FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g97 8/4 p. 30
  • Avy Amin’ny Mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Avy Amin’ny Mpamaky
  • Mifohaza!—1997
  • Mitovitovy Aminy
  • Avy Amin’ny Mpamaky
    Mifohaza!—1996
  • Avy Amin’ny Mpamaky
    Mifohaza!—1997
  • OVNI — Iraka avy Amin’Andriamanitra Ve?
    Mifohaza!—1996
  • Avy Amin’ny Mpamaky
    Mifohaza!—1996
Hijery Hafa
Mifohaza!—1997
g97 8/4 p. 30

Avy Amin’ny Mpamaky

Tsy Fitoviana Mampisara-bazana Tianay ny haneho ny fisaoranay noho ilay fitohitohizan-dahatsoratra hoe “Tsy Maintsy Mampisara-bazana Antsika ve ny Tsy Fitoviana?” (8 Jolay 1996). Miasa eto Meksika amin’ny maha-anisan’ny ekipan’ny mpanompo an-tsitrapo iraisam-pirenena izahay, efa ho herintaona izao. Na dia taorian’ny volana maromaro aza, dia mbola nahita fahasahiranana izahay nizatra teto, nefa tsy azonay ny antony. Nanampy anay hamantatra ilay zava-nanahirana ho ny fifandonan’ny kolontsaina, ireo lahatsoratra. Noraisinay am-po ilay filazana hoe “ny fahatakarana ny kolontsaina hafa dia afaka manatsara ny fiainantsika”, ary efa mahita fifaliana bebe kokoa izahay eo amin’ny asa anendrena anay.

C. H. sy J. H., Meksika

Nanohina ahy ny fomba nampisehoana sy namelabelarana io foto-kevitra manaitra io. Nanetsika fankahalana be dia be teo amin’ny tantaran’ny olombelona tokoa ny tsy fitoviana. Hanampy ahy izao io fitohitohizan-dahatsoratra io hahatakatra bebe kokoa ireo kolontsaina hafa. Iriko ny mba hahafahan’ny olona rehetra maneran-tany hamaky ireo lahatsoratra ireo, ka hanovany ny fomba fijeriny tsy manorina momba ny hafa!

G. O., Nizeria

Nahalatsa-dranomaso ahy ireo lahatsoratra. Manana namana iray izay mifanaraka tsara amiko amin’ny ankamaroan’ny fotoana aho. Tsapako foana anefa fa nisy fefy tsy hita maso nampisaraka anay. Takatro izao fa avy amin’ny kolontsaina tena samy hafa izahay. Hanova be mihitsy ny fomba hifampiraharahako aminy amin’ny hoavy io fanazavana io.

A. F., Etazonia

Rehefa nanao fikarohana ho an’ny famelabelaran-kevitra ataoko momba ny haiolombelona any amin’ny oniversite aho, dia nandany herinandro maromaro tany amin’ny tany afrikana iray. Afaka nifankahalala tamin’ireo Vavolombelon’i Jehovah maro teo an-toerana aho sy nanatrika ireo fivoriany. Fanandraman-javatra nampientanentana izany! Araka ny lazain’ilay lahatsoratra, dia manatsara ny fiainana ny fifankahalalana amin’ny olona hafa kolontsaina. Afaka namolavola fisakaizana vaovao sady misy heviny aho.

S. B., Italia

OVNI Misaotra anareo noho ilay lahatsoratra hoe “Ny Fiheveran’ny Baiboly: OVNI — Iraka avy amin’Andriamanitra Ve?” (8 Jolay 1996). Ao amin’ny faritra misy anay, dia misy olona mino ireo tatitra momba ireo zavamiaina avy any ivelan’ny tany. Noho izy ireo mieritreritra fa tsy miresaka momba io raharaha io ny Baiboly, dia misalasala momba ny Baiboly izy ireo. Nanampy anay ilay lahatsoratra hahita fa miezaka hamitaka ny olona i Satana sy ireo demonia, ary fa tsy fahendrena ny hinoana tatitra tsy misy fototra momba ireo zavamiaina avy any ivelan’ny tany.

A. W., Taïwan

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara