Moa ve ankasitrahan’Andriamanitra ny fanasitranana amin’ny alalan’ny finoana?
“NAHITA zavatra mahagaga isika androany!” Eny, voamariky ny zavatra hitany ireo mpanatrika. Nositranina teo imason’izy ireo ny lehilahy iray nalemy tanteraka. Hoy ilay mpanasitrana tamin’ilay lehilahy: “Mitsangàna, dia betao ny fandrianao, ary modia any an-tranonao.” Ary izany tokoa no nataon’ilay lehilahy! Tsy nalemy intsony izy. Tsy mahagaga raha ‘nanomboka nankalaza an’Andriamanitra’ ireo izay nanatrika teo! (Lioka 5:18-26). Izany fanasitranana izany, notanterahin’i Jesosy Kristy efa ho 2 000 taona lasa izay, dia mazava fa nankasitrahan’Andriamanitra tokoa.
Ahoana ny amin’izao andro izao? Moa ve ny fanasitranana mahagaga mbola fahafahana tsara azon’ireo izay tsy mahita fahasitranana ara-pitsaboana itodihana? I Jesosy dia nanatanteraka fanasitranana mahagaga. Ireo mpanasitrana amin’ny alalan’ny finoana amin’izao andro izao dia mihambo ho manahaka azy. Ahoana no tokony ho fijerintsika izany fihamboany izany?
Ny fanasitranana amin’ny alalan’ny finoana dia faritana ho “fomba iray fitsaboana aretina amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fanehoana finoana an’Andriamanitra.” Milaza toy izao ny Firaketana Britanika: “Ny tantaran’ny fanasitranana amin’ny alalan’ny finoana tao amin’ny Kristianisma dia nanomboka tamin’ny fanompoana manokana mahatalanjona nataon’i Jesosy sy ny apostoly.” Eny, i Jesosy dia nanatanteraka fanasitranana miavaka. Moa ve ireo mpanasitrana amin’ny alalan’ny finoana amin’izao andro izao manatanteraka fahagagana tahaka ny nataony?
Finoana — Zavatra takina ve?
Araka ny Diksionera momba ny Baiboly nataon’i Black, i Jesosy dia “nanonona [ny finoana] ho toy ny zavatra takina amin’ny fanatanterahany fanasitranana mahagaga.” Nefa izany tokoa ve no izy? Moa ve i Jesosy nitaky ny hananan’ny olona marary iray finoana talohan’ny nanasitranany azy? Ny valiny dia tsia. Nilaina ny finoana avy amin’ilay mpanasitrana, nefa tsy hoe tsy maintsy ho izany ny amin’ilay olona marary. Indray mandeha dia tsy nahasitrana zazalahy iray voan’ny androbe ireo mpianatr’i Jesosy. Nositranin’i Jesosy ilay zazalahy ary taorian’izany dia nilaza tamin’ny mpianatra izy ny antony tsy nahaizan’izy ireo nanasitrana azy. “Ary hoy Jesosy taminy: Noho ny fahakelezan’ny finoanareo”. — Matio 17:14-20.
Araka ny Matio 8:16, 17, ‘izay narary rehetra dia nositranin’i Jesosy avokoa’. Marina fa tamin’ny fetra sasany, ireny olona ireny dia nanana finoana an’i Jesosy, ka izany no nahatonga azy ireo hanatona azy. (Matio 8:13; 9:22, 29). Tamin’ny ankamaroan’ny toe-javatra, dia tsy maintsy tonga nangataka taminy izy ireo talohan’ny nanasitranany azy. Kanefa, tsy nisy fiekena finoana notakina, tamin’ny fahagagana tokony ho notanterahina. Indray mandeha i Jesosy dia nahasitrana lehilahy nandringa iray izay tsy nahalala akory hoe iza i Jesosy. (Jaona 5:5-9, 13). Tamin’ny alina nisamborana azy, dia namerina tamin’ny toerany ny sofina tapaka an’ny mpanompon’ny mpisoronabe i Jesosy, na dia anisan’ny antokon’ny fahavalon’i Jesosy tonga mba hisambotra azy aza io lehilahy io. (Lioka 22:50, 51). Indraindray aza dia nanangana olona efa maty mihitsy i Jesosy! — Lioka 8:54, 55; Jaona 11:43, 44.
Ahoana no nahafahan’i Jesosy nanatanteraka fahagagana toy ireny? Satria nitoky tamin’ny fanahy masin’Andriamanitra na heriny miasa izy. Izy io no nanao ny fanasitranana fa tsy ny finoan’ilay olona marary. Raha mamaky ny fitantarana ao amin’ireo Filazantsara ianao, dia ho voamarikao koa fa ireo fanasitranana nataon’i Jesosy dia notanterahina tsy nisy fombafombam-pivavahana firy. Tsy nisy fisehosehoana na fanaitairana ny fihetseham-po. Ankoatr’izany, dia nahomby foana i Jesosy na inona na inona ilay aretina ary tsy nampandoa vola na oviana na oviana izy. — Matio 15:30, 31.
Ireo fanasitranana amin’ny andro ankehitriny mitovy amin’ireo nataon’i Jesosy ve?
Ny aretina dia zava-manahirana iray mitondra fahoriana, ary rehefa mamely izy io dia ara-dalàna ny itadiavantsika fanamaivanana. Ahoana anefa raha toa isika monina amin’ny toerana izay “itsaboan’ireo mpiasan’ny fahasalamana mandray karama ny olona, indrindra ireo tsy mba manana firy, toy ny zavatra fa tsy toy ny olona”? Izany no voamariky ny dokotera iray any amin’ny tany iray any Amerika Latina. Ary ahoana raha toa isika monina ao amin’ny toerana iray izay, ny ‘40 isan-jato monja amin’ireo dokotera mpitsabo no ampy fahaizana mba hanao ny asany’, araka ny hita ao amin’io tany io ihany?
Tsy mahagaga raha maro, noho ny tsy fahitana fomba hafa, no mihevitra ny fanasitranana amin’ny alalan’ny finoana ho toy ny mendrika handramana fara faharatsiny. Kanefa, iadian-kevitra ireo fanasitranana lazaina fa notanterahin’ireo mpanasitrana amin’ny alalan’ny finoana. Ohatra, notombanana ho 70 000 no nanatrika ny fivoriana iray tao São Paulo, any Brezila, izay nahitana mpanasitrana roa ‘nanitsakitsaka solomaso an-jatony maro natsipin’ny mpanatrika, satria nampanantenaina ireo tompony ninonino foana fa hiverina amin’ny laoniny ny fahitany teo aloha.’ Niaiky tamim-pahatsorana toy izao ny iray tamin’ireo mpanasitrana tao amin’ny fanadinadinana iray: “Tsy afaka milaza aho raha ho sitrana ireo olona marary rehetra izay ivavahanay. Miankina amin’ny finoany izany. Raha manam-pinoana ny olona iray, dia ho sitrana izy.” Nanome tsiny ny tsy fahampiam-pinoan’ilay olona marary izy raha ny amin’izay mety ho tsy fahombiazana rehetra. Tadidio anefa, araka ny hitantsika teo aloha, fa i Jesosy dia nilaza fa noho ny tsy fahampiam-pinoan’ireo nanao ny fanasitranana no tsy nahombiazan’ny fanasitranana! — Marka 9:37-42.
Ny mpanasitrana hafa iray dia nampanantena fa manasitrana homamiadana sy paralisisa. Inona no nitranga? Araka ny gazety Veja, dia “niharihary fa tsy tanteraka ilay fampanantenana.” Ary henoy ange ny fomba nitondran’io lehilahy io tena e: “Nandritra ny adiny roa teo ho eo, [ilay mpanasitrana amin’ny alalan’ny finoana] dia namalifaly ny mpanatrika tamin’ny toriteny, vavaka, kiakiaka ary hira — tamin’ny fampiasana kapoka mihitsy aza, mba handroahana ireo demonia niditra tao amin’ny tenan’ny mpino. Tamin’ny farany, dia natsipiny teny amin’ny mpanatrika babon’ny fahatalanjonana ny karavatony sy ny mosarany ary nampandalo lovia iray izy mba hanangonana ‘fanomezana an-tsitrapo.’ ” I Jesosy sy ny apostoliny dia tsy nangataka vola velively tamin’ireo fanasitranana mahagaga nataony, ary tsy nandray anjara velively tamin’ny fanaovan-javatra voamariky ny fisehosehoana toy izany izy ireo.
Mazava àry fa ireo mpanasitrana amin’ny alalan’ny finoana amin’ny andro ankehitriny dia tsy manao izay nataon’i Jesosy. Ary sarotra ny hiheverana fa hankasitrahan’Andriamanitra izay ataony. Moa ve ankasitrahany, na dia izany aza, izay fanasitranana mahagaga misy amin’izao andro izao? Sa, misy fomba ahafahan’ny finoantsika manampy antsika rehefa marary isika na ireo olona tiantsika?