Indray mitopy maso maneran-tany
ZAVA-BITA LEHIBE?
Tsy nampiditra ra ireo mpitsabo tany Japana fa nitsabo zazakely tsy tonga volana iray tsy ampy ra tamin’ny alalan’ny “erythropoïétine”, zavatra vita amin’ny hôrmônina mandrisika ny fiforonan’ny liomena. Tsy nilanja afa-tsy 800 g monja ilay zazakely teo am-pahaterahana, ary “ny tsy fahampian-drany dia nitombo mandra-pahatongany tamin’ny faritra izay nilana ara-dalàna ny hampidiran-dra taminy”, hoy ny tatitra nataon’ny gazety Asahi Shimbun. Kanefa, satria Vavolombelon’i Jehovah ny ray aman-drenin’ilay zaza, dia tsy nanaiky izy ireo ny hampiasana ra tamin’ny zanany. Nampiasa “erythropoïétine” àry ireo mpitsabo nanomboka teo amin’ny faha-39 andro nahaterahany. Tao anatin’ny herinandro dia nanomboka nitombo ny liomena. Taorian’izay dia niakatra koa ny harihitry ny hemôglôbinina. “Na dia antony ara-pivavahana aza no nahatonga io toe-javatra io”, hoy ilay mpitsabo tompon’andraikitra, “dia tena azo inoana fa natao hampiasaina malalaka ilay fitsaboana mba hisorohana ny loza toy ny fidiran’ny otrikaretina avy amin’ny fampidiran-dra.”
TSY MANAN-KALAHATRA
Mihevitra ireo evaolisiônista fa nivoatra avy tamin’ny androngo ny bibilava, nefa sahirana izy manazava ny antony namoizan’ny androngo ny tongony. Tamin’ny 1973, dia nanamafy ny fanadihadiana nanan-kery iray nataon’ny Harvard University fa nivoatra avy tamin’ny androngo ny bibilava mba hitsitsiana ny heriny amin’ny fikisahana fa tsy amin’ny fandehanana. Vao haingana dia nisy mpahay siansa ao amin’ny Oniversiten’i Kalifornia, any Irvine, nijery raha marina izany teôria izany na tsia. Nampanaovin’izy ireo sarontava fitrohana ôksizenina kely ny karazana bibilava mainty, napetrany teo ambonina “moulin circulaire”, ary norefesiny ny hery tena laniny rehefa mikisaka. Toy izao ny vokany: Na, mampiasa fatran-kery mitovy amin’ny an’ny androngo mandeha ny bibilava, na, hatramin’ny avo fito heny noho ny an’ny androngo ny azy amin’ny elanelana mitovy ihany.
FANDOTOANA ANY AMBONY BE ANY
Mety ho anisan’ny mpandoto be indrindra ireo fiaramanidina afaka manidina avo dia avo, araka ny fikarohana natao tany Alemaina andrefana. Araka ny notantarain’ny gazetiboky aotrisiana Profil, ireo mpandoto rivotra toy ny ôksida-na karbonina, nitirata-na ôksizenina, ary ny molaly, dia mety mbola hisy heriny ihany mandritra ny taona maro rehefa alefa any amin’ny haambo mihoatra ny 10 000 m, kanefa manjavona ao anatin’ny andro vitsivitsy monja izy raha etỳ amin’ny tany. Ny fiaramanidina sivily dia mandefa asidra nitirika 600 000 taonina eo ho eo isan-taona; ny fiaramanidina an’ny tafika mandefa mihoatra noho izany aza. Any amin’ny haambo avo be, ny rano avy amin’ny fiaramanidina mandeha gaza dia mandry avy hatrany ka tonga rahona voaforon’ny ranomandry bitika sy asidra nitirika. Ahin’ny maro hanampy trotraka amin’ny fanimbana ny sosona “ozone” iankinan’ny ain’ny planetantsika izany.
OMBILAHY KELY VOLAMENA HITA
“Misy sary vongana kely iray any manamarina ny tantaran’i Mosesy sy ny Isiraelita mpanompo sampy”, hoy ny gazetiboky Time. Hatramin’izao, dia tsy nisy sarin’ombilahy kely ara-pivavahana nampiasaina talohan’ny fifindra-monin’ny Isiraelita, tany amin’ny sisan-javatra rava kananita. Nefa tamin’ny Jona 1990, dia nisy antokona arkeôlôgy namongatra ombilahy kely iray 12,5 sm ny halavany, vita tamin’ny halimo, varahina, ary angamba firamainty sy volafotsy, tany amin’ny sisan-javatra rava tao amin’ny tanànan’i Askelona, seranana iray any Isiraely. Toa natao malamalama ilay halimo mba hamiratra toy ny volamena. Araka ny hevitr’i Lawrence Stager, mpitarika ilay antokon’olona dia tany amin’ny 1550 al.fan.ir. tany ho any ilay ombilahy kely, izany hoe talohan’ny namaboan’ny Isiraelita an’i Kanana. Nanipy hevitra i Stager fa mety ho nampiasaina tamin’ny fanompoam-pivavahana tamin’ny andriamanitra sampy El na Bala zanany lahy ilay ombilahy kely, ary mety ho ohatra nalain-tahaka hanaovana ireo ombilahy kely volamena resahina ao amin’ny Baiboly izy io.
FAHADISOANA AO AMIN’NY BOKY FIANARANA
Feno fahadisoana mahavery hevitra ireo boky fianarana siansa ampiasaina any amin’ny sekoly fanabeazana fototra any Etazonia, hoy ny fitarainan’ny mpahay siansa maro tsy mitsaha-mitombo. Araka ny voalazan’ny Newsweek, dia nanambara toy izao ny mpahay fizika iray: “Feno diso momba ny zavatra tena misy sy mampiseho ny maha-tena siansa ny siansa amin’ny fomba diso tanteraka ireo boky.” Ireto misy ohatra vitsivitsy: Tsy manan-kery amin’ny mpandeha sambondanitra iray ny hery misinton’ny ivon’ny tany. (Diso. Inona no mitana ny mpandeha sambondanitra amin’ny ôrbita arahiny raha tsy misy hery misintona azy any ivelany any?). Amin’ny tendron’ny vodiny no anaikeran’ny moka. (Hevitra noforonina toy izany ihany, araka ny fantatr’izay efa nandinika moka iray teo am-panindronana olona.) Toa vitsy monja amin’ny boky fianarana no efa voadiniky ny manam-pahaizana alohan’ny hamoahana azy. Manampy toy izao ny Newsweek: “Mihahohaho ireo fahadisoana, satria saika ny boky fianarana ‘vaovao’ rehetra dia tena nadika mivantana avy tamin’ireo teo alohany nahazoan-tombony be.
IREO ZAVA-MAHADOMELINA ANY BREZILA
“Mampiharihary ny fikarohana fa ny fampiasana zava-mahadomelina eo anivon’ireo mpianatra breziliana dia nitombo 24% tao anatin’ireo roa taona farany”, hoy ny notantarain’ny gazetiboky Veja any Brezila. Io tarehimarika mampahatahotra io dia azo tamin’ny fandinihana natao tamin’ny mpianatra 30 000 any amin’ny sekoly fanabeazana fototra sy ambaratonga faharoa. “Nony voangona ny fanazavana azo avy tamin’ny fanadinadinana natao, dia nipoitra ny fahatsinjovan-javatra mampalahelo. (...) Ambony lavitra ny fitomboan’ny fampiasana zava-mahadomelina teo amin’ireo zatovo 13 ka hatramin’ny 15 taona.” Mampiseho koa ilay fandinihana fa ny fanafody fampitonena sy ireo zava-mahadomelina fofonina (toy ny dity fanaovan-kiraro sy ny fofona avy amin’ny ranomanitra atifitra) no tena be mpampiasa indrindra. Na dia tsy mahery toy ny hafa aza ireo zava-mahadomelina ireo dia afaka mitarika ho amin’ny fampiasana zavatra hafa manimba kokoa. Araka ny voalazan’ny profesora Elisaldo Carlini dia: “Mampanahy ilay tarehimarika satria tsy raran’ny lalàna sady azo amidy eny amin’ny mpivarotra ireo zava-mahadomelina be mpampiasa indrindra ao amin’ilay tany.”
FAHAVEREZAN’NY FITIAVANA VE?
Italiana maro be no nibanjina tamin’alahelo ny toetry ny firenen’izy ireo tamin’ny fahavaratra lasa teo noho ny voina nahonena nanjo ny zazavavy kely iray enin-taona. Nandeha fiara ho any amoron-dranomasina i Vanessa Moretti kely sy ny rainy. Teo am-pandalovana tionelina iray izy ireo dia voan’ny aretim-po tampoka ny rainy. Talohan’ny nahafatesany, dia nilaza tamin’ny zanany vavy mba hitady ny lalana mody ilay lehilahy niharam-pahavoazana. Nanezakezaka mafy nivoaka ny tionelina ilay zaza, nazeran’ny fifofofofon’ny rivotra avy tamin’ireo fiara niriotra tsy nampiadana ny diany. Voarangodrangotra sy nivoa-dra ary nigogogogo izy, nihazakazaka nanaraka ny sisin-ilay “autoroute” nandritra ny antsasak’adiny, tsy noraharahain’ireo fiara an-jatony maro nandalo feno mpitsangantsangana nikorana. Nisy iray nijanona ihany tamin’ny farany. Ireo lahatsoratry ny talen’ny gazety mivoaka manerana ilay tany dia nampipoitra fanontaniana mampisaintsaina, toy ny hoe: Sao dia ny fananan’ilay tany harena àry no mahatonga azy tsy hanana fitiavana sy fangorahana, izay zavatra nampahalaza azy hatry ny ela?
NIAIKY NY FAHARESENY
Nikatona ny Foibe fikarohana momba ny sery mpahazo ny olona any Salisbury, any Angletera tamin’ny fahavaratra teo, ka nampitsahatra tamin’izany ny fikarohana tsy nisy vokany natao nandritra ny 44 taona mba hahitana fanafodin’ny sery mpahazo ny olona. Nanjary hita fa nivadika ny raharaha fa tsy moramora araka ny niheverana azy. Hoy ny fanazavan’ny mpitantan-draharahan’ilay foibe: “Nihevitra izahay teo aloha fa tsy misy afa-tsy viriosina sery tokana ihany. Izao dia fantatray fa misy hatrany amin’ny 200 any ho any izy ireo, ka noho izany dia tsy misy fanantenana ny hahita fanefitra.” Nandritra ireo taona dia nisy olona 18 000 teo ho eo nanolo-tena an-tsitrapo tonga tao amin’ilay foibe, mba hamindrana viriosy isan-karazany nandritra ny folo andro, ka natokan-toerana folo andro. Na dia voatery nihataka 10 metatra fara fahakeliny tamin’ny olona hafa rehetra, ankoatra ny mpiray efitra taminy sy ny mpiasan’ny fitsaboana, aza ireo mpirotsaka an-tsitrapo, dia toa nankasitraka ilay fandaharana natao ihany ny sasany. Nifankahita nandritra ny fijanonany tao ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray ka niverina tany izy ireo ny taona nanaraka tamin’ny volan-tanteliny. Nisy lehilahy iray niverimberina in-26. Nilazalaza azy io ho “somary hafahafa” anefa ilay mpitantan-draharaha.
IZAO REHETRA IZAO MANJAVOZAVO
Fahadisoam-panantenana sy fisafoahana no nanjaka teo anivon’ny fikambanan’ny astrônôma, izay niandrandra mafy an’ilay “télescope spatial” Hubble mitetina 2 400 000 000 000 FMG eo ho eo nalefa vao haingana. Ilay teleskôpy, misy fitaratra goavana sady mahiratra natao hitarafana mazava tsara ny any lavitra faran’izay tratra amin’ny atmôsfera mikorontana, dia nampanantena ny hanitatra ny fahitan’ny olombelona an’izao rehetra izao amin’ny fomba manaitra tokoa toy ny nataon’ilay teleskôpy nampiasain’i Galilée. Kinanjo nony nanandrana nampandeha ilay teleskôpy ireo astrônôma tetỳ ambonin’ny tany, dia nahita ny fahamarinana mampalahelo: tsy afaka mandray sy mamoaka sary mazava tsara akory ilay izy. Toa nisy tsininy tamin’ny fitaratra, dia tsininy tsy voara-maso satria tsy nandramana tamin’ny fomba feno na oviana na oviana ilay izy.
FOIBE FANOMEZAN-DRA AZO ANTOKA VE?
Tojo fahasahiranana mafy ny mpitsabo alemanina tandrefana iray any amin’ny tany iray atsy Afrika afovoany — nasaina nanokatra foibe iray fanomezana ra tsy misy SIDA tany izy. Ao amin’ny renivohitr’ilay tany, dia enina isan-jato amin’ny ra nomen’ny olona no voapoizin’ny viriosina SIDA. Noho izany, dia nanamafy ny fifantenana ny ra ilay foibe fanomezan-dra. Kanefa mbola mitranga ihany ny tsy fetezan-javatra, araka ny tantarain’ny gazetiboky New African toy izao: “Indray mandeha dia nisy santionan-dra nanjary hita fa misy SIDA nefa tsy fantatry ny foibe, nomena zazakely roa vao teraka.” Na dia milaza aza ny foibe fa tsy misy SIDA ny ra ao aminy, dia tsy jereny akory sao misy tazo na farasisa, izay fantatra ho manapoizina mihoatra ny 18 isan-jaton’ny ra.