Ahoana no ahafahan’ny finoana manampy ny marary
IREO fitantarana fanasitranana mahagaga ao amin’ny Baiboly dia manome antoka antsika indray fa miahy ny amin’izay hahasambatra antsika Andriamanitra, ary asehon’ireny ny fahefany hanasitrana. Koa satria nankalaza an’Andriamanitra ireny fanasitranana mahagaga ireny ary nitondra fifaliana betsaka aoka izany, dia mety ny hanontaniana hoe: Mbola miasa foana ve ny fahaizana manasitrana amin’ny alalan’ny fanahy masina?
Ny valin’izany fanontaniana izany dia tsia — ary mety hahagaga ny sasany ny antony. Nahatratra ny zava-kendreny ireny fanasitranana mahagaga tamin’ny taonjato voalohany ireny. Manao fanamarihana amin’ny fomba mety toy izao ny Diksionera momba ny Baiboly misy sary: “Ny zava-kendren’ireo fanasitranana mahagaga dia ara-teôlôjia fa tsy ara-pitsaboana.” Inona avy ny sasany amin’ireo zava-kendrena ara-teôlôjia notanterahin’ireny fahagagana ireny?
Voalohany, dia nampahafantatra an’i Jesosy ho ny Mesia ireo fanasitranana mahagaga nataony. Ary taorian’ny nahafatesany, izy ireny dia nanampy tamin’ny fanamarinana fa teo amin’ny kongregasiona kristiana vao niforona ny fitahian’Andriamanitra. (Matio 11:2-6; Hebreo 2:3, 4). Ankoatra izany, dia nanaporofo izy ireny fa ho tanteraka ny fampanantenan’Andriamanitra hanasitrana ny taranak’olombelona, ao amin’ny tontolo vaovao. Manamafy ny finoantsika izy ireny fa ho avy marina tokoa ny fotoana izay ‘tsy hisian’ny mponina ao hilaza hoe: Marary aho; ny olona izay mitoetra ao dia voavela heloka.’ (Isaia 33:24). Rehefa tratra ireny zava-kendrena tamin’ny taonjato voalohany ireny, dia tsy nilaina intsony ny fahagagana.
Tsara homarihina fa ireo mpianatr’i Jesosy tamin’ny taonjato voalohany mihitsy aza dia nanana kilema izay tsy nositranina tamin’ny fomba mahagaga. Izany dia porofo fanampiny fa ny asa fanasitranana mahagaga nataon’i Jesosy ary koa ny an’ny apostoly dia natao hampianatra fahamarinana lehibe, fa tsy hanolotra fanampiana ara-pitsaboana. Rehefa nilaza tamin’i Timoty ny fomba hitsaboana ny fahosaosany matetika i Paoly, dia nanoro hevitra ny hampiasana divay mba hanasitranana ny aretina, fa tsy ny fanasitranana amin’ny alalan’ny finoana. I Paoly, izay nanatanteraka fanasitranana mahagaga, dia tsy nahazo fanamaivanana mihitsy tamin’ny “tsilo tamin’ny nofo” izay ‘namely’ azy foana. — 2 Korintiana 12:7; 1 Timoty 5:23.
Rehefa maty ny apostoly, ny fahaizana manasitrana dia nitsahatra. Ny tenan’i Paoly mihitsy no nanambara fa hitranga izany. Raha nanohatra ny kongregasiona kristiana tamin’ny zazakely i Paoly, dia hoy izy: “Fony mbola zaza aho, dia niteny toy ny zaza, nihevitra toy ny zaza, nisaina toy ny zaza; fa nony efa lehibe aho, dia nariako ny fahazazana [“ireo toetran’ny zaza”, NW ].” Ny hevitr’io fanoharana io dia hoe ireo fanomezana mahagaga avy amin’ny fanahy dia anisan’ny fahazazan’ny kongregasiona kristiana. Izy ireny dia “toetran’ny zaza.” Noho izany, dia hoy ny nambarany: “Ho levona [ireo fanomezana mahagaga]”. — 1 Korintiana 13:8-11.
Afaka manampy ve ny finoana rehefa marary isika?
Kanefa, na dia tsy mitoky amin’ny fanasitranana amin’ny alalan’ny finoana aza isika, dia tsy isalasalana fa mety ny mangataka ny fanampian’Andriamanitra amin’ny vavaka rehefa marary isika. Ary azo antoka fa tsy misy maha-diso ny fivavahan’ny hafa ho antsika. Nefa tokony hahakasika zavatra tena misy sy hifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra ny vavaka. (1 Jaona 5:14, 15). Tsy mandidy antsika na aiza na aiza ny Baiboly mba hangataka fanasitranana amin’ny alalan’ny finoana.a Tsy izany, fa angatahintsika kosa ny fanohanana feno fitiavan’i Jehovah mandritra ny fisedrana entin’ny aretina.
Asehon’ny Baiboly izay azon’ireo olona mahatoky angatahina amin’ny vavaka rehefa marary, amin’ny filazana toy izao: “Jehovah hanohana azy eo ambonin’ny farafara itsaboana azy; ny fandriany rehetra eo am-paharariany dia hovanao.” (Salamo 41:3). Ny fisaintsainana ny Tenin’Andriamanitra dia hanampy ireo mizaka aretina ara-pihetseham-po. Nanoratra toy izao ny mpanao salamo: “Ny famindramponao, Jehovah ô, no nanohana ahy. Raha be ny ahiahy ato anatiko, dia mampifaly ny fanahiko ny fampiononanao.” — Salamo 94:18, 19; jereo koa 63:6-8.
Ambonin’izany, dia ilaintsika ny mampiseho fahaiza-mitsara zavatra raha ny amin’ny raharaha momba ny fahasalamana, ary manome torohevitra antsika ny amin’izany ny Baiboly. Tsara kokoa ny miaina mifanaraka amin’ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly noho ny fanekena ho voatarika amin’ny fampiasana zava-mahadomelina, ny fifohana sigara, ny fimamoana, na fihinanana tafahoatra ary avy eo, rehefa mitranga ny aretina, dia hitodika any amin’ny fanasitranana amin’ny alalan’ny finoana noho ny famoizam-po. Ny fangatahana ny hisian’ny fahagagana rehefa voan’ny aretina ny tena dia tsy mahasolo ny fitondrantena mampiseho fahendrena mba hanalavirana aretina azo sorohina, ohatra amin’ny fihinanana sakafo mahavelona raha misy izany na amin’ny fitadiavana fanampiana ara-pitsaboana mety any amin’izay mety hisian’izany.
Mampirisika antsika koa ny Tenin’Andriamanitra mba hamboly toe-tsaina tsara izay mahasoa ny fahasalamantsika ara-batana. Ny bokin’ny Ohabolana dia manoro hevitra toy izao: “Ny fo [tony, NW ] no fiainan’ny nofo; fa ny [fialonana, NW ] dia mahalo ny taolana.” “Ny fo ravoravo mahasalama tsara; fa ny fanahy kivy mahamaina ny taolana.” (Ohabolana 14:30; 17:22). Ny fangatahana ny fanahy masina mba hampitombo ny fahatoniana sy ny fifaliana ao amintsika dia tsy mitondra afa-tsy vokany mahasoa eo amin’ny fahasalamantsika ara-batana. — Filipiana 4:6, 7.
Ahoana ny amin’ny fanasitranana amin’ny alalan’ny finoana?
Mazava ho azy, fa na dia manana fiainana tsara araka izay amelan’ny tarehin-javatra misy azy hiainana aza ny olona iray, dia mety mbola hamely foana ny aretina. Ahoana amin’izay? Moa ve misy maha-ratsy ny fandehanana any amin’ny mpanasitrana amin’ny alalan’ny finoana mba hanantena ny hositranina? Eny, misy maha-ratsy izany. Mahalana ireo mpanasitrana amin’ny alalan’ny finoana amin’ny andro ankehitriny no manao ny asany tsy misy fandoavam-bola. Ary ny fandaniana vola amin’ny mpanasitrana amin’ny alalan’ny finoana iray, kanefa ho azo lanina amin’ny fanampiana ara-pitsaboana izany vola izany, dia mety hovidintsika lafo. Afa-tsy izany, nahoana no manome vola olona izay manararaotra ny finoanoam-poanan’ny olona?
Mety hanohitra toy izao ny sasany: ‘Azo antoka fa tsy maintsy misy vidiny sasany ny fanasitranana amin’ny alalan’ny finoana, na dia ampahany kely monja amin’ireo izay mankany amin’ireo “mpanasitrana” aza no sitrana.’ Nefa azo iadian-kevitra ny hoe mahasitrana olona amin’ny fomba maharitra tokoa ireo mpanasitrana amin’ny alalan’ny finoana na tsia. Miaiky toy izao ny Firaketana Britanika: “Azo lazaina fa fikarohana voafetra kely ihany no notanterahina teo amin’ireo anton-javatra maro tsy fantatra amin’ny fanasitranana amin’ny alalan’ny finoana.”
Na dia vitsy aza ny isan’ireo olona toa sitrana, dia tsy porofon’ny fiasan’ny fanahy masina izany. Tao amin’ny Toriteny teo an-Tendrombohitra, dia nilaza i Jesosy hoe: “Maro no hanao amiko amin’izany andro izany hoe: Tompoko, Tompoko, tsy efa naminany tamin’ny anaranao va izahay? ary tsy efa namoaka demonia tamin’ny anaranao va izahay? ary tsy efa nanao asa lehibe maro tamin’ny anaranao va izahay? Ary dia hambarako aminy marimarina hoe: Tsy mba fantatro akory hianareo hatrizay hatrizay; mialà amiko, hianareo mpanao meloka.” (Matio 7:22, 23). Nilaza koa i Jesosy fa ny olona sasany, na dia tsy ankasitrahan’Andriamanitra aza, dia hanintona ny saina ho amin’ny tenany amin’ny alalan’ny famantarana: “Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana ka haneho famantarana lehibe sy fahagagana, ary raha azo atao, na dia ny olom-boafidy aza dia hofitahiny.” (Matio 24:24). Marina tokoa, fa azo ampidirina ao amin’ny fampiharana an’ireo teny ireo ny mpanasitrana amin’ny alalan’ny finoana amin’ny andro ankehitriny, noho ny fampisehoana ataony miasa eo amin’ny fihetseham-po, ny fangataham-bola lava ataony, ary ireo fanasitranana mahagaga lazainy fa vitany.
Ny olona toy ireny dia tsy manara-dia an’i Jesosy. Iza àry no arahin’izy ireny? Manome famantarana antsika ny apostoly Paoly rehefa milaza izy hoe: “Satana aza mampiova ny endriny ho tahaka ny anjelin’ny mazava. Koa tsy dia zavatra lehibe tsy akory, raha ny mpanompony koa no mba mampiova ny endriny ho tahaka ny mpanompon’ny fahamarinana; nefa ny farany ho araka ny asany ihany.” (2 Korintiana 11:14, 15). Raha tsy mahatanteraka ny fanasitranana ihamboany fa vitany ireo mpanasitrana amin’ny alalan’ny finoana, dia mpamitaka izy ireo izany, manaraka ny lalan’i Satana, “izay mamitaka izao tontolo izao”. (Apokalypsy 12:9). Nefa ahoana raha atao hoe mahatanteraka fanasitranana izy ireny amin’ny ampahany kely amin’ny toe-javatra? Moa ve tsy maintsy notanterahina tamin’ny herin’i Satana sy ny demoniany ny “asa lehibe” nataony? Eny, tsy maintsy ho izany tokoa!
Ny fotoan’ny tena fanasitranana
Ny fanasitranana mahagaga nataon’i Jesosy dia notanterahina tamin’ny fanampian’ny fanahy masin’Andriamanitra. Nampiseho mazava ny fikasany handamina ireo zava-manahirana rehetra ara-pahasalaman’ny olona amin’ny fotoana voatendriny izy ireny. I Jehovah dia mampanantena “fanasitranana ny firenena maro.” (Apokalypsy 22:2). Ary tsy hoe hanasitrana ny aretina fotsiny izy fa hamarana ny fahafatesana koa. Manazava i Jaona fa tonga i Jesosy “mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” (Jaona 3:16). Ho fahasitranana tsara dia tsara tokoa izany! Hanatanteraka fanasitranana indray tahaka ireo voarakitra ao amin’ny Baiboly i Jesosy, fa amin’ny ambaratonga lehibe lavitra kokoa. Hanangana ny maty mihitsy aza izy! (Jaona 5:28, 29). Rahoviana no hitranga izany?
Ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra, izay araka ny porofo rehetra, dia efa akaiky izao. Izany tontolo vaovao izany, haorina aorian’ny fanafoanana mandrakizay ny faharatsian’izao fandehan-javatra izao, dia ho tena fitahiana ho an’ny taranak’olombelona mahitsy fo. Ho tontolo iray tsy hisian’ny fahoriana izany. “Ary hofafany [Andriamanitra] ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha.” (Apokalypsy 21:4). Mifanohitra amin’izay hitantsika manodidina antsika ankehitriny tokoa izany!
Noho izany, amin’ny toe-javatra hisian’ny aretina, dia mivavaha amin’Andriamanitra mba hahazo fanohanana. Ary na marary ianao na salama, dia ianaro ny hoe amin’ny fomba ahoana ny fiainana mandrakizay tsy hisian’ny aretina no hisy tokoa. Aoreno amin’izany fampanantenan’Andriamanitra azo itokiana izany ny finoanao, amin’ny fandinihana ireo firesahana maro momba izany ao amin’ny Baiboly. Ianaro ny fomba hahatanteraka tsy ho ela intsony ny fikasan’Andriamanitra ny amin’izany, araka ny fandaharam-potoanany manokana. Aza misalasala mihitsy, satria ny Tenin’Andriamanitra no manome toky antsika toy izao: “Hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana; ary Jehovah Tompo hamafa ny ranomaso amin’ny tava rehetra”. — Isaia 25:8.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ny sasany dia mihevitra fa ireo teny ao amin’ny Jakoba 5:14, 15 dia misy ifandraisana amin’ny fanasitranana amin’ny alalan’ny finoana. Nefa asehon’ireo teny manodidina fa miresaka ny amin’ny aretina ara-panahy i Jakoba eto. (Jakoba 5:15b, 16, 19, 20). Manoro hevitra an’ireo olona izay nanjary nalemy tamin’ny finoana izy, mba hitady ny fanampian’ireo loholona.
[Sary, pejy 24]
Nahatratra ny zava-kendreny ireo fanasitranana mahagaga nataon’i Jesosy
[Sary, pejy 25]
Hamerina indray ary hampitombo ireo fanasitranana mahagaga i Jesosy