDRAHONA itỳ tany fonenanao itỳ ny fierenana. Manimba tsikelikely ny fahafahan’ny tany hanome sakafo sy fialofana ilaintsika rehetra mba hahavelomana hatrany izy io. Tsy isalasalana fa efa fantatrao tsara ny fomba itondran’ny fierenana fahavoazana ho an’ny tany, kanefa indreto misy fampahatsiahivana vitsivitsy.

Fanapoizinana ny planety

Efa tany amin’ny 1962 i Rachel Carson, tao amin’ilay bokiny hoe Silent Spring, no nampitandrina ny amin’ny fanapoizinana ny planety tamin’ny fanafody famonoana bibikely sy ny faikan-javatra feno poizina. Hoy ilay hoe The Naked Savage: “Nandoto ny tontolo iainany ihany sy nameno loto ny akaniny ihany ny olombelona, ka izay no mariky ny hahalany tamingana ireo karazana.” Mbola manapoizina amim-pierenana ny planety ihany ny olombelona. “Mitady ny tombontsoa be indrindra ao anatin’ny fotoana fohy indrindra ireo mpamboly tremalahy, ka vonona ny hampiasa tafahoatra ny nofon-tany sy ny rano ary ny fanafody simika, tsy misy fieritreretana ny amin’ny hoe mety hikaoka ny nofon-tany sy handritra ny rano any ambanin’ny tany ary hanapoizina ny tontolo iainana ange izy ireo”, hoy ilay hoe World Hunger: Twelve Myths.

Tsy miaro ny ala be orana sarobidy eo amin’izao tontolo izao — izay tena ilaina amin’ny faharetan’ny tany hatrany — ny olona, fa mandripaka azy ireny kosa amin’ny fomba haingana kokoa mbola tsy nisy toy izany. “Hanjavona tanteraka ny ala tropikaly velona ao anatin’ny dimampolo taona, raha mitohy tsy misy fiovana ny hafaingan’ny fampiasana azy amin’izao fotoana izao”, hoy ireo mpanoratra ilay hoe Far From Paradise—The Story of Man’s Impact on the Environment (1986).

Misy mpanjono maty eritreritra mampiasa dinamita sy poizina simika mba hahazoana trondro manodidina ny haran-driaka — izay nolazalazaina ho “ny zavatra ao anaty rano mitovy lanja amin’ny ala be orana tropikaly”, noho ny fahatondrahan’ny endri-piainana omeny fialofana. “Nanimba be” ny haran-dranomasina velona ireny fomba fanjonoana feno herisetra ireny, miaraka amin’ny fandotoana simika tsy amim-pandinihana. — The Toronto Star.

“Isika ihany no mampahory ny tenantsika”

Milazalaza io karazana tsy fahaiza-mitantana ny loharanon-karen’ny tany io ho “fandripahana ny natiora” i Sir Shridath Ramphal, izay prezidàn’ny IUCN-The World Conservation Union, nanomboka tamin’ny 1991 ka hatramin’ny 1993. Manao ahoana marina ny haratsin’izy io? Nanonona ohatra iray i Ramphal tamin’ny fanoratana hoe: “Ny ankamaroan’ireo ony any India dia tsy inona fa fanariana rano maloto tsy misarona izay mitondra rano maloto tsy voahodina avy any amin’ny faritra an-tanàn-dehibe sy any ambanivohitra mankany an-dranomasina.” Inona no fanatsoahan-keviny? “Isika ihany no mampahory ny tenantsika.”

Nanapaka ny tantaran’ny olombelona nandritra ireo taonjato ny fierenana, kanefa mitombo amin’izao andro izao ny fandrahonana ny haharetan’ny planety hatrany. Nahoana? Satria lehibe lavitra aoka izany ankehitriny ny fahaizan’ny olombelona mandrava. “Vao tato anatin’ny dimampolo taona farany isika”, hoy ilay hoe Far From Paradise, “no nanana ny fitaovana simika sy mekanika handravana amin’ny fomba mandaitra ny endri-piainana hafa eto amin’ny planetintsika. (...) Manana hery saika feno tanteraka ny Homo sapiens [latina: olon-kendry], araka ny iantsoan’ny olona ny tenany amim-pieboeboana aoka izany, ka nitsahatra tsy nampihatra fisakanana.” Vao haingana izay no nanao fiampangana mahery ilay fikambanana momba ny tontolo iainana atao hoe Greenpeace, ka nanao hoe: “Nataon’ny Olona Maoderina ho toerana fanariam-pako ny Paradisa [tany] (...) ary izao izy dia tahaka ny zaza ketrina (...) madiva (...) handrava amin’ny fomba mandaitra itỳ tany lonaka feno fiainana itỳ.”

Mihoatra noho ny mandrahona ny mety haharetan’ny planety ela anefa ny fierenana. Mandrahona ny fahasambarana sy ny filaminan’ny tenanao sy ny an’ny fianakavianao amin’izao ankehitriny izao izy io. Ahoana izany? Diniho ny lahatsoratra manaraka.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara