FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g91 8/10 p. 24-25
  • Misy marina ve ny Devoly?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Misy marina ve ny Devoly?
  • Mifohaza!—1991
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ahoana no hanazavana ny fomba fihetsiky ny olombelona?
  • Fa nahoana izy no manana fandaminana iray?
  • Iza no milaza ny marina momba an’i Satana?
  • Tena Misy ve ny Devoly?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • Ilay fahavalon’ny fiainana mandrakizay
    Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-Tany
  • Tena Misy ny Devoly
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
  • Tahafo i Jesosy ka ‘Tohero ny Devoly’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
Hijery Hafa
Mifohaza!—1991
g91 8/10 p. 24-25

Ny Fiheveran’ny Baiboly

Misy marina ve ny Devoly?

FONY ianao ankizy, moa ve natahotra ny haizina ianao? Angamba noheverinao fa misy biby sampona mitily anao eo amin’ny varavarankely, vonona haka anao an-keriny. Amin’izao fotoana maha-lehibe anao izao, efa afaka mamaky fanazavana miorina amin-javatra mitranga sy manjohy hevitra voafotopototra tsara kokoa, dia hitanao ho hadalana ireo tahotrao fony ankizy. “Noho izany, hoy ny sasany, nahoana no tsy handeha lavitra kokoa ka hametraka ny Devoly ao amin’ny sokajin’ireo biby sampona noforonin’ny eritreritra izay manelingelina ny sain’ny ankizy?”

Moa àry ve ny Devoly mety ho fisiana noforonin’ny eritreritra? Izany indrindra no antitranterin’ny bokikely ara-pivavahana iray, amin’izao teny izao: “Tsy miresaka ny amin’ny biby sampona mampidi-doza karazan’izany mihitsy ny Baiboly.” Ary nampiany hoe: “Manondro (...) ny fotopototry ny fahotana sy ny faharatsiana tsy misaraka amin’ny maha-olona ny teny hoe Devoly sy Satana.” Ny mpampianatra sekoly alahady iray, any Etazonia, kosa dia nanambara hoe: “Ny olombelona ihany no devoly.” Hitanao ho tena tsotra ve izany rehetra izany, diso tsotra loatra angamba?

Ahoana no hanazavana ny fomba fihetsiky ny olombelona?

Raha toa ka ireo olombelona ihany no devoly misy, nahoana àry no manahy ny amin’ny fahasambaran’ny havany ny daholobe, saiky ny rehetra? Amin’izany, raha raisina eo amin’ny lafiny isam-batan’olona, dia manome izay ho sakafon’ny fianakaviany, ny ankamaroan’ny olona. Ankoatra izany, dia tsy minia mifanapoizina izy ireo ary misoroka izay mahatandindomin-doza ny fiainany. Tsy misy maha-devoly an’izany rehetra izany mihitsy. Raha manao zavatra rodobe anefa ireo olona ireo ihany amin’ny maha-firenena, dia misy zavatra manakana azy ireo tsy hiasa ho an’ny tombontsoa iombonany. Avelany ho lo àry ireo ambim-bavany amin’ny sakafo toy izay homena ho sakafon’ireo mosarena, lotoiny ny tontolo iainana ary angoniny ny fiadiana na dia atao aza hoe hifandringana ao anatin’ny ady ataomika izy ireo. Fihetsika famonoan-tena hafahafa!

Hery mitaona inona no mitarika ny olombelona hanaraka fomba fihetsika tsy mifandrindra toy io? Ny ataon’ny besinimaro ve? Ny fihetsika tsy voafotopototra tsaran’ny mpitondra vitsy monja? Miharihary fa lalindalina kokoa ilay antony. Ny Baiboly irery no mampahafantatra ilay ‘manajamba ny sain’ny fandehan-javatra’ iray maneran-tany voaforon’ireo tsy mino. Iza izy io? “Izay atao hoe devoly sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao. ” Hainy erỳ ny mampiasa ny antokon’olombelona ka nantsoin’ny Soratra masina hoe ny “andriamanitr’ ”izao fandehan-javatra maneran-tany izao izy. — 2 Korintiana 4:4; Apokalypsy 12:9.

Io ‘andriamanitra’ io dia tsy trimobe iray izay hitily anao eo amin’ny varavarankely mihitsy. Zavaboary ara-panahy tsy hita maso kosa izy io, mpitondra ara-politika miavaka, izay afaka nanolotra an’i Jesosy ireo fanjakana rehetra teto amin’izao tontolo izao fony izy sasa-poana nangataka taminy fihetsika maneho fankatoavana. (Lioka 4:6, 7). Azo atao ny mihevitra fa efa nanome fahefana toy izany ny hafa i Satana talohan’ny nanolorany izany an’i Jesosy, satria mampiseho ny bokin’i Daniela ao amin’ny Baiboly fa noho izy ireo nanaiky hiara-miasa, dia nisy anjely nikomy nahazo ny fanapahana teo amina herim-panjakana ary nitondra ny anaram-boninahitra ôfisialy toy ny hoe “andrianan’i Persia” na “andrianan’i Grisia”. — Daniela 10:20, 21.

Nanorina fandaminana lehibe aoka izany àry i Satana: sady “filohan’izao tontolo izao [hita maso] izy” no “filohan’ireo demonia [tsy hita maso] koa”. (Jaona 14:30, MN; 16:11, MN; Matio 12:24, MN.) Manazava zavatra betsaka ny fahafantarana fa lohan’ny fandaminana eo amin’izao rehetra izao iray ny Devoly.

Fa nahoana izy no manana fandaminana iray?

Toy ny fahafahan’ny mpianto-draharaha amin’ny fanaovana heloka be vava voalamina manara-maso sampan’asa tsy ara-dalàna maro — fivarotana zavatra mahadomelina, fivarotan-tena, halatra, filokana, fanondranana entana an-tsokosoko, sns. — kanefa tsy mampahafantatra ny tenany manokana amin’ireo mpanatanteraka rehetra, dia toy izany koa fa mampiasa fandaminana iray i Satana mba hampiasana olona maromaro kokoa ihany, zavatra izay tsy vitany raha izy irery. Ny fomba fiadiany? Ankoatra ny famelezan’izy ireo matetika ny olona sasantsasany, dia mitarika ny sarambaben’olona toy ny mitarika andiam-biby fiompy izy sy ireo demoniany. Tsy ilaina hotarihina isam-batan’olona tokoa ny olombelona rehetra. Ampy fotsiny ny hametrahana ny sasantsasany eo alohan’ny andiany, dia manaraka ny maro. Ireo izay mihataka ihany no hoheverina manokana.

Eny, persona tena misy tokoa ny Devoly, saingy tsy mifanaraka loatra ny tena maha-izy azy sy ny sary mahatsikaiky atao na ny hevitra manjavozavo ananan’ireo têolôjiana ny aminy. Manjavozavo hoe? Toy izany tokoa izy ireny, vavolombelon’izany ity fanamarihan’ny boky hoe Sarin’i Satana (anglisy) ity: “Nihalefy ny finoana ny amin’i Satana” tamin’ny taonjato faha-19, ary “niezaka nampiseho an’i Satana ho toy ny zavatra hafa fa tsy fisiana ara-panahy” ireo teôlôjiana.

Iza no milaza ny marina momba an’i Satana?

Ny fahamailahan’ireo fivavahana amin’izao fotoana izao hiahiahy ny amin’ny fahamarinan’izay lazain’ny Baiboly momba an’i Satana dia mifanitsy amin’ny fanirian’ny antokon’olona materialista izay mihamisalasala ny amin’ny fisian’Andriamanitra mihitsy aza. “Amin’izao androntsika izao, hoy ny fanazavan’i Ruth Ansher ao amin’ilay bokiny hoe Ny Devoly, zava-misy iray (anglisy), dia nanjavona ny Devoly, ary (...) na Andriamanitra aza dia nihataka any an-tsisiny.”

Amin’ny fiahiahiana ny amin’ny fahamarinan’ny hevitry ny Baiboly momba ny Devoly, dia mandà ny hevi-dehibe iorenan’ny Tantara ireo “manam-pahaizana manokana” ara-pivavahana, raha ny marina. Araka ny nolazain’ilay mpanoratra tantara noforonina avy any Roumanie atao hoe Eugène Ionesco tao amin’ny laharan-tsoratry ny gazety mpivoaka isan’andro alemanina iray, dia “tsy ho takatry ny saina ny Tantara raha toa ka tsy heverina ny fisian’ilay Fetsy”. — Welt am Sonntag, 2 Septambra 1979.

Moa ve tsy misy olona manana herim-po hanala sarona ny anjara raisin’i Satana amin’ny fahasahiranana iraisam-pirenena amin’izao fotoana izao? Eny, misy tokoa! Hevero ilay “Fanambarana manohitra an’i Satana ary miandany amin’i Jehovah”. Tamin’ny fandaniany niaraka io fanapahan-kevitra io tamin’ny fivoriambe iray natao tamin’ny 1928, ireo Vavolombelon’i Jehovah dia nanao hiakan’ady nanohitra an’ilay fahavalon’ny olombelona, dia ny Devoly, nanolo-tena hitory fa ny ady lehibe Haramagedona dia hahatsinontsinona tsy ho ela intsony an’i Satana sy ny fandaminany mampidi-doza.

Noho izany, manamarina ny Tantara fa fahavalo iray tena misy ny Devoly, fahavalo iombonan’ny olona rehetra. Kanefa, miharihary fa tsy mamela antsika tsy hanam-piarovana i Jehovah. Nahoana raha mandalina ilay raharaha kokoa? Tombontsoa ho antsika tokoa ny mahafantatra ilay fahavalontsika, “fandrao ho resin’ny fitak’i Satana isika, fa fantatsika ny hafetseny”. — 2 Korintiana 2:11.

[Teny notsongaina, pejy 25]

“Amin’izao androntsika izao, dia nanjavona ny Devoly, ary (...) na Andriamanitra aza dia nihataka any an-tsisiny.”

[Sary, pejy 24]

Samy hafa tokoa amin’ny ampisehoan’ireo fivavahana azy sy ny sary omen’ireo teôria manjavozavon’ireo teôlôjiana ny Devoly.

[Sary nahazoan-dalana]

Gustave Doré

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara