FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g90 8/1 p. 28-29
  • Indray mitopy maso maneran-tany

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Indray mitopy maso maneran-tany
  • Mifohaza!—1990
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • FAHAFAHANA ARA-PIVAVAHANA ANY MOZAMBIKA
  • NISY NITORY NY FOIBE FANOMEZAN-DRA
  • ILAY KIRIHITRALA FIAROVANA
  • “TSY AZO INOANA MIHITSY”
  • MAMONO IREO HAZO NY FIEREMANA
  • IREO ADY TAMIN’NY 1988
  • TSIAMBARATELO MOMBA NY FAMBOLEN’NY NTAOLO
  • FAKO ENY AMIN’NY HABAKABAKA
  • FIVAROTAN-TENAN’NY ANKIZY ANY PHILIPPINES
  • MATY ARA-PANAHY HOE?
  • “Ireo zava-manahirana ara-pitsarana ateraky ny fampidiran-dra”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Ilay Zanabolana Voatr’olombelona Iraisam-pirenena — Laboratoara Mihodinkodina
    Mifohaza!—1999
  • Ny Fampidiran-dra — Tsy Mampidi-doza Ve?
    Ahoana no Ahafahan’ny Ra Mamonjy ny Ainao?
  • Famonjena ny aina amin’ny alalan’ny ra — Amin’ny fomba ahoana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
Hijery Hafa
Mifohaza!—1990
g90 8/1 p. 28-29

Indray mitopy maso maneran-tany

FAHAFAHANA ARA-PIVAVAHANA ANY MOZAMBIKA

Nilaza ny gazety Africa News fa nomena fahafahana ara-pivavahana sasantsasany ny Vavolombelon’i Jehovah any Mozambika tamin’ny 1988. Tamin’ny 1975, ny fitondram-panjakana dia nanao sesitany ny an’arivony maro tamin’izy ireo ho any amin’ny faritra lavitra be any avaratry ny tany satria nanda ny hamerina teny atao filamatra ara-politika izy ireo, zavatra izay mandika ny feon’ny fieritreretany voavolavolan’ny Baiboly. Nitoka-monina tany izy ireo hatramin’ny 1986, rehefa tonga nanafika azy ny mpikomy tamin’ny fitondram-panjakan’i Mozambika, ka naka an-keriny sy nanandevo vehivavy maro ary ny antsoina hoe tafiky ny fahafatesana dia namono am-polony maro taminy. Nandositra nankany Malawi, tany mifanila amin’i Mozambika, izy ireo, fa i Malawi kosa dia nangataka mafy ny Firenena mikambana mba hampiala azy ireo avy tao amin’ny taniny. Tamin’izay ny fitondram-panjakan’i Mozambika no nanafoana ny fandrarana izay nandefa an-tsesitany ireo Vavolombelona, ka namela ny hiverenan’izy ireo any amin’ny fonenany izay nilaozany 14 taona talohan’izay. Mbola mitana amim-pahatokiana ny fialanalanany kristiana ihany izy ireo. Azo deraina ny fitondram-panjakana eo an-toerana noho ny famelana azy ireo hiaina sy hanao ny fanompoam-pivavahany amim-pilaminana.

NISY NITORY NY FOIBE FANOMEZAN-DRA

Vao voalohany izao no nahazoana fandresena ny fitoriana ny foibe fanomezan-dra iray any Etazonia noho izy io nanome ra izay namindra ny viriosin’ny SIDA mahafaty tokoa tamin’ny olona iray nomena ra. Ilay niharam-pahavoazana dia ankizilahy kely dimy taona, izay nomena ra nandritra ny fandidiana ny fony, iray volana monja taorian’ny nahaterahany. Ny mpisolovavan’ny fianakavian’ilay zaza dia nanazava tany amin’ny fitsarana fa ilay foibe fanomezan-dra dia sady nanao tsirambina teo amin’ny fizahana sy ny fifantenana ny ra no nampiasa famitahana satria, noho ny faniriany hahazo tombombarotra, dia tsy navelany hanome ny ran’ny tenany ilay fianakaviana. Araka ny The New York Times, ireo mpitsara dia namoaka didim-pitsarana fa nanao tsirambina tokoa ilay foibe fanomezan-dra ary nanaiky ny hanome 750 000 dôlara an’ilay ankizilahy kely sy ny ray aman-dreniny ho onitra noho ny fahavoazana nihatra taminy.

ILAY KIRIHITRALA FIAROVANA

Ireo fandaminana miahy ny amin’ny fiarovana any Etazonia, toy ny CIA, ny tafika, ary ny NASA, dia niverina ho amin’ny hevitra tranainy iray mba hiarovana ny taniny: ny kirihitrala. Fampiasa mba hanaovana fefin’ny valam-biby fiompy izy io, zato taona lasa izay, ary mety ho tsy manafina na inona na inona ireo hazo madinika raha jerena avy atỳ ivelany, kanefa ireo raviny dia manafina fiadiana tsy ampoizina: tsilo 10 sentimetatra ny halavany ary maranitra toy ny hareza. Ambonin’izany, araka ny gazety Discover, “rehefa lehibe ilay fefy masiaka vita amin’ny hazo maniry io dia matevina aoka izany ka afaka manajanona “jeep” ”. Kely dia kely ny vidiny raha oharina amin’ny fefy vy, kanefa maharitra avo telo heny. Hazom-boasary manan-dravina mizara telo (trifoliate orange) no tena anaran’io hazo maniry mampitahotra io, fa nomena ny anaram-bosotra hoe P. T., fanafohezana ny hoe “Pain and terror” (Fanaintainana sy Fampitahorana) izy.

“TSY AZO INOANA MIHITSY”

Mbola very hevitra ihany ireo manam-pahaizana raha ny amin’ny niavian’ny fiainana. Ilay gazety frantsay mivoaka isan’andro hoe Le Figaro dia nanao izao fanamarihana izao rehefa avy nanao tatitra ny amin’ny fivoriambe nataona mpandinika ny zava-manana aina (biologistes) maromaro tany Paris: “Avy aiza no niavian’ny fiainana? (...) Nisy fandraisana anjara avy any amin’ny habakabaka ve, tamin’ny alalan’ny mponina avy any ivelan’ny tany na tamin’ny alalan’ny “astéroïdes”? Sa fandraisana anjara avy amin’Andriamanitra? Tsy misy na dia iray aza manana fanazavana ara-tsiansa.” Nanampy toy izao ilay lahatsoratra: “Efa lehibe aoka izany ny fahasamihafana misy eo amin’ireo fandehan-javatra tsy manana aina be kojakojany indrindra sy eo amin’ireo sela tsotra indrindra, hany ka tsy misy na dia iray aza afaka mahatakatra ny fomba nifindrana avy tamin’ny iray nankamin’ilay iray hafa. Ny nipoiran’ny fiainana teto ambonin’ny tany dia voaforon’ny fitohitohizan-javatra tsy azo inoana maro be aoka izany, hany ka manjary tsy azo inoana mihitsy.” Misy anefa ny fiainana. Tsy afaka manazava ny nipoirany teto ny fivoarana miandalana, fa ny Baiboly kosa dia afaka manao izany.

MAMONO IREO HAZO NY FIEREMANA

Saiky ny antsasaky ny ala sarobidin’ny fanjakan’i Uttar Pradesh any India no lany hatramin’ny 1952, kanefa tsy noho ny fikapana ny hazo any an’ala fotsiny. Milaza ny gazety India Today fa ny fakàna tsy ara-dalàna ny ramy (résine) amin’ny hazo kesika no tena manimba indrindra ny ala. Namoaka lalàna momba ny fomba fakàna ramy mba tsy hanimbana ny hazo ny sampana mikarakara ny ala, fa mbola tsy nahavita nampanaja azy hatramin’izao. Ary dia mbola manohy ny fomba fanaony amin’ireo hazo ihany ny olona mpierina, hany ka tsy vitan’ny hoe tsy afaka manome ramy intsony ireo hazo mandritra ireo taona maro ho avy, fa lasa mora azeran’ny tafio-drivotra koa. Ny sasany aza dia mandoro ireo hazo vao avy nakany ny ramy rehetra tao aminy mba hampanjavonana ny porofon’ny asa tsy ara-dalàna nataony. Izany anefa dia miteraka fandoroana ny ala manontolo. “Izany dia ny ohatra tsotra mampiseho fieremana”, hoy ny India Today, dia “ny famonoana ilay biby mitondra harena ho an’ny tena.”

IREO ADY TAMIN’NY 1988

Mbola manohy mijinja ain’olona maro ihany ny ady. Araka ny fanombantombanana sasany, dia nisy ady 22 nifanaovana nanerana ny tany tamin’ny 1988, ady izay nahafaty olona 416 000. Araka ny talen’ny Labôratoara Lentz momba ny fikarohana ny amin’ny fandriampahalemana any St. Louis, Missouri, any Etazonia, ny antony nahatonga ny ady voalohany indrindra dia ny tsy fifanarahana ara-poko izay niisa ho fito. Anisan’ireo antony hafa ny fikomiana avy tamin’ny antoko politika ankavanana na ankavia, ny fikatsahan’ireo antoko ara-pivavahana mpifaninana ny fahefana, ny fifandonana momba ny faritany, ary ny ady ho amin’ny “fahaleovantena”. Ny ankamaroan’ireo maty anefa dia tsy miaramila, fa sivily.

TSIAMBARATELO MOMBA NY FAMBOLEN’NY NTAOLO

Vao nahita ny arkeology (mpikaroka ny rakitry ny ela) sasany fa mety hahitam-bokatra kokoa noho ireo fomba fampiasa môderina ny fomba tranainy nampiasain’ireo tantsaha tany Peroa izay efa hadino hatramin’ny taonjato maro izay. Tsotra dia tsotra ny fomba fampiasan’ireo mponina nanodidina ny farihin’i Titicaca hatramin’ny taonjato vitsivitsy lasa izay: ireo tanimboly dia nampakarina toy ny lampihazo iray metatra avo kokoa noho ny tany, ka nirefy 4 ka hatramin’ny 10 metatra ny sakany ary 10 ka hatramin’ny 100 metatra ny halavany, ary nisy lakan-drano mitovy sakany sy halaliny nampisaraka ireo saha. Rehefa tonga ny andro tsy fisian’ny orana, dia noraofina tamin’ny angady ireo ahidrano tao anatin’ireo lakan-drano ary naparitaka teo amin’ireo tanimboly mba hamelombelona ny voly. Koa satria mihazona hafanana ny rano, ireo lakan-drano dia nihazona ireo voly hafana ka niaro azy tamin’ny fanala. Toa afaka mahatohitra ny tondra-drano sy ny hain-tany tsara kokoa noho ny tanimboly mahazatra ireo saha nampakarina. Rehefa natao ny fanandramana tamin’izao andro izao, ireo fomba tranainy dia namokatra saiky avo folo heny noho ny fomba fampiasa mahazatra, ary izany dia tsy nisy vola lany tamina milina na zezika.

FAKO ENY AMIN’NY HABAKABAKA

Ny loza ateraky ny fandotoan’ny olombelona dia mihamihanaka hatrany, ary tonga eny amin’ny habakabaka mihitsy aza. Manomboka mijinja ny vokany ankehitriny ny fandefasana milina hiodina eny amin’ny habakabaka nandritra ny taona maro sy ny tsy firaharahana ny amin’izay poti-javatra tavela any aoriany. Ireo mpanao fikarohana mikasa ny handefa fiara vaovao eny amin’ny habakabaka dia tsy maintsy mihevitra ny hiaro azy ireny amin’ireo poti-javatra eny amin’ny habakabaka izay manana hafainganam-pandeha mahatratra hatramin’ny 12 kilaometatra isan-tsegondra. Amin’izany hafainganam-pandeha izany, araka ny filazan’ny New York Times, ny poti-javatra iray mitovy habe amin’ny kanety dia “manana ny hery mety mipoakan’ny baomba atsipy tanana (grenade) iray”. Ny enjeniera iray aza dia namorona “robot” mpamafa mihodinkodina eny amin’ny habakabaka izay afaka mampisaratsaraka ireo poti-javatra eny ary mifaoka azy. Tsy mora anefa ny manaisotra ireo fako eny amin’ny habakabaka. Madinika loatra ireo tapany ana hetsiny maro ka tsy azo atao ny mahita azy avy atỳ amin’ny tany; kanefa ny habeny dia afaka mamono. Nilaza toy izao tamin’ny gazety Times ny mpanao fikarohana iray: “Sady mahakivy no mahatsiravina ny mahita fa ny faritra izay tokony hadio dia tonga toy ny fanariam-pako ary toa miharatsy foana ny tarehin-javatra.”

FIVAROTAN-TENAN’NY ANKIZY ANY PHILIPPINES

Mihanaka aoka izany ao amin’ny tanàna kely iray any Philippines ny fivarotan-tenan’ny ankizy, hoy ny gazety The New York Times. Tamin’ny 1988, dia lehilahy vahiny 22 no voasambotra noho ny fihazonana trano nampiasainy ho amin’ny fivarotan-tena. Ny iray tamin’izy ireny dia nanana sary maloto an-jatony maro mampiseho ankizilahy kely maro eo an-toerana, miaraka amin’ny anarany sy ny adiresiny. Niezaka ny hampijanona io varotra maharikoriko io ny fandaminana iray eo an-toerana antsoina hoe ny Fikambanan’ireo olom-pirenena ho fiarovana ny ankizy. Nahita fanoherana mahery vaika anefa ny mpikambana ao aminy, ary na dia avy amin’ny ray aman-drenin’ireo ankizy mihitsy aza! Toa hita miharihary fa totofan’ireo vahiny manan-karena mpankao amin’ireny toerana ireny fanomezana lafo vidy ireo ankizilahy kely sy ny fianakaviany. Tombanan’io fikambanana io fa ny ampahatelon’ireo ankizy eo an-toerana no efa nandray anjara tamin’io varotra io. Mahaliana ny fanamarihana nataon’ny Times fa “ny Eglizy katolika mahery be dia tsy niteny firy momba io raharahan’ny fivarotan-tena io (...), fihetsika izay mifanipaka tanteraka amin’ny toerana tanany mafy dia mafy ho fanoherana ny famerana ny isan’ny zaza ateraka.”

MATY ARA-PANAHY HOE?

Tao amin’ny tanàna kelin’i Manerba, eo amoron’ny farihin’i Garda any Italia, tsy ela izay dia nahitana filazana manjo tsy mahazatra iray teo amin’ny tabilao fametahana ireo zava-mitranga. Izao no tapany novakina tamin’ilay filazana nisy sisiny mainty: “Malahelo ny fiangonana mampahafantatra anareo ny fahafatesana ara-panahin’ny tanànan’i Manerba, vokatry ny aretina naharitra sy niharatsy tsikelikely izay nateraky ny fahatongavan’ny mpizahatany sy ny fahasorenana ary ny tsy fankanesana intsony any am-piangonana. Tsy hatao ny fandevenana satria mbola velona ireo nody mandry. Ny faniriana eto dia ny hisaotra ireo olom-bitsy izay manatrika ny lamesan’ny alahady sy izay rehetra mety hihevitra ny hanao izany amin’ny hoavy.” Rehefa niresaka ny amin’izany ny gazety Il Giornale di Brescia, dia nanamarika hoe: “Eo am-pifaranan’ny fahavaratra dia mihena ny isan’ireo ondry, ary isan-taona dia mampanahy hatrany ny fihenan’ny isan’ny mpivory.” Nanampy toy izao ny mpanoratra ilay filazana manjo, dia ilay mompera eo an-toerana, Mario Filippi: “Fantatro fa ao anatin’ny toe-javatra toy izany koa ireo tanàna hafa eo amoron’[ny farihin’]i Garda. Ary angamba hita hatraiza hatraiza io tarehin-javatra io.”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara