Tena Afaka Manampy ny Velona Tokoa ve ny Maty?
Nety ho tonga tamin’io fanatsoahan-kevitra io ny olona izay nandeha fiarakodia nandalo ny Mother of Good Counsel Catholic Church (Eglizy Katolikan’ny Renin’ny Torohevitra Tsara) any Louisville, Kentucky, any Etazonia, tamin’ny lohataonan’ny taona 1994. Ny antony dia satria teo izy ireo dia afaka namaky ilay soratra hita teo: “MIVAVAHA AMIN’IREO NODY MANDRY MALALANAO. AFAKA MANAMPY IZY IREO.”
Moa ve ny Baiboly mampianatra fa afaka manampy ny velona ny maty? Moa ve ny maty mody maty fotsiny kanefa mbola velona amin’ny endriny hafa? Tena velona tokoa any ho any ve izy ireo, ary afaka manampy antsika ve izy ireo?
Ireo fanontaniana ireo dia valiana ao amin’ilay taratasy mivalona hoe Manantena Inona ny Olon-tiana Nodimandry? Raha tianao ny hahazo iray amin’izy io na hahazo fampianarana Baiboly maimaim-poana any an-tokantranonao, dia manorata, aza fady, amin’ny Fikambanan’ny Mpianatra ny Baiboly eto Madagasikara, B.P. 511, 101 Antananarivo, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy faha-5.