Moa ve Misy Olona Azo Itokiana?
“Izy no iray tamin’ireo olom-bitsy ivelan’ny fianakaviana nametrahan’ny ray aman-dreniko fitokiana tanteraka. (...) Nataony izay hiheverana azy ho olona tsara sy niahy izay tsy hanao na inona na inona mihitsy mba handratrana ny fonay. (...) Izy no iray tamin’ireo olom-bitsy teo amin’ny fiainako nanjary nitokiako tsy tamim-pisalasalana.”
TOY izany no fomba nilazalazan’ny tovovavy iray ny fitokiana nananany tamin’ny dokoteram-pianakaviany. Nampalahelo fa fitokiana diso toerana izay nampitondra faisana izany. Nanomboka tamin’ny faha-16 taonany, dia nametaveta azy io dokotera io. “Nandainga tamiko izy sady namitaka ahy”, hoy ilay vehivavy tamin’ireo manam-pahefana tao amin’ny fitsarana izay namoaka didim-pitsarana ara-drariny tamin’izay. — The Toronto Star.
Rava ny fitokiana hatraiza hatraiza
Ny fitokiana, tahaka ny voninkazo tsara tarehy iray saingy marefo, dia azo ongotana sy hitsakitsahina mora foana. Torotoroina hatraiza hatraiza izy io! Hoy i Michael Gaine, izay sekreteran’ny kardinaly iray sy ny arseveka iray tany Angletera: “Nisy fotoana nitokian’ny olona rehetra tamin’ny pretra iray. Fotoana nanankinan’ny fianakaviana ny zanany hokarakarain’izy io. Tsy hanantena izany aho ankehitriny. Nesorina tamintsika mandrakizay izany fitokiana izany.” — The Guardian Weekend.
Ny mpandraharaha dia manambaka an’ireo mpifaninana aminy. Mamitaka sy manararaotra an’ireo mpividy ireo mpanao dokam-barotra fetsifetsy. Ny mpitantan-draharaha mafy fo iray dia nihinana ny tahirim-bola ho an’ny mpisotro ronono tao amin’ny orinasany ihany, ka nangalatra tamin’izany ny tahirim-bolan’ny mpiasany. Mangalatra tsy tapaka amin’ny mpampiasa azy ny mpiasa. Nanao fanamarihana, ohatra, ny tatitra iray fa “tombanana ho $20 000 tapitrisa [kanadianina] no nafoin’ireo orinasa kanadianina isan-taona noho ireo halatra ao anatiny”. — Canadian Business.
Tsy ny mpanao politika rehetra no tsy mendri-pitokiana. Olona vitsy dia vitsy anefa no gaga amin’ny tatitra tahaka izao manaraka izao: “Tapa-bolana taorian’ny namonoana ny iray tamin’ireo vehivavy mpanao politika nahatonga ady hevitra be indrindra tany Frantsa, ny polisy dia manala sarona ny fitaka ara-politika sy ny fiokoana hanao heloka bevava izay nanafina hatramin’ny ela ny ezaky ny fitondram-panjakana teo amin’ny moron-tsirak’i Mediterane.” — The Sunday Times, Londres.
Matetika dia eo amin’ny fifandraisana akaiky no potehina ny fitokiana. Tsy mahatoky amin’ny vadiny ny lehilahy sy ny vehivavy manambady. Mitondra ny zanany amin’ny fomba ratsy ny ray aman-dreny. Mamitaka ny ray aman-dreny ny zanaka. Rehefa nosokafana ny tahirin-taratasin’ny Stasi, polisy miafina tany Alemaina Atsinanana taloha, izany dia nampiharihary “fomba famitaka nihanaka” nataon’ny olona noheverina fa namana. Tamin’ireo famadihana nifampidipiditra, hoy ny tatitra iray, “ny fangiazan’ny Stasi dia tafiditra tany an-dakilasy, teny amin’ny polipitra, tao amin’ny efitra fatoriana, tao amin’ny toerana fikonfesena mihitsy aza”. — Time.
Tany Irlandy, dia nanoratra toy izao ny mpanoratra an-gazety iray: “Nandaingan’ireo izay napetratsika teo amin’ny toeram-pahefana isika, nofitahiny isika ary nampiasainy sy nentiny tamin’ny fomba ratsy ary notsiratsirainy isika.” (The Kerryman). Koa satria nivadihana matetika aoka izany ny olona maro, dia tsy matoky na iza na iza izy ireo. Inona no azontsika atao mba hahazoana antoka fa tsy diso toerana ny fitokiantsika? Handinika io fanontaniana io ireo lahatsoratra roa manaraka.