FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g95 8/10 p. 31
  • “Loza ho An’ny Fampitovian-jo”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Loza ho An’ny Fampitovian-jo”
  • Mifohaza!—1995
  • Mitovitovy Aminy
  • Aina An-tapitrisany Maro Manjavona Amin’ny Setroka
    Mifohaza!—1995
  • Sigara — Lavinao ve Izy Io?
    Mifohaza!—1996
  • Mpivarotra fahafatesana — Mpividy ve ianao?
    Mifohaza!—1990
  • “Afaka Miala Ianao! Izahay efa Niala!”
    Mifohaza!—1998
Hijery Hafa
Mifohaza!—1995
g95 8/10 p. 31

“Loza ho An’ny Fampitovian-jo”

“TSY azon’ny zatovovavy tsotra izao ny hevitr’ilay hafatra”, hoy ny tatitra nataon’ny The Toronto Star. Hafatra inona? Fa fahazarana mahafaty ny fifohana sigara. Nahariharin’ny fandinihana iray tamin’ny 1991 fa ny 25 isan-jaton’ny zazavavy kanadiana teo anelanelan’ny 15 sy 19 taona dia mpifoka, raha nampitahaina tamin’ny 19 isan-jaton’ny zazalahy teo amin’io sokajin-taona io ihany. Na dia eo amin’ny olon-dehibe aza, dia mihoatra noho ny an’ny lehilahy ny isan’ny vehivavy mpifoka. “Nanjary loza ho an’ny fampitovian-jo ny fampiasana sigara eo amin’ny vehivavy”, hoy ny fanamarihan’ny Physicians for a Smoke-Free Canada (Dokotera Miady ho An’ny Fanafahana An’i Kanada Amin’ny Fifohana Sigara).

Nahoana no manomboka mifoka ny zatovovavy? Mitana anjara asa amin’izany ny fahalianana ta hahafanta-javatra sy ny faneren’ireo mitovy taona aminy ary ny fikomiana. Tsy tokony hodian-tsy hita anefa ny indostria manao dokam-barotra, izay mampiseho vehivavy mpifoka ho manifinify. Eny, maro no mifoka mba hiezahana hisakana ny fihinanana tafahoatra, ary matahotra ny hitombo lanja izy ireo raha mijanona. Mampalahelo fa ireny vehivavy ireny dia mety hanahy bebe kokoa momba ny tahotra hahazo lanja noho ny tahotra ny kansera. Namintina toy izao ny fihetsik’izy ireo i Robert Coambs, profesora mpanampy ao amin’ny Oniversiten’i Toronto: “Lavitra any amin’ny 20 taona ny kanseran’ny havokavoka. Eo no ho eo ny fahazoana lanja.”

Ataon’ny indostrian-tsigara ho lasibatra koa ny vehivavy amin’ny fampifandraisana ny fifohana sigara amin’ny fahaleovan-tena. Kanefa nilaza tamim-pahendrena toy izao i Jean Kilbourne, mpanolo-tsaina taloha ho an’ny lehiben’ny mpandidy amerikana roa: “Tsy afaka mihevitra ny fifohana sigara ho manafaka ny olona iray, raha tsy rehefa mihevitra ny fahafatesana ho ny fahafahana farany indrindra.”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara