Voalamina mba hanompo an’Andriamanitra
“Nitety fivavahana sy antokom-pivavahana maro samy hafa aho”, hoy ny nosoratan’ny lehilahy iray avy any Meksika. “Nefa tsy nahita fandaminana toy ity mihitsy aho.” Vao avy namita ny famakiana ilay bokikely hoe Ny Vavolombelon’i Jehovah — Tafaray mba hanao ny sitrapon’Andriamanitra maneran-tany io lehilahy io. Nanazava toy izao izy: “Izay tena nanaitra ny saiko indrindra dia ny fanaovanareo ho zava-dehibe ny fanatanterahana ny andraikitra hitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana isan-trano, any am-piasana, eny an-dalana, any anaty fitaterambahoaka. Mahatalanjona ny mahita olona mihevitra ho zava-dehibe ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra amin’izao vanim-potoan’ny fihatsarambelatsihy ara-pivavahana miely izaitsizy izao.”
Fantaro izay inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah, ny fomba andaminana azy ireo, ary ny fomba fiasan’ny fandaminan’izy ireo maneran-tany. Raha maniry hahazo iray amin’ilay bokikely 32 pejy hoe Ny Vavolombelon’i Jehovah — Tafaray mba hanao ny sitrapon’Andriamanitra maneran-tany ianao, dia aza fady, mba fenoy ary alefaso paositra ilay tapakila eto ambany.
Iriko ny hahazo ilay bokikely hoe Ny Vavolombelon’i Jehovah — Tafaray mba hanao ny sitrapon’Andriamanitra maneran-tany. (Raha mipetraka any ivelan’i Madagasikara ianao, dia manorata any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy faha-4 mba hahazoana fanazavana.)