FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g96 8/7 p. 26-27
  • OVNI — Iraka avy Amin’Andriamanitra Ve?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • OVNI — Iraka avy Amin’Andriamanitra Ve?
  • Mifohaza!—1996
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Planina hahatafitana velona nataon’ny zavamiaina avy any ivelan’ny tany
  • Fampitan’Andriamanitra hevitra amin’ny olombelona
  • Avy Amin’ny Mpamaky
    Mifohaza!—1997
  • Mandresy ny lovantsofina ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Iza no ho tafita velona?
    Ny Tena Fiadanana sy Filaminana—Avy Aiza no Hiaviany?
  • Ny Fampianarana Araka An’Andriamanitra sy Ireo Fampianaran’ny Demonia
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
Mifohaza!—1996
g96 8/7 p. 26-27

Ny Fiheveran’ny Baiboly

OVNI — Iraka avy Amin’Andriamanitra Ve?

RAHA mbola mihamanatona ny fiafarany ny taonjato faha-20 ary mikororosy tsy an-kiato ny toe-draharaha eto an-tany, dia manohy miely ny finoana an’ireo zavatra manidina tsy fantatra (ovnis) sy ireo mpandeha aminy, dia ireo zavamiaina avy any ivelan’ny tany. Moa ve ny ovnis zavatra foromporonin’ny saina, fitaka, hosoka fotsiny, nataon’ny olona izay te hihomehy ny habadoan’ny sarambaben’olona?

Misy olona toa ara-dalàna, mendri-pitokiana, anisan’ireo izay milaza ho nahita ovnis na ireo mpandeha aminy avy any ivelan’ny tany; raha ny marina, dia misy profesora sy mpahay siansa avara-pianarana anisan’ireo izay mino an’ireny mpitsidika avy any amin’ny planeta hafa ireny. Miaiky izy ireny fa mandinika ny olombelona, ary indraindray, dia mampita hevitra aminy, ireo zavamiaina avy any ivelan’ny tany. Misy ny antsoina hoe antokon’olona mandala ny avy any ivelan’ny tany, manolotra fanohanana mba hanampiana an’ireo olona izay milaza fa nifandray tamin’ny mpitsidika avy any ambony tsy taka-maso any.a

Planina hahatafitana velona nataon’ny zavamiaina avy any ivelan’ny tany

Ao amin’ilay hoe Aliens Among Us, i Ruth Montgomery dia manadinadina ny sasany amin’ireo olona mihamitombo isa izay miaiky fa mpitsidika avy any ivelan’ny tany mipetraka ao anatin’ny vatan’olombelona ny tenany. Manambara mialoha ny sasany amin’izy ireny, izay milaza tena ho zavamiaina avy any ivelan’ny tany maka endrik’olombelona, fa amin’ny taona 2000, dia hisy “fisehoan-javatra kosmika izay efa iomanan’ny lohandohany amin’ny anjely sy ireo mpitondra”. Mino ny olona sasany fa mampiasa ny ovnis ireo zavamiaina avy any ivelan’ny tany mba hanangonana sy hitsimbinana santionan-javamaniry sy biby, na inoany fa hampiasaina ho toy ny sambo famonjena ny ovnis mba hamindrana olona an-tapitrisany maro hanalavitra ny fahafoanan’ny tany mananontanona. Aorian’ilay fandravana lehibe, ny olombelona dia haverina mba hanombohan’ny “Vanim-potoana Vaovao sy ny Fandaharan-javatra Vaovao” hisian’ny fahatsapana ara-panahy. Nilaza tamin’ny Mifohaza! tamim-pahatsorana tanteraka toy izao ny tovolahy iray avy any Colorado, Etazonia, anisan’ny antokon’olona iray izay milaza tena ho “Tanora avy any Ivelan’ny Tany”: “Miandry an’ireo razambenay avy any ivelan’ny tany mba hitondra anay izaho sy ireo namako.”

Vitsivitsy amin’ireo manizingizina fa zavamiaina avy any ivelan’ny tany ny tenany, no milaza fa tarihin’Andriamanitra izy ireo, ary milaza ny hafa fa miresaka malalaka amin’Andriamanitra izy ireo mba hahazoana torohevitra eo amin’ny fanampiana ny taranak’olombelona. Moa ve Andriamanitra miasa amin’ny alalan’ny mpitsidika avy any amin’ny planeta hafa mba hamonjena ny olombelona amin’ny loza amin’antambo iray mihamanatona eo amin’izao tontolo izao?

Fampitan’Andriamanitra hevitra amin’ny olombelona

Teo am-piandohan’ny tantaran’olombelona, Andriamanitra dia nampita hevitra taminy. Milazalaza ny resaka nifanaovan’Andriamanitra tamin’i Adama sy i Eva, i Noa, i Abrahama, sy ny hafa, ny firaketana an-tsoratry ny Baiboly.b (Genesisy 3:8-10; 6:13; 15:1). Nampiasaina ireo nofy, feo, sy fahitana, mba hampitana ny sitrapon’Andriamanitra sy mba hanaovana ny Baiboly. Kanefa, taorian’ny nahavitan’ny Baiboly, moa ve nisy nilana fampitan-kevitra mivantana avy any an-danitra amin’ny olombelona? Tsia, satria manambara ny Baiboly fa ny Soratra Masina dia mahatonga ‘ny olon’Andriamanitra ho tanteraka, ho vonona tsara ho amin’ny asa tsara rehetra’. (2 Timoty 3:17). Araka ny voalazan’ny Baiboly, ny tari-dalana ho amin’izao fotoana mikorontana izao dia tokony ho avy amin’ny Tenin’Andriamanitra voasoratra. Na dia izany aza, moa ve misy antony tokony hinoana fa hahazo mivantana fampitan-kevitra na toromarika manokana avy amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny mpitondra teny avy any ivelan’ny tany isika? Tsia, satria izao no nambaran’ny apostoly Paoly: “Na izahay, na anjely avy any an-danitra aza, no mitory filazantsara hafa aminareo afa-tsy izay efa notorinay taminareo, aoka ho voaozona izy.” — Galatiana 1:8.

Na dia toa mifanaraka amin’ny faminanian’ny Baiboly aza ny fanizingizinan’ireo heverina ho zavamiaina avy any ivelan’ny tany hoe tsy ho ela dia handia fanovana lehibe mandoza ny tany, dia manolotra fomba fahatafitana velona izay miantehitra amin’ny zavaboary izy ireo. Tsy mampirisika ny olona handositra ho ao amin’izay heverina ho tsy fananana ahiahy ao anaty sambon-danitra avy any ivelan’ny tany na ho any an-toeran-kafa, ny Baiboly. Milaza amintsika kosa izy io mba hitady fiarovana ao amin’ny fifandraisana nanoloran-tena ho an’Andriamanitra, ka aseho amin’ny alalan’ny batisa ao anaty rano io fanoloran-tena io. (1 Petera 3:21; ampitahao amin’ny Salamo 91:7; Matio 28:19, 20; Jaona 17:3.) Ary nilaza i Jesosy fa “izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena”. — Matio 24:13.

Moa ve ireo andinin-teny ireo tsy manasongadina fifandraisana ara-panahy amin’Andriamanitra, fa tsy toeram-pialofana ara-bakiteny, mba hahatafitana velona? Noho izany, ireo tantara momba ny ‘zavamiaina tsy olombelona’ dia tsy manampy ny olombelona mba ho tafita velona, fa mampivily kosa ny sain’ny olona hiala amin’izay tena takin’Andriamanitra mba hahasoa azy ireo mandrakizay.

Iza no mety hiezaka hitarika ny olombelona hiala amin’ny fomba hahatafitana velona omen’Andriamanitra, kanefa milaza ho misolo tena an’Andriamanitra? Manambara i Ed Conroy, ao amin’ilay bokiny hoe Report on Communion, fa “ireo ovnistes [ireo mpandinika ny ovnis] mazoto izay mahazo fampiofanana eo amin’ny siansa ara-psikolojia sy ara-tsosialy” dia manao koa fandinihana fampitahana momba ireo “ ‘mpitsidika efitra fatoriana’, matoatoa, angatra manabataba, zavatra hafahafa miseho, fahitana ara-pivavahana, sy izay noheverina hoe demonia”. Ambaran’ny ovnistes maro sy ireo izay milaza tena ho zavamiaina avy any ivelan’ny tany maka endrik’olombelona fa tsy ilaina firy ny fampiasana sambon-danitra mba hanaovana dia. Milaza izy ireo fa ireny zavamiaina ireny dia afaka manao dia amin’ny fomba tsy hita maso sy afaka mitafy nofo na aiza na aiza eto an-tany, kanefa tsy tonga amin’ny alalan’ny sambon-danitra.

Mampitandrina ny Baiboly fa mifantoka amin’ny famitahana ny olombelona i Satana sy ireo demoniany. Manararaotra ny famoizam-pon’ny olombelona sy ny fanariany toky izy ireo mba hanolorana vahaolana manintona, nefa sandoka. (2 Korintiana 11:14). Noho izany, dia mampitandrina toy izao ny Baiboly: “Amin’ny andro aoriana dia hihemotra amin’ny finoana ny sasany, manaiky fanahy mamitaka sy fampianaran’ny demonia”. — 1 Timoty 4:1.

Toy izany koa amin’izao andro izao, fa tokony holavina izay rehetra mety hoheverina ho fitsidihana sy tari-dalana toa mahasoa avy amin’ny zavamiaina toy ireny, na inona na inona endrika mety hisehoany. Azo antoka fa ho voafitaka ireo izay tia kokoa ny manaraka ny torohevitr’ireo “zavamiaina avy any ivelan’ny tany”, fa tsy ny Tenin’Andriamanitra — fanaovana fahadisoana bevava amin’izao fotoan-tsarotra izao.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Mba handinihana momba ny ovnis sy ny fiainana avy any ivelan’ny tany, dia jereo ny Mifohaza! (frantsay) tamin’ny 8 Aprily 1990 sy tamin’ny 8 Novambra 1990.

b Nahita maso an’izay nohazavain’ny sasany hoe ovni i Ezekiela, mpanoratra ao amin’ny Baiboly. (Ezekiela, toko voalohany). Kanefa, iray tamin’ireo fahitana ara-panoharana maro voalazalazan’i Ezekiela sy ireo mpaminany hafa izy io, fa tsy hoe tena zavatra hita maso ara-bakiteny araka ny lazaina amin’ny andro maoderina.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara