Tongava any Amin’ny Fivoriamben’ny Distrika “Finoana ny Tenin’Andriamanitra”!
OLONA an-tapitrisany maro no ho tonga any amin’ny toerana an-jatony maro hanaovana ilay fivoriambe manerana ny tany. Eto Madagasikara fotsiny, dia hisy fivoriambe 10 halamina. Hatao ny 08-10 Aogositra ny voalohany ary ny 29-31 Aogositra ny farany. Azo inoana fa hatao ao amin’ny tanàna iray tsy dia lavitra ny fonenanao ny iray amin’ireo fivoriana telo andro ireo — ny zoma ka hatramin’ny alahady.
Handray soa ianao avy amin’ny fahatondrahan’ny toromarika ara-baiboly azo ampiharina. Any amin’ny ankamaroan’ireo toerana hanaovana fivoriambe, dia hanomboka isa-maraina amin’ny mozika amin’ny 9.30 ny fandaharana. Ny zoma maraina dia hanasongadina fanadinadinana haharitra 25 minitra hatao amin’olona izay nahitana fa nisy akony lalina teo amin’ny fiainany ny finoany ny Tenin’Andriamanitra. Hifarana amin’ilay lahateny fototra hoe “Fandehanana Amin’ny Finoana, fa Tsy Amin’ny Fahitana” io fotoam-pivoriana voalohany io.
Handinika ny anjara toerana tena lehibe tanan’ny tanora ao amin’ny kongregasiona kristiana ny lahateny voalohany ny zoma tolakandro. Hamelabelatra ny fari-pitsipiky ny Baiboly mifandray amin’ny fitondran-tena kristiana eo amin’ny fiteny sy ny fihetsika ary ny fisehoan’ny tena ivelany, ny fitohitohizan-dahateny mizara telo hanaraka izany. Avy eo ireo lahateny hoe “Mitandrema Fandrao Tsy Ampy Finoana” sy hoe “Velona ny Tenin’Andriamanitra”, dia hifantoka amin’ilay fananarana tsara dia tsara hita ao amin’ny Hebreo toko faha-3 sy faha-4. Hifarana amin’ilay lahateny hoe “Boky Iray ho An’ny Olona Rehetra” ny fandaharana ny zoma.
Ny lahateny voalohany ny asabotsy maraina dia hoe “Maty ny Finoana, Raha Tsy Misy Asa”. Hilazalaza ny fomba hahazoana fitomboana ara-panahy ny lahateny lehibe iray amin’io maraina io hoe “Aoka Ianao Hamaka Tsara sy ho Tafatoetra ao Amin’ny Fahamarinana”. Hifarana amin’ny hoe “Mitarika ho Amin’ny Batisa ny Finoana ny Tenin’Andriamanitra”, zavatra misongadina mahazatra amin’ny fivoriambe, ilay fotoam-pivoriana, ary aorian’izay dia hisy fandaharana ny hanaovana batisa ireo mpianatra vaovao.
Hamelabelatra ny fananarana ao amin’ny bokin’i Joda ao amin’ny Baiboly ny lahateny fanokafana ny asabotsy tolakandro hoe “Miezaha Mafy Hiaro ny Finoana”. Handinika ireo soa entin’ny fivoriana kristiana ny fitohitohizan-dahateny iray haharitra adiny iray, mitondra ny lohateny hoe “Andeha Isika ho any An-tranon’i Jehovah”. Hifarana amin’ilay lahateny hoe “Zahan-toetra ny Finoanareo Ankehitriny”, ilay fandaharana amin’io andro io.
Hanasongadina fitohitohizan-dahateny iray mizara telo izay hamelabelatra ny bokin’i Joela ao amin’ny Baiboly, anisan’izany ny fampiharana azy io amin’izao androntsika izao, ny fandaharana ny alahady maraina. Hanaraka avy eo ny fampisehoana tantara ara-baiboly iray mitondra ny lohateny hoe “Hazòny ho Tsotra ny Masonao”. Zavatra iray hisongadina amin’ilay fivoriambe ny lahateny ampahibemaso hoe “Ny Finoana sy ny Hoavinao”, amin’ny tolakandro.
Azo antoka fa hanankarena ara-panahy ianao amin’ny fahatongavana any. Horaisina an-tanan-droa ianao amin’ny fotoam-pivoriana tsirairay. Manaova fandaharana dieny izao ny hanatrika. Mba hahafantarana ny toerana akaiky indrindra ny fonenanao, dia mifandraisa amin’ny Efitrano Fanjakanan’ny Vavolombelon’i Jehovah eo an-toerana na manorata any amin’ny mpampanonta itỳ gazety itỳ. Afaka mahita koa ireo adiresin’ny toeram-pivoriambe eto Madagasikara ianao, ao amin’ny Mifohaza! 8 Jona.