Avy Amin’ny Mpamaky
Fianakaviana Tsy Misy Afa-tsy Ray na Reny Vao avy naharay ny Mifohaza! (frantsay) tamin’ny 8 Oktobra 1995 sy namaky an’ireo fitohitohizan-dahatsoratra hoe “Les familles monoparentales — Comment réussir?”, aho. Tsy ampy ny fisaorako anareo noho ireo lahatsoratra ireo. Tena tonga tamin’ny fotoana nilana azy indrindra izy ireo. Mitaiza irery ny zanako efa hatramin’ny fito taona sy tapany aho, ary tena sarotra ilay izy. Manan-janakavavy 15 taona izy mandalo fe-potoana sarotra sy isehoan’ny fikomiana aho. Afa-tsy izany koa, dia miovaova be ny asako. Velom-pankasitrahana anefa aho fa ao anatin’ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah manohana sy be fitiavana. Na oviana na oviana aho no nila fanampiana momba ny fiarako
D. R., Etazonia
Mitaiza irery ny zanako aho nanomboka tamin’ny 1978. Vokatry ny fizakako fahaketrahana misy fisehoany roa, dia tsy ny reny tsara indrindra foana aho. Na ahoana na ahoana anefa, dia mihaino foana an’ireo gazety amin’ny alalan’ny cassettes aho. Efa nihaino an’itỳ nomerao itỳ indroa aho, ary mandeha eo amin’ny stéréo-ko ilay izy amin’izao fotoana izao. Raha mbola tsy mitsahatra mirakitra fanazavana mahatalanjona toy izany ireo gazety, dia heveriko fa ho vanona ny fianakaviako!
T. O., Etazonia
Sarotra Ampifalina ve Andriamanitra? Mitaiza irery ny zanako aho, ary raha vao hitako ny fonon’ilay Mifohaza! (frantsay) tamin’ny 8 Oktobra 1995, nomerao misy ireo lahatsoratra momba an’ireo mitaiza irery ny zanany, dia nitomany aho. Ny lahatsoratra novakiko voalohany anefa dia ilay hoe “D’après la Bible... Est-il trop difficile de se conformer aux normes de Dieu?” Eny, amin’ny maha-reny ahy izay toa tsy mahomby, dia nitondra fanamaivanana lehibe io lahatsoratra io. Nasehon’izy io tamiko fa tsy hoe resy aho. Anjarako fotsiny izao ny manaporofo fa mpandainga i Satana. Misaotra an’i Jehovah noho io lahatsoratra mahatalanjona io!
R. N., Etazonia
Lahatsoratra nanohina ahy lalina izy io. Mahavariana ny mieritreritra fa na dia tsitoha aza i Jehovah, dia vonona ny hamela antsika izy amin’ireo fahadisoana nataontsika. Nanampy ahy io lahatsoratra io mba hahatakatra fa afaka ny ho sambatra isika amin’ny fiainana mifanaraka amin’ny fari-pitsipik’Andriamanitra, na dia tsy hahomby aza isika indraindray.
D. C., Etazonia
Fahajambana Entin’ny Renirano Vao haingana ny masoivohom-panjakana iray dia nizara pilina ho fisorohana ny fahajambana entin’ny renirano tao amin’ny tanànanay. Tsy ela taorian’izay aho dia naharay ny Mifohaza! (frantsay) tamin’ny 8 Oktobra 1995, nomerao misy ilay lahatsoratra hoe “Cécité des rivières — Guerre contre un terrible fléau”. Nampiasaiko tsara tamin’ireo mpiara-belona amiko izy io. Rehefa nahita ilay lahatsoratra ny iraky ny fitondram-panjakana iray, dia hoy ny fihiakany: “Mihoatra noho ny hoe fivavahana fotsiny ny fikambananareo!” Ankoatra izany, ilay dokotera eto an-toerana dia nahazo famandrihana tamin’ny Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! Olona maro eto amin’ny faritaninay no mangataka an’ireo gazety. Faly izy ireo mahita fa mivaofy izay mitranga eto Nizeria izy ireny.
A. A., Nizeria
Iditarod Vao avy namaky ilay lahatsoratra hoe “Iditarod — Dix siècles pour une tradition” (8 Oktobra 1995, frantsay) aho, ary nahatsiaro ho voatery hisaotra anareo noho ilay lahatsoratra faran’izay mampita fahalalana sy mampientan-tsaina! Nanome filazalazana toa hitan’ny maso erỳ mba hankafizin’ny mpamaky izy io. Tena tsaroako ho toy ny hoe izaho no iray tamin’ireo mpitondra kalesy amin’ny ranomandry tamin’io dia sarotra 1 800 kilaometatra io! Nanjary nahatsapa koa fankasitrahana lalina kokoa an’i Jehovah aho — dia izy izay miharihary eo amin’ny zavatra noforoniny, dia ny olona sy ny biby, ny toetrany.
J. H., Etazonia
Fandresena Ara-pitsarana Novakiko ilay lahatsoratra hoe “Une victoire pour les minorités dans un pays d’uniformité”. (8 Oktobra 1995, frantsay). Fony aho tany amin’ny sekoly ambaratonga faharoa, dia voatery tsy nanatrika ny taranja judo aho. Nahazo fampaherezana aho rehefa namaky fa ireo rahalahy any Kobe dia niady momba an’ireo raharaha io tany amin’ny fitsarana, mba hiarovana ny fahalalahany hanao fanompoam-pivavahana sy ny zony hahazo fampianarana. Ankehitriny, raha nampiakatra tany amin’ny Fitsarana Tampony ilay sekoly, dia mivavaka aho mba hahazoan’ireo rahalahy didim-pitsarana manohana azy.
Y. K., Japon