FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g90 8/1 p. 30-31
  • Fanantenana iray ny amin’ny hoavy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanantenana iray ny amin’ny hoavy
  • Mifohaza!—1990
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny Finoana sy ny Hoavinao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Misy Heriny eo Amin’ny Fiainanao ve ny Kintana?
    Mifohaza!—2012
  • Inona no Ampanantenain’ny Hoavy Ahy?
    Manontany ny Tanora—Valiny Mandaitra
  • Tanteraka Izay Nambaran’ny Baiboly Mialoha
    Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
Hijery Hafa
Mifohaza!—1990
g90 8/1 p. 30-31

Fanantenana iray ny amin’ny hoavy

“Raha tsy misy fahitana dia atondraka hanaram-po amin’izay tsy mety ny olona”, hoy ny nosoratan’ny mpanoratra iray ao amin’ny Baiboly fahiny ela be. (Ohabolana 29:18) Mila fahitana ny olona, izany hoe fanantenana hoavy sambatra, raha tsy izany dia kivy izy ireo ka tsy mahay mandanjalanja intsony mihitsy. Kanefa hoavy manao ahoana moa no azo antenaina?

Tamin’ny taona 1988, ny fifaninanana manao lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe “Ny Feon’ny demokrasia” dia nanana lohahevitra hoe “Aoka homanintsika ny hoavin’i Amerika”. Tao amin’ny fanjakan’i Virginie, ny loka voalohany ho an’ny faritany dia lasan’ny tovovavy vavolombelon’i Jehovah 16 taona. Nasaina koa izy io hanao ny famelabelarany teo anatrehan’ny olona eo amin’ny zato nandritra ny fivorian’ny mpiady tranainy. Navoaka tao amin’ny gazety teo an-toerana, ny “Saltville News-messenger” tamin’ny 15 desambra 1988, ny lahatsorany. Vakio izany, dia ho fantatrao hoe nahoana io zatovovavy io no manantena hahita hoavy sambatra.

“Alao sary an-tsaina kely hoe eo amin’ny toerana paradisa iray ianao. Manitsaka karipetra ahi-maitso kanto ianao. Tsy lavitra anao, dia misy riana mitosaka manaraka ny vatolampy eo amin’ny tehezan-tendrombohitra. Eo ambony lohanao, ny hazomalahelo miondrika manoloana karipetram-biolety izay mamoaka hanitra mamerovero. Tazana erỳ lavitra erỳ ny serfa eo am-piraofana ahitra. Manatona anao ny bera ary mamela anao hanafosafo ny volony matevina. Manenika ny habakabaka amin’ny kalony mahafinaritra ny vorom-paradisa. Moa tsy fahitan-javatra mahatalanjona ve izany? Hoavy kanto re izany!

“Inona no tsy ampy amin’io sary io? Tsy niresaka vakin-tavoahangy na kapoakan-java-pisotro mandoto ny riaka taminao aho. Tsotra ny antony! Tsy misy izany ao. Tsy nanisy fitenenana ny amin’ny fanahiana izay manamaloka ny endrikao rehefa mieritreritra ny fandrahonan’ny ady noklehera iray aho, satria tsy nisy izany teo. Tsy nanambara taminao aho fa roa volana sisa hiainanao dia ho faty noho ny SIDA ianao, satria tsy nisy koa izany. Mifanaraka amin’ny zava-misy ve io sary io? Tsy sarotra ny mamaly izany. Raha izany no izy, hoavy manao ahoana no azon’ny Amerikana antenaina?

“Tao anatin’ny efapolo taona, nanomboka tamin’ny 1945 ka hatramin’ny 1985, dia nandany 82 lavitrisa dôlara i Etazonia mba hanamboarana loha noklehera 60 .000, izany hoe efatra isan’andro, na loha noklehera 1500 isan-taona. Miteny ho azy ny teny hoe ‘fandotoana’. Hita manodidina antsika sy ao amin’ireo fanjakana eo akaiky ny vokatr’io loza io. Mikoriana tsy lavitra eto ny renirano iray izay manondraka zaratany maromaro hafa: ireo ranony dia maty ary mamofon’ny faikan-javatra simika. Inona no niafaran’ireo velaran-tany midadasika namaritra ny sisin-tanin’i Amerika nobanjinin’ireo mpisava lalana? Tombanana fa amin’ny taona 2000 ny telo ampahefatry ny mponina dia hipetraka an-tanàn-dehibe.

“Ankoatr’izany, dia nirodana ny hevitra tsara ara-pitondrantena. Noho ny taona maro nanaranam-po tamin’ny fahalotoam-pitondrantena, ankehitriny ny tanànan’i New York fotsiny dia ahitana mpitondra otrikaretina SIDA 25 000 ka hatramin’ny 400 000, izay andaniana 50 000 dôlara isan-taona sy isaky ny marary ny fitsaboana azy. Porofo hafa mampiseho ny fianjeran’ny fefy ara-pitondrantena ny fisian’ny zatovo amerikana 12 tapitrisa manana firaisan’ny lahy sy ny vavy. Tsy mahagaga àry raha mitana ny loha laharana eo amin’ny firenena mandroso amin’ny taozava-baventy i Etazonia raha ny amin’ny ampahan’ny zatovovavy bevohoka. Tokony homarihina koa ny tsy fanaovana ny marina. Ireo mpiasa tsy marina, mangala-potoana fiasana amin’ny mpampiasa azy dia andanian’ny fanjakana 170 lavitrisa dôlara isan-taona amin’ny tsinontsinona.

“Tsy miafina amintsika rehetra ireo loza ireo, ary tsy mitsimbina na iza na iza. Misy tokoa zavatra mahakivy, saingy mieritreritra indray ny tonon’ity poezia henoko indray andro ity aho: ‘Nijery tany ambadiky ny makarakara vy avy eo amin’ny efitra kelin’ny tranomaizina ny mpigadra roa. Ny iray tsy nahatazana afa-tsy honahona, ny iray teo anilany nibanjina ny kintana.’ Mba hahitana ny fanafodin’ireo fahoriana ireo, dia ilaintsika koa ny manopy ny masontsika hiandrandra hijery ny kintana, izany hoe hijery ny hoavy amim-patokiana. Hatramin’ny an’arivony taona maro, ny olombelona dia nifidy fitondram-panjakana ho an’ny tenany, samy hafa, kanefa tsy nisy tamin’izy ireny naharitra na nahatratra ny zava-nokendreny. Nilaza ny mpaminany iray fahizay fa ‘tsy an’ny olombelona ny lalan-kalehany’. Raha ny amin’ny mpanjaka hendry iray dia nanamafy izy fa mampidi-doza ny fanapahan’ny olona ny namany. Raha ny amin’ny fanantenana ny hoavy, aoka isika hibanjina ny kintana, nefa tsy ny kintan’ny sainam-pirenena, na izay dinihin’ireo mpanandro mihambo ho mahay mamaky ny hoavy. Tsia, tokony hibanjina Ilay avo noho ny kintana isika, dia ilay Mpamorona antsika.

“Mampanantena ny Mpamorona antsika, ao amin’ny Salamo 46:9 fa hamarana ny ady izy, ary ny Apokalypsy toko faha-11, andininy faha-18 dia manome toky antsika fa hanimba izay manimba ny tany izy. Azontsika atao koa ny miandry amim-patokiana ny fahatanterahan’ny Daniela 2:44, izay manambara fanjakana iray, dia fitondram-panjakana haharitra mandrakizay. Io fitondram-panjakana tonga lafatra io no hanao ny tany ho tonga ilay nalaintsika sary an-tsaina teo iny.

“Ny fianarana Baiboly dia mampiharihary amintsika izay hataon’Andriamanitra ho antsika amin’ny hoavy. Nahatsapa izany ny filoha Reagan. Nosoniaviny tokoa ny fanapahan-kevitra iray nolanin’ny fivorian’ny Kongresy roa, nanao ny taona 1983 ho ‘taom-pirenena ho an’ny Baiboly’. Nampiseho io fanapahan-kevitra io fa ‘mila mianatra sy mampihatra ny fampianaran’ny Soratra Masina ny firenena.’ Nanontany toy izao Andriamatoa Reagan: ‘Nahoana moa isika raha mba mandalina, sy mianatra ary miezaka hampihatra ny hafatra lehibe indrindra tsy misy toy izany voasoratra hatramin’izay, dia ilay voatahiry ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, izany hoe ny Baiboly Masina? Manolotra fanafodiny ho an’ny zava-manahirana ny olombelona rehetra io boky io.’

“Alao sary an-tsaina indray ny toerana paradisa iray. Ny amin’io hoavy io no antenaiko, ny tontolo iray hisy olona hohetsehin’ny fitiavana, ny fanaovana ny marina, ny fahatsorana. Ny loza mianjady amin’i Amerika dia mba mahazo ny firenen-kafa koa. Ampy hampiaiky ny amin’izany ny famakiana gazety na ny fanarahana fampahalalam-baovao ao amin’ny fahitalavitra, fandaharana ataon’i Tom Brokaw. Ny Mpamorona antsika ihany no afaka mampanjavona ireny fahoriana ireny. Namorona ny tany mba ho paradisa izy. Efa nandre firesahana ny amin’ny zaridainan’i Edena izay nametrahany an’i Adama sy Eva ve ianao? Mino mafy aho fa hotanterahiny tokoa ny fikasany. Anjarantsika ny matoky azy. Aoka àry isika hamantatra izay ambaran’ny Baiboly ka hanovo herim-po amin’ny fanantenana ny hahita io hoavy sambatra io.”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara