Indray mitopy maso maneran-tany
FANAIRANA AMIN’NY HOROHORONTANY
Misy mpandinika ny horohorontany nanambara toy izao: “Hisy horohorontany mahatsiravina”, sahala amin’ilay nahafaty olona maro be tany Arménie tamin’ny desambra 1988, “hanjary hitranga matetika sady handrava”. Nahoana? Araka ny voalazan’ny revio New Scientist, dia “mihoatra ny ampahatelon’ireo tanàn-dehibe maneran-tany, izay mahita fitomboana haingana indrindra, no miorina amin’ny faritra azo antoka fa hitrangan’ny horohorontany”. Tombanan’ireo manam-pahaizana fa hahangona mponina eo amin’ny 600 tapitrisa ireny tanàn-dehibe ireny amin’ny taona 2035. Ny ankabeazan’ny fahafatesana, amin’ny horohorontany iray, dia avy amin’ny firodanan’ny trano avo ary, “amin’ny ankamaroan’ny toe-javatra, dia tsy natao afa-tsy hanomezana fialofana vetivety ho an’ny mponina fotsiny ireo trano avon’ny tanàn-dehibe vaovao fa tsy hiadiana amin’ny horohorontany”. Manohy toy izao ilay lahatsoratra: “Ireo tany mahantra no mety hamoy aina be indrindra amin’ireo horohorontany manaraka, nefa tsy hoe tsy ho voa mihitsy akory ireo tany manankarena. Na dia ireo fanorenana aro horohorontany matanjaka indrindra aza dia mety hirodana.”
“VOAHANGY” NOVASOHINA
“I Espaina, izay voahangin’ny fivavahana katolika fahiny”, dia tsy “foiben’ny finoana sy ny fombam-pivavahana intsony, hoy ny nasain’ny revio alemanina Der Spiegel nomarihina. Marika fotsiny sisa ny fivavahana katolika ho an’ny tanora”. Misy mpandinika manazava fa nanjary fombafomba ara-tsosialy fotsiny ny fivavahana, ho ‘fandravahana’ ireo fotoan-dehibem-pianakaviana toy ny fampakaram-bady sy ny fandevenana. “Na dia ireo filaharana nentim-paharazana amin’ny herinandro masina aza, hoy ny anampin’ilay lahatsoratra, dia karazana vako-drazana masina fa tsy fanehoana fitiavam-pivavahana.” Manantitrantitra ny fikororosin’ny fivavahana ny antontan’isa (statistiques). Mihena ny isan’ny pretra satria latsaka ny antsasak’ireo izay maty no soloan’ny vaovao. Ny ampahatelon’ny mponina monja no manatrika lamesa tsy tapaka na mino fa tsy mety diso ny papa. Manohitra ny fampianarana katolika ny ankamaroan’ny vehivavy ka manao izay tsy hiterahana, ary misy fanalana zaza maherin’ny 100 000 sy fisaraham-panambadiana 29 000 any Espaina isan-taona.
LOZA AO AN-TOKANTRANO
Any Frantsa, dia ireo loza any an-tokantrano no mahatonga ny fahafatesan’ny olona eo amin’ny 12 000 isan-taona. Araka ny voalazan’ny Le Figaro, ny ankamaroan’ireo loza (70 %) dia miseho ao an-dakozia, ary ao anatin’ireo dimy taona voalohan’ny zaza no tena mahabe indrindra ny fahavoazana. Fianjerana, fahamaizana, fandoroan’ny rianaratra, fahasemporana noho ny kitapo vita amin’ny plastika ary fahavoazana avy amin’ny fihinanana zavatra fampiasa misy poizina, izany no voalaza fa anisan’ireo antony mateti-pitranga indrindra amin’ny loza any an-tokantrano. Mba hampihenana ny fahavoazana toy izany dia tokony ho nanome ‘baiko tsotra sady hentitra’ ho an’ireo zanany mbola kely ny amin’izay tsy azo atao ny ray aman-dreny. Manampy toy izao ilay lahatsoratra: “Tsy takatry ny ankizy tsara ny fahasamihafana misy eo amin’ny fehezanteny manaiky na mandà. Ny fandrarana dia takatra indrindra amin’ny toetry ny feo.”
TSY FAMPITOHIZANA BANGA
50 taona katroka izay no nampiakaran’ny mpanjono iray ny “cœlacanthe” velona voalohany avy tany anaty rano. Koa satria ireo mpanohana ny evaolisiona mihevitra fa lany tamingana efa hatramin’ny 80 tapitrisa taona eo ho eo io karazana io, dia noheverina ho “fôsily velona” io hazandrano io. Noheverina ho toy ny “fampitohizana banga” teo anelanelan’ny trondro sy ny biby an-tanety voalohany izy io, satria toa nanana havokavoka kely sy tongotra tsizarizary. “Ankehitriny anefa, ireo biôlôjista mpanohana ny evaolisiona izay nandinika santionany velona, dia mihamifanaraka tsikelikely mba hilazana fa tsy fampitohizana banga ny cœlacanthe”, hoy ny ambaran’ny Washington Post. Manondro ny revio britanika Nature io gazety io rehefa milaza fa ireo “toetra mampiavaka ny cœlacanthe heverina fa mampifanakaiky azy amin’ny biby an-tanety dia toa fifanandrifian-javatra fotsiny. (...) Hita fa tsy manana havokavoka mihitsy ny cœlacanthe velona”.
FIAROVANA AMIN’NY HELOKA BEVAVA
Araka ny tarehimarika navoakan’ny ministeran’ny Fitsarana amerikana, ny heloka bevava dia zavatra fahita aoka izany any Etazonia, hany ka 83 % amin’ny Amerikana no hiharan’ny herisetra indray mandeha fara fahakeliny eo amin’ny fiainany, ary 40 % no haratra mandritra ny vaky trano na famelezana iray. Fomba ara-dalàna inona no azon’ny Amerikana antonontonony atao mba hiarovan-tena rehefa misy manarakaraka azy eny an-dalana? Vao haingana ny Daily News Magazine no nanontany izany an’ireo mponina ao New York, izay nahatratraran’ny heloka bevava ny isa be indrindra indray tamin’ny taon-dasa. Ny ankamaroan’ireo valinteny fampihomehezana dia nanoro hevitra ny hananana fihetsika hafahafa, nefa nisy olona iray nanoratra toy izao: “Aoka ianao hanana tahirina nomeraon’ny Ny Tilikambo Fiambenana hatrany any aminao.” Toa tsy an-taratasy fotsiny no anaovan’ny Vavolombelon’i Jehovah izay tsy hahalianana aminy.
MIHABETSAKA NY FAMONOAN-TENA ANY ITALIA
Araka ny voalazan’ny La Stampa, gazety mivoaka isan’andro, dia olona 12 isan’andro amin’ny antsalany no mamono tena any Italia. Niakatra ho 60 isan-jato ny isan’ny famonoan-tena tao anatin’ireo folo taona faramparany, izany hoe ny iray amin’ireo taham-pitomboana ambony indrindra any Eoropa. Inona no nahatonga izany? Araka ny voalazan’i Ferrarotti, mpampianatra sôsiôlôjia, dia mifandray mivantana amin’ny faharavan’ny fifandraisan’ny samy olombelona ny isan’ny famonoan-tena. Ao amin’ny fiaraha-monina ankehitriny izay miavaka amin’ny toe-tsaina fatra-pitia fifaninanana, dia mihalehibe ny fifandrafiana eo amin’ny isam-batan’olona, hatrany amin’ny faritry ny fianakaviana, ka mazàna no miteraka fahatsiarovana lalina ho manirery izany. “Raha ny marina, hoy i Ferrarotti, ny ankamaroan’ny famonoan-tena dia tsy misy afa-tsy fanandramana mamono tena izay mitarika fahafatesana noho ny fahadisoana. Fiantsoana vonjy izy ireny, raha ny marina, antso hananana fifandraisana amin’ny hafa.” Misy vahaolana ve? Mamaly toy izao ny profesora Ferrarotti: “Tokony hantenaina (...) ny fiaraha-monina iray izay hifampihevitra indray ny olona tsirairay eo anivony.”
IZAY MAMOY NO MAHAZO
“Tsy azo lavina ny fanaporofoana: nihodina ho tombontsoan’ny resy ny ady nony farany amin’izao androntsika izao.” Izany no ambaran’ny revio amerikana Parade. Inona no porofo? Samy resy avokoa i Alemaina sy i Japana tamin’ny Ady lehibe Faharoa. Nanomboka tamin’izany fotoana izany sy hatramin’ny 43 taona mahery, dia nitsimbin-tena tamin’ny vidin’ny fanekena hiady ireo tany roa ireo ka nahomby tamin’ny fampandrosoana ny toekareny. Manampy toy izao ilay revio: “Mifanohitra amin’izany, i Etazonia dia nandresy tany Korea, Vietnama, Kiobà, Grenady, Libia, ary tany Liban. Ny Firaisana Sovietika nanao fahirano an’i Hongria sy Tsekoslovakia ary Afghanistan. I Frantsa namoy miaramila tany Alzeria sy tany Vietnama; ary i Grande-Bretagne indray dia niditra niady tamin’i Argentine tamin’ny raharahan’i Malouines.”
BITRO BE LOATRA
Misy mpiompy ao afovoan’i Aostralia tafihin’ny bitro mosarena an-tapitrisany maro. Raha ny marina, dia maherin’ny 200 tapitrisa amin’ireny biby madinika ireny no mameno faritra 220 000 kilaometatra toradroa, ka mihinana izay rehetra lalovany. Mitady fomba vaovao amim-pahakiviana ireo mpahay siansa mba hisakanana ny fitombon’izany. Misy viriosy mahafaty atao hoe “myxomatose” izay nahafahana nisakana ny loza toy izany hatramin’ny 30 taona. Ny bitro amin’izao fotoana anefa toa mahatanty “na dia ireo famelezana mafy indrindra” avy amin’io aretina io aza, hoy ny filazan’ny Australian, gazety iray eo an-toerana. Velom-panahiana ireo mpahay siansa sao hisy “fiantraikany lehibe eo amin’ny biby sy ny zavamaniry ao amin’io kaontinanta io” ny fanafihana toy izany.
FOIBE FIAROVANA AMIN’NY KOLIKOLY
Amin’ny ezaka nokendrena hampirisihana ireo mpiasam-panjakana ao aminy mba hiseho ho marina sy ho tompon’andraikitra, dia mamorona foibe natao hanangonana ireo fitarainana momba ny kolikoly manerana ny faritaniny manontolo i Chine. Manazava toy izao ny revio China Reconstructs: “Ny zava-kendrena, amin’ny lafiny anankiray, dia ny hampirisihana ny vahoaka hanara-maso raha mifanaraka amin’ny lalàna ny asan’ny fitondram-panjakana, ary amin’ny lafiny iray hafa dia ny hanomezana ny vahoaka ny fomba hanalana sarona ny fanararaotam-pahefana ataon’ireo mpandraharaha sy mpiasam-panjakana. Afaka mametraka fitarainana ao ny rehetra, na Sinoa izy na vahiny.” Hita fa nilaina ny famoronana foibe toy izany, satria ny fanovana vao haingana dia nanome ho an’ny mpiasam-panjakana fomba maro kokoa hanaranam-po amin’ny fandraisana kolikoly sy ny fanaovana heloka lehibe. Ireo mpametraka fitarainana, izay tsy ampahafantarina ny anarany mba hisakanana izay mety ho valifaty, dia ampahafantarina ny fiafaran’ilay raharaha. Nokasaina ny hamoronana foibe toy izany isaky ny provansa sinoa hatramin’ny faran’ny volana jona 1989.
AKAIKY KOKOA AN’ ANDRIAMANITRA HOE?
Ny bazilikan’i Saint-Pierre any Roma, izay manana lakroa mahatratra 138 metatra ny haavony, dia hamoy ny anaram-boninahiny amin’ny maha-trano “kristiana” lehibe indrindra eo amin’izao tontolo izao. Miaraka amin’ireo fitarany maro be misy loko samy hafa 4 000, sy ireo andriny 272 araka ny mari-trano grika, ary ny lalantsarany goavana vita amin’ny vatovandana manana velarana 3 hektara, dia ny bazilikan’i Notre-Dame-de-la-Paix, izay miorina ao Yamoussoukro (Côte d’Ivoire) indray hatramin’izao no ho tompon-daka. Rehefa vita izy io dia hisy lakroa manana haavo 149 metatra. Ilay bazilika mihitsy no mirefy 190 metatra ny halavany, izany hoe eo amin’ny in-6 ohatra ny an’i Roma. Ny anatiny, izay manana hafanana antonony, dia omby olona 8 000. 465 metatra ny fitambaran’ny halavan’ilay trano manontolo. Eo akaikiny, i Hassan II mpanjakan’i Maroc, dia manorina ny ho “mosquée” mitafo lehibe indrindra eo amin’izao tontolo izao, any Casablanca, miaraka amin’ny tilikambo iray mahatratra 150 metatra mahery ny haavony.