Nihatsara ny Fahasalaman’ny Olona Maneran-tany Nefa Tsy ny An’ny Rehetra
ARAKA ny voalazan’ny The World Health Report 1998, izay navoakan’ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana (OMS), dia hita fa mihasalama kokoa sy mihaela velona kokoa ny olona maneran-tany. Mitanisa ohatra sasany ilay tatitra.
Betsaka mbola tsy nisy toy izany ny olona afaka mahazo fantson-drano maloto, tahirin-drano madio sy fikarakarana ara-pahasalamana tsotra indrindra. Ambonin’izany, ny ankamaroan’ireo ankizy eto an-tany izao dia vita fanefitra amin’ireo aretina lehibe enina mpahazo ny zaza.a Anisan’ny nampidina ny isan’ny ankizy maty izany. Na dia 21 tapitrisa aza ny ankizy latsaka ny dimy taona maty tamin’ny 1955, dia nidina tokony ho 10 tapitrisa eo ho eo io isa io tamin’ny 1997. Etsy an-danin’izany, any amin’ny tany maromaro izay be taozava-baventy, dia nanaitra ny fihenan’ny fahafatesana vokatry ny aretim-po, tato anatin’ireo folo taona faramparany.
Manampy teny anefa ilay tatitra fa tsy mahakasika velively ny olona rehetra tsy an-kanavaka akory izany fandrosoana ara-pahasalamana izany. Mbola fandrahonana mahafaty hatrany ny VIH/SIDA. Tsy fantatra akory ny SIDA talohan’ny 1981, kanefa efa naka ain’olona tombanana ho 11,7 tapitrisa izy io hatramin’ny nanombohany nihanaka. Ary tsy misy fanamaivanana hita manangasanga. Tamin’ny 1996, dia 400 000 ireo ankizy latsaka ny 15 taona izay nanjary tratran’ny VIH. Tamin’ny 1997, dia efa ho 600 000 ny isan’ireo ankizy mitovy taona amin’izany vao voan’ilay aretina.
Mbola mampidi-doza ho an’ny fahasalaman’ny olona ihany ny fahantrana
Ireo olona an-jato tapitrisany maro voagejan’ny fahantrana indrindra no zara raha nahita fihatsarana ara-pahasalamana. Hita indrindra izy ireny any amin’ny tany mahantra. Aretina maro no mianjady any, mahakivy ny hoavy, ary fohy ny androm-piainana. Hoy ny Dr. Hiroshi Nakajima, tale jeneralin’ny OMS teo aloha: “Mbola mangotanatana be toy ny tamin’ny dimampolo taona lasa ihany, fara faharatsiny, ny hantsana mampisaraka ny toe-pahasalaman’ny manankarena sy ny mahantra.” Mampalahelo fa vao mainka aza mihamangotanatana hatrany izany hantsana izany, hoy ny manam-pahaizana manokana iray ao amin’ny OMS, satria “fahavoazana roa sosona no mamely ireo tany an-dalam-pandrosoana. Tsy ireo areti-mitaiza miseho amin’ny andro ankehitriny ihany no atrehiny fa ireo aretin’ny tany mafana mbola tavela koa”.
Na izany aza, dia tsy hoe tsy azo tratrarina akory ny fandrosoana. Efa azo sorohina sahady, raha ny marina, ny maro amin’ireo fahafatesana aloha be mahazo ny olona an-tapitrisany maro. Ohatra, “ankizy roa tapitrisa isan-taona, fara fahakeliny, no maty noho ny aretina izay efa nahitana vaksiny”, hoy ny Dr. Nakajima. Raha nanantitrantitra ny antony tsy maintsy anakelezana ilay hantsana mampisaraka ny manankarena sy ny mahantra eo amin’ny fahasalamana, ny Dr. Nakajima, dia nanampy teny hoe: “Izao no fotoana tokony hahatakarana fa raharaha mahakasika ny tany manontolo ny fahasalamana”. Izao tontolo izao dia mila haingana “fiaraha-misalahy iraisam-pirenena mahakasika ny fahasalamana, miorina amin’ny rariny ara-tsosialy sy ny tsy fiangarana ary ny firaisan-kina”.
Na dia mety ho ela fiavy aza izany fiaraha-misalahy izany, dia efa afaka manao zavatra betsaka sahady ny firenena tsirairay mba hanatsarana ny fahasalaman’ny mponina eo aminy, hoy ny The World Health Report 1998. Amin’ny fomba ahoana? Amin’ny fampianarana ny vahoakany mba hahazo “ireo fahaizana ilaina mba hahavelomana sy [hananana] fomba fiaina mahasalama” izay misoroka na mampihena ny aretina. Milaza izany toy izao ny Lalàm-panorenan’ny OMS: “Faran’izay zava-dehibe eo amin’ny fanatsarana ny fahasalamana ny fananan’ny vahoaka hevitra miorina amin’ny fahalalana sy ny fanekeny hiara-miasa amim-paharisihana.”
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ireo aretina enina mpahazo ny zaza ireo dia ny kitrotro, ny poliomielita, ny raboka, ny difiteria, ny kohadavareny, ary ny tetanosy mahazo ny zaza vao teraka.