FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g91 8/10 p. 26-28
  • Te hievina ve?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Te hievina ve?
  • Mifohaza!—1991
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny mahatonga azy
  • Hevero ny hafa
  • Azo atao ve ny mitazona evina?
  • “Velona e!”
  • Tadidio ny mosaranao
  • Finoanoam-poana — Tena Miely Patrana ve Ankehitriny?
    Mifohaza!—1999
  • Orona, Vavorona
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Kavin’orona
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Arovy ny Tenanao
    Mifohaza!—2016
Hijery Hafa
Mifohaza!—1991
g91 8/10 p. 26-28

Te hievina ve?

IZA TAMINTSIKA no mbola tsy nanandrana mafy mihitsy nisakana evina iray? Tamin’ny andro fampakaram-badinao ve izany? Tamin’ilay fotoana niomananao hiteny ny eny iny indrindra ve? Na koa tamin’ny fivoriana iray na tamin’ny toe-javatra hafa iray lehibe, toy ny fandevenana?

Amin’ny ankamaroan’ny fotoana dia toa tena mahatsara ny mievina, noho izy io arahin’ny fahatsapan-tena ho metimety mahafinaritra. Fa ny zava-manahirana matetika dia ny misakana evina iray diso toerana.

Tsy mitovy avokoa ny fomba fievin’ny olona. Ny evina sasantsasany, izay azo sokajina ho tsotra sy tena maneno, dia re hatrany lavitra. Ny hafa dia moramora kokoa. Ao koa ireo evina variraraka, izay miseho amin’ny fitohitohizana evina telo, efatra, na dimy, na mihoatra. Farany dia misy koa, saingy tena mahalana, olona izay mievina tsy ankijanona ao anatin’ny andro, isaky ny segondra vitsivitsy na minitra vitsivitsy, ary izany dia mandritra ny ora, andro, herinandro maro, mety ho amam-bolana maro koa.

Fa inona no mahatonga antsika hievina? Misy ve fomba ampiasaina mba hisakanana ny evina? Moa ve mampidi-doza izany rehefa mihetsika? Inona no atao mba tsy hampaha-te hievina?

Ny mahatonga azy

Na tanora na antitra, na zazakely na olon-dehibe — toa tsy misy olona afa-miala amin’ny evina. Mievina na dia ireo biby aza. Amin’ny ankapobeny, dia tenan-javatra hafa (toy ny vovoka na vovobony) izay mampangidihidy ny hodimandon’ny orona no tompon’andraikitra. Kanefa, mety mitovy amin’izany koa ny vokatra ateraky ny fihetseham-po na ny masoandro mibaliaka. Amin’ity toe-javatra farany ity, dia satria mifandray akaiky amin’ny tendrom-pitatitry ny orona ny lalam-pitatitry ny maso.

Ireny tendrom-pitatitra mahatonga fahatsapana ireny dia mampahafantatra ny atidoha ny amin’ny fisian’ny tenan-javatra bitika mampangidihidy, ary izy io kosa no mibaiko ny orona mba hamoaka zavatra mitsiranorano, ny lelo, izay handray anjara amin’ny fanesorana ilay tsy irina. Mibaiko ny havokavoka mba hameno rivotra ny tenany koa izy, avy eo ny tadim-peo mba hanakatona ny lohatraoka tsy hivoahan’ny rivotra. Mahazo baiko mba hihenjana ny siraky ny tratra sy ny siraky ny kibo, izany dia mahatonga ny rivotra voatazona ao amin’ny havokavoka ho voatsindry. Amin’ny farany dia mihamivaha ny tadim-peo, ary mivoaka ilay rivotra voatsindry, amin-kery ampy matetika mba handroahana ilay tenan-javatra mampangidihidy ary hamoahana azy miaraka amin’ny lelo. Tanteraka tsy misy fahatsapan’ny tenantsika ho manao ezaka io asa io, ary ao anatin’ny fotoana mbola fohy kokoa noho izay ilaina mba hamakiana azy.

Matetika, dia fisehoan’ny tsy fahazakan’ny vatana mahazatra fantatra amin’ny anarana hoe “rhume des foins”, ireo evina miverimberina. Ny vovobony no mahatonga ny hidihidy, ary na dia toa mamela hino izany aza ny anaran’ilay aretina, dia tsy hoe tsy maintsy ho ny bozaka na ny ahitra vao avy notapahina no mahatonga izany. Vovobony maro samy hafa, na tokana monja aza, dia mety hahatonga ilay tsy fahazakan’ny vatana. Manazava ny antony anahian’ireo izay mararin’ny “rhume des foins” ireo fotoana misy rivotra mahery sy maina mitsoka mandritra ny andro maro ao anatin’ny taona izany. Raha vao mangidihidy ny lavak’orona ka manomboka ny evina mifampitohitohy, dia toa mampihetsika ny aretina avokoa na dia ny singam-bovoka bitika indrindra aza, izay tsy misy heriny anefa amin’ny toe-javatra hafa.

Hevero ny hafa

Rehefa tsentsina ny orona noho ny sery mahery, dia mety ho tsapa ny fanamaivanana sasantsasany rehefa mievina, satria manamora ny fisefo ny fivoahan’ny lelo. Nefa inona no vokatry ny evina tsy voatampina eo amin’ireo izay manodidina antsika?

Miaiky ireo mpitsabo fa mbola tsy fantatr’izy ireo tanteraka ny fomba ihanahan’ny sery, saingy ahiahin’izy ireo mafy fa mety ho tratran’ny sery ny olona iray amin’ny fitrohana tsimokaretina miparitaka eny amin’ny rivotra noho ny evina. Efitrano kely iray mihidy sy nohafanaina, na koa fiarabe iray na efitra eny amin’ny fiarandalamby feno hipoka sy tsy idiran-drivotra, izany dia hahafeno ireo fepetra manamora ny fifindran’aretina. Aretina hafa, toy ny gripa, ny kitrotro, ny donika, ny pnemônia, ny raboka ary ny kohadavareny no mifindra koa amin’ny alalan’ny evina.

Nampiseho ny fandinihana natao momba ny herin’ny evina, fa ireo piti-drano mitondra tsimokaretina dia mivoaka amin’ny orona sy ny vava amin’ny hafainganam-pandeha mihoatra ny 160 kilaometatra isan’ora ary afaka mipetaka eo amin’ny velarana lavitra any amin’ny efatra metatra eo ho eo. Piti-drano hafa, izay mitsingevaheva eny amin’ny rivotra mandritra ny fotoana fohy, no mety ho voatrokan’izay rehetra mandalo eo akaiky eo.

Azo atao ve ny mitazona evina?

Maro ireo fomba efa nandramana nahazoam-bokatra ihany. Manantitrantitra ny fisakanana ny “fipoahana” amin’ny fanindriana mafy amin’ny ratsantanana ny molotra ambony, eo ambanin’ny orona indrindra, ny hafa. Hisy asany eo amin’ireo fitatitra tafiditra amin’ny fihetsehan’ny evina io fanindriana io. Ny fomba hafa iray dia ny manisin-delo rehefa injay tsapa fa ho avy ny evina.

Rehefa miseho ny evina maharitra na ny krizy mitaiza, dia mandaitra indraindray ny evoka, eny fa na dia evoka eton-drano fotsiny aza. Mety hanazava ny antony mahatonga olona maro izay voan’ny “rhume des foins” hahatsapa fanamaivanana mandalo rehefa mandro ao amin’ny efitrano iray feno eton-drano izany.

Rehefa nandeha ireo taona, dia naroso izao karazana teknika sy fomba fanao rehetra izao, ny sasany marim-pototra, ny hafa haitraitra. Efa nandramana ary nahitana fahombiazana kely ireo “crème anesthésique” ho an’ny aty orona. Mampiasa fanafody fampitonena, fanafody atsindrona, atete, pilina, sotroina, “psychothérapie”, fandorana ny aty orona na koa evoka tongolo gasy na “raifort” ny fitsaboana sasany. Misy koa fomba fanao hafahafa kokoa toy ny hoe: asiana faneren-damba miahy ny orona na mena-kisoa ny tarehy, tanisaina mivadika ny abidy na manao tsingolobatita.

Tandremo, na izany aza! Tsy dia ampirisihana foana akory na ny fitazonana na ny fisakanana evina; mety hitarika fandehanan’ny ran’orona izany, no sady mampandeha ireo tsimokaretina any amin’ny “sinus” ary mahamora amin’izany ny fiparitahan’ny aretina. Mahalam-pitranga, kanefa mety hiseho koa ny fahatapahan’ny taolan’orona na ny an’ny tava; nisy mihitsy aza fitantarana fisehoana fivikan’ny taolana kely ao amin’ny antenatenan-tsofina.

“Velona e!”

Any amin’ny tany maro, dia fomba ny milaza amin’ilay olona vao avy nievina hoe “velona e!”. Fantatrao ve ny niavian’io fanao io?

Araka ilay boky hoe Avy aiza izy io? (anglisy) nosoratan’i R. Brasch, dia ninoana taloha fa manambara ny fahantomoran’ny fahafatesana ny evina. Toy izao no vakina: “Miorina amin’ny hevitra diso, kanefa miely patrana io tahotra io. Fototry ny fiainana no niheverana ny fanahin’ny olombelona. Koa satria nitsahatra tsy nisefo tanteraka ireo maty, dia notsoahina tamin’ny fomba diso avy tamin’izany fa ny fisefo no fanahy. (...) Tsy mahagaga àry raha efa hatramin’ny taloha ela tany, no nanana fahazarana natahotra ireo evina ny olona ary nirary fatratra ny hanampian’Andriamanitra ilay nievina, ny hitahiany azy ary ny hamelany azy ho velona. Noho ny antony iray tsy fantatra, dia nanjary hadino ny fiandohana tranainin’io fanao io tamin’ny Taona Antenatenany, satria nolazaina fa ny papa Grégoire le Grand no niavian’ny fitenenana hoe ‘velona e!’ tamin’izay rehetra nievina.”

Tadidio ny mosaranao

Angamba ianao ho gaga raha mahafantatra fa nampiasaina, nahodina ho amin’ny fikendren-javatra ratsy ny evina. Taonjato iray lasa teo ho eo izay, tany Angletera, dia nandefa paraky teny amin’ny tarehin’ny olona norobainy ny mpangalatra sasany ary nanararaotra ny krizina evina mafy nanaraka izany mba hanendahana ireo zavatra sarobidy teny amin’izy ireny.

Vitsy amintsika no ho tratran’ny loza toy izany. Kanefa na mahatsiaro ho te hievina tampoka isika na tena mbola ao anatin’ny krizy, dia fanehoana fiheverana ny tsy maintsy hanampenana ny orona sy ny vava amin’ny mosara na tapa-damba matevina iray. Io fihetsika io dia tsy fanehoana fahalalam-pomba fotsiny, fa fitandremana lehibe koa. Misoroka ny fiparitahan’ny piti-drano misy otrikaretina eny amin’ny rivotra izay ho voatrokan’izay rehetra mandalo eo izany. Ny fiarovana ny hafa amin’ny aretina amin’ny fanaovana izay rehetra azo atao mba hamerana ny fihanaky ny otrikaretina, dia fitiavana ny mpiara-belona amin’ny tena koa.

Tsy fahendrena na ho azo atao hatrany ny hisakana evina. Kanefa matokia fa hankasitraka hatrany ny fiheveranao azy amin’ny fanaronanao ao anaty mosara io evina io ny hafa.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara