FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g95 8/10 p. 28-30
  • Mendrika ny Hatao ve ny Fidirana Amin’ny Trosa?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mendrika ny Hatao ve ny Fidirana Amin’ny Trosa?
  • Mifohaza!—1995
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Halaviro ny trosa be loatra
  • Afaka manampy anao ve ny Baiboly?
  • Ny trosa! Fidirana sy fialana aminy
    Mifohaza!—1991
  • Tsy Mety Afa-trosa ve Ianareo?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
  • Afaka Manampy Anao ve ny Baiboly Raha Manana Olana Ara-bola Ianao na Be Trosa?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Ny fampisamboram-bola sy ny fitiavana kristiana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
Hijery Hafa
Mifohaza!—1995
g95 8/10 p. 28-30

Mendrika ny Hatao ve ny Fidirana Amin’ny Trosa?

“AZA mandany na oviana na oviana ny volanao alohan’ny hanananao azy.” Koa satria fomba fiaina ny fidirana amin’ny trosa ho an’ny olona maro amin’izao andro izao, hita ho lany andro ve io torohevitra nomen’i Thomas Jefferson, prezidà amerikana taloha io?

Any amin’ny tany maro, dia mitoetra ho ambany ny karama raha ampitahaina amin’ny vidin-javatra, ary mandany ny vola atao tahiry ny fisondrotan’ny vidim-piainana. Afa-tsy izany koa, dia misy fiantraikany eo amin’ny fahatsapan’ny olona izay zavatra heverina ho sarobidy ny rivo-piainana ara-bola. Kanefa, zava-dehibe ny fanaovana sy ny filazana ny marina. Koa satria miely patrana ny zavatra toy ny famitahana eo amin’ny hetra sy ny tsy fandoavan-trosa, dia tena zava-tsarotra tokoa ny fihazonana feon’ny fieritreretana tsara. Tsy mahagaga àry raha ny toe-bola no matetika ambentindresaky ny olona, ary mameno ireo gazety sy gazetiboky ary televiziona ny fanoloran-kevitra momba ny fitsitsiana na ny fahazoam-bola, satria miezaka ny hamantatra ny fomba hiatrehana ny olana ara-bola ny olona. Etsy an-danin’izany, dia rariny raha manahy ny amin’ny fomba hamelomana ny tenanao sy ny fianakavianao ianao. — 1 Timoty 5:8.

Koa satria olona somary vitsy ihany no mahita tsy fihilangilanana ara-bola, inona no azonao atao mba hanalavirana ny fahasahiranana ho an’ny fianakavianao? Voalohany aloha, dia misy fianarana tena lehibe iray tokony hotadidinao ao an-tsaina.

Halaviro ny trosa be loatra

Nahoana no midi-trosa ny sasany? Tsy atao noho ny tarehin-javatra faran’izay maika foana, toy ny aretina, ny fisamboram-bola. Mety ho tena mafy ny faniriana hanana zavatra ara-nofo sasany. Etsy an-danin’izany, dia mety tsy ho ratsy amin’ny maha-izy azy ny antony mitaona hidi-trosa. Raha ny marina, dia mety ho tsara kokoa ny handoavam-bola ho amin’ny trano iray toy izay hanofa, na mety ho tena ilaina ny hividianana fiarakodia iray. Irin’ny mpampidi-bola iray ho sambatra ny fianakaviany. Iriny ny hahita fahombiazana amin’ny maha-lehilahy vady sy raim-pianakaviana. Azo inoana fa heveriny ho manana zo hahazo ny maro amin’ireo zavatra ara-nofo ananan’ny hafa ny fianakaviany.

Ekena fa mety hisy fakam-panahy ny hisambo-bola mba hividianana zavatra irina nefa tsy dia tena ilaina. Mahatonga ny olona iray hahatsiaro tena ho faly ny fahazoan-javatra, sa tsy izany? Iza no tsy tia akanjo tsara tarehy iray, kiraro vaovao, na zavatra tahaka ny fiarakodia vaovao iray tsy fahita firy mihitsy aza? Ary iza no tsy ho tia ny hanana trano manintona kokoa? Kanefa, mitandrema! Mahay mandresy lahatra ireo mpandraharaha, ary hahazoana vola be ny fivarotana zavatra amin’ny olona izay tsy mila azy ireny sy tsy afaka mividy azy ireny.

Tadidio koa fa ny fandoavan-trosa tsy tapaka dia mety hiteraka fihenjanana eo amin’ny fifandraisan’ny mpianakavy. Mety ho tsy fifanarahana sy fahakiviana no vokany. Marina ny an’i Henrik Ibsen, mpanoratra tantara an-tsehatra, rehefa nilaza izy hoe: “Mitsahatra ho tsy mandeha tsara sy kanto ny fiainana ao an-tokantrano raha vantany vao mifototra amin’ny fisamboram-bola sy ny trosa izy io.” Raha tsy mahaloa ny trosanao ara-potoana ianao, dia mety ho simba ny lazanao tsara. Koa satria mora lavitra ny mandany ny vola nosamborina noho ny manefa azy io miaraka amin’ny zana-bola, dia hitan’ny olona maro fa tsy mitondra ilay fifaliana nantenainy ilay zavatra novidiny.

Amin’ny fomba mahazatra, dia misy fitondram-panjakana mikiry amin’ny fisamboram-bola be kokoa hatrany, ka mampitombo ny zana-bola tokony haloany. Na dia mety ho ara-dalàna aza izany, nahoana no manahaka an’ireo firenena bokan-trosa? Tsy mamorona harena ho an’ny vahoaka ny trosa be loatra, fa vao mainka kosa mampitombo ny fahantrana sy ny fananana ahiahy. Araka ny ilazan’ny ohabolana danoà iray azy hoe: “Sarotra ny mandoa ny vidin’ny mofo izay efa nohanina.”

Soa ihany fa mihena be dia be ny fihenjanana ateraky ny enta-mavesatry ny trosa rehefa mianatra mandany vola amim-pahendrena ianao. Koa makà àry fotoana hanaovana planina amim-pitandremana ny fiantsenanao mba hanalavirana ny fanerena hisambo-bola. Na dia any amin’ireo tany misy fidangan’ny vidim-piainana izaitsizy aza, dia misy fomba hitsitsiana vola — amin’ny fiantsenana amin’ny varo-mora sy ny tsy fividianana afa-tsy izay tena ilaina ihany. Mitaky ny hiainanao ao anatin’ny fahafahanao, ka ho vonona ny hiandry na ny hihafy, izany.

Manontania tena hoe: Hiteraka fahasahiranana ho an’ny fianakaviako ve ny fidirako amin’ny trosa? Ahoana ny amin’ny lazako raha toa ka tsy mahaloa ilay vola nosamborina aho? Mety hitaky fotoana ela vao hitokiana indray! Amin’io lafiny io, dia misy torohevitra azo raisina izay azo ampiharina, mafy orina. Nahoana no tsy mandinika ny Baiboly mba hahitana raha afaka manampy anao sy ny fianakavianao izy io na tsia, mba hiatrehana ilay raharaha momba ny trosa?

Afaka manampy anao ve ny Baiboly?

Ny zava-dehibe indrindra dia ny hoe afaka manampy antsika rehetra hamboly fatokiana tanteraka an’i Jehovah ny Baiboly. Azo antoka fa mila fanampiana isika amin’izao ‘andro sarotra tsy mora setraina’ izao. (2 Timoty 3:1, NW ). Anarina toy izao isika: “Aoka tsy ho amin’ny fitiavam-bola ny toe-tsainareo, fa mianìna amin’izay anananareo; fa hoy Izy: ‘Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory’. Ka dia sahy manao hoe isika: ‘Jehovah no Mpamonjy ahy, ka tsy hatahotra aho; inona no azon’ny olona atao amiko?’ ” (Hebreo 13:5, 6). Zava-dehibe toy inona moa ny hambolena finoana matanjaka an’Andriamanitra ho Mpamelona antsika!

Na dia tsy milaza amin’ny olona tsirairay ny fomba hahazoana fivelomana aza ny Baiboly, dia tena manome toro lalana tsy mety diso. Nampirisihin’i Jesosy Kristy mafy toy izao ny mpihaino azy mba hiahy ny fahasalamany ara-panahy aloha: “Sambatra ireo mahatsapa izay ilainy ara-panahy”. (Matio 5:3, NW ). Ilazana toy izao koa isika mba hametra tanjona: “Mba hokendrenareo ny ho tafatoetra tsara sy hitandrina ny raharahanareo ary hiasa amin’ny tànanareo araka ny nandidianay anareo, mba handehananareo amin’izay fitondrantena mahamendrika amin’ny eo ivelany, ary mba tsy hanan-java-mahory hianareo.” (1 Tesaloniana 4:11, 12). Mba ho tafatoetra tsara sy mba hahitana filaminana amin’ny fetra sasany, moa ve izany tsy mitaky ny hiainana ao anatin’ny fahafahantsika?

Afaka manampy antsika hanitsy ny fomba fisainantsika ny Tenin’Andriamanitra. Nampiseho fomba fihevitra mahay mandanjalanja ny mpanoratra ny Ohabolana tamin’ny fangatahana tamin’Andriamanitra hoe: “Aza manome ahy alahelo na harena; fahano aho amin’izay anjara-hanina sahaza ho ahy; fandrao, raha voky aho, dia handa ka hanao hoe: Iza moa Jehovah? Ary andrao, raha tonga malahelo aho, dia hangalatra ka hanamavo ny anaran’Andriamanitro.” (Ohabolana 30:8, 9). Koa aza mahatsiaro tena ho menatra raha voatery mianina amin’izay kely anananao ianao, fara faharatsiny mandritra ny fotoana mihelina. Aza avela mihitsy hiankina amin’ny zavatra ara-nofo ny fahasambaranao, toy ny ataon’ny olona maro, amin’ny fampitahany ny tenany amin’ny hafa na amin’ny fanahiany tafahoatra momba ny fananana ara-nofo. — Matio 6:31-33.

Fanampin’izany, dia afaka manampy anao hamboly fahazarana tsara ny Baiboly. Mianara ny hitsitsy kanefa tsy hahihitra, ka hahita fahafaham-po amin’ny zavatra azonao vidina. Raha tanora ianao, dia aza manantena ny hahazo eo no ho eo ny zavatra izay azon’ny olon-dehibe tao anatin’ny taona maro niasana. Halaviro ny handevozin’ny fitiavana fatratra zavatra ara-nofo. Mifanentana ny ampitandreman’ny Baiboly antsika, tsy ny amin’ny vola, fa ny amin’ny “fitiavam-bola”, manao hoe: “Izay ta-hanan-karena dia latsaka amin’ny fakam-panahy sy ny fandrika ary ny filana maro tsy misy antony sady mandratra, izay mandentika ny olona ao amin’ny fandringanana sy ny fahaverezana. Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, koa ny sasany izay fatra-pitady izany dia efa voavily niala tamin’ny finoana ka nanindrona ny tenany tamin’ny alahelo be.” (1 Timoty 6:9, 10). Tena ilaina toy inona moa ny hanekenao ny fahasamihafan’izay tena ilainao tokoa sy izay irinao fotsiny!

Heverinao anefa ve fa ambany loatra ny fidiram-bolanao? Marina fa tsy mora ny mizaka ny tsy fahampiana kanefa tsy ho kivy. Na dia izany aza, dia aoka ianao ho vonona ny hihafy amin’ny tsy fananana ireo zavatra tsy dia tena ilaina, toy izay hidi-trosa hahazoana azy ireny, ka izany dia mety hiteraka enta-mavesatra sy fahavoazana ara-bola mihitsy aza, ho anao. Manaova planina amim-pitandremana, ary mahaiza mitsitsy. Mety hahazo fanoloran-kevitra azo ampiharina ianao amin’ny firesahana amin’ny namana iray ampy fanandraman-javatra. Hanampy ve ny fianarana fahaiza-manao zavatra vaovao iray? Tadidio izao: Tena zava-dehibe ny fanarahana ny fotopoto-pitsipiky ny Baiboly, ny fametrahana ny zavatra ara-panahy eo amin’ny toerana voalohany, sy ny fatokiana an’i Jehovah amin’ny fomba feno — na manao ahoana na manao ahoana ny tarehin-javatra. — Filipiana 4:11-13.

Eny, ny fidirana amin’ny trosa dia mety ho tsy mendrika ny hatao. Voalaza fa hoe: “Tratra ao anaty harato ny olona iray ao anatin’ny trosa.” Afaka manimba ny fiainam-pianakaviana sy ny fahasalamana ary ny fahasalamana ara-panahy ny enta-mavesatry ny trosa. Mety hahatonga an’ilay mpisambotra ho mahantra kokoa mihitsy aza ny trosa. Hoy ny Ohabolana 22:7: “Ny manan-karena dia manapaka ny malahelo, ary izay misambotra dia mpanompon’ny mampisambotra.” Noho izany, dia halaviro ny trosa tsy ilaina. Mbola azontsika atao ny mandray soa avy amin’ny fotopoto-pitsipika tafiditra amin’izay nanoroan’ny apostoly Paoly hevitra an’ireo Kristiana toy izao: “Aza avela hisy tsy ho voaloa na amin’iza na amin’iza, afa-tsy ny fifankatiavanareo ihany; fa izay tia ny namany dia efa nahatanteraka ny lalàna.” — Romana 13:8.

Na manao ahoana na manao ahoana ny toe-karena ao amin’ny taninao, dia banjino amim-pahatokiana ny tontolo vaovaon’Andriamanitra. Tsy ho ela ny olombelona dia tsy ho voazarazara intsony ho mpampisambotra sy mpisambotra. Eo ambanin’ny Fanjakan’Andriamanitra, dia tsy hisy olona hahantra. Ho tanteraka ny fampanantenan’i Jehovah hoe: “Hamonjy ny mahantra mitaraina izy sy ny ory tsy manan-kamonjy; hiantra ny reraka sy ny [mahantra, NW ] izy ary hamonjy ny fanahin’ny [mahantra, NW ].” (Salamo 72:12, 13). Tsy hiady mafy mba hahavelomana fotsiny ny mponina amin’ny tany amin’izay fa “hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana” kosa. — Salamo 37:11.

[Sary, pejy 28]

Thomas Jefferson

[Sary nahazoan-dalana]

Sary hosodoko nataon’i Gilbert Stuart. Courtesy Bowdoin College Museum of Art/Dictionary of American Portraits/Dover

[Sary, pejy 29]

Mety hametraka fihenjanana eo amin’ny fanambadianao ny fidirana be loatra amin’ny trosa

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara