FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g96 8/6 p. 32
  • Ho any ve Ianao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ho any ve Ianao?
  • Mifohaza!—1996
  • Mitovitovy Aminy
  • Tsy ho Tianao ny Tsy Hahavonjy Azy Io!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • Vonona Hanatrika ve Ianao?
    Mifohaza!—2005
  • Tongava any Amin’ny Fivoriamben’ny Distrika “Finoana ny Tenin’Andriamanitra”!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Aza hadinoina ny fivoriamben’ny distrika hoe “Matokia an’i Jehovah”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
Hijery Hafa
Mifohaza!—1996
g96 8/6 p. 32

Ho any ve Ianao?

Nandritra ny taon-dasa, dia olona maherin’ny 8 700 000 manerana ny tany manontolo no nanatrika ilay Fivoriamben’ny Distrikan’ny Vavolombelon’i Jehovah “Mpidera An’Andriamanitra Amim-pifaliana”. Moa ve ianao ho any amin’ny iray amin’ireo Fivoriamben’ny Distrika “Iraka Milaza Fiadanana Araka An’Andriamanitra”? Asaina amim-pitiavana ianao mba hanatrika izany.

Any amin’ny ankamaroan’ny toerana hanaovana azy, ilay fivoriambe dia hanomboka amin’ny mozika ny zoma maraina amin’ny 9.30. Hanasongadina ilay lahateny mampahery hoe “Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika?”, ny fotoam-pivoriana fanokafana. Ho tafiditra amin’izany ny fanazavana ho azontsika ampiasaina mba hanampiana olona an-tapitrisany maro hafa mba hanao izay takin’Andriamanitra.

Hanome fitaovana ho an’ireo mpanatrika ny fivoriambe mba handray anjara amin’ny fomba mandaitra kokoa amin’ny asa fanaovana mpianatra, ilay lahateny amin’ny tolakandro hoe “Fanampiana ny Hafa Hianatra Ireo Zavatra Takin’Andriamanitra”. Aorian’izany, ilay fitohitohizan-dahateny mizara roa hoe “Mitandrema Amin’ireo Fandrika Miafin’ny Fialam-boly” dia hampitandrina ny amin’ny fandriky ny demonia tokony hohalavirina. Hifarana amin’ilay lahateny mafonja hoe “Fanohanana Amim-panehoana Tsy Fivadihana ny Tsy Fiovan’ny Tenin’Andriamanitra”, ny fandaharana ny zoma.

Hanasongadina ny maha-zava-dehibe ny asa fanaovana mpianatra ny fotoam-pivoriana ny asabotsy maraina, amin’ilay fitohitohizan-dahateny mizara telo hoe “Iraka Mitondra Vaovao Tsara Momba ny Fiadanana”. Momba ny fanoloran-tena sy ny batisa ny lahateny farany amin’ilay fotoam-pivoriana, ary hanaraka izany ny batisan’ireo mpianatra vaovao.

Hamaly fanontaniana napetraky ny olona maro momba an’ireo foto-dresaka ankehitriny ilay lahateny amin’ny asabotsy tolakandro hoe “Diniho ny Fihevitr’i Jehovah Zavatra”. Hankafizinao ilay fitohitohizan-dahateny mampihetsi-po mizara roa hoe “Miahy Anao Ilay Andriamanitry ny Fiadanana”. Avy eo dia hisy zavatra manokana hankafizina mandritra ilay lahateny famaranana ny fotoam-pivoriana hoe “Mikatsaha Fiadanana Araka An’Andriamanitra ao Amin’ny Fiainam-pianakaviana”.

Hanasongadina ny loha hevitry ny fivoriambe ilay fitohitohizan-dahateny mizara telo amin’ny alahady maraina hoe “Fahafantarana Ilay Karazana Iraka Tsara”, amin’ny fanovozana avy amin’ny ohatra nomen’ireo mpaminany ao amin’ny Baiboly. Ny fandaharana maraina dia hifarana amin’ny fampisehoana tantara iray, hanaovan’ny mpilalao fitafiana tamin’ny andro fahiny, fampisehoana izay hanatsoahana fianarana sarobidy avy amin’ny fitantaran’ny Baiboly momba an’i Gideona Mpitsara. — Mpitsara 6:11–8:28.

Hanasongadina ilay lahateny ampahibemaso mitondra ny lohateny hoe “Tena Fiadanana Rehefa Ela ny Ela! — Avy Aiza Moa?”, ny fotoam-pivoriana faran’ny fivoriambe amin’ny alahady tolakandro. Farany, ilay lahateny hanosika hanao zavatra hoe “Fandrosoana Hatrany, Amin’ny Maha-Iraka Milaza Fiadanana Araka An’Andriamanitra Antsika”, dia hamarana ilay fivoriambe.

Koa satria fivoriambe folo no halamina eto Madagasikara, dia azo inoana fa hisy iray hatao any akaikin’ny misy anao. Anontanio ny Vavolombelon’i Jehovah eo an-toerana ny fotoana sy ny toerana hanaovana ny fivoriambe akaikinao indrindra. Indro manaraka eto ny lisitry ny toerana rehetra hanaovana ny fivoriambe eto Madagasikara.

09-11 Aogositra: Antananarivo Fiteny frantsay; 16-18 Aogositra: Antsirabe, Toamasina; 23-25 Aogositra: Fianarantsoa, Mahajanga; 30 Aogositra–01 Septambra: Antananarivo 1, Antsiranana, Toliary; 06-08 Septambra: Antananarivo 2, Antalaha

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara