FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g90 8/4 p. 3
  • Inona no mahafaty ny ankizy?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Inona no mahafaty ny ankizy?
  • Mifohaza!—1990
  • Mitovitovy Aminy
  • Fanampiana ny ankizy tsy ho faty!
    Mifohaza!—1990
  • Tarehin-javatra Faran’izay Mafy Misy ny Ankizy
    Mifohaza!—1993
  • Mahavelona ve ny Sakafonao?
    Mifohaza!—1995
  • Nihatsara ny Fahasalaman’ny Olona Maneran-tany Nefa Tsy ny An’ny Rehetra
    Mifohaza!—1999
Hijery Hafa
Mifohaza!—1990
g90 8/4 p. 3

Inona no mahafaty ny ankizy?

Mandritra ny fotoana amakianao ity fehezanteny ity dia ankizy telo no matimaty foana.

TSY NY tondradrano anefa, na ny mosary, na ny hain-tany no mahafaty ny ankizy amin’ny habetsahana mampihorohoron’ny iray isaky ny roa segondra. Izao no ambaran’i William Chandler ao amin’ny boky hoe Ny toetr’izao tontolo izao — 1986 (anglisy) navoakan’ny Fikambanana Worldwatch: “Ny fampisaraha-nono tsy mifanaraka amin’ny tokony ho izy dia mahafaty betsaka kokoa eo amin’ny ankizy noho ny mosary. Mamono ankizy betsaka kokoa noho ny areti-mifindra ny tsy fahaizan’ny ray aman-dreny mitsabo aretin-kibo mampivalana. (...) Miombon-kevitra amin’ny ankapobeny ireo manam-pahaizana manokana amin’ny filazana fa ankizy 17 tapitrisa eo ho eo no maty isan-taona noho ny anankiray na ny maromaro amin’ireto anton-javatra manaraka ireto: faharatsian-tsakafo, aretin-kibo mampivalana, tazo, pnemônia, kitrotro, kohadavareny ary tetanosy. Any amin’ireo tany mahantra indrindra no anoratana saika ny ankabeazan’ireo maty ireo.”

Misy zavatra hafahafa tsy mifaditrovana tonga manamafy ny fampihorohoroan’izany fandripahana izany. Araka ny tenin’i M. Chandler, dia “nety ho azo nosorohina ny 50 ka hatramin’ny 70 % [n’ireo maty ireo] tamin’ny alalan’ny fepetra sasany azo lazaina ho tsotra”. (Izahay no manipika.) Mba hahatongavana amin’izany, dia tsy ilaina mihitsy ny hiandrasana planina lehibe avy amin’ny fitondram-panjakana na fandaharam-pitsaboana amin’ny ambaratonga lehibe. Efa fantatra ny teknika hahatonga ireo ray aman-dreny any amin’ny tany mahantra ho afaka hamonjy ny zanany! Izany dia mahafaoka ny fianarana fihetsika tsotra sy tsy dia andaniam-bola be. Manasa anao izahay, araka izany, hamaky ny tatitra nataon’ny masoivohon’ny Mifohaza! any amin’ny tany roa atsy Afrika. Antenaina fa tsy ho fianarana fotsiny izany lahatsoratra izany fa hahavonjy aina koa.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara