FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g93 8/7 p. 13-17
  • Fiainana Nisy Vidiny na dia Nitokana Aza

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fiainana Nisy Vidiny na dia Nitokana Aza
  • Mifohaza!—1993
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Nianatra momba an’i Jehovah
  • Nandalo tany Espaina mba hankany Thaïlande
  • Nankany Aostralia
  • Nankany Bougainville
  • Nankany Afrika
  • Tany Amerika Atsimo
  • Nankany Papouasie-Nouvelle-Guinée
  • Miara-miasa amin’ny kongregasiona iray
  • Ny Fanompoana An’i Jehovah no Nataoko Anton’asa
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2013
  • Fifaliana toy inona moa ny mipetraka eo amin’ny latabatr’i Jehovah!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Fizarana 4: Vavolombelona any Amin’ny Faritra Lavitra Indrindra Amin’ny Tany
    Vavolombelon’i Jehovah—Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra
  • “Intỳ Izahay Iraho!”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2020
Hijery Hafa
Mifohaza!—1993
g93 8/7 p. 13-17

Fiainana Nisy Vidiny na dia Nitokana Aza

TERAKA tamin’ny Janoary 1927, tany Málaga, any Espaina, aho. Ny zaza fahenina tao amin’ny fianakaviana katolika nahantra nisy ankizy fito aho. Teo anelanelan’ny 1936 sy 1939, dia nandrava ny taninay ny Ady An-trano espaniola, ary nandositra baomba sy nivelona tamin’ny sakafo nafatra izahay. Kanefa dia zaza falifaly izay tia nihira sy niaraka tamin’olona aho.

Nisy zavatra iray nampahatahotra ahy anefa — ny fahatsinjovana ny hodorana any amin’ny afobe. Mba hampihenana izany tahotra izany, dia nifindra hiaina tao amin’ny couvent iray aho teo amin’ny faha-12 taonako. Tao, nandritra ny efa ho telo taona, dia nanadio tohatra vatovandana aho, nivavaka ary nanadio indray. Kanefa mbola nahatsapa foana aho fa nisy zavatra tsy ampy. Tamin’ny 1941 aho dia faly fa afaka niala tao.

Taona vitsivitsy taorian’izay aho dia nanjary mpinamana tamin’ny vehivavy iray mpihira izay nihevitra fa afaka nampanankarena ahy ny feoko, ary dia nampirisika ahy hianatra hira sy piano izy. Rehefa nifarana ny Ady Lehibe Faharoa tamin’ny 1945, dia nankany Maroc aho ary nanomboka niseho an-tsehatra tao amina boîtes de nuit tany Casablanca sy Tangier. Tena fiainana nampientana mihitsy izany ho an’ny zatovovavy iray. Kanefa, taorian’ny fampisehoana tsirairay, dia nankany amin’ny eglizy aho mba hitalaho tamin’i Maria Virjiny mba hamela ny heloko, noho ny fanantenana ny ho afa-mandositra afobe mirehitra iray.

Rehefa avy niasa tao amin’ireo boîtes de nuit nandritra ny sivy taona aho dia nahita Amerikana iray antsoina hoe Jack Abernathy. Tamin’izany fotoana izany izy dia niasa tany Maroc ho an’ny fikambanana mpanao fanorenana amerikana iray. Nivady tamin’io taona io izahay, ary dia nitsahatra tsy niseho an-tsehatra aho. Tsy ela taorian’izay, dia nifindra nankany Séville, any Espaina, izahay ary nipetraka tany hatramin’ny 1960. Avy eo izahay dia nifindra nankany Lodi, any Kalifornia (Etazonia) — fifindra-monina izay nitarika ho amin’ny fiovana hafa iray koa teo amin’ny fiainako.

Nianatra momba an’i Jehovah

Tamin’ny 1961, dia nisy Vavolombelon’i Jehovah mirahavavy tonga nitsidika anay ary namela gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Tatỳ aoriana dia nanolotra ny hiara-mianatra ny Baiboly tamiko izy ireo, ary dia nanaiky aho. Noho izany, dia nianatra momba an’i Jehovah, ilay Andriamanitra marina, dia ilay Raintsika be fitiavana any an-danitra, aho. (Salamo 83:18). Fanamaivanana toy inona koa moa ny nianatra fa tsy misy afobe mirehitra, fa hoe eo kosa ny fahatsinjovana ny hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany! — Salamo 37:9-11, 29; Apokalypsy 21:3, 4.

Nanomboka nianatra koa i Paquita, zandriko vavy, izay nipetraka teo akaikinay. Teo aloha aho dia nifoka sigara sy tia namonjy lanonana. Ary saro-po aoka izany koa aho! Kanefa nanao fiovana aho, ary tamin’ny 17 Oktobra 1962 izahay sy i Paquita dia natao batisa tany Sacramento, any Kalifornia, ka nanamarika tamin’izany ny fanoloranay tena mba hanompo an’i Jehovah.

Nandalo tany Espaina mba hankany Thaïlande

Fotoana fohy taorian’izay, dia nanendry ny vadiko ho any Thaïlande ilay fikambanana mpanao fanorenana niasany, ary dia nanaraka azy aho. Teny an-dalana ho any, dia nitsidika an’i Espaina aho ary afaka nizara ny finoako tamin’ny mpianakavy hafa. Nanaiky i Pura, zaobaviko, ary tonga Vavolombelona.

Tamin’izany andro izany dia voarara ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Espaina. Na dia izany aza, dia nanatrika fivoriana niafina tao amin’ny efitrano kely iray nisy latabatra iray fa tsy nisy seza, izahay. Nijoro avokoa izahay 20. Tena samy hafa be tamin’ireo fivorianay tany Kalifornia! Ny fahitana ireo olona iray firenena tamiko nanao vivery ny fahafahany mba hivoriana dia nampiaiky ahy ny amin’ny maha-zava-dehibe ireo fivoriana kristiana, fianarana tonga ara-potoana talohan’ny nahatongavako tany Bangkok, any Thaïlande.

“Raha sendra tratrako mitory ianao, dia hilaozako”, hoy i Jack tamiko ny andro nahatongavanay tany Bangkok. Ny ampitson’iny izy dia nandeha hisahana asa fanorenana iray tany ambanivohitra, hany ka tavela ho irery tao Bangkok feno olona nihahohaho, aho. Tsy nisy afa-tsy ramatoa mpanampy iray, izay tsy azoko niresahana akory, niaraka tamiko tao an-trano. Tsy nitsahatra nanao zavatra foana aho tamin’ny famerimberenana nianatra ireo zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly nananako.

Indray andro, tamin’ny Septambra 1963, rehefa nody aho, dia nahita kiraro tsy fantatro teo am-baravarako. Nisy ramatoa iray oly sady mena volo niandry ahy. “Inona no azoko atao ho anao?”, hoy aho nanontany.

“Solontenan’ny Fikambanana Watch Tower aho”, hoy izy.

Nitsamboatra noho ny fahatairana aho, ary namihina sy nanoroka azy. Misionera avy tany Canada i Eva Hiebert. Nanomboka tamin’izay, dia tonga tsy tapaka i Eva, niova aotobisy indroa na intelo mba hahatongavana tany amiko. Natahotra ny handeha tamin’ireny aotobisy hipoka olona ireny aho, kanefa tsy nisy fomba hafa azoko nandehanana. Hoy i Eva: “Tsy hanompo an’i Jehovah mihitsy ianao raha tsy mandeha amin’ireny aotobisy ireny.” Nanao fanazaran-tena tamin’ny fakana aotobisy handehanana ho any amin’ny fivoriana izahay.

Niahotra ny hitory aho, satria tsy nahay ilay fiteny. Nisarangotra tamin’ny tanan’i Eva sy ny harony ary ny akanjony aho. “Tsy afaka manompo an’i Jehovah amin’izao fomba izao ianao”, hoy izy.

“Ka tsy mahay ilay fiteny ange aho e”, hoy aho nifararemotra.

Nanome ahy gazety folo i Eva dia lasa, ka namela ahy teo afovoan’ilay tsena. Tsy natoky tena aho nanatona ramatoa sinoa iray, nasehoko azy ireo gazety ary dia nanaiky izy!

“Eva a, voapetrako daholo ireo gazety folo”, hoy aho avy eo feno tsiky. Hoy izy: “Tena tian’i Jehovah ny olona tahaka anao. Tohizo toy izany foana.” Nanaraka ny toroheviny aho ary nianatra ny fiarahabana tamin’ny fiteny thaï sy ny fipetrahana teo amin’ny gorodona, araka ny fanao teo an-toerana. Nianatra ny fomba fandehanana tany amin’ny toerana samy hafa koa aho. Ary nanao ahoana ny fihetsiky ny vadiko? Indray andro, rehefa nanam-bahiny i Jack, izay nanjary nanaiky ny finoako, dia hoy izy tamin’izy ireo: “Mandehana mitsidika ny tanàna miaraka amin’i Pepita. Mahafantatra ny toerana izy noho ny fitoriany.”

Nankany Aostralia

Ny fampiofanana feno fitiavana kanefa hentitra nomen’i Eva dia nanomana ahy hitoetra ho marisika teo amin’ny fanompoana an’i Jehovah nandritra ny asa nanendrena ny vadiko nanaraka, tany amin’ny faritra avaratra andrefan’i Aostralia. Tonga tany teo an-tenatenan’ny taona 1965 izahay, ary nanorim-ponenana tao amin’ny tobin’ireo mpiasa tany afovoan’ny efitra nanaovan’ilay fikambanana niasan’i Jack lalamby, aho. Nalefa fiaramanidina ny sakafo, ary nafana be ny andro — maherin’ny 43 degrés Celsius. Nisy fianakaviana amerikana 21 tao amin’ilay toby, hany ka nanomboka nitondra ny hafatra momba ilay Fanjakana tany amin’izy ireny aho. Tatỳ aoriana, rehefa nandroso ilay asa teo amin’ilay lalamby, dia nihanitsofoka lalina kokoa ihany tany an’efitra izahay, ary vao mainka nihalehibe aza ny fitokanako.

Talohan’izay aho dia nanoratra tany amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Aostralia, ary faly erỳ naharay taratasy iray izay nilaza hoe: “Fitiavana sy firarian-tsoa feno fitiavana avy atỳ aminay (...) Hiaraka aminao ny eritreritray sy ny vavaka hataonay amin’ireo volana manaraka”! Nandritra ireo taona niarahako tamin’ny vadiko tamin’ny asa nanendrena azy tany amin’ny faritra lavitra be tamin’ny tany, dia nampaherezin’ny taratasy toy izany avy tamin’ny fandaminan’i Jehovah aho. Ny famakiana azy ireny dia nanampy ahy tamin’ireo fe-potoana nahatsiarovako ho nanirery ary nampirisika ahy handeha hitory na dia tafasaraka tamin’ny Vavolombelona hafa aza aho matetika.

Ny biraon’ny sampan’i Aostralia dia nandamina ny hitsidihan’ny mpivady Vavolombelona ahy tao amin’ilay toby nandritra ny herinandro. Teo amin’ny fanompoana nataonay izahay dia nahita ramatoa liana nonina lavitra be, hany ka indroa isan-kerinandro aho dia nandeha namakivaky faritany feno bibilava sy androngo mba hitsidika azy. Teny am-pandehanana aho dia nihira tampoka hiran’ilay Fanjakana iray nanao hoe: “Jehovah no ombao/ Sy ankamamio/ Tsy hafoiny ianao/ Fa tompoy Izy.” Nianatra nandritra ny 11 volana izahay.

Avy eo aho, rehefa afaka herintaona teo ho eo tao Melbourne, dia nifindra niaraka tamin’ny vadiko ho any amin’ny toby iray teo akaikin’ny tanànan’i Port Hedland, izay toeram-pitrandrahana, tany avaratra andrefan’i Aostralia koa. Rehefa afaka dimy andro, dia nanana mpitsidika izahay. Nampahafantatra an’ireo Vavolombelona ny amin’izay nisy ahy ny sampana. Rehefa lasa izy ireo, dia nanohy ireo fivoriana irery aho, ka nitarika ny Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona, ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika, ny Fivoriana Momba ny Asa ary ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana. Rehefa avy nihira sy nanokatra ny fivoriana tamin’ny vavaka aho, dia namaly ireo fanontaniana ary namarana tamin’ny hira sy vavaka. Tsy nanahirana mihitsy ny nanisa ny mpanatrika — iray hatrany hatrany. Kanefa io fandaharam-pivoriana nataoko isan-kerinandro io dia nanohana ahy nandritra ireny taona maro nanompoako an’i Jehovah nitokana ireny.

Nankany Bougainville

Tamin’ny 1969, rehefa avy niaritra hafanam-be nandritra ny efa-taona tany Aostralia izahay, dia voatendry ho tompon’andraikitra tamin’ny soritr’asa fanaovana lalana nankany amin’ny toeram-pitrandrahana varahina tany amin’ireo tendrombohitra mandon’ny nosin’i Bougainville, ny vadiko. Indray hariva, dia nisy olona nandondòna teo am-baravarana. Nanokatra ny varavarana i Jack. “Vavolombelona iray miaraka amin’ny vadiny sy ny zanany efatra ireo”, hoy izy. Nipetraka teny amoron-dranomasina izy ireo. Indray mandeha isan-kerinandro aho dia nandeha nitsidika azy ireo ary nanatrika ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana natao tao amin’ny sekolim-panjakana.

Tamin’ny fotoana hafa dia nisy Vavolombelona telo avy tany Papouasie-Nouvelle-Guinée tonga nitsidika ahy. Nirehareha erỳ ny vadiko nilaza tamin’ireo mpiara-niasa taminy hoe: “Na aiza na aiza alehan’ny vadiko, dia efa miandry azy ireo namany Vavolombelona.”

Nankany Afrika

Tamin’ny 1972 izahay dia tonga tany an’efitr’i Alzeria, any Afrika Avaratra. Nanamboatra rafitra fitarihan-drano ho amin’ny tanimboly tany ilay fikambanana niasan’ny vadiko. Soritr’asa haharitra efa-taona ilay izy. Nanoratra tany amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Frantsa momba ny asa fitoriana aho, ary dia hoy ny navalin’izy ireo: ‘Mitandrema. Voarara ny asantsika any.’ Nanampy ahy hifandray tamina Vavolombelona roa tsy niasa intsony ny Fikambanana, ary nahaforona fitambaran’olona niara-nianatra izahay.

Avy eo, dia narary ny iray tamin’ireo mpifanila trano tamiko tao amin’ny tobin’ireo mpiasa. Cecilia no anarany. Nitsidika azy tany amin’ny hopitaly isan’andro aho, nitondra lasopy ho azy ary nampirina ny fandriany. Rehefa nody izy, dia nanohy niantsena sy nanao zavatra ho azy aho, ary nizara taminy ny fanantenana momba ilay Fanjakana koa. Izany dia nitarika ho amin’ny fampianarana Baiboly, ary rehefa afaka valo volana, dia hoy i Cecilia: “Maniry hatao batisa aho.” Aiza anefa ary iza no hanao izany?

Naharay taratasy avy tany amin’ny biraon’ny sampana tany Frantsa izahay fa hoe hisy Vavolombelona iray nantsoina hoe François ho avy hanao vakansy fohy tao Alzeria. Raha afaka naka azy ho any amin’ilay tanàna kely tany an’efitra nisy anay sy nanatitra azy ara-potoana tany amin’ny seranam-piaramanidina izahay, dia hanao ilay batisa izy. Kanefa tsy afaka ny hijanona mihoatra ny 24 ora izy.

Raha vantany vao tonga i François, dia nampidirina haingana tao amin’ny fiara iray ary nentina tany amin’ilay efitra. Tamin’io hariva io, tao amin’ny tranon’i Cecilia, dia namoaka poti-taratasy iray avy tao amin’ny paosin’ny lobany izy ary nanao lahateny tsara dia tsara iray. Raha vao nangiran-dratsy ny andro tamin’ny 18 May 1974, dia nanao batisa an’i Cecilia tao amin’ny efitra fandroako izy ary dia lasa indray.

Nipoaka ny ady tao Alzeria tamin’ny faran’ny taona 1975, ary voatery nandeha tampoka izahay sy i Jack. Nitsidika ny havako tany Espaina aho. Tamin’ny 1976 aho dia nanomboka nampirina entana ho any amin’ny nanendrena an’i Jack nanaraka — tobin’ireo mpiasa tany amin’ny ala mafana sy mandon’i Suriname, any Amerika Atsimo.

Tany Amerika Atsimo

Voahodidina zavamaniry nandrobona ilay toby tany amin’ny faritra atsimo andrefan’i Suriname. Nisy boloky nitabataba sy rajako tia jerijery teny amin’ny hazo nitazana an’ireo fianakaviana 15 vao tonga, izay fantatro avy tany amin’ireo asa natao teo aloha ny ankamaroany. Enim-bolana taorian’izay, dia nisy fianakaviana mpiasa hafa tonga, ka anisan’izany i Cecilia, ilay natao batisa tany Alzeria — nahazo namana aho!

Rehefa nihananakaiky ny 23 Martsa 1978, dia nanontany tena izahay hoe ahoana no hankalazana ny Fahatsiarovana ny Fahafatesan’i Kristy. Tsy nanana fomba fitaterana ho any Paramaribo renivohitra izahay, ka niomana mba hankalaza azy io tao an-tranoko. Nanome lalana anay hanao photocopies ilay pejy farany tamin’ny Ny Tilikambo Fiambenana iray nisy fampahafantarana momba ny Fahatsiarovana, ilay tompon’andraikitra tao amin’ny toby, ary nizara azy ireo isan-trano tao amin’ilay toby izahay. Iraika amby roapolo no nanatrika! I Cecilia no nanao ny lahateny, ary izaho no namaky ireo andinin-teny. Tamin’io hariva io, na dia nitokana aza izahay, dia nahatsiaro ho tafaray tamin’ny fandaminan’i Jehovah naneran-tany.

Nandritra izany fotoana izany, ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah tao Suriname dia nandefa fanampiana — mpivady misionera tanora nandeha Land-Rover tranainy. Talohan’ny nahatongavan’izy ireo, dia nanomboka nahatsiaro ho tsy nisy nilana ahy aho tao amin’ilay toby, kanefa nanome toky ahy ireo misionera hoe: “Pepita a, misy antony maha-eto anao.” Tamin’izany fotoana izany, dia tsy niaiky loatra ny amin’izany aho, kanefa tsy ela dia takatro ilay izy.

Indray andro, nandritra ny fitsidihan’ireo misionera ireo, dia nandeha hizaha lalan-tany iray vao nisokatra izahay ary nientana aoka izany nahita tanàna kely indiana teo amin’ny 50 kilaometatra teo ho eo avy teo amin’ilay tobinay. Ny fanaovana fitoriana tao anatin’ny andro vitsivitsy teo amin’ireo Indiana Arawak tsara fanahy ireo dia namokatra fampianarana Baiboly am-polony maro. Rehefa lasa àry ireo misionera, dia nanomboka nitsidika ireny mponina tamin’ilay tanàna kely ireny indroa isan-kerinandro izahay sy i Cecilia.

Nifoha tamin’ny efatra maraina izahay, ary tamin’ny fito dia efa nanomboka ny fampianaranay Baiboly voalohany. Teo amin’ny dimy hariva teo ho eo, dia efa tafody indray izahay. Nandritra ny roa taona dia nitarika fampianarana 30 isan-kerinandro izahay. Tsy ela, ireo ankizy tao amin’ilay tanàna kely dia niantso ahy hoe Totoa Baiboly! Maro no natao batisa tamin’ny farany, ary taona maro tatỳ aoriana dia 182 no nanatrika ny fivoriamben’ny fizaran-tany iray tao amin’io tanàna kely io. Araka ny nolazain’ireo misionera, sakaiza tsy foiko, dia tena nisy antony tokoa naha-tao amin’io ala io anay!

Nankany Papouasie-Nouvelle-Guinée

Nandao an’i Suriname izahay tamin’ny 1980, ary ny taona nanaraka dia nalefa tany Papouasie-Nouvelle-Guinée. Rehefa avy niaraka tamin’ireo Vavolombelona tao Port Moresby renivohitra nandritra ny enim-bolana izahay, dia napetraky ny hélicoptère iray tany amin’ny fonenako nanaraka aho — toby iray tany an-tampon’ny tendrombohitra izay nanokafan’ilay fikambanana niasan’i Jack toeram-pitrandrahana volamena iray. Tsy nisy lalana. Fiaramanidina no nahatongavan’ny olona sy ny fitaovana ary ny hanina. Io no toerana nitokana indrindra nipetrahako hatramin’izay. Teo indray koa dia nanontany tena aho hoe: Aiza no hahitako olona hiresahana?

Nahafantatra ahy avy tany amin’ireo toerana teo aloha ireo olona tao amin’ny tobinay, ary tsy nisy nety nihaino. Kanefa, tamin’izay dia nanokatra fivarotana ilay fikambanana. Nisy vehivavy avy tany amin’ny faritra lavitra be tonga niantsena teo. Tsy ela dia nanjary ny iray tamin’ireo mpiantsena matetika indrindra tao amin’ilay fivarotana aho. Nisy vokany ve izany?

Indray andro, dia nanombo-dresaka tamina ramatoa papoa aho. Nilaza tamiko izy fa mpampianatra ny tenany. “Hay, izaho koa”, hoy aho.

“Izany ve?”, hoy izy nanontany.

“Ia, mampianatra Baiboly aho.” Avy hatrany izy dia nanaiky ny fanolorako hiara-mianatra ny Baiboly taminy. Tatỳ aoriana, dia nisy mpiantsena hafa koa nanaiky hianatra. Io toby fonenana teo akaikin’ny toeram-pitrandrahana volamena io dia namokatra fampianarana Baiboly fito — tena toeram-pitrandrahana volamena ara-panahy mihitsy!

Rehefa avy nipetraka telo taona tao amin’io nosy tany Pasifika io izahay, dia nandefa anay tany Grenade, nosin’ny Caraïbes, ny asa vaovaon’ny vadiko. Kanefa rehefa afaka herintaona sy tapany, dia voatery niverina tatỳ Etazonia ny vadiko noho ny fahasalamany, hany ka tamin’ny 1986 dia nanorim-ponenana teto Boise, eto Idaho, izahay.

Miara-miasa amin’ny kongregasiona iray

Rehefa avy niaina tafasaraka tamin’ireo anadahiko sy rahavaviko kristiana nandritra ireny taona rehetra ireny aho, dia tsy maintsy nianatra ny hiara-miasa tamin’ny hafa izao. Kanefa nanampy ahy tamim-paharetana ireo loholona kristiana sy ny hafa koa. Amin’izao andro izao aho dia faly manatrika fivoriana sy mitarika fampianarana Baiboly eto amin’ity tapany amin’ny tany ity.

Indraindray anefa, rehefa mipetraka eo amin’ny toerana mangina iray aho ka mahita ny tenako nihazakazaka tao aorian’i Eva tany Bangkok feno olona nihahohaho, na nanomboka nihira tampoka sy mafy ilay hiran’ilay Fanjakana teny amin’iny lalana tany an’efitr’i Aostralia iny, na nitory teo amin’ireny Indiana feno fanetren-tena ireny tany amin’ny ala mafana sy mandon’i Suriname, dia mitsiky ary manganohano ny masoko noho ny fankasitrahana ny fanehoam-piahiana azoko nandritra ireo taona maro nanompoako an’i Jehovah nitokana. — Notantarain’i Josefa ‘Pepita’ Abernathy.

[Sary, pejy 15]

Miara-mihira amin’ireo Espaniola nampianariko Baiboly tany Melbourne

[Sary, pejy 16]

Nanampy olona maro tany Papouasie-Nouvelle-Guinée hahalala an’i Jehovah aho

[Sary, pejy 16]

Nampianatra ny Tenin’Andriamanitra tany Suriname

[Sary, pejy 17]

Izao aho dia miara-miasa amin’ny kongregasiona iray eto Idaho

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara