Inona no fanantenana ho an’ny ankizy?
EFA diso aoriana loatra izao ho an’ireo ankizy an-tapitrisany maro any amin’ny tany mahantra. Misy an-tapitrisany maro hafa mety ho voavonjy raha toa ka vita ny manohina ireo ray aman-dreniny sy mandresy lahatra azy hampihatra ireo fepetra vao avy noresahintsika teo aloha. Noho izany fahatsinjovan-javatra tsy azo heverina fa tena hisy izany àry, dia ankizy an-tapitrisany maro no mbola ho faty miandalana, amim-pahanginana, amin’ny fomba tsy hay tohaina.
Tsy manome afa-tsy fanantenana kely fotsiny ireo fandaharam-panampiana goavana anaovana resa-be etsy sy eroa. Ny Firenena mikambana, ohatra, dia namatsy vola ny Fandaharana iraisam-pirenena ho an’ny rano fisotro sy ny fanadiovana mandritra ny folo taona (1981-1990), manana filamatra toy izao: “Rano fisotro sy fampitaovana ara-pitsaboana sahaza ny rehetra hatramin’ny 1990.” Inona avy no vokatr’io fandaharana io?
Araka ny voalazan’ny revio La santé dans le monde dia “Afrikana maherin’ny 32 tapitrisa no nahazo rano mandeha amin’ny paompy, ary maherin’ny 12 tapitrisa no nahazo fampitaovana ara-pitsaboana nohatsaraina teo anelanelan’ny 1980 sy 1983.” Kely fotsiny anefa ny fitombon’ny isan-jaton’ny olona mahazo zavatra toy izany. Voafafan’ny fihoaran’ny isan’ny mponina tokoa izany fandrosoana manaitra izany. Amin’izany, moa ve tokony hahagaga raha toa ny zava-kendrena hoe “Rano fisotro sy fampitaovana ara-pitsaboana sahaza ny rehetra hatramin’ny 1990”, ka hita ho toy ny “asa saika tsy azo tanterahina”?
Mety ho voasakantsakana anefa ny fikasana tsara, tsy noho ny tsy fisian’ny vola hampiasaina na ny mpiasa, fa noho ny faniriana mihoa-pampana sy ny fitsara-mitanila ary ny fifaninanana madinidinika. Ireo tany eo an-dalam-pandrosoana dia manokana vola avo efatra heny noho ny amin’ny fahasalamana ho an’ny teti-bolan’ny tafika. Ary amin’ilay kely atokana ho amin’ny fikarakarana ny fahasalamana, dia lany amin’ny haitao omena ny laharam-pahamehana ny ampahany lehibe indrindra aminy, izay olona vitsivitsy monja no mahazo tombontsoa avy amin’izany.
Hevero koa ny amin’ny fitsaboana momba ny fanonerana ny fahaverezan-dranomalia fisotro. Iaraha-mahalala fa hahafahana mamonjy aina an-tapitrisany maro, amin’ny sarany farany ambany izy io. Araka ny voalazan’ny Chronique des Nations unies (anglisy) anefa, dia “manohy mampividy fanafody iadiana amin’ny fivalanana amin’ny sarany 400 tapitrisa dôlara isan-taona ny ankamaroan’ireo mpitsabo, nefa fantatr’izy ireo fa tsy mandaitra na mampidi-doza, na izy roa mihitsy aza, ny ankamaroany.”
Jereo koa ny amin’ny takilodrano (bilharziose), aretina vokatry ny katsentsitra mpandringana, izay mahavoa olona 200 tapitrisa amin’izao andro izao, indrindra fa ny ankizy. Manoratra toy izao i June Goodfield ao amin’ny bokiny hoe Sur les traces des assassins (anglisy): “Fantatra ny mahatonga ny takilodrano, efa natao ny fanandramana ny fitsaboana, ary natsangana ny fandrindrana asa mandaitra ho afaka hitondra fihenan’aretina mahagaga ao anatin’ireo taona ho avy.” Nahoana no misy hatrany ny loza na dia eo aza izany rehetra izany? “Ara-politika ny fototry ny zava-manahirana hatramin’izao”, hoy ny mpanoratra.
Voatery mahatsapa àry ny tena fa misy ankizy maty, tsy noho ny tsy fahafantarana ny fomba hamonjena azy na ny hoenti-manao izany, fa satria ny tetikady ara-politika sy ny tombontsoany manokana no ataon’ny olona ambony noho ny ain’ny mpiara-belona aminy. Tanteraka ireto teny manaraka voarakitra ao amin’i Jeremia 10:23 ireto: “Tsy an’ny olombelona ny lalan-kalehany, na an’ny mpandeha ny hahalavorary ny diany.” Ny hany sisa fanantenana ho an’ny ankizy maneran-tany — sy ny taranak’olombelona manontolo, raha ny marina — dia ny hahita an’Andriamanitra mandray an-tanana ny fitantanana ny tany. Izany indrindra no ampanantenainy hatao, ary amin’izao teny izao no ilazan’ny Baiboly izany fikasana izany: “Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana [na fitondram-panjakana] izay tsy ho rava mandrakizay. (...) fa ireo fanjakana rehetra ireo [ireo fitondram-panjakana amin’izao andro izao] dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.” — Daniela 2:44.
Eo ambanin’ny fanapahan’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra, dia tsy horahonan’ny aretina sy ny fahafatesana intsony ireo ankizy eo amin’izao tontolo izao. Noho izany no iandrasan’ny Vavolombelon’i Jehovah amim-pahadodonana ny handraisan’Andriamanitra an-tanana ny raharahan’ny planetantsika. Amin’ny fanarahana ny fampianaran’i Jesosy, dia mivavaka izy ireo mba ‘ho tonga ny Fanjakany’. (Matio 6:9, 10.) Ny toe-javatra sarotra misy ireo ankizy any amin’ny tany mahantra, dia manosika ireo izay matahotra an’Andriamanitra hivavaka amin’izany lafiny izany, miaraka amin’ny hafanam-po bebe kokoa hatranya.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Mba hahazoana fanazavana feno kokoa momba io raharaha io, dia jereo ny boky “Ho tonga anie ny fanjakanao!”, navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society. Na koa manorata amin’ireo mpampanonta ity gazety ity, izay ho faly tokoa hanao fandaharana mba hisian’ny Vavolombelon’i Jehovah iray hitsidika anao.