Ny Famelabelaran-kevitr’i Jessica
NOTENDRENA hanao famelabelaran-kevitra momba ny foto-kevitra hoe “Andriamanitra sy ny Saina ary ny Tanindrazana” i Jessica, zazavavy 13 taona avy any Etazonia, niaraka tamin’ireo iray kilasy taminy. Noho ny fahafantarany fa ireo mpiara-mianatra taminy dia liana ta hahafantatra ny antony tsy niarahabany saina, tamin’ny naha-Vavolombelon’i Jehovah azy, i Jessica dia nanararaotra tamin-kerim-po an’io fahafahana io mba hanazavana ny zavatra ninoany. Indro manaraka eto ny ampahany tamin’ilay famelabelarany.
“Eo am-panombohan’ny andro fianarana tsirairay, ireo mpianatra dia asaina hilaza fanomezan-toky fa tsy hivadika, kanefa noho ny zavatra inoako sy ny fivavahako, dia tsy milaza aho. Olona maro no manontany tena hoe nahoana. Izao dia holazaiko anareo izany.
“Ireo teny voalohany amin’ny fiarahabana saina dia hoe: ‘Manome toky aho fa tsy hivadika amin’ny saina.’ Inona moa no atao hoe tsy fivadihana? Izany dia adidy haneho fanohanana sy tsy famadihana ary fifikirana. Koa satria efa nanome toky aho fa tsy hivadika amin’Andriamanitra, dia tsy afaka sady tsy hanome toky fa tsy hivadika amin’ny saina. Ny tsy fanolorako fanompoam-pivavahana na ny tsy fanomezako toky fa tsy hivadika amin’ny saina anefa, dia tsy midika ho tsy fanajako azy io.
“Andriamanitra no lehibe indrindra eo amin’ny fiainako. Miezaka hanao izay tsara indrindra azoko atao aho mba hanarahana ny didiny araka izay voalaza ao amin’ny Baiboly. Isan’andro aho dia mivavaka aminy, ary mivavaka koa aho rehefa mila fanampiana na fampaherezana fanampiny. Mahazo foana izany fanampiana sy fampaherezana izany amin’ny fotoana mety aho. Hitako fa rehefa mametraka an’Andriamanitra eo amin’ny toerana voalohany aho ary rehefa manao ireo zavatra izay nandidiany antsika mba hatao aho, dia sambatra kokoa.
“Koa na dia tsy miarahaba saina aza aho, dia tena manaja azy io ka tsy haniratsira azy io na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana. Ny tsy fivadihako anefa dia ho an’Andriamanitra, ary ara-drariny izany, satria izy no namorona ahy ary manana adidy hampiseho aminy izany tsy fivadihana izany aho.”
Nasaina hanombana an’ireo famelabelarana reny, ireo mpianatra tao amin’ny kilasin’i Jessica. Toy inona moa ny hafalian’i Jessica fa ho vokatry ny fiezahany, dia nilaza ireo mpiara-mianatra fa nahazo fahatakarana tsara kokoa ny zavatra ninoany izy ireo. Ny mbola zava-dehibe kokoa, dia mampifaly ny fon’i Jehovah Andriamanitra ny tanora izay maneho amim-pahasahiana ny heviny ho fanohanana ny fotopoto-pitsipiky ny Baiboly! — Ohabolana 27:11.