Mandefa ny Balaoniny Feno Hevitra Rivotra Ireo Mpiaro ny Sigara
TAMIN’IREO taona 1940, dia natao fahirano ny tanànan’i Londres. Niraraka nitondra horohoro sy fandravana ireo fiaramanidina mpiady sy baomba manidina alemanina. Kanefa raha tsy nampivarahontsana aoka izany ilay tarehin-javatra, dia nety ho nihomehy tamin’ny fahitan-javatra iray hafahafa ny mponina.
Nisy balaonina lehibe an’arivony maro nifatotra tamin’ny tady mahazaka lava be, nisavoana teny ambony. Ny zava-nikendrena azy ireny dia ny hanakiviana ny fanafihan’ny fiaramanidina nanidina ambany ary nantenaina fa hisakana baomba manidina vitsivitsy teny antenatenan-dalana. Tsy nahita afa-tsy fahombiazana faran’izay kely ilay sakana balaonina, na dia nampiseho fahitan-kevitra toy inona aza.
Nahita ny tenany ho natao fahirano toy izany koa ireo kompanian-tsigara. Ireo orinasan-tsigara goavana miely etsy sy erỳ, izay teo aloha dia manda fiarovana tsy azo notafihina voaforon’ny hery ara-politika sy ara-toe-karena, dia tafihina ny lafiny rehetra aminy.
Mamoaka be dia be amin’ny vokatry ny fandinihana feno fiampangana ny sampana fitsaboana. Manararaotra ny toe-javatra mba handraisan’ny tenany tombontsoa ireo manam-pahefana mafana fo ao amin’ny fahasalamana. Misy ray aman-dreny tezitra manao fiampangana fa nambakaina ny zanany. Nanao izay handrarana ny fifohana sigara ao amin’ireo trano fiasana, hotely fisakafoana, toby miaramila, sy fiaramanidina, ireo mpanao lalàna feno fahatapahan-kevitra. Any amin’ny tany maro, dia voarara tsy ho ao amin’ny televiziona sy ny radio ny dokam-barotra momba ny sigara. Any Etazonia, dia misy fanjakana manontolo mitaky onitra an-tapitrisany maro noho izay lany tamin’ny fikarakarana fahasalamana. Na dia ireo mpivaofy lalàna aza dia mba mirotsaka amin’ilay ady koa.
Koa tamin’ny fanandramana hampihemorana ireo mpanafika azy, dia nandefa balaonina fiarovana sasany namboariny ihany ireo kompanian-tsigara. Kanefa, hita ho feno hevitra rivotra izy ireny.
Afaka nahita tsara izay nitranga ny vahoaka amerikana tamin’ny taon-dasa, rehefa nandamina famelezana mafy ny indostrian-tsigara ireo mpanao lalàna sy mpiasam-panjakana ao amin’ny fahasalamana feno fahasosorana. Tamin’ny fandaharana fihainoana teo anatrehan’ny antokon’olona iray voafantina avy ao amin’ny Kongresy Amerikana tamin’ny Aprily 1994, dia nampifanatrehina tamin’ny antontan’isa feno fiampangana ireo mpitantan-draharaha ao amin’ny kompanian-tsigara amerikana lehibe fito: Amerikana maherin’ny 400 000 no maty isan-taona ary an-tapitrisany maro hafa no marary sy efa ho faty ary andevozin’ny sigara.
Inona no nolazain’izy ireo ho fiarovan-tenany? Nanolotra fanambarana mahaliana sasany ho fiarovan-tenany ireo mpitantan-draharaha nirotsaka tamin’ilay ady: “Ny fifohana sigara (...) dia mbola vao hoporofoina raha anisan’ny mahatonga ny fisehoan’ny aretina”, hoy ny fanantitranteran’ny lehilahy iray mpitondra tenin’ny Fikambanana Momba ny Sigara. Ambonin’izany, dia nolazalazaina ho tsy manimba, tahaka ny fanaovan-javatra mahafinaritra hafa ihany, toy ny fihinanana zava-mamy na ny fisotroana kafe, ny fahazarana mifoka sigara. “Tsy mahatonga ny sigara ho zava-mahadomelina, na ny fifohana sigara ho fahazarana manandevo, ny fisian’ny nicotine”, hoy ny lehiben’ny fitantanan-draharaha ao amin’ny kompanian-tsigara iray. “Tsy marina ilay hevitra itompoana hoe manandevo ny nicotine ao amin’ny sigara, na manao ahoana na manao ahoana ny tahany”, hoy ny fanantitranteran’ny mpahay siansa iray ao amin’ny kompanian-tsigara iray.
Raha tsy manandevo àry ny sigara, hoy ny nasetrin’ilay komity, nahoana no nitady hanovaova ny tahan’ny nicotine ao amin’ny sigarany ireo kompanian-tsigara? “Noho ny tsirony”, hoy ny fanazavan’ny mpitantan-draharaha ao amin’ny kompanian-tsigara hafa. Moa ve misy zavatra ratsy kokoa noho ny sigara iray tsy misy tsirony? Rehefa nampisehoana antontan-taratasy be dia be mirakitra fikarohana avy amin’ny tahirin-kevitry ny kompaniany ihany, fikarohana toa manondro ny fanandevozan’ny nicotine izy, dia mbola nikiry tamin’ny heviny ihany.
Miharihary fa hikiry amin’io fiheverana io izy sy ireo hafa, na firy na firy ny olona matin’ny sigara hameno ny fasana. Teo am-piandohan’ny taona 1993, dia namoaka fihaikana mahaliana ny Dr. Lonnie Bristow, mpitari-draharaha ao amin’ny American Medical Association Board of Trustees (Komitin’ny Mpitantan-draharaha ao Amin’ny Fikambanana Amerikana Momba ny Fitsaboana). Hoy ny tatitra nataon’ny The Journal of the American Medical Association: “Nasainy ireo mpitantan-draharaha ao amin’ireo kompanian-tsigara amerikana lehibe, hiaraka aminy hamakivaky ireo sampana ao amin’ny hopitaly mba hijery ny iray amin’ireo vokatry ny fifohana sigara — olona mararin’ny kanseran’ny havokavoka sy hafa manan-takaitra eo amin’ny havokavony. Tsy nisy tonga izy ireo.”
Ireharehan’ny indostrian-tsigara fa manome asa tsara eo amin’ny toe-karenan’izao tontolo izao iroboroboan’ny tsy fananana asa izy. Any Arzantina, ohatra, dia asa iray tapitrisa no noforonin’ilay indostria, ary asa efatra tapitrisa fanampiny no mifandray tsy mivantana amin’izy io. Nahazoan’ireo kompanian-tsigara sitraka tamin’ny fitondram-panjakana maro ireo vola miditra be dia be amin’ny hetra.
Nanolotra tamin’ny fomba manokana, fanomezana tamim-pahalalahan-tanana ho an’ny antokon’olom-bitsy ny orinasan-tsigara iray — toa fampisehoana fanasoavam-bahoaka. Nahariharin’ireo tahirin-kevitra tao amin’ilay kompania anefa ny tena antony nanosika tamin’io “teti-bola fampandrosoana ny olom-pirenena” io — ny hamoronana fankasitrahana tao amin’ireo olona mety handatsa-bato.
Nahazo namana tao amin’ny zavakanto koa io kompanian-tsigara io ihany rehefa nanolotra fanomezana be dia be ho an’ireo tranombakoka, sekoly, sekoly ambony fianarana dihy sy mozika. Tapa-kevitra mihitsy ireo manam-pahefana tao amin’ireo fikambanana momba ny zavakanto, handray ny vola nilain’izy ireo mafy nomen’ilay kompanian-tsigara. Vao haingana, dia nisy mpikambana ao amin’ny sampana zavakanto any New York, niatrika tarehin-javatra nahasakodiavatra rehefa nangatahin’io kompanian-tsigara io ihany izy ireo mba hanohana ny fiezahana hitaomana solombavambahoaka handa famolavolana lalàna iadiana amin’ny sigara.
Ary mazava ho azy fa tsy menatra ireo tremalahy amin’ny sigara mizarazara vola amin’ireo mpanao politika, izay afaka mampiasa ny fitaomany mba hanoherana ny fanoloran-kevitra rehetra tsy mifanaraka amin’ny tombontsoan’ny sigara. Nisy manam-pahefana ambony ao amin’ny fitondram-panjakana nanohana ny firehan-kevitry ny kompanian-tsigara. Ny sasany voafatotra ara-bola amin’ilay indostria na mahatsiaro fanerena mba hamaly soa noho ny fanohanana ara-bola tamim-pahalalahan-tanana nataon’ny kompanian-tsigara tamin’ireo fampielezan-kevitra.
Ny mpikambana iray ao amin’ny Kongresy Amerikana dia voalaza fa nahazo fanomezana 21 000 dolara (90 300 000 FMG eo ho eo) avy tamin’ny kompanian-tsigara ary tatỳ aoriana dia nandatsa-bato hanoherana ny fanapahan-kevitra maromaro iadiana amin’ny sigara.
Ny lehilahy iray anisan’ny nitaona ny solombavambahoaka, voakaraman’ny kompanian-tsigara tsara teo aloha, sady efa senateram-panjakana sy mpifoka raindahiny koa, dia nahita vao haingana fa voan’ny kanseran’ny traotraoka sy ny havokavoka ary ny aty izy. Ankehitriny izy dia manenina mafy ary mitaraina fa “ny fatoriana eto am-pandriana noho ny zavatra nataon’ny tenanao ihany” dia mahatonga ny olona iray hahatsiaro tena ho toy ny adala.
Miaraka amin’ny hery rehetra ananan’ny dolaran’ny dokam-barotra, dia mamely mafy ny mpanohitra azy, ireo ngezalahy amin’ny sigara. Manofahofa ny sainan’ny fahafahana ny dokam-barotra iray sady mampitandrina amin’ny fomba tsy mivazivazy hoe: “Anio Sigara no Rarana. Rahampitso Inona?” Te hilaza izy io fa horaran’ireo lazaina fa mpandrara mirehidrehitra tafahoatra koa ny kafeina sy ny alkaola ary ny hamburgers amin’ny manaraka.
Nataon’ireo dokam-barotra amin’ny gazety izay tsy hinoana ny fandinihana iray nataon’ny U.S. Environmental Protection Agency (Masoivoho Amerikana Momba ny Fiarovana ny Tontolo Iainana), fandinihana tononina ombieny ombieny izay nanakilasy ny fifohana setro-tsigara tsy fidiny ho mahatonga kansera. Nanambara planina hanaovana ady ara-pitsarana ny indostrian-tsigara. Nampangain’ny fandaharana iray ao amin’ny televiziona ho nanovaova ny tahan’ny nicotine mba hampitomboana ilay fahazarana manandevo, ny kompania iray. Nampiakarina fitsarana sady nangatahana onitra iray alina tapitrisa dolara avy hatrany ilay foibe nandefa ilay fandaharana.
Niady mafy ireo kompanian-tsigara, kanefa mbola mihatototry ny fiampangana hatrany. Nisy fandinihana 50 000 teo ho eo natao nandritra ny efapolo taona farany, ka porofo mihamiavosa hatrany momba ny loza ateraky ny fampiasana sigara no vokany.
Ahoana no niezahan’ireo kompanian-tsigara hihodivitra ireo fiampangana natontona taminy? Izy ireo dia nikiry nitana izay nolazaina fa zava-misy iray: Afaka miala ireo mpifoka. Noho izany, hoy izy ireo, dia tsy manandevo ny nicotine. Zavatra hafa anefa no asehon’ireo antontan’isa. Marina fa Amerikana 40 tapitrisa no niala. Kanefa misy 50 tapitrisa hafa mbola mifoka, ary 70 isan-jato amin’izy ireo no milaza fa maniry hiala. Amin’ireo 17 tapitrisa miezaka hiala isan-taona, dia 90 isan-jato no tsy mahatody herintaona.
Taorian’ny fandidiana noho ny kanseran’ny havokavoka, dia efa ho ny 50 isan-jaton’ny mpifoka amerikana no miverina amin’ilay fahazarana. Amin’ireo mpifoka izay azon’ny fihetsehan’ny aretim-po, dia 38 isan-jato no manomboka mifoka indray, na dia alohan’ny hivoahana ny hopitaly aza. Efapolo isan-jaton’ireo mpifoka izay nesorina ny lohatraokany (larynx) voan’ny kansera, no hanandrana hifoka indray.
Amin’ireo mpifoka mbola zatovo an-tapitrisany maro any Etazonia, dia milaza ny telo ampahefany fa efa nanao fiezahana lehibe indray mandeha, fara fahakeliny, hiala izy ireo saingy tsy nahomby. Asehon’ny antontan’isa koa fa ho an’ny tanora maro, dia dingana iray ho amin’ny zava-mahadomelina mahery kokoa ny fifohana sigara. Azo inoana fa maherin’ny avo 50 heny ny hampiasan’ny mpifoka tanora cocaïne noho ny hampiasan’ny tsy mpifoka azy io. Miombon-kevitra amin’izany ny mpifoka iray 13 taona. “Tsy misy fisalasalana ao an-tsaiko fa vavahady idirana amin’ny zava-mahadomelina ny sigara”, hoy ny nosoratany. “Saika ny rehetra fantatro, afa-tsy olona telo, dia nanomboka nifoka talohan’ny nandraisana zava-mahadomelina.”
Ahoana ny amin’ny sigara tsy dia misy tara? Asehon’ny fandinihana fa, raha ny marina, dia mety hampidi-doza kokoa izy ireny — noho ny antony roa: Voalohany, matetika ilay mpifoka dia mitroka lalina kokoa mba hisintonana ilay nicotine irin’ny vatany mafy, ka mahatonga tambatsela maro kokoa amin’ny havokavoka hiharan’ny vokatra feno poizin’ny setroka; faharoa, ilay hevi-diso hoe mifoka sigara “mahasalama kokoa” izy dia mety hisakana azy tsy hanao ilay ezaka hialana tanteraka.
Fandinihana maherin’ny 2 000 no natao momba ny nicotine fotsiny. Ahariharin’izy ireny fa ny nicotine dia iray amin’ny zavatra manandevo indrindra fantatry ny olombelona, ary iray amin’ny manimba indrindra. Manafaingana ny fitepon’ny fo sy mampifintina ny lalan-dra ny nicotine. Tafiditra ao anatin’ny ra ao anatin’ny fito segondra izy io — haingana kokoa mihitsy aza noho ny tsindrona alefa mivantana ao amin’ny lalan-dra. Mamolavola ny atidoha haniry nicotine bebe kokoa izy io, ka izany dia faniriana mafy izay lazain’ny sasany fa manandevo avo roa heny noho ny heroïne.
Fantatr’ireo kompanian-tsigara ve ny hery manandevon’ny nicotine, na dia eo aza ny fandavany? Tondroin’ny zava-misy fa nahafantatra izany hatramin’ny ela izy ireo. Ohatra, asehon’ny tatitra iray tamin’ny 1983 fa nomarihin’ny mpanao fikarohana iray ao amin’ny kompanian-tsigara, fa ireo voalavo nampiasaina tao amin’ny laboratoara dia nampiseho ny famantarana fahita amin’ny fahazarana manandevo, ka nampiditra tsy tapaka tamin’ny tenany fatrana nicotine tamin’ny fandonana fanoitra. Voalaza fa nosakanan’ny indostrian-tsigara haingana ny famoahana ilay fandinihana ary vao haingana ihany vao fantatra ilay izy.
Tsy nipetra-potsiny ireo ngezalahy amin’ny sigara raha mbola mitifitra azy ireo ny rehetra. Mitarika izay antsoin’ny The Wall Street Journal hoe “fampielezan-kevi-diso maharitra ela indrindra eo amin’ny tantaran’ny fandraharahana amerikana” ny Council for Tobacco Research (Filan-kevitra ho An’ny Fikarohana Momba ny Sigara) any New York.
Teo ambanin’ny teny faneva hoe hitarika fikarohana tsy miankina, dia nampiasa dolara an-tapitrisany maro mba hiadiana tamin’ireo mpanafika ilay filan-kevitra. Nanomboka ny zava-drehetra tamin’ny 1953, rehefa hitan’ny Dr. Ernst Wynder ao amin’ny Memorial Sloan-Kettering Cancer Center (Foibe Momba ny Kansera ao Amin’ny Memorial Sloan-Kettering) fa niteraka fivontosana ny taran-tsigara nahosotra teo an-damosin’ny totozy. Naorin’ilay indostria ilay filan-kevitra mba hanafoanana ny porofo mazava nangonina hanoherana ny entam-barony, ka porofo ara-tsiansa azy ireo ihany no nasetriny izany.
Ahoana anefa no nahafahan’ny mpahay siansan’ilay filan-kevitra, namoaka valiny nifanohitra aoka izany tamin’ireo zavatra hitan’ny sisa ao amin’ny sampana fikarohana? Mampiharihary tetika maty paika ireo tahirin-kevitra navoaka vao haingana. Hitan’ny mpanao fikarohana maron’ilay filan-kevitra izay voasakantsakan’ny fanekena an-tsoratra sy voara-mason’ny mpivaofy lalàna matsilo maro be, fa marim-pototra ny tahotra mihamitombo momba ny fahasalamana. Kanefa, rehefa ampifanatrehina amin’ny zava-misy ilay filan-kevitra, dia “tsy niraharaha indraindray, na nampitsahatra mihitsy aza, ny fandinihana nataony ihany izay nampiseho fa loza ho an’ny fahasalamana ny fifohana sigara”, araka ny The Wall Street Journal.
Tao amin’ny takontakona, dia nitohy nandritra ny taona maro ny fikarohana sigara tsy ahitan-doza kokoa. Ny fanaovana izany ampahibemaso dia ho nilaza fanekena an-kolaka fa tena nampidi-doza tokoa ho an’ny fahasalamana ny fifohana sigara. Tamin’ny faran’ireo taona 1970, dia nanolo-kevitra ny mpivaofy lalàna ambony iray tao amin’ny kompanian-tsigara iray, ny hampitsaharana ireo ezaka hamoahana sigara “tsy ahitan-doza”, satria tsy misy antony izany, sy ny hampirimana ireo tahirin-kevitra rehetra mifandray amin’izany.
Zavatra roa no nanjary nazava avy tamin’ireo taona maro nanaovana fanandramana: Tena manandevo tokoa ny nicotine, ary tena mamono ny fifohana sigara. Na dia mandà mafy an’ireo zava-misy ireo ampahibemaso aza ireo kompanian-tsigara, dia asehony amin’ny ataony fa tena fantany tsara loatra ireo zava-misy.
Ny fiampangan’i David Kessler, lehiben’ny U.S. Food and Drug Administration (FDA, na Fitantanan-draharaha Amerikana Momba ny Sakafo sy ny Fanafody) dia ny fanovaovana an-kitsirano ny tahan’ny nicotine, ka hoy izy: “Mety ho azo lazalazaina ho fomba famoahana nicotine nampiasana teknika ambony, raha ny marina, ny sigara sasany amin’izao andro izao, dia fomba amoahana nicotine amin’ny habetsahany efa voakendry tsara (...) ampy mba hampisy sy hihazonana ilay fahazarana manandevo.”
Nahariharin’i Kessler fa manana maromaro amin’ny zo tsy mizarazara amin’ny fanamboarana sigara ireo kompanian-tsigara, ka ireny dia manaporofo ny zava-kendreny. Ny iray dia ny zo hanamboatra karazan-tsigara novana hatramin’ny fototarazony, afaka mamoaka nicotine be indrindra fantatra hatramin’izao. Ny fomba fanamboarana hafa iray dia manisy nicotine ao amin’ny tantavana ( filtre) sy ny taratasin-tsigara mba hampitomboana azy io. Mbola misy hafa koa mampiditra nicotine bebe kokoa ao amin’ny setroka voalohany avoakan’ilay mpifoka noho ny ao amin’ilay farany. Fanampin’izany, dia asehon’ireo tahirin-kevitry ny indostrian-tsigara fa ampiana fangarona amoniaka ny sigara mba hamoahana nicotine bebe kokoa avy amin’ny sigara. “Efa ho avo roa heny amin’ny habetsahana mahazatra fohina no tafiditra ao amin’ny ran’ny mpifoka iray”, hoy ny tatitra nataon’ny New York Times. Nambaran’ny FDA fa zava-mahadomelina manandevo ny nicotine ary kendrena mba hifehezana mafimafy kokoa ny sigara.
Miankina amin’ny sigara amin’ny fomba hafa koa ireo fitondram-panjakana. Ny fitondram-panjakana amerikana, ohatra, dia manangona roa arivo sy iray alina tapitrisa dolara isan-taona amin’ny hetram-panjakana sy ny hetra federaly amin’ny entam-barotra sigara. Tombanan’ny Office of Technology Assessment (Biraon’ny Faminavinana Momba ny Teknolojia) federaly anefa, fa valo arivo sy enina alina tapitrisa dolara isan-taona no vidin’ny fifohana sigara, mifototra amin’ny lany amin’ny fikarakarana ny fahasalamana sy amin’ny herim-pamokarana very.
Filazana valisoa ara-toe-karena sy asa maro be, fanohanana amim-piantrana ny zavakanto, fandavana mafy ny loza ara-pahasalamana — eny tokoa, nandefa balaonina sasany hafahafa jerena ho fiarovan-tenany ny indostrian-tsigara. Mbola vao hojerena raha ho hita ho mandaitra kokoa noho ny sakana balaonina teo ambonin’i Londres, izy ireny na tsia.
Kanefa miharihary fa tsy afaka manafina intsony ny tena maha-izy azy ireo kompania goavana. Nahazo an-tapitrisany maro izy ireo, ary namono an-tapitrisany maro, kanefa toa tsy mihontsina akory amin’ny hoe famoizana ain’olona maro be no vokany farany.
[Teny notsongaina, pejy 8]
Hita ho feno hevitra rivotra be dia be izy ireny
[Teny notsongaina, pejy 9]
Milaza tsy mivantana ny fandinihana iray nataon’ny fitondram-panjakana fa mahatonga kansera ny fifohana setro-tsigara tsy fidiny
[Teny notsongaina, pejy 10]
Iray amin’ny zavatra manandevo indrindra fantatra hatramin’izao ny nicotine
[Teny notsongaina, pejy 11]
Nahazo an-tapitrisany maro izy ireo; namono an-tapitrisany maro izy ireo
[Efajoro, pejy 10]
Fandinihana 50 000 — Inona no Hitan’izy Ireo?
Indreto santionany kely amin’ny fanahiana ara-pahasalamana napoitran’ireo mpanao fikarohana, mifandray amin’ny fampiasana sigara:
KANSERAN’NY HAVOKAVOKA: Mahaforona ny 87 isan-jaton’ny olona matin’ny kanseran’ny havokavoka ireo mpifoka.
ARETIM-PO: Manan-tombo 70 isan-jato ny mety hahavoan’ny aretim-po an’ireo mpifoka.
KANSERAN’NY NONO: Manan-tombo 74 isan-jato no mety hahafatin’ny kanseran’ny nono an’ireo vehivavy mifoka sigara 40 na mahery isan’andro.
FAHAVOAZANA EO AMIN’NY FANDRENESANA: Sahirana kokoa amin’ny fandrenesana feo ny zanak’ireo vehivavy mifoka sigara.
LOZA HO AN’NY DIABETIKA: Manan-tombo ny mety hahasimba ny voa sy ny hahavoan’ny rétinopathie (fikorontanan’ny temimaso [rétine]) mihombo haingana kokoa, an’ny diabetika mifoka sigara na mitsako ravim-paraky.
KANSERAN’NY TSINAIBE: Asehon’ny fandinihana roa natao tamin’olona maherin’ny 150 000 ny fifandraisana mazava eo amin’ny fifohana sigara sy ny kanseran’ny tsinaibe.
ASTHME: Afaka mampihombo ny asthme eo amin’ny tanora ny setro-tsigara avy nofohin’ny hafa.
FIRONANA HIFOKA: Mirona avo efatra heny hifoka sigara ny zanakavavin’ny vehivavy nifoka nandritra ny fitondrany vohoka.
LEUCÉMIE: Hita ho miteraka leucémie myéloïde ny fifohana sigara.
RATRA AMIN’NY FAMPIASAN-TENA: Araka ny fandinihana iray nataon’ny Tafika Amerikana, dia mora maratra kokoa ireo mpifoka rehefa manao fampiasan-tena.
FITADIDIANA: Mety hampihena ny fahakingan-tsaina ny fatra ambony amin’ny nicotine rehefa manao asa sarotra ny olona iray.
FAHAKETRAHANA: Eo am-pamotopotorana ny porofon’ny fifandraisana misy eo amin’ny fifohana sigara sy ny fahaketrahana lehibe ary koa ny schizophrénie (karazana aretin-tsaina), ireo mpitsabo aretin-tsaina.
FAMONOAN-TENA: Ny fandinihana ireo vehivavy mpitsabo mpanampy dia nampiseho fa avo roa heny ny nisian’ny famonoan-tena teo amin’ireo vehivavy mpitsabo mpanampy izay nifoka.
Loza hafa anampiana ilay lisitra: Kanseran’ny vava, ny lohatraoka, ny traotraoka, ny lalan-kanina, ny sarakaty, ny vavony, ny tsinay, ny tatavia, ny voa, sy ny vozon-tranon-jaza; fahatapahan’ny lalan-dra madinika, fihetsehan’ny aretim-po, aretin’ny havokavoka mitaiza, aretin’ny fikorianan-dra, ferim-bavony ateraky ny ranoka fandevonan-kanina, diabeta, fahamombana, tsy fahampian-danja eo am-pahaterahana, ostéoporose, sy aretin’ny sofina noho ny fidiran’ny otrikaretina. Azo anampiana koa ny loza entin’ny afo, satria ny fifohana sigara no antony voalohany indrindra mahatonga ny hain-trano sy hotely ary hopitaly.
[Efajoro, pejy 12]
Solon-tsigara Tsy Misy Setroka — Mampidi-doza
Ny indostriam-paraky mahomby indrindra mahazo 1,1 arivo tapitrisa dolara dia mahasarika amim-pitaka, amin’ny alalan’ny paraky manimanitra, an’ireo vao manomboka mihinana. Manana marika manimanitra izay be mpitia izy io. Ilay “dôzy maivana voalohany” avoakany dia mahafa-po saingy tsy maharitra. Hoy ny mpitari-draharaha lefitra taloha tao amin’io kompanian-tsigara io: “Olona maro no mety hanomboka amin’ny paraky manimanitra kokoa, kanefa amin’ny farany, dia ho tonga amin’ny [marika mahery indrindra] izy ireo.” Anaovana dokam-barotra izy io hoe: “Paraky Mahery ho An’ny Lehilahy Mahery” sy hoe: “Mahafa-po Izy Itỳ”.
Notononin’ny The Wall Street Journal, izay nanao tatitra an’io tetik’adin’ilay kompania io, ny fandavan’izy io ny hoe “manovaova ny tahan’ny nicotine izy”. Nilaza koa ilay Journal fa nisy simista roa momba ny sigara tao amin’ilay kompania taloha, sambany vao niresaka momba ilay foto-kevitra, nilaza fa “na dia tsy manovaova ny tahan’ny nicotine aza ilay kompania, dia tena manovaova ny habetsahan’ny nicotine izay miditra ao amin’ireo mpihinana”. Milaza koa izy ireo fa manampy raha simika ilay kompania mba hampiakarana ny tahan’ny alkalia ao amin’ny parakiny. Arakaraka ny maha-betsaka ny alkalia ao amin’ilay paraky no “maha-betsaka ny nicotine mivoaka”. Manampy izao fanazavana izao ilay Journal mikasika ny paraky sy ny ravim-paraky tsakoina: “Ny paraky, izay indraindray dia ampifangaroina amin’ny ravim-paraky tsakoina, dia ravim-paraky torotoroina izay tsetsefin’ireo mpihinana azy, fa tsy tsakoiny. Maka iray tsongo izy ireo, dia apetrany eo anelanelan’ny takolaka sy ny hihy, ka afindrafindrany amin’ny lelany ary mandrora izy ireo indraindray.”
Tsy mamoaka afa-tsy ny 7 ka hatramin’ny 22 isan-jaton’ny nicotine ao aminy hiditra ao amin’ny ra, ireo marika manimanitra, natao ho an’ireo vao manomboka. Afaka mahajenjina an’ireo vaovao ny marika mahery indrindra. Izy io dia amin’ny endrika voatetika madinika natao ho an’ny “tena” lehilahy. Ny 79 isan-jaton’ny nicotine ao aminy no “mivoaka”, tafiditra avy hatrany ao amin’ny ra. Any Etazonia, dia manomboka mihinam-paraky eo amin’ny faha-9 taonany, amin’ny antsalany, ireo mpihinana. Ary ankizy sivy taona iza no hahatohitra ela ny handrosoana ho amin’ny marika mahery kokoa ka ho tonga “tena” lehilahy?
Ny fatran’ny nicotine avoakan’izy io, raha ny marina, dia mahery kokoa noho izay mivoaka amin’ny sigara iray. Voalaza fa avo efatra heny ny hahamora voa kokoa ny kanseran’ny vava an’ireo mpihinana paraky ary avo 50 heny noho ny an’ny tsy mpihinana ny mety hahavoan’ny kanseran’ny traotraoka azy ireo.
Niakatra vetivety ny tabatabam-bahoaka tany Etazonia rehefa nampiakatra fitsarana ny kompanian-tsigara iray, ny renin’ny mpihazakazaka malaza taloha iray tao amin’ny lise izay matin’ny kanseran’ny vava. Nahazo tongobolo feno paraky maimaim-poana tany amin’ny rodéo iray ilay tovolahy, fony izy 12 taona, ary nanjary mpihinam-paraky nahalany paraky efatra tongobolo isan-kerinandro. Taorian’ny nanaovana fandidiana nampanaintaina maromaro taminy ka nandidiana ny lelany sy ny valanoranony ary ny tendany, dia niala maina ny dokoterany. Maty teo amin’ny faha-19 taonany ilay tovolahy.
[Efajoro, pejy 13]
Ny Fomba Fialana
Olona an-tapitrisany maro no nanapa-patorana tamim-pahombiazana tamin’ny fahazarana nanandevozan’ny nicotine azy ireo. Raha mpifoka ianao, na dia efa hatramin’ny ela aza, ianao koa dia afaka miala amin’io fahazarana manimba io. Indreto misy fanoloran-kevitra vitsivitsy izay mety hanampy:
• Fantaro mialoha izay tokony hampoizina. Mety ho anisan’ny fisehoan’ny vokatry ny fialana ny tebiteby, ny fahasorisorena, ny fanina, ny aretin’andoha, ny tsy fahitan-tory, ny faharariana kelin’ny vavony, ny hanoanana, ny faniriana mafy hifoka, ny fifantohana zara raha misy, sy ny fangovitana. Azo antoka fa tsy mahafinaritra ny mieritreritra izany, kanefa ny fisehoana mafy indrindra dia tsy maharitra afa-tsy andro vitsivitsy ary mihalasa tsikelikely rehefa manjary afaka amin’ny nicotine ny vatana.
• Izao dia manomboka ny ady ara-tsaina mafy. Tsy vitan’ny hoe maniry mafy nicotine fotsiny ny vatanao, fa efa voabaikon’ny fihetsika mifandray amin’ny fifohana sigara koa ny sainao. Fakafakao ny fahazaranao mba hahitana hoe tamin’ny fotoana toy inona ianao no nitady sigara ho azy, ary ovao ilay fahazarana. Ohatra, raha nifoka foana ianao raha vantany vao avy nisakafo, dia manapaha hevitra ny hitsangana avy hatrany sy handehandeha kely na hanasa lovia.
• Rehefa tonga tampoka aminao ny faniriana faran’izay mafy, angamba noho ny fandalovanao fotoana mampihenjana, dia tadidio fa handalo ao anatin’ny dimy minitra mazàna ilay faniriana tampoka. Miomàna hampiasa ny sainao amin’ny fanoratana taratasy, fampiasan-tena, na fihinanana sakafo maivana mahasalama. Fanampiana mahery iray mba hananana fifehezan-tena ny vavaka.
• Raha kivy ianao noho ny fanandramana hiala tsy nahomby, dia mahereza. Ny zava-dehibe dia ny hiezahana hatrany.
• Raha manelingelina anao ny fieritreretana hoe hitombo lanja, dia tadidio ao an-tsaina fa mihoatra lavitra noho ny loza entin’ny kilao vitsivitsy fanampiny ny soa entin’ny fialana amin’ny sigara. Mety hanampy ny fananana voankazo na legioma mora raisina. Ary misotroa rano be dia be.
• Zavatra iray ny miala amin’ny sigara. Zavatra tena hafa ny tsy mikasika sigara intsony. Mamera tanjona eo amin’ny fotoana tsy ifohana sigara — iray andro, herinandro, telo volana, mandrakizay.
Hoy i Jesosy: “Tiava ny namanao tahaka ny tenanao”. (Marka 12:31). Mba hitiavanao ny namanao, dia ajanony ny sigara. Mba hitiavanao ny tenanao, dia ajanony ny sigara. — Jereo koa ny “Sigara — Ny Fomba Fijery Kristiana”, ao amin’ny Mifohaza! No. 4/1990, pejy faha-13-15.