Manontany ny Tanora Hoe...
Tokony Hanao Kilalao ao Amin’ny Ordinatera na Vidéo ve Aho?
Nanodidina anao ireo zavamiaina avy any ivelan’ny tany! Tsy hoe tsy afa-manoatra velively anefa ianao. Mitifitra amin’ny tafondronao mampiasa taratra laser ianao, ka mijinja maro be amin’ny ain’ny fahavalonao toy ny mijinja varimbazaha. Ny olana dia izao: arakaraka ny habetsahan’ny voatifitrao no habetsahan’ny fahavalo mipoitra. Noho izany, dia tsy manan-tsafidy afa-tsy tokana monja ianao raha te ho tafita velona — mamono izay rehetra hitanao. Rehefa mitifitra ianao, dia mandriaka ny ran’ireo fahavalo maty (...)
“FAHAFINARETANA amin’ny fanapatapahana hazondamosina, fandrangotana nofo, fanapoahana loha”! Izany no fomba nilazalazan’ny mpanoratra gazetiboky iray tamin-kafanam-po ilay nivoaka farany indrindra tamin’ny kilalao iray be mpitia ao amin’ny ordinatera. Raha ny marina, izy io dia iray monja amin’ny karazany vaovao amin’ny kilalao ao amin’ny ordinatera sy vidéo izay mamela an’ireo mpilalao hilalao tantara foromporonina mampientanentana. Toa somary malefaka ireo nivoaka teo aloha raha ampitahaina amin’ireo kilalao ireo izay feno fandatsahan-dra, matetika no feno herisetra amin-kabibiana izaitsizy.
Na dia izany aza, ireo kilalao vidéo sy ao amin’ny ordinatera feno herisetra dia be mpitia fatratra eo anivon’ny tanora. Ary satria ny ampahatelon’ny tokantrano rehetra any Etazonia, araka ny tombana, no manana karazana kilalao elektronika, dia tanora an-tapitrisany maro no afaka mampiasa azy ireny. Ho an’ny tanora izay tsy manana izany ao an-tranony, dia mety tsy hitaky aminy afa-tsy ny handehanany ho any an-tranon’ny namana iray na ho any amin’ny foibe fialam-boly misy vidéo eo an-toerana ny hanaovana ireny kilalao ireny.
Ahoana ny aminao? Efa nalaim-panahy hividy — na, fara faharatsiny, hanandrana — ny sasany amin’ireny kilalao vaovao ireny ve ny tenanao? Rehefa avy mandinika ireo zava-misy rehetra ianao, dia mety hieritreritra fanindroany vao hanao izany.
Tsy mitovy avokoa ny kilalao rehetra!
Voalohany aloha, dia aoka ho azontsika tsara fa tsy ny kilalao vidéo na ao amin’ny ordinatera rehetra akory no azo kianina na feno herisetra. Kilalao maro no manome fanabeazana; mampianatra loha hevitra toy ny jeografia, matematika, sy fitendrena milina fanoratana, amin’ny fomba velombelona sy mampiala voly izy ireny. Mandrisika ny fihetsika mandeha ho azy ny kilalao hafa amin’ny fakana tahaka ny spaoro toy ny baskety sy ny hockey. Misy koa ny kilalaon-tsaina ampiasana teknolojia faran’izay ary fomba izay manaitra ny fahalianan’ny saina sy mandrisika ny saina.
Marina fa na dia ny kilalao tsara indrindra aza dia afaka mandany fotoana be dia be. Ary ny Baiboly dia mampirisika ny Kristiana mba ‘hanararaotra ny fotoana’, izany hoe, hampiasa ny fotoana amim-pahendrena amin’ny raharaha ara-panahy. (Efesiana 5:16). Kanefa, ny Baiboly dia tsy mitaky ny hoe holanina amin’ny fiasana na ny fianarana ny fotoana tsy atoriana rehetra. Mifanohitra amin’izany fa mampahatsiahy antsika izy fa “ao ny andro ihomehezana; (...) ary ao ny andro andihizana”. (Mpitoriteny 3:4). Rehefa atao amim-pahalalana onony ireo lalao dia afaka ny hamelombelona sy hahasoa.
Tokony ho fantatsika tsara anefa fa maro amin’ireny kilalao ireny no toa novolavolaina mba hahatonga an’ireo mpilalao handanilany fotoana be loatra. Amin’ny sasany amin’izy ireny, dia ora maro no lany amin’ny fanaovana izay hahaizana tsara ilay lalao eo amin’ny ambaratonga iray, alohan’ny hahitan’ilay mpilalao fa, hay, misy ambaratonga hafa maromaro — saro-takarina kokoa sy saro-bahana kokoa amin’ny fomba tsy azo ialana — tsy maintsy atao alohan’ny farany! Misy koa kilalao izay toa tsy manome tombony firy ho setrin’ny ezaka be. Nanao tamin-kafanam-po kilalao iray izay nampanantena ny hanampy azy ireo hamaha olana matematika i Dan sy i Sam, mpirahalahy ara-nofo kristiana. Kanefa, tsy ela dia takatr’izy ireo fa haingana kokoa ny nanaovan’izy ireo ilay matematika teo amin’ny taratasy noho ny teo amin’ny efi-jery!
Noho izany, na dia amin’ny kilalao ao amin’ny ordinatera sy vidéo izay mahasoa ihany aza, dia ilaina ny mahay mifantina. Hoy i Dan sy i Sam: “Raha miantsena amim-pitandremana tsara ianao, dia mazàna no afaka mahita kilalao tsara.” Fahendrena tsotra izao anefa ny misoroka fandaniana vola be amin’ny kilalao izay mahatonga ny olona iray hanjary ho leo haingana fotsiny. Mampirisika ny zanany lahy hianina amin’ny kilalao izay hanampy azy ireo amin’ny loha hevitra ianarany any an-tsekoly ny ray iray.
Ny lafy ratsiny
Mampalahelo fa tsy ny kilalao ao amin’ny ordinatera sy vidéo rehetra no zava-mahafinaritra tsy manimba — indrindra ka hoe mitondra fanabeazana. Maro be amin’ny programa-na ordinatera fialam-boly amin’izao andro izao no mifantoka amin’izay antsoin’ny Baiboly hoe “ny asan’ny nofo” — fanao maloto izay melohin’Andriamanitra. Anisan’ireny ‘asa’ melohina ireny ny “fanaovana spiritisma”. (Galatiana 5:19-21, NW ). Eny tokoa, amin’i Jehovah Andriamanitra dia “fahavetavetana” ny fanaovana majika. — Deoteronomia 18:10-12.
Maro amin’ireo kilalao amin’izao andro izao anefa no vonton’ny spiritisma sy ny majika! Ao amin’ny kilalao iray dia misy “ozona famosaviana” tsy maintsy ampiasaina mba handresena. Omena toromarika toy izao ireo mpilalao: “Rehefa vonona handefa ilay ozona famosaviana ianao, dia klikeo ilay marika tselatra eo amin’ny zorony ambany havanana amin’ilay lisitra, avy eo dia klikeo ilay zavaboary tianao hovonoina.” Moa ve ny kilalao toy izany tsy afaka mamboly fahalianana ta hahafanta-javatra tsy mahasoa momba ny herin’ny demonia?
Ary ahoana ny amin’ny fijeren’ny tena herisetra mahatsiravina be dia be? Ny U.S.News & World Report dia milaza ny amin’ny kilalao roa be mpitia, izay mampiseho “fandrotidrotehana ny fon’ny mpifanandrina iray” sy “vampira mandoaka zatovovavy zara raha mitafy”. Na dia mety hanamaivana ny fandatsahan-dra aseho ao amin’ny ordinatera ho toy ny tantara foromporonina tsy manimba aza ny sasany, ny Baiboly dia mampitandrina toy izao ao amin’ny Salamo 11:5: “Jehovah mizaha toetra ny marina; fa ny ratsy fanahy sy ny [tia herisetra, NW ] dia samy halan’ny fanahiny.” — Ampitahao amin’ny Isaia 2:4.
Mety hitranga koa ny hahazoana sary vetaveta tsy misy vidiny ao amin’ny efi-jerin’ny ordinatera. Nanjary fahita matetika aoka izany ny fitanjahana sy ny firaisan’ny lahy sy ny vavy mazava tsara, hany ka namoaka fomba fanakilasiana, mba hampitandremana an’ireo mpividy ny amin’ny kilalao maharikoriko, ireo mpanamboatra kilalao amerikana. Mpivarotra vitsy anefa no toa vonona hanisy lamboridy ny varotra amin’ny tanora. “Ny hany adidinay dia ny manome an’ireo mpanjifa izay tiany”, hoy ny mpivarotra iray. Kanefa, manontania tena hoe: ‘Moa ve ny fijerena sary manaitra eo amin’ny maha-lahy sy ny maha-vavy hanampy ahy hihazona ny saiko amin’ny zavatra izay “mahitsy, madio, mahate-ho-tia, sy tsara laza”?’ — Filipiana 4:8.
Za-dratsy!
Marina fa miady hevitra ny amin’ny tena fiantraikan’ny kilalao ao amin’ny ordinatera eo amin’ny tanora, ireo manam-pahaizana. Ny fandinihana iray, nanaovana tatitra tao amin’ny gazetiboky New Scientist, dia nanatsoaka hevitra tamin’ny fomba mijery ny lafy tsaran-javatra fa ny kilalao toy ireny “dia tsy antony fototra miteraka fitondran-tena ratsy”. Na dia izany aza, dia 97 isan-jaton’ny tanora nanaovana fanadihadiana tao amin’io fandinihana io no “nihevitra fa nety hitranga ny hahatongavana ho za-dratsy amin’ireo kilalao”. Nilaza ireo tanora fa nanimba tamin’ny fomba miavaka ireo kilalao any amin’ny foibe fialam-boly satria “mampirisika ny mpilalao handany vola bebe kokoa”.
Afaka tena manandevo tokoa ve ireny kilalao ireny? Toa izany no izy ho an’ny mpilalao sasany. Nilaza toy izao tamin’ny Mifohaza! ny tanora iray: “Ny hany zavatra eritreretinao dia ny ho tonga hatramin’ny farany sy ny handresy.” Mahatsiaro toy izany koa ny tovolahy iray, manao hoe: “Nandany ora maro aho niezahana hitady ny fomba hamonoana ny rehetra ka hahatongavana teo amin’ny ambaratonga manaraka amin’ilay kilalao.”
Mety hieritreritra ianao fa tsy ho variana toy izany mihitsy amin’ny kilalao iray ny tenanao. Diniho anefa ny fomba ilalaovan’ny fampisehoana sy ny sarimihetsika ao amin’ny televiziona ny fientanam-pon’ny olona — manosika azy ireo hitomany, hisafoaka, na hanao antsoantsom-pientanentanana. Alao sary an-tsaina àry ny programa iray izay tsy vitan’ny hoe mampiasa tantara mampientanentana, olona tsy manam-paharoa, sy trucages mahasondriana, fa mahatonga anao ho ny mpiady mahery indrindra koa. Ho mora ve ny hahatohitra ny tsy ho revo tanteraka amin’izany? Koa tsy mahagaga àry raha sahirana ny mpilalao sasany manavaka ny tantara foromporonina sy ny zavatra tena izy. Mahatsiaro toy izao ny tanora iray: “Ratsy aoka izany ny vokatry ny nanaovako kilalao feno herisetra, hany ka naka sary an-tsaina ny tanako ho toy ny basy mihitsy aza aho ka nanambana azy io tamin’ny olona.”
Mifidiana amim-pahendrena
Raha sendra ka tsy mamepetra ny fampiasana kilalao ao amin’ny ordinatera na vidéo ny ray aman-dreny, ny tanora dia tokony handinika ilay torohevitra ao amin’ny Mpitoriteny 2:14, manao hoe: “Ny mason’ny hendry dia eo an-dohany”. Midika izany fa mijery izay alehany ny olona hendry ary mahita izay eo anoloany. Raha ny marina, ny tontolon’ny fialam-boly ao amin’ny ordinatera dia efa mirakitra zavatra betsaka mifanohitra amin’ny fahalalana an’Andriamanitra. (Ampitahao amin’ny 2 Korintiana 10:5.) Ary iza no mahalala izay havoakan’ireo mpamorona programa amin’ny manaraka? Koa alohan’ny hividianan’ny tanora iray, na hanaovany, na hanofany kilalao iray, dia tokony hanontany tena izy hoe: ‘Momba ny inona izy itỳ? Mifono fironana ho amin’ny asan’ny maizina ve ny anarany? Mampiseho herisetra maharikoriko ve ny sary eo amin’ny fonony?’
Fara fahatsarany, ireo kilalao elektronika dia afaka manome fahafinaretana sy fianarana mahasoa. Tena mendrika ny handaniana be dia be amin’ny fotoananao sarobidy ve anefa izy ireny? Mitantara toy izao i Sam 14 taona, voalaza teo aloha kokoa: “Tsy nanao teny betsaka mihitsy ny dadanay hoe tsy mahazo manana kilalao vidéo izahay. Nanontany anefa izy hoe: ‘Inona no mahaliana aoka izany amin’ny fanindriana bokotra iray dia mahita olona mihazakazaka na mitsambikina eo amin’ny efi-jery?’ ” “Ary izany koa ankehitriny no fomba fihevitray”, hoy ny teny nanampin’i Dan rahalahiny.
Eny, aza hadinoina fa misy fomba hafa — angamba ahitam-bokatra kokoa — ampifaliana ny tenanao, toy ny famakiana boky, ny fanaovana sary sy asa tanana, ny fandraisana anjara amin’ny spaoro mahasalama, ny fihirana, na ny fianarana mitendry zavamaneno. Mahasoa lavitra ny mandany fotoana ‘ampiofanana ny tenanao amin’ny fanaovana ny fifikirana amin’Andriamanitra ho zava-kendrenao’. (1 Timoty 4:7, NW ). Ho sarobidy lavitra noho ny fanaovana kilalao elektronika na inona na inona ny fanaovana izany.
[Teny notsongaina, pejy 20]
Fito amby sivifolo isan-jaton’ny tanora nanaovana fanadihadiana tao amin’ny fandinihana iray no “nihevitra fa nety hitranga ny hahatongavana ho za-dratsy amin’ireo kilalao”
[Sary, pejy 21]
Tena afaka manimba anao tokoa ve ny fanaovana kilalao vidéo feno herisetra?