Ny hoavin’ny fivavahana rehefa heverina amin’ny fiainany tamin’ny lasa
Fizarana faha-4: 1513-607 al. fan. ir. — Firenena iray natokana, tsy mitovy amin’ny hafa rehetra
NARAHINA kotroka sy tselatra ny fahaterahana nalaza iray. 1513 al. fan. ir. ny fotoana, ary ny Tendrombohitra Sinay, izay tany Arabia tamin’izany fotoana izany kanefa any Egypta amin’izao fotoana izao, ilay toerana. Tsy ny nahaterahan’ny olombelona iray izany, fa ny an’ny firenena iray!
Herintaona latsaka talohan’izay izy ireo dia fitambaran’olona angamba teo, amin’ny telo tapitrisa teo notarihin’ny patriarka ary nandevozin’ny herim-panjakan’i Egypta. Izao izy dia vahoaka afaka, vahoaka izay nahatapa-kevitra ny Andriamaniny ny handamina azy ho firenena — kanefa tsy firenena toy ny hafa rehetra akory. Tsy maintsy ho firenena natokana izy ireo, tsy nitovy tamin’izay nisy hatramin’izay na amin’izay hisy atỳ aoriana.
‘Ny Fiangonana sy ny Fanjakana’ — kanefa misy fahasamihafana
Niafara tamin’ny loza ny fanandraman’i Nimroda hampikambana ny fivavahana tamin’ny fitondram-panjakana. Izay hitranga izao teo amin’ny Tendrombohitra Sinay dia fampikambanana nitovy tamin’izany tamin’ny lafiny sasantsasany. Hahomby kokoa ve izy io?
Mila lalàna ny firenena iray. Nomena lalàna fototra folo, izay fantatra amin’ny anarana hoe ny Didy Folo, àry ny Isiraelita, ary koa fitsipika fanampiny 600 teo ho eo. (Eksodosy 20:1-17) Izany dia fitambaran-dalàna niorina tamin’ireo fahamarinana fototra izay nampiharina tamin’ny fivavahana marina foana, ary mbola ampiharina ihany na dia amin’izao taonjato faharoapolo izao aza.
Moa ve ireny lalàna ireny nifototra tamin’ny Lalàn’i Hammourabi efa nisy tamin’izay? Mety hihevitra izany ny olona sasany, satria i Hammourabi, mpanjaka teo amin’ny taranak’andriana voalohany tany Babylona, dia efa nanjaka mahery lavitra ny taonjato iray sy tapany talohan’ny nahatongavan’ny Isiraely ho firenena iray. Tamin’ny 1902 ny Fitambaran-dalàny dia hita voasoratra teo amin’ny vato fanoratana iray izay tao amin’ny tempolin’i Mardoka tany Babylona tany am-boalohany. Namarana toy izao anefa ny boky hoe Ireo Tahirin-kevitra tamin’ny andron’ny Testamenta Taloha (anglisy): “Na dia eo aza ny fitoviana maro, dia tsy misy antony tokony hiheverana fa nisy fakan’ny soratra hebreo mivantana avy tamin’ny soratra babyloniana. Na dia eo amin’ny toerana tsy isian’ny fahasamihafan’ireo antokon-dalàna roa ireo firy eo amin’ny soratra aza dia samy hafa dia samy hafa izy ireo raha ny amin’ny saina namoaka azy.”
Izany dia fomba iray monja tsy nitovian’io firenena io tamin’ny hafa. Afa-tsy izany koa, tany am-boalohany dia tsy natao hanana mpanapaka olombelona izy io. Mpanjaka tsy hita maso iray any an-danitra no tokony hitarika azy, ka noho izany dia hahatonga io firenena io ho hafa tanteraka, tsy tahaka ny hafa rehetra. Efa ho 400 taona tatỳ aoriana vao nisy tarana-mpanjaka olombelona nampidirina. Kanefa na dia tamin’izay aza, dia tsy nanam-paharoa mihitsy io firenena io. Tsy nihambo ho Andriamanitra na taranak’Andriamanitra, toy ny nataon’ireo Faraon’i Egypta, ohatra, ny mpanjakany. Ireo mpanjakan’ny Isiraely dia nipetraka fotsiny “tamin’ny seza fiandrianan’i Jehovah” ho toy ny solontenany. — 1 Tantara 29:23.
Mety hampahatsiahy antsika fitondram-panjakana sasany amin’izao andro izao ireo raharaham-panjakana teo amin’ny Isiraely, anisan’izany ny fanaovan-dalàna, ny momba ny fitsarana ary ny fomba fampanoavan-dalàna. Kanefa teto indray koa, dia nisy fahasamihafana lehibe. Manazava toy izao ny Isaia 33:22: “Fa Jehovah no Mpitsara antsika [mpandraharaha ara-pitsarana]; Jehovah no Mpanome lalàna antsika [fahefana mpanao lalàna]; Jehovah no Mpanjakantsika [mpitondra mpampanoa lalàna].” Ireo raharaham-panjakana telo ireo dia nampiraisina tao amin’ny Andriamanitry ny Isiraely. Na ny mpanjakan’ilay firenena, na ireo mpitsarany, na ireo mpisorony dia tsy natao ho mpanjaka tsy refesi-mandidy. Izy rehetra ireo dia voafehin’ny lalàna sy ny torolalan’ilay Andriamanitra nosoloany tena, ka izany dia hafa dia hafa tanteraka noho ny fitondrana tsy refesi-mandidin’ireo mpitondra ara-politika sy ara-pivavahana amin’izao andro izao.
Araka izany àry, raha fampikambanana fitondram-panjakan’olombelona tamin’ny fivavahan-diso ny fampikambanana ny Fiangonana sy ny Fanjakana tamin’ny andron’i Nimroda, izay nitranga teo amin’ny Tendrombohitra Sinay dia fampiraisana ny fitondram-panjakan’Andriamanitra tamin’ny fivavahana marina. Izany dia nanome antoka ny hisian’ny vokatra tsara kokoa.
Tsy nekena ny fanakambanam-pinoana
Ny tsy fananan’ireo Isiraelita finoana dia nitarika ho amin’ny firenireneny nandritra ny efapolo taona tany an’efitra. Izao, tamin’ny 1473 al. fan. ir., rehefa hiditra an’i Kanana, ilay tany nampanantenain’ny Andriamaniny azy izy rehefa ela ny ela, dia nampahatsiahivina azy ny adidiny hanome taratra ny voninahitr’izy io tamin’ny naha-firenena natokana ho an’ny fanompoana azy. Tsy tokony hisy fifandraisana tamin’ireo Kananita velively. Izany dia manazava izay antsoin’ny boky fanoroana iray hoe “ny fankahalany ireo mponina nanodidina azy tsy Yahvista, sy ny fanantitranterana ny maha-tokana an’i Yahveh.”
‘Fa andraso kely aloha’, hoy angamba ny fanoheran’ny olona iray, ‘nahoana no tsy nisy fileferana toy izany? Nety ho tso-po tanteraka ireo Kananita. Ankoatra izany, moa ve tsy fomba samy hafa hanatonana ilay Andriamanitra iray ihany fotsiny ny fivavahana rehetra?’ Alohan’ny hanekenao izany, dia tsarovy ireo vokatra ratsy nihatra tamin’ny olona sasany niaina tamin’ny tany feno herisetra talohan’ny Safodrano, tamin’ny andro nanorenana ilay “ziggurat” (tempoly toy ny tilikambo miendrika rirakitso) tamin’ny andron’i Nimroda, ary tamin’ny rivo-piainan’ny finoana andriamanitra maro samy hafa tany Egypta. Azo inoana fa tso-po koa ny sasany tamin’ireny olona ireny, kanefa izany dia tsy nahasakana azy tsy hijinja ny vokatry ny fanarahana fivavahana niharihary fa tsy azon’ny Mpamorona azy nekena. Moa ve ratsy toy ireny fivavahana teo aloha ireny koa ny fivavahan’ny Kananita? Saintsaino ireo zava-misy aharihary ao amin’ny faritra voafefy hoe “Ny Fivavahana tany Kanana — Marina sa diso?” ao amin’ny pejy faha-20, ary tsaraon’ny tenanao ihany.
Miroa saina izy ireo
Taorian’ny nidirany tao amin’ny Tany Nampanantenaina, i Josoa, mpandimby an’i Mosesy, dia nitarika ny fiadiana tamin’ny fivavahan-diso. Taorian’ny nahafatesany anefa, ireo Isiraelita dia tsy nanohy izany sy ny ady hahazoany ilay tany. Nanomboka nanaraka fomba fiaina nampiseho fileferana sy fiaraha-miaina izy ireo. Tsy nitondra soa ho azy izany. Tonga tsilo tamin’ny tehezany ireo Kananita izay tsy nitsahatra nanenjika azy ka nanao izay hialany tamin’ny fivavahana marina. — Nomery 33:55; Mpitsara 2:20-22.
Nandritra ny 300 taona teo ho eo taorian’izay, dia nisy mpitsara 12 notendren’Andriamanitra ara-potoana mba hamonjena ireo Isiraelita mpania lava tamin’ny fanandevozan’ny fivavahan-diso. Ny lehilahy nalaza toa an-dry Baraka, Gideona, Jefta ary Samsona no anisan’ireny.
Avy eo, tamin’ny 1117 al. fan. ir., dia nisy fiovana lehibe nitranga teo amin’ny firafitry ny fitondram-panjakana rehefa nahazo ny seza fiandrianana ho mpanjaka olombelona voalohany teo amin’ny Isiraely i Saoly. Nodimbasan’i Davida teo amin’ny seza fiandrianana izy, ary io dia nampanompo ireo fahavalon’ny Isiraely rehetra tao amin’ny Tany Nampanantenaina nony farany, ka nanitatra ny sisin-tanin’ilay firenena araka ny nameran’Andriamanitra azy. Nandritra ny fanapahan’i Solomona zanany, dia nahatratra ny fara tampon’ny voninahiny ny Isiraely, ka nankafỳ fanambinana izay nampiavaka azy tamin’ireo mponina nanodidina azy rehetra.
Tamin’ny fahafatesan’i Solomona anefa, tamin’ny 998 al. fan. ir. na tamin’ny 997 al. fan. ir., dia namely ny loza. Nivaky roa ilay firenena. Tatỳ aoriana dia fantatra ho ny Isiraely ireo foko folo tany avaratra, ary ho ny Joda ireo foko roan’i Joda sy Benjamina tany atsimo. Na dia nihambo ho nampiseho ilay Andriamanitra marina aza ireo mpanjaka 19 nifandimby tao amin’ny fanjakana avaratra, raha tsy isaina i Tibny, dia tsy nisy na dia iray tamin’izy ireo aza nanaraka ny fivavahana marina. (1 Mpanjaka 16:21, 22). Niroa saina izy ireo, tarehin-javatra izay nitarika voka-dratsy tamin’ny andron’i Ahaba mpanjaka. (Jereo 1 Mpanjaka 18:19-40.) Ratsy kokoa noho izany aza ny vokany tamin’ny 740 al. fan. ir., rehefa naongan’ny Asyriana ny Isiraely.
Nandritra izany fotoana izany, tamin’ireo mpanjaka 19 teo amin’ny Joda nanomboka tamin’i Rehoboama zanak’i Solomona, dia azo isaina amin’ny tanana iray monja ireo nanaraka ny fanompoam-pivavahana marina. Raha nifandimby teo amin’ilay firenena ireo mpanjaka tsara sy ireo mpanjaka ratsy, ny vahoakany koa dia nivadibadika raha ny amin’ny fivavahana marina sy ny fivavahana diso. Ireo fampianarana ara-pivavahana diso sy fanao nampietrin’ireo firenena nanodidina, anisan’izany ny fanompoam-pivavahana tamin’i Bala, dia nihananjary niharihary tao an-tokantranon’ny vahoakany. Raha “nihamafy orina hatrany teo amin’ny finoana isiraelita” ireo zavatra ireo, hoy ny Firaketana britanika vaovao (anglisy), “dia nanomboka narian’ny vahoaka ny hevitra momba ny nanokanana azy sy ny nanirahana azy ho vavolombelona any amin’ireo firenena.” Izany dia nitarika ny faharavan’ilay firenena.
Hita niharihary fa ny baiko nomena ny Isiraelita mba hitoerany ho tafasaraka tamin’ireo Kananita dia nokendrena mba hiarovana azy ary mba hihazonana ny fahadiovan’ny fanompoam-pivavahany. Tamin’ny naha-firenena nanaraka ny fivavahana marina azy, izy ireo dia tokony hiavaka ka hifanipaka mazava tamin’ireo izay tsy nanaraka izany. Nisalasala matetika loatra anefa izy ireo. Rehefa ela ny ela, tamin’ny 607 al. fan. ir., dia noravan’ny Babyloniana i Jerosalema, ary ireo mponina tafita velona tao dia nentina ho babo. Nandritra ny 70 taona izy ireo dia nijaly noho ny vokatra nampalahelon’ny fialana tamin’ny fivavahana marina. Babylona, izay toerana nahaterahan’ny fivavahan-diso taorian’ny Safodrano, dia nandresy firenena iray natokana sy tsy nitovy tamin’ny hafa rehetra.
Ilaina ny mpanapaka mahay iray
Raha mbola nanaraka ny fivavahana marina ny Isiraelita, dia nankafỳ ny fiadanana sy ny tsy fananana ahiahy. Nitondra voka-tsoa teo amin’ny lafiny rehetra ny fampiraisana ny fitondram-panjakan’Andriamanitra sy ny fivavahana marina. Kanefa dia voafetra ny fahombiazan’izany. Raha tokony ho tanteraka amin’ny fomba feno ho an’ny firenena rehetra izany fiadanana sy tsy fananana ahiahy hitan’ny firenena iray nandritra ny fotoana voafetra izany, dia nisy zavatra hafa amboniny nilaina. Mpanapaka iray — olona iray izay ho afaka hitondra fitondram-panjakana sy fivavahana marina mba hahombiazana amin’ny fomba tanteraka — no ilaina maika dia maika. Inona, na iza, izany?
Teo amin’ny 250 taona teo ho eo taorian’ny nianjeran’i Jerosalema, dia nisy lehilahy iray teraka, izay, na dia fohy aza ny fiainany, dia hanome laza ho an’ny tenany sy ny fireneny. Hanitsaka an’i Babylona sy Egypta, izay hihoby azy ho toy ny mpanafaka lehibe, ny tongony. Momba azy, dia izao no holazain’ny Firaketana britanika vaovao (anglisy), izay nanana tombontsoa handinika izany taorian’ny nitrangany, taonjato 23 atỳ aoriana: “Tsy lainga ny filazana fa ny Empira Romana, [sy] ny fielezan’ny Kristianisma ho fivavahana maneran-tany (...) dia samy vokatry ny [asany] amin’ny heviny sasany.”
Moa ve io mpanapaka eo amin’ny tany malaza io hiharihary ho ilay mpanapaka ilaina? Hamaly izany ny tapany manaraka mitondra ny lohateny hoe “Andriamanitra voalazan’ny angano tsy misy vidiny”.
[Efajoro, pejy 22]
“Manomboka ao amin’ny tokantranon’ny vahoakany ny faharavan’ny firenena iray.” — Ohabolana Ashanti (Ghana)
[Efajoro, pejy 23]
Ny Fivavahana tany Kanana — Marina sa diso?
“Ny fihadian-tany maro natao tany Palestina dia nampahafantatra sarin’i A[starte] maro tamin’ny bikany isan-karazany; (...) ny ankamaroany dia sary kely sy tsy dia vita tsara, izay manambara fa io andriamanitra io dia nampiasaina indrindra indrindra tao amin’ny fanompoam-pivavahana tao an-tokantrano, angamba nanaovan’ireo vehivavy teo amin’ny tenany na napetraka teo amin’ny toerana noloahina tao amin’ny rindrina iray amin’ny trano. (...) Nanintona ny sarambabem-bahoaka ireo fivavahana nifandray tamin’ny fahafinaretan’ny nofo natao ho an’i A[starte] sy Bala. Mazava ho azy fa tsy azo nosorohina ny fahavoazana mafy; ny faharatsiana teo amin’ny maha-lahy sy ny maha-vavy ho fankalazana ilay andriamanitra, ny faniriana tafahoatra eo amin’ny maha-lahy sy ny maha-vavy, ary ny fahamaimaizana tsy voafehy dia nanjary anisan’ny fanompoam-pivavahana ka tafiditra tao an-tokantrano.” — Calwer Bibellexicon (Rakibolan’ny Baiboly nataon’i Calwer).
“Nanjary fankalazana nietry ny naha-biby ny olombelona ireo fety ara-pivavahana. Na dia ireo mpanoratra grika sy romana aza dia tsiravina noho ireo zavatra nataon’ny Kananita tamin’ny anaran’ny fivavahana.” — The Lion Encyclopedia of the Bible.
“Tamin’ireo fanao ara-pivavahana kananita, dia ny fanaovana sorona ankizy ihany no hotononina eto, satria ireo fihadian-tany dia nanamarina izany nivantana. Tany Gezera sy tany Megido, ny fomba nandevenana ny vatan’ireo ankizy tao anaty rindrina (...) dia manome porofo mampiaiky (...) ny amin’io fanao io.” — Die Alttestamentliche Wissenschaft (Ny fahalalana ny Testamenta Taloha).
“Tsy nisy tany hafa nahitana sary kely be dia be toy izany mampiseho ilay andriamanibavin’ny fiterahana maro mitanjaka, ary ny sasany aminy miharihary fa vetaveta. Tsy nisy tany hafa nahitana niely toy izao ny fanompoana bibilava. (...) Fahita fatratra ireo vehivavy janga masina sy ireo mpisorona ionoka. Fantatra tsara ny fanaovana sorona olombelona. (...) Ny fankahalana tsapan’ireo mpanaraka an’ilay Andriamanitra-YHWH rehefa nifanatrika tamin’ny fanompoan-tsampin’ny Kananita, àry araka izany dia tena mora takatra mihitsy.” — Recent discoveries in Bible Lands (Zavatra hita vao haingana tany amin’ireo tany voalazan’ny Baiboly).
[Sary, pejy 21]
Sarin’i Bala andriamanitra, izay nampiala ny Isiraelita tamin’ny fanompoam-pivavahana marina ny fivavahana taminy
[Sary nahazoan-dalana]
Louvre, Paris