Nahoana no avelan’Andriamanitra hisy ny zava-dratsy?
Anisan’ny fiainana ny vaovao ratsy, kanefa nahoana no be dia be toy izao izy ireny? Nahoana no mihanaka tsy misy toy izao ny faharatsiana? Ahoana no hampifanarahana io zava-misy io amin’ny finoana Andriamanitra iray feno fitiavana? Tsy hifarana mihitsy ve ny faharatsiana?
Manome ny valin’ireo fanontaniana ireo ny Baiboly ary koa ny an’ny hafa lehibe toy izany. Mahakasika anao sy ny fianakavianao ireo valiny ireo. Miankina amin’izany ny fahasambaranao. Ny boky Azonao atao ny hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany dia hanome anao indray fanantenana amin’ny fanintonana ny sainao ho amin’ireo valiny omen’ny Baiboly.
Io boky 256 pejy io, mitovy velarana amin’ity gazety ity, dia voaravaky ny sary ahitana fianarana mihoatra ny 150 izay ny ankamaroany dia miloko. Hafaro dieny izao izy io; 480 ariary ihany no takalony.
Aza fady mba alefaso ho ahy, tsy misy fandoavam-bola eo am-pandraisana azy, ilay boky mifono baoritra 256 pejy mitondra ny lohateny hoe Azonao atao ny hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany. Ampiarahiko amin’ity ny fandraisana anjara an-tsitrapo 480 ariary.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 32]
Sary etsy ambadika avy amin’ny Trano fitahirizana ny taratasy tranainy any Etazonia