Zava-tsarotra tsy maintsy resena — Ny fahadiovana
Avy amin’ny masoivohonay any Kenya
“MAMAAA, nakufa! hoy ny fikiakiakan’ilay ankizy. Maty aho, mama a!” Misy mitady hamono ve? Tsia, fa ankizilahy kely iray nataon’ny reniny tao anaty koveta mba hosasana tsara. Tsy niraharaha ny fandavana mafy nataon’ilay zaza ilay reny fa nahavita ny fampandroana azy.
Mahazatra ny fisehoan-javatra toy izany any Afrika, na dia any amin’ireo faritra faran’izay mahantra aza. Tsy mora foana anefa ny hitanana fari-pahadiovana tsara amin’izany. Mampitombo avo roa heny ny fahasarotan’ny asa fanadiovana rehetra ny hafanana manempotra manenika an’i Afrika. Noho ny tadio, dia misy vovoka manify tafiditra amin’ireo hirika faran’izay kely indrindra amin’ny trano. Nanjary aingitraingitra sisa ho an’ny ankamaroan’ny olona ny fitaovana fikojakojana sy ny fanamboarana, ary na dia ny rano aza, noho ny fikororosian’ny toe-draharaha ara-toekarena. Any amin’izay tsy maintsy andehanan’ireo vehivavy an-tongotra kilaometatra maromaro isan’andro, mba hantsakana rano, dia takatra fa tsy mamparisika ny fampiasana io zava-tsarobidy ilaina amin’ny sakafo io mba hisasana.
Any amin’ireo tanàn-dehibe, toy izany koa any amin’ny faritra ambanivohitra sasany, dia ny fihoaran’ny isan’ny mponina no antony hafa iray mitondra ny aretina. Zavatra fahita mahazatra ny fandehanan-drano maloto misokatra eny an-kalamanjana eny, ireo antontam-pako tsy voangona, ireo trano fivoahana iombonana maloto tsy maha-te hijery, ireo mpitondra aretina toy ny voalavo sy ny kalalao ary ny lalitra.
Ankoatra izany, any amin’ny toerana maro, dia tsy fantatry ny olona mihitsy ny atao hoe fahadiovana. Lotoina ny tahirin-drano noho ny tsy fahafantarana ny loza mahafaty foronina amin’izany. Leferina ny fisian’ny voalavo sy ny biby hafa maro mpitondra aretina, ary tonga hatramin’ny famelana ny ankizy hilalao amin’ireny ny olona.
Ireo soa azo avy amin’ny fahadiovana
Nahoana no manokana fiezahana sy ampahany amin’ny tetibola mba hitanana ho madio ny faritry ny fiainam-pianakaviana? Satria mitombo isa ao anatin’ny fahalotoana ny bakteria sy ny katsentsitra. Araka izany, dia angamba miankina amin’ny fahazarana tsotra toy ny fanadiovana fotsiny ny ain’ny zanakao. Marina fa mampitombo ny vola lany ao an-tokantrano ny fahadiovana. Mety ho lafo vidy na tsy mora azo ny rano ampiasaina hisasana. Nefa mbola mavesatra lavitra ny fitsaboana. Andaniam-bola koa ny savony, ny famonoana otrikaretina, ny savoka, ny tontam-boalavo, ary ny fanariam-pako, nefa tsy betsaka noho ny vola omena ny mpitsabo izany.
Aoka homarihintsika fa ny teny toy ny hoe “madio” na “manasa” dia miseho in-400 mahery ao amin’ny Baiboly. Ny Lalàna nomen’Andriamanitra ho an’ny Isiraelita dia nirakitra fitsipika voafaritra tsara izay nampirisika ny hananana fahadiovana ara-batana sy fahazarana tsara eo amin’ny fitandremam-pahasalamana (Eksodosy 30:18-21; Deoteronomia 23:11-14). Ankoatra izany, ny kristiana dia mahita antony amboniny hikarakarana ny fahadiovan’ny tenany sy ny tranony, ao anatin’ilay didy hoe “tiava ny namanao”. — Matio 22:39.
Ny filazana ao anaty faritra ao amin’ny pejy faha-10 dia ahitana lisitr’ireo zavatra ilaina azo atao ao an-tokantrano. Azo ampiharina any amin’ny tany rehetra izany fanoloran-kevitra izany. Ny sasany amin’izany, toy ny fanosorana savoka ny gorodona (izay manentsina ireo hirika madinika) sy ny fametrahana ny faikan-javatra ao anaty fanariam-pako misarona, dia misakana anao tsy hanintona ireo voan̈a (bibikely) sy ireo mpitondra aretina hafa. Hanakana ny vovoka sy ireo biby madinika tsy hiditra ao an-trano ny fanampenana ny lavaka amin’ny varavarana sy ny fanoloana ny fitaratra vaky. Na manao ahoana na manao ahoana, ary na tsy noho ny amin’ireo tombontsoa ireo aza, ny fahadiovana dia hahatonga ny tranonao ho toerana mahate honina kokoa.
Ny fiaraha-miasan’ny mpianakavy
Afaka manao fandaharam-panadiovana ny mpikarakara tokantrano iray rehefa avy nandinika an’io lisitra io. Tsy tokony ho sarotra ny manaja io fandaharana io raha toa ka samy miezaka ny mpikambana tsirairay ao amin’ny fianakaviana.
Aoka horesahintsika ny ohatr’i Jecinta, izay miara-mipetraka amin’ny zanany valo ao amin’ny fitambarana efitrano kely iray ao amin’ny tanàn-dehibe iray any Afrika atsinanana. Manazava toy izao izy rehefa nanontaniana ny amin’ny fomba ampiasainy mba hampadio aoka izany hatrany ny tranony : “Nianatra nanao ny anjarany ny tsirairay avy. Izay mandraraka zavatra, ohatra, dia maka lamba kely ka mamafa izany. Nianatra ny ho madio koa ireo ankizy alohan’ny hisakafoana, sy hihinana amin’ny fomba madio.” Afaka miara-miasa amin’ny vadiny ny lehilahy iray amin’ny fanohanana azy amin’ny fiezahana ataony. Hanao ny anjarany koa izy amin’ny fampianarana ny fahadiovana an’ireo zanany raha mbola vao kely izy ireny.
Fitandremana mialoha
Azo atao indraindray ny manamora ny asa fanadiovana amin’ny fiarovana mialoha. Nahoana no tsy volena ahitra sy hazo eo akaikin’ny tranonao mba tsy dia ho be vovoka loatra? Na koa, manandrana manamboatra faritra malalaka filalaovana voasaraky ny fefy eo akaiky eo, ho an’ireo zanakao? Raha toa ianao ka mipetraka amin’ny faritanàna iray be mponina izaitsizy, moa ve ianao afaka mifindra any amin’ny faritanàna iray vitsy mponina kokoa? Na dia tsy maintsy mampanalavitra kely anao amin’ny toeram-piasanao aza izany fifindrana izany, dia minoa fa mendrika ny hanaovana fiezahana izany.
Miezaha koa manary izay zavatra tsy ilaina rehetra notehirizinao hatramin’izay. Tsy mampisy fikorontanana ianao amin’izay. Ary raha toa ka miova ho fotaka mandrevo ny lalan-kely mankao an-trano isaky ny avy ny orana, nahoana no tsy rarahana vatokely izany? Raha any ivelany ny trano fivoahana, ny fanasiana hidiny dia miaro azy mba tsy holotoin’ny hafa.
Ny fihetsika tsara
Aoka ianao tsy hieritreritra fa natokana ho an’izay hita maso ihany ny fahadiovana. Ho an’ny sasany, rehefa madio ny anoloan’ny trano dia tsy mampaninona na tsy toy izany aza ny any ambadika; rehefa mety tsara ny trano fandraisam-bahiny, dia tsy maninona na mikorontana aza ny efitrano fatoriana, na feno dian-tanana sy maintin’ny setroka ny rindrin’ny lakozia. Mampahatsiahy antsika an’ireto tenin’i Jesosy tamin’ny Fariseo ireto ny fanaovan-javatra tsy mifandrindra toy izany: “Diovinareo ny vohon’ny kapoaka sy ny lovia, nefa ny ao anatiny dia feno rombaka (...). [Diovy] aloha ny atin’ny kapoaka sy ny lovia, mba ho madio koa ny vohony.” (Matio 23: 25, 26). Aoka isika hiaiky fa tsy ho azo atao foana ny hahatonga lafatra ny tsirairay amin’ny faritra miafina indrindra amin’ny trano. Moa ve tsy mety kosa ny hanandramana, fara faharatsiny, manao izay hampadio hatrany ny trano amin’ny fitambarany, fa tsy efitra vitsivitsy monja?
Tsy hety ihany koa ny hiampangana ny tompon-trano noho ny loton’ny toerana. Marina fa mety ho ela loatra ny fandokoana, nefa ny fiandrasana izany tsy tokony hanakana anao tsy hanasa ny rindrina. Ho azo atao koa angamba ny hifampiraharaha amin’ny tompon-trano mba hanome fahefana anao hanao fanamboarana ao anatin’ny trano, ho takalon’ny fampihenana ny hofantrano.
Ho resinao ve ilay zava-tsarotra?
“Tsy tena resy lahatra aho tamin’ny voalohany”, hoy ny fieken’i Joseph, loham-pianakaviana afrikana iray, mikasika ny lahateny ara-baiboly iray momba ny fahadiovana. Mipetraka ao amin’ny tranohazo kely iray voahodidin’ireo trano mifanakaiky aminy ny fianakaviany manontolo. Ikambanana ny trano fivoahana, ary tany ny ivelany. Nanandrana nampihatra ireo torohevitra reny tao anatin’ny tokantranony anefa i Joseph sy ny fianakaviany. “Hatramin’izao dia manao kapa ireo zanako, mifafa tongotra izahay alohan’ny hidirana, misasa tanana amin’ny rano sy ny savony, ary mandray fepetra hafa momba ny fahadiovana hatrany”, hoy ny fanazavan’i Joseph. Inona no vokany? “Tena gaga tokoa aho. Tsy dia narary matetika intsony ireo ankizy, ary tsy novesaran’ny vola lany amin’ny fitsaboana intsony izahay.”
Hita fa raha manao fiezahana kely sy mandany vola kely ireo ray aman-dreny any amin’ny tany eo an-dalam-pandrosoana dia afaka manao ny tokantranony ho toerana madio sy mahasalama, mba ho tombontsoany sy ho an’ireo zanany. Miharihary fa mitaky fanapahan-kevitra tena lehibe ny famahana ny olana momba ny fahasalamana any amin’ny tany mahantra. Azo atao ve ny manantena fa hahomby tanteraka ireo fandaharam-panampiana goavana ampiharina ankehitriny?
[Teny notsongaina, pejy 9]
Ny savony, ny famonoana otrikaretina, ny savoka, ny tontam-boalavo ary ny fanariam-pako dia samy andaniam-bola; nefa tsy betsaka noho ny vola omena ny mpitsabo izany.
[Efajoro, pejy 10]
Trano madio sady mahasalama — Ny lisitra
Ny trano fivoahana:
Sintony ny rano rehefa avy mivoaka.
Mampiasà fanafody famonoana bibikely ho an’ny kabine lavaka.
Manasà tanana amin’ny rano sy savony rehefa avy nivoaka
Sasao tsy tapaka amin’ny fanafody famonoana otrikaretina ny seza sy ny atin’ny kabine, toy izany koa ny fanasana tanana sy ireo kojakoja hafa.
Ny lakozia:
Sasao amin’ny rano sy savony ny tananao alohan’ny hikarakarana sy handrosoana sakafo.
Ataovy ao anaty fanariam-pako misarona ny faikan-javatra, ary ario tsy tapaka izany.
Aza avela hialina andro ny fitaovana maloto.
Sasao tsara ny voankazo sy ny anana alohan’ny hampiasana azy.
Raha any ivelany ianao no mahandro, dia aza avela hikasika ny tany ireo fitaovana. Tandremo mba tsy hipetahan’ny vovoka ny sakafo.
Diovy indray mandeha isan-kerinandro ny faritra miafina amin’ny trano sy ny zoron’ny talantalana.
Sasao amin’ny rano mafana ny tavoahanginono (biberons).
Ampangotrahy ny rano natao hosotroina raha maloto.
Ny trano:
Ataovy ao anaty harona ny lamba maloto natao hosasana.
Isaky ny manasa lamba dia ataovy amin’ny rano madio hatrany.
Hosory savoka tsy tapaka ny varavarana vita tamin’ny hazo sy ny gorodona ary ny fanaka.
Esory ny loto eny amin’ny rindrina sy ny varavarana ary ny fanapahana aratra.
Diovy ny fitaratra.
Fandriho, ary vonoy ny voalavo; toy izany koa ny kalalao sy ny voan̈a hafa.
Hamarino ara-potoana ny fandriana sao misy kongona na bibikely hafa.
Asio fandiavana na lamba mando eo amin’ny fidirana mba hamafana tongotra.
Tampeno ny loaka amin’ny rindrina na amin’ny varavarana, ary ny hirika amin’ny gorodona.
Soloy ny fitaratra vaky.
Zairo ny rovitra amin’ny kidoro sy amin’ireo fanaka mifono lamba.
Any ivelany:
Aleveno na doroy ny fako.
Esory na aleveno ny dikin’olona na ny an’ny biby.
Manaova tatatra hamiliana ny fandehanan-drano maloto misokatra mba tsy hanenika ny tokotany izany.
[Efajoro, pejy 11]
Ampianaro an’ireo zanakao izay tafiditra amin’ny hoe faritra madio
Mifafa tongotra alohan’ny hidirana ao an-trano na ny toerana hafa rehetra.
Manao kiraro na kapa.
Sintonina ny rano
Misasa tanana amin’ny rano sy savony rehefa avy any amin’ny trano fivoahana sy alohan’ny hisakafoana.
Fafana ny orona rehefa misy lelo.
Tsy mipetraka amin’ny tany raha tsy manao kilaoty, na pataloa, na akanjo.
Tsy mandrairay:
diky
voalavo
kalalao
fako
alika dia