Mila Solonify ve Ianao?
NY SOLONIFY, izay ataon’ny olona ho fihomehezana matetika, dia tsy mampihomehy ho an’ny mpanao azy maro. Raha manana ireo tena nifinao rehetra ianao, ka tsara avokoa izy rehetra, dia mety ho tsy zava-dehibe ho anao ny resaka momba ny solonify. Kanefa na dia mety tsy hifanandrina amin’izany mihitsy aza ianao, izay lazaina amin’ity lahatsoratra ity dia mety hanampy anao hankasitraka ny fitahiana manana nify salama tsara sy hahatapa-kevitra anao hihazona azy ireo ho toy izany hatrany — fara faharatsiny raha mbola miankina aminao ihany izany.
Nahoana anefa ny olona maro izay nihevitra fa nitandrina tsara ny nifiny, no mahita indray andro fa mihamivaha izy ireo? Na iza na iza dantista anontanianao dia hanome anao ny fanazavana manaraka. Raha vao tonga eo amin’ny faha-30 taonany ny olona, ny antony lehibe indrindra hamoizany ny nify dia ny hihy marary (aretin’ny manodidina ny nify). Kanefa, mety hamoy nify noho ny loza iray na ny fahasimban’ny nify koa ny olona iray.
Kanefa tena mila solonify mihitsy ve ianao raha namoy nify sasany na izy rehetra?a Nahoana ny olona sasany no toa mahavita miaina tsy misy solonify? Moa ve ny solonify entam-barotra hafa iray fotsiny anosehana ny olona hividy azy?
Nahoana no ilaina ny solonify?
Mba hamaliana ireo fanontaniana ireo, dia aoka isika hijery ny asa ataon’ireo nifintsika. Tsy manova ny endritsika fotsiny no ataon’izy ireo. Rehefa mitsako ny sakafontsika isika, dia voapotipotika izy ireo mba hahafahan’ireo ranoka mandevon-kanina hifangaro tsara amin’ireo poti-tsakafo. Izany dia mamela ny vatana hitelina ireo foto-javatra mahavelona. Kanefa raha vitsy ny nifintsika, na tsy misy mihitsy, dia tsy ho voapotipotika tsara ny sakafontsika. Na dia ireo taolana amin’ireo hihy tena mafy aza dia tsy hanao izany amin’ny fomba ampy tsara. Tsy mahagaga àry raha mety hanan-java-manahirana eo amin’ny fandevonan-kanina ireo olona tsy manana nify izay manandrana manao teli-moka ny haniny amin’ny fisotroana kafe na dite na zava-pisotro hafa. Na dia rehefa nify vitsivitsy ihany aza no tsy eo, dia voafetra ny zavatra azo hanina satria halavirina mazàna ireo sakafo mafy na mitsiratsiraka izay mitaky fitsakoana fanampiny.
Ny nify dia manampy antsika hiteny koa, soa iray izay zara raha eritreretintsika mandra-pahatongan’ny fotoana tsy maha-eo azy ireo intsony. Manampy ny lela sy ny molotra hahaforona ireo feo ilaina ho amin’ny fahazoana tsara ny teny lazaina, izy ireo. Ohatra, ireo feo toy ny renisoratra mamarana ny vakiteny dia tsy azo tononina araka ny tokony ho izy raha tsy eo ireo nify. Azo inoana fa efa nahamarika izany ianao rehefa nahare olona banga niteny. Noho izany, ny olona iray manao solonify dia tsy maintsy manazatra ny lelany amin’izy ireo vao ho afaka hanonona ireo feo tsara indray. Na dia mety haka fotoana aza izany, mazàna ireo vokatra azo dia tsara kokoa noho ny rehefa banga.
Ahoana ny amin’ny fihirana sy ny fitsofana zavamaneno sasany rehefa manao solonify ny tena? Mazàna izany dia azo atao tsara amin’ny fanovana ireo solonify amin’ny fomba maro samihafa. Mpihira, mpilalao sarimihetsika, mpitsoka zavamaneno toy ny sodina, minisitra ary mannequins sasany no hahita fa ho sarotra aoka izany, na tsy ho azo atao mihitsy aza, ny asany raha banga izy.
Misy fiantraikany eo amin’ny endriky ny tena koa ny tsy fisian’ny nify. Mifanintona ireo tamba-tsela malemy manodidina ny vava ary mifanatona ny orona sy ny saoka, ka izany dia mahatonga ilay olona hiseho ho antitra kokoa noho ny tena izy. Mety hisy fiantraikany eo amin’ny fananan’ny olona iray fatokian-tena izany ary mety hiteraka fikorontanana ara-tsaina ho an’ny sasany mihitsy aza.
Ny famoizana nify iray dia mety hitarika ho amin’ny firodanan’ny andohalambonify. Mifampiankina, toy ireo vato amin’ny andohalambo romana, ireo nifintsika. Noho izany, ny famoizana ny “mpifanolo-bodirindrina” iray dia hahatonga ireo nify hafa hikisaka. Izany fihetsehana izany dia miteraka banga eo anelanelan’ireo nify tavela ary mety hahatonga poti-kanina hiangona ao amin’ny hihy, ary izany matetika dia miteraka fahararian’ireo hihy. Ny fihetsehan’ireo nify dia mety hanimba ny filahatry ny nify koa, ka hiteraka fahasahiranana eo amin’ny fitsakoana.
Ny fahasamihafany
Ny fahasamihafana lehibe indrindra eo amin’ny tena nify sy ny solonify dia noho ireo tena nify mifototra mafy ao amin’ny taolan’ireo valanorano. Izany dia mahatonga azy ireo ho afaka hanapaka sy handrovitra ary hanorotoro ny hanintsika ho potipotika kely. Ireo nify ambany dia manatona ireo nify ambony mba hanorotoro sy hanety amin-kery.
Ny solonify feno kosa dia miankina fotsiny amin’ireo hihy na ny taolan’ireo. Ny hery malemy avy amin’ny lela sy ireo takolaka ary ny fipetahana ihany no mihazona azy ireo. Koa satria tsy mifikitra mafy toy ireo tena nify ireo solonify, dia afaka ny hiala amin’ny toerany mora foana.
Koa ny fandairan’ireo solonify àry dia miovaova araka ny olona. Tsy misy solonify na dia iray aza manana ny fandairan’ireo tena nify. Ny bikan’ireo valanorano sy ny habeny, ny karazan’ireo tamba-tsela ary na dia ny fihetsika ara-tsain’ilay manao azy aza, miaraka amin’ny hakingana hianatra ny fampiasana azy — izany rehetra izany dia lafin-javatra mahatonga ireo solonify handaitra na tsia. Ny toetra lehibe indrindra mametra ny fiasany dia ny fihozongozonany. Kanefa, raha ny amin’ny fisehoana ivelany, ny solonify dia mety ho sarotra avahana amin’ny tena nify.
Mampalahelo fa indraindray dia rehefa mila ny manao solonify ny olona iray vao mahatakatra ny fahendrena sy ny asa famolavolana ary ny asa mahasoa tontosa, hita amin’ny fananana tena nify. Tsy afaka afa-tsy ny maka tahaka ilay tena izy ny olombelona, nefa tsy hahatratra na oviana na oviana ny ambaratongam-pandairana mahatalanjona ananan’izy io.
Ny tarehin-javatra misy anao dia mety hahatonga anao tsy maintsy hieritreritra tsara hoe mila solonify, feno na tsy feno, ianao. Mazava ho azy fa anao ihany fanapahan-kevitra ny amin’izany, kanefa toa maneho fahendrena ny fandinihana ireo lafy tsarany. Mety hanampy anao hanalavitra zava-manahirana eo amin’ny fandevonan-kanina izy io, hanampy anao hahazo ny hanina ampy tsara ary hanatsara ny fahaizanao miteny. Ary tena afaka manatsara ny endrikao mihitsy koa izy io.
Marina fa na dia malahelo noho ny tsy fananany ireo tena nifiny intsony aza mazàna ireo manao solonify, ny fanaovana solonify dia nitondra fahafaham-po manokana sy fahatsiarovan-tena tsara ho an’ny olona an-tapitrisany maro maneran-tany.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ato amin’ity lahatsoratra ity, ny teny hoe “solonify” dia manondro ireo fitaovana arafitra ho solon’ny nify nafoy. Raha tsy misy tena nify intsony mihitsy, dia ilaina ny solonify feno. Kanefa, raha mbola misy nify sasany tavela, dia solonify tsy feno no ilaina. Ity lahatsoratra ity dia mifantoka amin’ny solonify feno sy amin’ny solonify tsy feno azo tsoahina.
[Efajoro, pejy 19]
Fampihenana ny Trosa any Amin’ny Dantista
NY FANDEHANANA any amin’ny dantista mazàna dia manome faktiora avoavo ihany. Mety hampahery anao anefa ny zava-baovao hita sasany izay mety hitondra fanampiana ho an’ny zanakao.
“Ny nify mikisaka sy ny valanorano ratsy bika fatra-piseho eo amin’ny Amerikana”, hoy ny The New York Times, “dia mety ho vokatry ny sakafontsika voakarakara be loatra.” Ny tsangan-kevitra atolotra dia hoe ny hanina mitaky fitsakoana mavitrika dia “mampirisika ny fitomboan’ny valanorano (ka miteraka banga lehibe ampy tsara hipetrahan’ireo nify izay tsy hifanizina amin’izay), mitarika ny fipetrahan’ireo nify maharitra vao mipoitra ary mampifandrindra ny fitomboan’ny lavaky ny tarehy sy ny an’ny vava”.
Ireo mpahay siansa dia miezaka hanamafy io tsangan-kevitra io amin’ny famahanana rajako amin’ny sakafo mafy sy sakafo malemy. Inona no vokatra azo? Teo amin’ireo nihinana sakafo mafy dia vitsy kokoa ny “aretina momba ny nify”. Koa toa tena ny sakafo mitaky ny hitsakoan’ny zanakao amim-pahavitrihana àry no ho fomba iray hampihenana ny trosanao any amin’ny dantista. Ny fomba hafa iray hanaovana izany dia ny fanampiana ireo zanakao hamboly ny fahazarana tsy tapaka hiborosy ny nifiny sy hanadio azy ireo amin’ny kofehy.
[Sary, pejy 20]
Mifampiankina ireo nifintsika. Raha tsy misy “mpifanolo-bodirindrina” mba hanampy azy ireo tsy hihetsika amin’ny toerany, tsy ela ireo nify dia hikisaka ary hitondra vokatra manimba amin’ireo nify hafa