FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g97 8/9 p. 22-27
  • Ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia
  • Mifohaza!—1997
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • ◆◊◆
  • ◆◊◆
  • ◆◊◆
  • ◆◊◆
  • ◆◊◆
  • Fizarana 5: Vavolombelona any Amin’ny Faritra Lavitra Indrindra Amin’ny Tany
    Vavolombelon’i Jehovah—Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra
  • Miaro ny Lazany Ilay Vahoaka Tia Fihavanana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
  • Ela ny Ela ka Nandresy ny Vahoakan’i Jehovah!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
  • Midera ny Vavolombelon’i Jehovah ny Gazety Rosiana
    Mifohaza!—1998
Hijery Hafa
Mifohaza!—1997
g97 8/9 p. 22-27

Ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia

Ny Fiheveran’ny Teôlôjiana Iray

TANY Roma, dia nisy mpitarika ny fiaraha-monina jiosy tamin’ny taonjato voalohany, nanamarika toy izao mikasika ny Kristianisma: “Ny amin’izany antoko izany dia fantatray fa efa ratsy laza eny tontolo eny izy.” Inona no nataon’ireo mpitarika ireo? Mendri-piderana fa nankany amin’ny apostoly Paoly, izay nambenana tao an-tranony tamin’izay, izy ireo ka nilaza hoe: “Tianay ho re aminao izay hevitrao”. (Asan’ny Apostoly 28:22). Nihaino Kristiana iray nahafanta-javatra, fa tsy ireo izay nanaratsy laza ny Kristianisma, izy ireo.

Nanao toy izany koa i Sergei Ivanenko, teôlôjiana rosiana hajaina. Na dia nino ny ankamaroan’ireo tatitra ratsy niely patrana tany Rosia momba ny Vavolombelon’i Jehovah aza izy, dia nanapa-kevitra ny hiantso ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelona izay eo ivelan’i Saint-Pétersbourg avy hatrany, mba hahazoana fanazavana. Nanaiky fanasana hitsidika tany sy hametraka fanontaniana ary handinika mivantana ny Vavolombelona izy.

Rehefa tonga Atoa Ivanenko tamin’ny Oktobra 1996, dia nadiva ho vita ireo trano ipetrahan’ny mpikambana efa ho 200 miasa ao amin’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia. Nomena fahafahana izy nandritra ny telo andro nanaraka, handinika ilay toeram-panorenana sy hihinana tao amin’ny efitrano fisakafoana ary hanadinadina na iza na iza tiany hadinadinina.

Navoaka tao amin’ilay gazety rosiana mpiseho isan-kerinandro sady be mpamaky atao hoe Moscow News tamin’ny 16-23 Febroary 1997 ny lahatsoratra iray nosoratan’Atoa Ivanenko momba ny Vavolombelona. Niseho koa tao amin’ny fanontana anglisy amin’ny Moscow News tamin’ny 20-26 Febroary ilay lahatsoratra, izay nitondra ny lohateny hoe “Tokony Hatahotra ny Vavolombelon’i Jehovah ve Isika?” Koa satria maro amin’ny mpamaky ny Mifohaza! no liana mafy amin’ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia, dia averinay eto ny ankamaroan’io lahatsoratra io, rehefa nahazo lalana izahay. Nanomboka ny lahatsorany tamin’ny fitantarana izao fisehoan-javatra manaraka izao, natao tamin’ny soratra misongadina, Atoa Ivanenko:

“ ‘Ry mpanaraka sekta, mialà eto Rosia!’, hoy ny vakin’ny soratra nahevahevan’ny mpikambana ao amin’ny antoko LDPR-n’i Zhirinovsky nanao fihetsiketsehana teo anoloan’ny fivoriana iray nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah. ‘Inona no tsy tianareo amin’io fikambanana io?’, hoy aho nanontany ny iray tamin’ireo nanao fihetsiketsehana ireo. Natolony ahy ny gazety Megapolis-Express iray, nitondra ny lohateny hoe ‘Firongatry ny Tety avy Amin’ny Fivavahana any Kamatchatka’. Nilaza ilay gazety fa mba hamenoana ny vatan-drakitr’ilay fikambanana, dia nitady olona ho an’ny mpivaro-tena sady nitantana fikambanan’ny mpivaro-tena ny Vavolombelon’i Jehovah, ka nampiely areti-mifindra avy amin’ny firaisana, teo amin’ny tantsambo. ‘Anisan’ny voan’izy ireo koa angaha ianao?’, hoy aho nanontany tamim-pitserana. ‘Mino izany fanazavana izany ve ianao?’ ‘Tsy izany no zava-dehibe’, hoy ny valin-teniny. ‘Ny zava-dehibe dia izao: Manimba ny fahasalamana ara-panahin’i Rosia sy ny kolontsainy io sekta amerikana io, ary tsy maintsy mampitsahatra azy io isika.’ ”

Nanaraka teo ambanin’izao andalana fampidirana izao ilay lahatsoratra nosoratan’Atoa Ivanenko: “Nataon’i Sergei Ivanenko, teôlôjiana, mpiadina amin’ny filôzôfia.”

“Tena tsy fahita tokoa ny filazana ny marina tahaka itỳ, na dia marina aza fa Rosiana maro no tsy mihevitra amin-katsaram-panahy firy ny Vavolombelon’i Jehovah. Ny firesahana indray mandeha monja momba io fikambanana io dia mitarika ho amin’ny fifandimbasana fanamarihana momba ny firehetany tafahoatra mampalahelo, ny fiandohany avy any Amerika, ny finoan’ireo mpikambana tsotra an-jambany an’ireo mpitarika ilay fikambanana, sy ny finoana fa eo an-katoky ny faran’izao tontolo izao isika. Amin’ny olona maro, ny Vavolombelon’i Jehovah dia miteraka tahotra miharo fahalianana ta hahafanta-javatra.

“Inona moa Io Fivavahana Io, ary Tokony Hatahorantsika ve Izy Io?

“Mba hahafantaran’ny tenako mihitsy izany, dia nitsidika ny vohitr’i Solnechnoye ao amin’ny distrikan’i Kururtnoye, Saint-Pétersbourg, izay misy ny foibem-pitantanan-draharahan’ny Vavolombelon’i Jehovah eto Rosia, aho.

◆◊◆

“Eo amin’ny toeran’ny toby iray fanaovana vakansy taloha [izy io]. Tamin’ny 1992, dia nanjary rava tanteraka ilay trano [tany am-boalohany], ary olona mpirenireny sy andiam-boalavo no nisolo toerana ny ankizy. Toa ny faharavan’ilay faritra no nahafahan’ny Vavolombelon’i Jehovah nahazo ilay tany mirefy fito hektara mba hampiasainy mandritra ny fe-potoana tsy voafetra. Nanavao ireo rafitra taloha izy ireo ary nanomboka nanorina vaovao koa, anisan’izany ny trano fitantanan-draharaha iray misy rihana telo, ny [Efitrano Fanjakana] iray misy toerana 500, sy ny efitrano fisakafoana iray. Mamboly bozaka vaovao (nohafarana manokana avy tany Failandy) sy karazan-kazo tsy fahita firy maro samihafa koa ny Vavolombelon’i Jehovah. Antenaina ho vita amin’ny fahavaratra ho avy ilay asa. Ny asa lehibe indrindra sahanin’ilay foibem-pitantanan-draharaha dia ny fandaminana ny asa fitoriana sy ny fandefasana zavatra vita an-tsoratra any amin’ireo kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah eto an-toerana. Tsy manana ny fanontam-pirintiny manokana i Solnechnoye, koa atao pirinty any Alemaina ny zavatra vita an-tsoratra amin’ny fiteny rosiana, avy eo dia alefa ao Saint-Pétersbourg, ary avy ao indray no zaraina any amin’ireo faritra samihafa. Olona sahabo ho 190 no miasa ao amin’ilay foibe. Miasa an-tsitrapo izy ireo, ary na dia tsy mandray karama aza, dia omena izay zavatra ilaina fototra rehetra, toy ny toerana ipetrahana, ny sakafo, sy ny fitafiana.

“Komity iray misy loholona 18 no mitarika ny asan’ilay foibe. Mpandrindra ilay foibem-pitantanan-draharaha nanomboka tamin’ny 1992 i Vasily Kalin. Teraka tany Ivano-Frankovsk izy. Tamin’ny 1951, teo amin’ny fahefa-taonany, dia natao sesitany tany Siberia izy sy ny ray aman-dreniny (tamin’ny 1949 sy 1951 dia fianakaviana tokony ho 5 000 no nenjehin’ny manam-pahefana noho izy ireo Vavolombelon’i Jehovah). Natao batisa tamin’ny 1965 izy ary nipetraka tao amin’ny faritr’i Irkoutsk. Lehiben’ny mpiasa tao amin’ny orinasa iray fanamboarana hazo fisaka izy.

“Ankoatra ireo mpiasa an-tsitrapo ao amin’ilay foibem-pitantanan-draharaha, dia ao koa ireo mpiasa an-tsitrapo 200 amin’ny fanorenana, avy eto Rosia sy avy any Failandy sy Soeda ary Norvezy, mipetraka ao Solnechnoye: Naka andro tsy niasana avy tamin’ny asany mahazatra ny ankamaroan’izy ireo. Be dia be koa ny Vavolombelon’i Jehovah avy any Ukraine, Moldavia, Alemaina, Etazonia, Failandy, Polonina, sy ny tany hafa. (Tsy misy fanavakavaham-bolon-koditra eo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Na dia miara-monina ao amin’ilay foibe aza ny avy any Géorgie, Abkhazie, Azerbaïdjan, sy Armenia, dia tsy nisy fifandonana na dia iray aza tao anatin’ny efa-taona.)

“Ireo tany skandinaviana no namatsy ny ankamaroan’ireo fitaovam-panorenana, ary betsaka koa no nomen’ny mpiray finoana maimaim-poana. Naseho ahy ny bolidaozera iray nentin’ny Vavolombelon’i Jehovah soedoà iray tao Solnechnoye tamin’ny 1993. Nampiasainy ilay izy tamin’ny fotoana rehetra naha-tao azy, ary talohan’ny nodiany, dia nomeny ny rahalahiny ao amin’ny finoana ilay izy. Omena filasiana ao amin’ny trano hofana sy trano kely mampiadana ireo mpiasan’ny fanorenana. Toy izao ny fizotran’ny androny: 7.00 maraina — sakafo maraina sy vavaka; miasa manomboka amin’ny 8.00 maraina hatramin’ny 5.00 hariva izy ireo, ary manana adiny iray isakafoana antoandro. Ny asabotsy dia miasa hatramin’ny fotoan’ny sakafo antoandro izy ireo, ary andro fialan-tsasatra ny alahady.

“Misakafo tsara izy ireo ary misy voankazo foana amin’ny sakafo. Tsy mitandrina fifadian-kanina, na fameperana hentitra ara-tsakafo na inona na inona, ilay fivavahana. Aorian’ny asa, dia maro no mankao amin’ny sauna [fandroana amin’ny eton-drano mafana] ary avy eo dia mandray labiera ka mipetrapetraka fotsiny eny mihaino mozika. Tsy misy mimamo eo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, kanefa tsy voarara koa ny alkaola. Mahazo misotro divay, toaka, vodka, sy ny toy izany, amin’ny fatra antonona ny mpino. Kanefa, tsy mifoka sigara ny Vavolombelon’i Jehovah.

◆◊◆

“Intelo isan-kerinandro, dia misy fianarana Baiboly, izay atrehina tanora, amin’ny ankapobeny. Kanefa, tsy hoe maningana ny ahitana ireo izay efa Vavolombelon’i Jehovah hatramin’ny 30-40 taona. Saika ny zokiolona rehetra no efa tany am-ponja, tany amin’ny toby fiasana an-tery vozona, sy tany an-tsesitany. Taorian’ny nifaranan’ny fe-potoam-pamoretana, dia dokotera, mpisolovava, injeniera, mpampianatra, mpandraharaha, sy mpianatra maro no nanatevin-daharana ny Vavolombelon’i Jehovah.

“Miezaka hihazona rivo-piainana anjakan’ny fitoviana eo amin’ny mpikambana ao aminy ireo kongregasiona. Ohatra, na dia ny mpandrindra ilay foibem-pitantanan-draharaha aza dia manasa lovia amin’ny takariva, rehefa tonga ny anjarany. Tsy mifampihafahafa ny Vavolombelon’i Jehovah rehefa mifampiresaka, ary manampy koa hoe ‘rahalahy’ na ‘ranabavy’ izy ireo rehefa miantso olona amin’ny anarany.

“Rehefa mandika ny fampianaran’ny Baiboly ny Vavolombelon’i Jehovah iray ka tsy mety mibebaka, dia ampiharina aminy ny sazy amin’ny endriny lehibe indrindra — voaroaka izy. Mbola afaka manatrika fivoriana ihany ilay olona, saingy tsy arahabain’ny mpiray finoana aminy intsony izy. Fepetra raisina izay maivana kokoa ny fananarana.

◆◊◆

“Nandany fotoana ela aho nandinihana ny Vavolombelon’i Jehovah, nitadiavana hahafantatra hoe inona no mitarika olona maro samy hafa aoka izany ho ao amin’io fikambanana ara-pivavahana io. Na dia eo aza ny tsy fitoviana rehetra eo amin’ny toetrany, ny fari-pahaizany, sy ny zavatra tian’ny tsirairay na tsy tiany, [ny Vavolombelon’i Jehovah dia tsy miombona fanompoam-pivavahana amin’ny] fivavahana izay manaiky lembenana eo anoloan’izao tontolo izao feno ota. Tsy azoazony ny ainy ao amin’ny toerana izay tsy maintsy inoan’ny [olona] an-jambany ny manam-pahefana, ao amin’izay anomezan-toerana ho an’ny fanaovan-javatra mifono zava-miafina, ao amin’izay maha-voazarazara ny olona ho ambaratongam-pahefana sy valalabemandry mpankatò.

“Miavaka noho ny finoany mafy orina, amin’ny fananana fiainana mifanaraka amin’ny Baiboly, ny Vavolombelon’i Jehovah. Miezaka hanaporofo ny fihetsiny rehetra amin’ny alalan’ny fotopoto-pitsipika ara-baiboly izao na izao izy ireo, na amin’ny fanononana andalan-teny iray avy ao amin’ny Testamenta Taloha na Vaovao. Inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah fa ny Baiboly ary ny Baiboly ihany no mirakitra ny valin’ny fanontaniana rehetra. Amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia ny Baiboly no lalàm-panorenana sy fehezan-dalàn’ny zo isam-batan’olona ary fanehoana avo indrindra ny fahamarinana.

“Noho izany antony izany no ahafantarana ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany ho olona mpanara-dalàna amin’ny fomba tsy azo kianina ary indrindra fa noho ny fihetsiny mitandrina fatratra raha ny amin’ny fandoavan-ketra. Manamarina tsy tapaka ny zavatra ataony ny birao manara-maso ny hetra, ary gaga isaky ny manao izany fa tsy misy fandikan-dalàna mihitsy. Mazava ho azy fa ho azon’ny Vavolombelon’i Jehovah atao ny mitady antony tsy handoavan-ketra, toy ny ataon’ny maro hafa, kanefa milaza ny Baiboly fa tsy maintsy manao ny marina ny tena amin’ny fandoavan-ketra, ka dia ny Baiboly no masi-mandidy amin’ny Vavolombelon’i Jehovah.

“Kanefa, ny fihetsiny tsy manaiky lembenana raha ny amin’ny Baiboly no matetika mahatonga ny fifandonana lehibe sasany eo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny fitondram-panjakana. Antony iray lehibe miteraka fifandirana ny fijoroany mafy amin’ny tsy fanaovana politika mihitsy, ary miseho izany eo amin’ny tsy fetezany miditra ao amin’ny tafika.

“Raisin’ny Vavolombelon’i Jehovah ara-bakiteny ireo tenin’i Jesosy momba ny maha-tsy naman’izao tontolo izao ny mpianany sy ny maha-tsy avy amin’izao tontolo izao ny fanjakany, ary noho izany antony izany no tsy etezan’izy ireo mandray anjara amin’ny politika sy ny ady, na aiza na aiza anaovana izany, ary na inona na inona anton’izany. Koa satria tsy nety niantsoantso hoe ‘Heil Hitler’ sady tsy nety niditra tao amin’ny tafik’i Hitler ny Vavolombelon’i Jehovah, dia mpino an’arivony maro no nalefa tany amin’ny toby fitanana nazia, ary an’arivony no maty. Heverin’ny Rosiana ho olona nahavita zavatra mitory fahambonian-toetra ny Vavolombelon’i Jehovah alemà tsirairay, izay namoy ny ainy noho ny tsy netezany nandray anjara tamin’ny fanafihana ny Firaisana Sovietika. Etsy an-danin’izany anefa, dia Rosiana maro no tsy mirona hahatsapa fangorahana an’ireo Vavolombelon’i Jehovah [rosiana] izay novonoina noho ny tsy netezany nandray fitaovam-piadiana sy nandray anjara tamin’ny Ady Lehibe Faharoa, na ireo izay nomelohina noho ny tsy netezany niditra tao amin’ny tafika nandritra ny fotoan’ny fandriampahalemana. Tamin’ireo toe-javatra roa ireo anefa, dia nanao zavatra nifanaraka tamin’ny zavatra inoany ara-pivavahana fa tsy noho ny hevitra ekeny mafy ara-politika, ny Vavolombelon’i Jehovah.

“Tsy ela izay, dia nisy olana nitovy tamin’izany nipoitra tany Japon. Nisy mpianatra sasany Vavolombelon’i Jehovah tany, tsy nety nianatra sarin’ady fiarovan-tena ka nety ho voaroaka avy tao amin’ny oniversite. Tamin’ny 1996, ny Fitsarana Tampony any Japon dia namoaka didim-pitsarana nanohana ny zon’ireo mpianatra ireo ka namela azy ireo hifidy taranja hafa.

◆◊◆

“Inona amin’ny Vavolombelon’i Jehovah no mahazendana ny mpisaina maoderina? Ambonin’ny zava-drehetra, izany dia ny fitoriany amim-pikirizana hoe eo an-katoky ny faran’izao tontolo izao isika (manao asa misionera eny amin’ny arabe sy isan-trano izy ireo). Tato ho ato ireo loholona dia nanoro hevitra ny mpitory mba tsy hanantitrantitra be loatra ny amin’ny ‘faran’izao tontolo izao’ sy ny fiafarana mampalahelo hanjo an’ireo mpanota, fa hanazava amin’ny mpihaino kosa fa manolotra ho azy ireo ny fahafahana hahazo ‘fiainana mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany’ i Jehovah.

“Zavatra hafa iray manorisory koa ny fihetsiky ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny tsy fankasitrahany ny fampiraisam-pinoana sy ny tsy fanekeny ny eokiomenisma. Inoan’izy ireo fa nivadika tamin’Andriamanitra sy ny Baiboly ny tontolo kristiana, ary fahadisoana lehibe ny fivavahana hafa rehetra. Mampitovy ireo fivavahana ireo amin’ilay ‘vehivavy janga, dia i Babylona’, ny Vavolombelon’i Jehovah, ary manantitrantitra fa fiafarana mitovy no hanjo azy io sy ireo fivavahana ireo. Lazain’ny nomerao iray vao haingana amin’ny ‘Mifohaza!’ fa akaiky ny faran’ny fivavahana maro samihafa, ary ny hany fivavahana hitoetra dia ilay torin’ny Vavolombelon’i Jehovah.

“Tsetsatsetsa tsy aritra ihany itỳ: Eken’ny Vavolombelon’i Jehovah ny zon’ny tsirairay hanana fahalalahana hanaraka ny feon’ny fieritreretana.

◆◊◆

“Tany maromaro no efa naneho ny fanahiany momba ny hoe fandrahonana ho an’ny fitambaran’olona sa tsia ny fampianaran’ny Vavolombelon’i Jehovah. Ny Fitsarana Tampony ao amin’ny Fanjakan’i Connecticut, Etazonia (1979), ny any Nouvelle-Galles du Sud, Aostralia (1972), ny Fitsaram-paritanin’i Kolombia Britanika, Kanada (1986), sy ny fitsarana hafa dia nanambara fa tsy misy porofo hoe fandrahonana sosialy ny Vavolombelon’i Jehovah, na hoe fandrahonana ho an’ny toe-pahasalamana na ny toe-pihetseham-pon’ny olona izy ireo. Niaro ny zon’ny Vavolombelon’i Jehovah hanana fahalalahana ara-pivavahana, izay voafetra tany Gresy sy Aotrisy, ny Fitsarana Eoropeana Momba ny Zon’olombelona (1993). Amin’izao andro izao ny Vavolombelon’i Jehovah dia iharan’ny fanenjehana any amin’ny tany 25 (...).

“Azo heverina ho fakan-tahaka ho an’ny olom-pirenena tahaka azy ny Vavolombelon’i Jehovah noho ny fifikirany amin’ny fahamarinana ara-baiboly sy ny fahavononany hiaro tsy amim-pitiavan-tena toy izany ny zavatra inoany. Mipoitra anefa ny fanontaniana hoe: Moa ve ny fitambaran’olona misy antsika vonona hanome antoka araka ny lalàm-panorenana ny fahalalahana hanaraka ny feon’ny fieritreretana, ho an’ireo fikambanana izay manantitrantitra ny fampiharany ny Baiboly amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainana, amin’ny fomba hentitra sy tsy manaiky lembenana toy izany?”

Nampipoitra fanontaniana lehibe Atoa Ivanenko eo amin’io fehezanteny farany io. Tamin’ny taonjato voalohany, dia niaritra ‘fifatorana’ tsy ara-drariny ny apostoly Paoly, izay nofidin’i Kristy nivantana mba ho solontenany. Noho izany, dia nanoratra tamin’ny mpiray finoana taminy momba ny ezaka nataony teo amin’ny “fiarovana sy ny fampiorenana araka ny lalàna ny vaovao tsara” (NW ) i Paoly. — Filipiana 1:7; Asan’ny Apostoly 9:3-16.

Ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny dia mandray an-tanan-droa ny rehetra mba handinika akaiky ny asany, toy ny nataon’Atoa Ivanenko. Matoky izahay fa raha manao izany ny olona, dia ho hitany fa tsy marina ny tatitra ratsy momba ny Vavolombelona, toy ny tsy naha-marina koa ny tatitra toy izany momba ny Kristiana tany am-boalohany. Amin’ny fomba miavaka no ankatoavan’ny Vavolombelona ilay “didy vaovao” nomen’i Jesosy ny mpianany hoe: ‘Mifankatiava ianareo, tahaka ny nitiavako anareo’. — Jaona 13:34, 35.

[Efajoro, pejy 23]

Tahirin-kevitry ny Moscow News

(Natao pirinty niaraka tamin’io lahatsoratra nataon’i Sergei Ivanenko io izao fanazavana manaraka avy ao amin’ny tahirin-kevitry ny Moscow News izao.)

“Anisan’ny fikambanana kristiana maneran-tany miasa any amin’ny tany 233 sady manana mpikambana 5,4 tapitrisa, ny Vavolombelon’i Jehovah rosiana. Manaraka ny tari-dalana ara-panahin’ny Fitambara-mpitantana any Brooklyn, New York, ny Vavolombelon’i Jehovah. Nipoitra avy tamin’ny kilasy iray fianarana Baiboly naorin’i Charles Taze Russell tany Pittsburgh, Pennsylvanie, tamin’ny 1870, ny fikambanana maoderin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tonga teto Rosia tamin’ny 1887 ilay fikambanana. Avy tao Moscou no natao sesitany nankany Siberia tamin’ny 1891 i Semyon Kozlitsky, iray tamin’ireo Vavolombelon’i Jehovah rosiana voalohany. Na dia teo aza ny fanenjehana nahazo ilay fikambanana, dia nisy Vavolombelon’i Jehovah 17 000 teto amin’ny Firaisana Sovietika tamin’ny 1956. Efa tamin’ny Martsa 1991 vao nekena ho ara-dalàna ny Vavolombelon’i Jehovah teto Rosia, taorian’ny namoahana ilay lalàna hoe ‘Momba ny Fahalalahana Ara-pivavahana’. Ankehitriny dia misy antokon’olona maherin’ny 500 manana mpikambana sahabo ho 70 000 miasa eto Rosia. Mizara ny ‘Tilikambo Fiambenana’ (avoaka amin’ny fiteny 125 ary 20 tapitrisa no isan’ny aely) sy ny ‘Mifohaza!’ (amin’ny fiteny 81 ary 18 tapitrisa no isan’ny aely) ilay fikambanana.”

[Sary, pejy 23]

Tapany amin’ny biraon’ny sampana any Rosia

[Sary, pejy 24]

Ilay Efitrano Fanjakana ivorian’ilay fianakaviana ao amin’ny sampana any Rosia mba hianarany Baiboly

[Sary, pejy 25]

Miara-mianatra sy miara-miala voly ny fianakaviana Vavolombelona

[Sary, pejy 26]

Mizara fahalalana ara-baiboly amin’ny hafa izy ireo

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara