FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g96 8/6 p. 28-29
  • Fijerena An’izao Tontolo Izao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fijerena An’izao Tontolo Izao
  • Mifohaza!—1996
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Mitombo ny Zava-manahirana Ara-tsaina
  • Hevitra Ifanarahana
  • Tsy Misy Fiahiana ny Hiaro ny Zavaboary
  • “Tsy Tokony Hosivanina ny Baiboly”
  • Fialana Loza ho An’ny Toe-tany
  • “Ovao ny Firafitry ny Fianakaviana”
  • Ankizy Be Kafeina
  • Fampahatsiahivana ho An’ireo Tia Biby
  • Fampanantenana Tsy Tanteraka
  • Famahana ny Olana Ateraky ny Cerfs
  • Fanontanian’ny mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Fanontanian’ny Mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2007
  • Fijerena An’izao Tontolo Izao
    Mifohaza!—1999
  • Olana Eran-tany ny Aretin-tsaina
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2023
Hijery Hafa
Mifohaza!—1996
g96 8/6 p. 28-29

Fijerena An’izao Tontolo Izao

Mitombo ny Zava-manahirana Ara-tsaina

Nisy ekipa-na manam-pahaizana momba ny fahasalamana maneran-tany nampitandrina ny amin’ny “ambaratonga mahatahotry ny zava-manahirana momba ny fahasalaman’ny saina, any amin’ireo firenena an-dalam-pandrosoana”, hoy ny nambaran’ny gazety First Call for Children. Ireo mpanao fikarohana ao amin’ny Sekoly Fianarana ho Dokotera any Harvard dia nanome tahirin-kevitra nanaporofoana ny taha ambony amin’ny aretin-tsaina maro be, izay “nateraky ny ady, ny loza araka ny natiora, ny fampijaliana sy ny famonoana ho faty vehivavy sy ankizy, sy ny fiovan’ny toe-draharaha momba ny habetsahan’ny mponina sy ny toe-draharaha ara-politika sy ara-toe-karena”. Fanampin’izany, dia hita fa nanomboka tamin’ny avo telo heny ka hatramin’ny avo dimy heny ny tahan’ny fahavotsan’ny saina sy ny tahan’ny androbe teo amin’ny fitambaran’olona kely fidiram-bola, ary nisongadina ho antony lehibe niteraka fahafatesana teo amin’ny tanora ny famonoan-tena. Araka ny nolazain’ny Dr. Arthur Kleinman, izay nitarika ilay ekipa, ny fahasalamana ara-tsaina dia tsy maintsy omena fiheverana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. “Samy tsy nanao ny ezaka nilaina mba hanarenana sy hikajiana ny fahasalamana ara-tsaina ireo firenena mahantra sy manankarena”, hoy izy.

Hevitra Ifanarahana

“Ireo mpitondra fivavahana ortodoksa sy silamo rosiana avy amin’ny repoblika efatra be Silamo tany amin’ny Firaisana Sovietika teo aloha — i Kazakhstan, i Tadjikistan, i Turkménistan, sy i Ouzbékistan — dia tonga tamin’ny fifanarahana fampiraisam-pinoana mbola tsy nisy toy izany mba hisakanana an’ireo fivavahana sy antokom-pivavahana mibirioka izay mihamahazo vahana any afovoany amin’i Azia”, hoy ny fanamarihan’ny gazetiboky Christianity Today. Nivory tao Tachkent, renivohitr’i Ouzbékistan, ireo mpitondra fivavahana ka “nianiana fa hiara-miasa amin’ny fisakanana ny fitaoman’ny Kristiana evanjelika, ny Batista, ny Mormons, sy ny Vavolombelon’i Jehovah”, hoy ilay tatitra.

Tsy Misy Fiahiana ny Hiaro ny Zavaboary

Nisy karazana voronandrano mena tenda iray, vorona tsy fahita firy, tsikaritra teo amin’ny farihy namboarina iray any Leicester, Angletera, ary nanao dia lavitra mba hizaha azy io ireo mpijery vorona avy tamin’ny faritra rehetra manerana an’i Grande-Bretagne. Nijery tamin’alahelo be anefa izy ireo, rehefa iny nisy brochet (karazan-trondro) makadiry, iray metatra mahery kely, nanao teli-moka an’ilay vorona mpifindra monina. “Tahaka ny sary iray tamin’ny Les dents de la mer izany”, hoy ny mpijery vorona iray. “Iray segondra no nilomanosan’ilay vorona — ny segondra nanaraka dia nisy ketoka sy tobatoba ary dia nanjavona ilay izy.” “Volom-borona vitsivitsy monja no sisa tavela mba hanaporofoana fa nitsidika ilay farihy namboarina tao Leicester ilay voronandrano tsy tompon-tany”, hoy ny tatitra nataon’ny Reuters.

“Tsy Tokony Hosivanina ny Baiboly”

Teo ambanin’io lohateny io, dia nisy lahatsoratra iray nataon’ny mpampanonta ny gazety The Weekend Australian, nanameloka ny “fiezahana hilaza indray ny hevitry ny ampahany ao amin’ny Baiboly sy hanitsy izany mba hifanaraka amin’izay ilaina amin’izao fotoana izao”. Na dia “vokatry ny fahaizana manokana” aza ny ankamaroan’ireo fandikan-teny vaovao, “ka nanararaotana ireo zava-baovao hita tamin’ny soratra tranainy sy ny fikarohana ara-tantara”, ilay lahatsoratra dia nampitandrina ny amin’ny “fampifangaroana ny asan’ny fandikan-teny amin’ny filazana hevi-teny”. Niadian-kevitra ireo toro lalana ho an’ny klerjy sy ny mpampianatra, navoakan’ny Konsilin’ny Kristiana sy ny Jiosy, mba hiezahana hanalavitra an’izay rehetra mety hahatsapana fankahalana Jiosy. Ny fitenenana toy ny hoe “ny Jiosy”, nampiasaina mifandray amin’ny fitsarana an’i Jesosy sy ny nahafatesany, dia hosoloana hoe “mponina sasany tao Jerosalema”, ary ny fitenenana hoe “ireo Fariseo”, hatao hoe “mpitondra fivavahana sasany”. Nanampy teny toy izao ilay lahatsoratra: “Tsy fanehoan-kevitra ireo tahirin-kevitra momba ny Testamenta Vaovao. (...) Mety hanjary hibirioka mora foana ny fitsofotsofohana amin’ny teny sy ny fanovana ny andalan-teny ka hitarika ho amin’ny fampisehoana tsy marina ny tantaram-piainan’i Kristy. Tsy maintsy mijanona ho toy ny tamin’ny androny ny toe-javatra ara-tsosialy nanodidina ny fiainany.”

Fialana Loza ho An’ny Toe-tany

Hiatrika loza ny toe-tanin’ny planetantsika ao anatin’ny 25 ka hatramin’ny 30 taona manaraka raha tsy misy fepetra raisina haingana, hoy ny fampitandreman’ny Filan-kevitry ny Mpanolo-tsaina Siantifika any Alemaina. “Takin’ireo manam-pahaizana ny fampihenana maneran-tany ho 1 isan-jato isan-taona, fara fahakeliny, ny fandefasana eton’arina (CO2) manimba ny toe-tany”, hoy ny tatitra nataon’ny gazety Süddeutsche Zeitung. “Tsy tokony havela hihoatra ny 0,2 degre Celsius isaky ny folo taona ny fiakaran’ny maripana.” Ireo mpisompatra voalohany indrindra, mahatonga ny 80 isan-jaton’ny fanimbana ny toe-tanin’izao tontolo izao, dia ireo tany any amin’ny tontolo be indostria. Ohatra, ny mponina iray any Alemaina dia mamokatra, amin’ny antsalany, eton’arina avo 20 heny noho ny an’ny mponina iray any India. Ny olana lehibe hafa nateraky ny olona teo amin’ny tontolo iainana dia nolazaina fa ny fikaohan-tany, ny tsy fahampian’ny rano mamy, sy ny fihenan’ny zavamananaina isan-karazany.

“Ovao ny Firafitry ny Fianakaviana”

Mitombo ny fanaovana tsirambina ny ankizy sy ny herisetra ampiharina amin’izy ireo, hoy ny tatitra nataon’ilay gazety breziliana atao hoe O Estado de S. Paulo. Na dia mety ho anton-javatra iray aza ny olana ara-tsosialy sy ara-toe-karena, ny fitondrana amin’ny fomba ratsy ny ankizy dia tsy voafetra ho an’ny fiaraha-monina mahantra. Araka ny nolazain’i Lia Junqueira, mpandrindra ny Foibe Filan-kevitra ho An’ny Ankizy sy ny Zatovo, ‘dia tsy misy fahasamihafana velively eo amin’ny mpanan-karena sy ny mahantra — afa-tsy hoe ao amin’ireo trano tsizarizary na tranobe mifanizina, ny rehetra dia mandre an’ireo ankizy mitomany; fa ao amin’ireo trano malalaka kosa, ireo rindrina dia tsy andrenesana an’ireo tomany’. Mihevitra i Paulo Victor Sapienza, talen’ny SOS ny Ankizy, fa ny fanatanjahana ny fehim-pianakaviana no fomba tsara indrindra hiadiana amin’ilay olana. “Tsy mitondra na inona na inona ny fametrahana ankizy iray ao amin’ny fikambanana izay tsy hahazoany fitiavana na firaiketam-po”, hoy izy. “Tena ilaina ny manampy mba hanovana ny firafitry ny fianakaviana mba hahazoan’ny ankizy firaiketam-po sy fitiavana ao anatin’ny tokantrano.”

Ankizy Be Kafeina

Ireo ankizy izay tsy mihaino tsara, mipelipelika, mora miriorio foana ny sainy, sy maniry tampoka eo hanao zavatra iray, dia angamba iharan’ny vokatry ny fihinanana kafeina be dia be, hoy ny Tufts University Diet & Nutrition Letter. Ho an’ny ankizy iray 18 kilao, “ny coca cola iray canette ampiana dite nasiana gilasy antsasa-kôpy fotsiny dia mifanitsy amin’ny kafe telo kôpy” ho an’ny olon-dehibe iray. Ilay lahatsoratra dia nanisy firesahana ny amin’ny fikarohana nataon’i Mitchell Schare, profesora momba ny psikolojia ao amin’ny Oniversiten’i Hofstra, fikarohana izay nampiseho fa “maro amin’ireo soritry ny fihinanana kafeina be dia be eo amin’ny ankizy no mitovy amin’ny soritry ny tsy fahasalamana toy ny trouble hyperkinétique avec déficit de l’attention”. “Alohan’ny hanapahanao hevitra hoe manana olana toy izany ny zanakao tsy mahay mipetraka tsara na mora taitaitra”, hoy ny teny nanampin’izy io, “dia mety ho hitanao fa ny vahaolana amin’ny fipelipelehana dia tsotra: fampihenana ny fisotroana coca cola sy dite.”

Fampahatsiahivana ho An’ireo Tia Biby

Tia biby ve ianao? Raha izany no izy, dia azo inoana tokoa fa nisy alika tia anao nilelaka ny tarehinao na ny tananao. Kanefa, araka ny nolazain’i Lane Graham, parasitologue ao amin’ny Oniversiten’i Manitoba, dia mety hitranga ny hoe nety ho nahazo olitry ny katsentsitra na ny viky ianao. “Tsara indrindra ny tsy hamelana ny vavan’ny alikanao hanakaiky loatra ny anao”, hoy ny tatitra nataon’ny Winnipeg Free Press. Mampiasa ny lelany mba hanadiovany tena ny alika; ary satria tahaka ny fikosehana lamba maloto ny lelany, dia mahazo zavatra maro be ireo alika, anisan’izany ny loto avy amin’ny dikiny. Ireo alikakely dia “malaza ratsy ho be volo mpitondra otrikaretina”, hoy ny fanamarihan’ilay gazety. Na dia mety tsy hankarary firy aza izany, ilay torohevitra dia “ny hanasanao ny tananao sy ny tarehinao, sy ny an’ireo ankizy kely, aorian’izay rehetra mety ho fotoana naharitra nilelafan’ny alika, mba ho fiarovana fotsiny”.

Fampanantenana Tsy Tanteraka

“Tahaka ny fivoarana ara-pitsaboana rehetra talohany, ny sehatry ny fitsaboana ny fototarazo dia nanomboka tamin’ny fahitana hoavy mamirapiratra”, hoy ny fanamarihan’ny gazetiboky Time. “Nampanantena ny hanasitrana aretina nolovana toy ny fibrose kystique sy ny myopathie ary ny tsy fahampian-dra vokatry ny liomena mifaraingo, ireo mpanao fikarohana, tsy amin’ny alalan’ny fanafody mahazatra, fa amin’ny alalan’ny hery mahatalanjon’ny fanovana ny fototarazo, amin’ny fanoloana ny fototarazo simba amin’ny mitovy aminy salama.” Ankehitriny anefa, maherin’ny dimy taona taorian’ny nanekena ny hanaovana fanandramana voalohany tamin’ny olombelona ka nampidirana olona 600 tamin’ny fanandramana tao amin’ny klinika 100, dia tsy nisy vokany tsara. “Taorian’ny fanandramana rehetra sy ny dokam-barotra nitarina rehetra, dia mbola tsy misy porofo mazava fa nanasitrana — na nanampy akory aza — marary iray monja ny fitsaboana ny fototarazo”, hoy ny Time. Raha ny marina, ireo mpanao fikarohana dia mbola tsy mahafantatra ny fomba tsara indrindra hampidirana an’ireo fototarazo ao anatin’ireo sela simba na ny fomba hisakanana ny hery fanefitry ny vatana tsy hanilika azy ireny. “Rehefa tsy misy porofo fa misy zavatra mandaitra”, hoy i Robert Erickson, manam-pahaizana momba ny fototarazo ao amin’ny Oniversiten’i Arizona, “dia tsy misy maha-samy hafa azy io firy amin’ny hosoka.”

Famahana ny Olana Ateraky ny Cerfs

“Any Soeda, ny antsasaky ny lozam-pifamoivoizana rehetra nanaovana tatitra tany amin’ny polisy dia fifandonana tamin’ny biby dia”, hoy ny tatitra nataon’ny News Scientist. Soedoa eo anelanelan’ny 12 ka hatramin’ny 15 no maty isan-taona vokatry ny fifandonana toy izany. Mampanahy manokana ny cerfs eoropeana, izay afaka mitombo hatramin’ny 800 kilao ary tsy mba matahotra fiara. Any Failandy mifanila aminy, dia ireo cerfs ‘no antony lehibe faharoa miteraka lozam-pifamoivoizana, aorian’ny alkaola’, eo amin’ilay firenena, hoy ny Newsweek. Mba hanampiana hamaha ilay olana, ny kompania soedoa mpanao fiara atao hoe Saab dia mitarika fanandramana fifandonana, ka mampiasa cerfs sandoka, mba hitsapana ny maha-azo antoka ny fiarany. Ary nanokana $22 tapitrisa ho amin’ny fanorenana tionelina ho an’ny cerfs manaraka an’ireo arabe be fivezivezena ireo manam-pahefana any Failandy. ‘Ireo tionelina dia natao mba hahatazanan’ny cerfs ny faravodilanitra erỳ amin’ny farany, ary hasiana zavamaniry tian’izy ireo indrindra eo amin’ny sisin’izy ireny’, hoy ny Newsweek. “Rehefa tonga ny fe-potoana fivadiany, ireo cerfs dia tsy mijery ny haviany sy ny havanany.”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara