Nahazo ny Loka Voalohany Izy Ireo
Samy nahazo ny loka voalohany ny mpianatra tanora roa any Madras, India, noho ny satelita kely iray namboarin’izy ireo niaraka tamin’ny sambon-danitra iray sy ny lema-drano (plateforme) fandefasana azy. Taiza no nahazoan’ilay zazalahy sy ilay zazavavy, hita eto amin’itỳ sary itỳ, hevitra hanaovana ilay drafitra namboariny?
Nanazava toy izao tao amin’ny taratasy iray nalefany tamin’ny mpampanonta ny Mifohaza! ireo tanora ireo: “Manararaotra an’itỳ izahay mba hisaorana anareo manokana, satria tsy nahazo ireo loka izahay raha tsy noho ireo fitohitohizan-dahatsoratra momba ny fikarohana ny any ambony tsy taka-maso any, hita ao amin’ny Mifohaza! [frantsay] tamin’ny 8 Septambra 1992.”
Avoaka ho fanazavana ny fianakaviana manontolo ny Mifohaza! Samy voafaoka avokoa ao anatin’ny foto-kevitra velabelariny ny momba ireo fanao sy olona any amin’ny tany maro, ireo zava-mahagaga eo amin’ny zavatra noforonina, ireo siansa azo ampiharina, sy ireo foto-kevitra mahaliana ny olona. Amin’ny fanaovana izay hisian’ny Mifohaza! tsy tapaka ao an-tokantranonao, dia afaka manampy ny zanakao hampitombo ny fahalalany ankapobe, izay hahasoa azy ireo any an-tsekoly sy eo amin’ny fiainana any aoriana, ianao.
Raha tianao ny hahazo nomerao fanampiny amin’ny Mifohaza!, na raha tianao ny hisian’ny olona hitsidika any an-tokantranonao mba hiara-midinika aminao ny hasarobidin’ny fanabeazana ara-baiboly, dia manorata amin’ny Fikambanan’ny Mpianatra ny Baiboly eto Madagasikara, B.P. 511, 101 Antananarivo, raha sitrakao, na amin’ny adiresy akaiky indrindra anao voatanisa eo amin’ny pejy faha-5.