Fiverenana Nitsidika An’i Rosia
NY IRAY TAMIN’IREO FIOVANA LEHIBE INDRINDRA TANY AMIN’NY FIRAISANA SOVIETIKA TALOHA DIA NY FAHAFAHANA MIRESAKA FIVAVAHANA. ROSIANINA MARO NO NAMPIASA IZANY FAHAFAHANA IZANY MBA HANDINIHANA IREO FAMPIANARANA AO AMIN’NY BAIBOLY. NY VOKANY, RAHA NY MARINA, DIA FAHAGAGANA IRAY AMIN’IZAO ANDRO MAODERINA IZAO.
FAHATAIRANA toy inona moa ny ahy ny 28 Jolay 1993, rehefa nandray ny New York Times mivoaka ny maraina, ka nahita teo amin’ny pejy voalohany, sary lehibe iray mampiseho fanaovana batisa nalaina tany Moscou! Izao no fanazavana azy io: “Ny famotsorana ny fivavahana tany Rosia dia nitondra olona maro niova finoana ho ao amin’ny Kianja Locomotive ao Moscou mba hatao batisa miaraka maro amin’ny maha-Vavolombelon’i Jehovah.”
Niverina avy tany Rosia vao ny omalin’io izahay mivady. Nanatrika io fanaovana batisa olona 1 489 io izahay. Nisy akony lalina tao am-ponay tokoa ny fitiavana kristiana nasehon’ireo Rosianina sy ny fahalianany amin’ny zavatra ara-panahy. Ohatra manazava izany ny fanandraman-javatra iray hitanay, nanaraka ny fotoam-pivoriana famaranana ilay fivoriamben’ny distrika ny alahady hariva.
Rehefa niverina nandeha métro nankany amin’ny hotely nivantananay izahay, izaho dia nipetraka teo anilan’ny tovolahy iray izay angamba 18 na 19 taona teo ho eo. Natolotro azy ilay taratasy mivalona ara-baiboly hoe Manantena Inona ny Olon-tiana Nodimandry?, tamin’ny teny rosianina.a Rehefa avy nanopy maso tamin’izy io izy, dia nanome azy an-dreniny. Koa nomeko hafa indray ilay zatovo. Tamin’izay izy dia nanondro ilay fanontaniana fanokafana hoe: “Raha maty ny olona, moa ho velona indray va izy?”, ary tamin’ny toe-peo nampiseho fisalasalana, dia nanontany tamin’ny teny anglisy izy hoe: “Mino izany ve ianao?” — Joba 14:14.
Nitodika nijery azy nifanatri-maso aho, ary tamim-piekena mafy, dia namaly hoe: “Tena mino izany aho!” Nanampy teny haingana aho hoe: “Eritrereto ange izao e. Ny fiainantsika amin’ny maha-olombelona manan-tsaina sy mieritreritra antsika dia fahagagana iray. Ny Fisiana Ambony iray dia tsy maintsy nampisy ireo lalàna izay nifehy ny fitomboantsika ho olombelona. Koa mino aho fa io Fisiana Ambony io dia afaka koa mamorona indray olona maty iray mba ho velona indray.”
Avy hatrany dia nanomboka namaky ilay taratasy mivalona ilay zatovo. Rehefa nahavita izany izy, dia natolotro azy ilay bokikely hoe Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra?, tamin’ny teny rosianina.* Naniry hahafantatra be kokoa izy, saingy hidina amin’ny fijanonana manaraka izahay. Na dia hamonjy lamasinina tamin’io alina io aza ilay zatovo sy ny reniny, dia nivoaka ny métro niaraka taminay izy ireo mba hiresaka minitra vitsivitsy fanampiny. Rehefa avy nanome fanazavana fohy momba ny fandaharana fampianarana Baiboly alamintsika aho, dia nampiseho azy ny adiresy iray eo andamosin’ilay bokikely izay ho azony anoratana mba hahazoana fanazavana betsaka kokoa.
Nandao an’i Rosia izahay ny ampitson’iny, kanefa ny fihaonana toy izany dia nisy akony lalina saro-kosehina tao an-tsaina.
Mbola tao an-tsainay i Rosia
Tsy nitsahatra nieritreritra momba ireo vaovao maro be tsy mampino izay natao batisa taorian’ny nanesorana tamin’ny farany ny fandrarana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny Firaisana Sovietika taloha tamin’ny Martsa 1991, aho. Fivoriamben’ny distrika fito no nalamina haingana mba hatao tamin’ny fahavaratry ny taona 1991 (tany amin’ny Ila Bolan-tany Avaratra), ary 7 820 no naroboka tao anaty rano. Avy eo, tamin’ireo fivoriamben’ny distrika tamin’ny fahavaratry ny taona 1993 — anisan’izany ilay natrehinay tany Moscou — dia 11 238 no naroboka.
Ny zotom-po enti-mitory ny filazantsara ananan’ny Vavolombelona any Rosia dia tsy hoe tsy voamariky ny maro amin’ny vahoaka rosianina. Rehefa mieritreritra ny amin’ny fandraisan’ireo Rosianina ny fampianarana ao amin’ny Baiboly ianao, dia toa zavatra avy amin’ny fahagagana izany.
‘Ahoana no mampety izany fitomboana haingana izany?’ hoy izahay nanontany tena. ‘Tena miorina tsara amin’ireo fampianarana kristiana ve ireo Rosianina ireo?’
Rehefa nisy mpivady iray mipetraka any Moscou nilaza fa hanomana filasiana ho anay raha hitsidika an’i Rosia indray izahay, dia nanomboka nanao planina ho amin’ilay dia izahay. Nitombo ny fiandrasanay tamim-panantenana ilay dia rehefa nahazo tatitra fanampiny izahay momba ny fahalianana tsy fahita firy asehon’ireo Rosianina amin’ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly.
Fianakaviana rosianina iray naneho fitiavana
Tonga ny 24 Jolay izahay nivimbina valizy, teo amin’ilay toerana hipetrahanay tany Moscou — efitrano vitsivitsy tao amin’ny rihana voalohany izay tokony ho folo minitra amin’ny dia an-tongotra avy eo amin’ny trano misy ireo namanay. Tamin’ilay fianakaviana hipetrahanay, dia i Katia, 15 taona, ihany no tao an-trano mba handray anay. Alahady hariva tamin’izay, ka mbola nivoaka teny amin’ny fanompoana kristiana ny sisa tamin’ilay fianakaviana.
Fotoana fohy taorian’izay, dia nanomboka nody ireo mpianakavy hafa — i Galina, ilay renim-pianakaviana; i Zhenia, 13 taona, ilay faravavy; ary farany i Viktor, ilay raim-pianakaviana. Tsy nisy tamin’izy ireo nahay niteny anglisy firy, ary latsaka noho izany mihitsy aza ny fahaizanay teny rosianina. Somary mora ny fifampiresahana rehefa teo ireo namanay niteny anglisy mba ho mpandika teny, saingy sarotra izany rehefa lasa izy ireo. Nampiasa rakibolana rosianina-anglisy sy baiko tanana izahay. Afaka niresaka tsara i Katia sy i Zhenia, satria nianatra ny baikon’ny moana.
Natao batisa tamin’ny fotoana iray ihany ilay fianakaviana manontolo, vao roa taona monja talohan’izay. Mpanampy amin’ny fanompoana ao amin’ny kongregasiona i Viktor, ary izy mirahavavy dia nampiasa ny fialan-tsasany mba handaniana fotoana betsaka kokoa teo amin’ny fanompoana. Rehefa mankany an-tsekoly izy ireo, dia tsy miahotra miresaka momba ny finoany. Raha ny marina, ny fitoriany dia nisarika ny sain’ireo manam-pahefana any ivelan’ny fari-tsekoliny mihitsy aza. Nanaitra lalina ny sainay ny nahafantatra fa ilay fianakaviana dia nitarika fampianarana Baiboly any an-tokantrano 28 isan-kerinandro miaraka amin’ireo olona liana!
Mazava fa ny zavatra nifantohan’ny mpianakavy tsirairay dia ny fianarana ny Baiboly sy ny fanompoana kristiana, ary hitanay fa nanjary ampoky ny soa ny fiainan’izy ireo tamin’izany. Nampiseho taratry ny fahasambarana izy ireo. — Asan’ny Apostoly 20:35.
Miorina tsara amin’ny Baiboly
Talohan’ny natoriana tamin’ireo takariva, dia namotopototra ilay fianakaviana momba ireo andininy ao amin’ny Baiboly aho. Voalohany dia nanontany ny amin’izay lazain’ny Apokalypsy 21:3, 4 aho. Avy hatrany, dia saika niaraka izy mirahavavy nanonona azy io. Avy eo dia nanontany ny ao amin’ny Isaia 2:4 aho. Nahalala azy io koa izy ireo, sady nampiasa baiko tanana mihitsy aza mba hanondroana ny fanefena sabatra ho fangady.
Nanohy tamin’ireo andinin-teny ao amin’ny Isaia izay milaza momba ny fanapahan’ilay Fanjakana sy ireo fitahiana ao amin’ny tontolo vaovao, aho, dia ny Isaia 9:5, 6; 11:6-9; 25:8; 35:5, 6 sy ny 65:21, 22. Tsy nijery ny Baiboliny akory ilay fianakaviana, fa afaka nilaza izay raketin’ny andininy tsirairay avy. Indraindray izy mirahavavy dia nampiseho, tamin’ny alalan’ny baiko tanana, toy ny amin’ny zaza iray mandroaka liona, fa fantany ilay andinin-teny.
Tamin’ny takariva hafa iray dia nandinika andinin-teny momba ny maha-izy an’Andriamanitra izahay, nifantoka tamin’ireo izay mampiseho fa ambany noho Andriamanitra i Jesosy ary tsy iray raha ny amin’ny maha-persona akory Andriamanitra sy i Jesosy fa iray raha ny amin’ny firaisan-tsaina. Afaka nilaza izay raketin’ireo andinin-teny toy ny Jaona 10:30 sy ny Jaona 17:20, 21 ary ny 1 Korintiana 11:3, ilay fianakaviana. Gaga izahay mivady tamin’ny fahalalan’izy ireo tsara ny Baiboliny.
Ny talata maraina, dia tokony ho 12 izahay no nanao fihaonana sy niara-nandeha métro nankany amin’ny saha fitsangantsanganana kanto iray izay nandanianay adiny roa sy sasany niresahana tamin’ny olona momba ny Baiboly. Nitsinjara izahay ary niasa tsiroaroa. Iray tamin’ireo namako i Nadia, zazavavy rosianina iray izay nampiseho fihetsika tsara dia tsara tamin’ny fanatonana ny olona sy ny fampandraisana azy ireo anjara tamin’ny resaka. Havanana izy tamin’ny fisarihana ny saina ho amin’ireo hevitr’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly. Hoy aho anakampo: ‘Mpitory za-draharaha itỳ.’ Taorian’izay dia talanjona aho nahafantatra fa hay vao 17 taona monja izy ary natao batisa vao roa volana monja izay!
Nahita fanandraman-javatra maro toy izany, izay nanaitra lalina ny sainay, izahay, nahitana fa tsy manam-paharoa ny fisehoan-javatra any Rosia. Nanomboka tamin’ny fianjeran’ny Komonisma, ireo Rosianina dia niseho ho dodona ny handinika ireo fampianarana ao amin’ny Baiboly. Nahita fianarana ny ankamaroan’izy ireo, ary tia mamaky teny. Na dia ireo tanora aza dia mamaky sy mahazo hevitra tsara, araka ny voaporofo fony izahay nitsidika fianakaviana rosianina iray izay nianatra ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly raha mbola tao anatin’ny fandrarana ny Vavolombelona.
Nilaza ny zanakalahy kelin’ilay mpivady fa naniry hametraka fanontaniana izy. Tamin’ny alalan’ny mpandika teny iray, dia nanao fangatahana iray izy. Tohina lalina aoka izany aho, hany ka nilaza fa raha ataony an-tsoratra ilay fangatahany, dia halefako any amin’ireo mpampanonta ny Mifohaza! Nipetraka avy hatrany izy ka nanoratra taratasy. Indro manaraka eto ny dikan’izay nosoratany. Aseho eo amin’ny pejy faha-25 ilay taratasy.
“I Serosha dia manoratra avy eto Rosia ho an’ny Fikambanana Watchtower. Fito taona aho, ary efa mandeha mitory miaraka amin’i Dada sy i Neny. Tiako ny miresaka amin’ny olona momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Tiako koa ny mamaky ny gazety Mifohaza! Tonga eto Rosia amin’ny fiteny rosianina indray mandeha isam-bolana monja izy io, nefa amin’ny fiteny anglisy indroa isam-bolana. Ho tena tiako ny hahazo an’io gazety io indroa isam-bolana, satria tena, tena, tena tiako izy io. Aza fady mba ataovy izany.”
Tsy mora ny nandao ireo namana azonay tany Moscou. Tao anatin’ny fotoana fohy toy izany, dia nanjary tia azy ireo mafy izahay.
Ampitahaina amin’ny Kristianisma tany am-boalohany
Niainga ho any Tallinn, any Estonia, tamin’ny lamasinina mandeha alina izahay. Tany izahay dia nahita ireo fitambaran-trano vaovao kanto izay avy eo no itarihana ankehitriny ny asa fitoriana ao amin’io repoblikan’ny Firaisana Sovietika taloha io. Telo andro tatỳ aoriana dia nandeha lamasinina ho any Saint-Pétersbourg izahay. Tany amin’ireo toerana roa ireo, dia nanontany momba ny asa fitoriana any Moscou ireo namana Kristiana. “Ny naha-tany ahy sy ny nahitako ny fitomboana”, hoy ny navaliko, “dia nanampy ahy hahatakatra tsara kokoa izay voasoratra ao amin’ny tapany voalohany amin’ny Asan’ny Apostoly toko faha-17 sy ao amin’ireo taratasy ho an’ny Tesaloniana.”
Gaga foana aho ny amin’ny hoe nisy kongregasiona niorina tao Tesalonika, toa tao anatin’ny herinandro vitsivitsy nanaovan’ny apostoly Paoly fanompoana tao. Nahagaga ahy koa ny hoe tao anatin’ny herintaona teo ho eo, i Paoly dia nanoratra ho an’ireo Kristiana vao haingana ireo, taratasy roa mikasika ireo foto-kevitra ara-panahy lalina, toy ny fitsanganana amin’ny maty sy ny hoe ‘hakarina ho eny amin’ny rahona’, ny “andron’ny Tompo”, ilay antsoantso hoe “Miadana sy mandry fahizay”, ary “ny fanatrehan’i Jesosy Kristy Tompontsika”. (1 Tesaloniana 4:13-17; 5:1-3; 2 Tesaloniana 2:1, 2, NW ). Ny asa tamin-jotom-po nataon’ireny Kristiana tany am-boalohany ireny, raha ny marina, dia niteraka fahagagana iray tamin’ny taonjato voalohany — fandaminana niraisam-pirenena matotra, natanjaka ara-panahy, voaforona mpitory, tao anatin’ny fotoana tena fohy. Tokony ho folo taona tatỳ aoriana, i Paoly dia nanoratra fa “notorina eny ambanin’ny lanitra rehetra eny” ny “vaovao tsara”. — Kolosiana 1:23, NW; izahay no manao ny sora-mandry.
Izay mitranga any Rosia amiko dia toa azo ampitahaina amin’izay nitranga tamin’ny taonjato voalohany.
Ny ezaka lehibe atao mba hanarahana ny fitomboana
I Rosia no tany be velarana indrindra eto ambonin’ny tany, koa miharihary fa asa goavana ny fanomezana fitarihana ho an’ireo olona an’arivony maro any izay mitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. — Matio 24:14, NW.
Hoy ny Baiboly mikasika ireo izay nandre momba ny Kristianisma tamin’ny taonjato voalohany: “Ny tànan’[i Jehovah] nomba azy ireo, ka maro no isan’izay nino sy niverina ho amin’ny Tompo.” (Asan’ny Apostoly 11:21). Hitanay fa mihatra tsara toy inona amin’ireo rahalahintsika kristiana any Rosia moa ireo teny ireo! Enga anie ny saha any Rosia hitoetra ho masaka ho amin’ny fijinjana ara-panahy, ary enga anie hisy an’arivony maro betsaka kokoa any handray anjara amin’ilay tombontsoa sarobidy manampy ny hafa koa eo amin’ny lalan’ny fiainana. — Nisy nanome.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.
[Sary, pejy 24, 25]
Farany ambony: Ilay fianakaviana nipetrahanay. Eo ambony havanana: Fanaovana fanambarana teo amin’ny saha fitsangantsanganana. Farany ambany havanana: Serosha sy ny taratasiny
[Sary, pejy 26]
Ireo fitambaran-trano vaovaon’ny Watch Tower, any Tallinn, any Estonia