FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tonga soa.
Fitaovana natao hikarohana ao amin'ireo boky amin’ny fiteny samihafa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ity.
Jereo ao amin'ny jw.org raha te haka boky.
  • Androany

Alarobia 15 Aprily

Mifankatiava ianareo.​—Jaona 15:12.

Tia mifanampy ny vahoakan’i Jehovah. (2 Kor. 8:4) Mitaky herim-po anefa izany indraindray. Rehefa mipoaka, ohatra, ny ady dia hitan’ny anti-panahy eo an-toerana hoe mila ampaherezina sy tohanana ny rahalahy sy anabaviny. Hitany koa fa mila omena boky sy gazety angamba ry zareo na zavatra hafa toy ny sakafo. Tia an’ireo ondry ny anti-panahy, dia manao vivery ny ainy mba hanomezana an’izay ilain’izy ireny. Tena zava-dehibe ny miray saina foana rehefa hoatr’izany. Araho ny tari-dalana omen’ny biraon’ny sampana eo an-toerana. (Heb. 13:17) Tokony haverin’ny anti-panahy dinihina matetika koa hoe ahoana no hiomanana ho amin’ny loza, ary inona ny toromariky ny fandaminana momba an’izay tokony hatao rehefa misy loza mananontanona. (1 Kor. 14:33, 40) Miezaha ho be herim-po sy ho mailo foana. (Ohab. 22:3) Mieritrereta tsara aloha vao manao zavatra, dia aza misangy loza. Miantehera amin’i Jehovah. Afaka manampy anao hiaro ny mpiara-manompo izy. w24.07 4 § 8; 5 § 11

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2026

Alakamisy 16 Aprily

Tao anatin’ny sarotra aho no niantso an’i Jehovah. ... Ary ren’ny sofiny ny antso vonjy nataoko.​—Sal. 18:6.

Nahafantatra an’i Jehovah i Davida Mpanjaka sady niantehitra taminy. Rehefa nanenjika azy ny fahavalony, anisan’izany i Saoly Mpanjaka, dia niantso vonjy tamin’i Jehovah izy. Namaly ny vavaka nataony Andriamanitra dia namonjy azy. Hoy i Davida avy eo: “Velona i Jehovah!” (Sal. 18:46) Inona no tiany hotenenina? Tsy niaiky fotsiny izy hoe misy Andriamanitra. Resahin’ny boky iray momba ny Baiboly fa natoky i Davida hoe “andriamanitra velona” i Jehovah, dia “manampy ny vahoakany foana.” Hitan’i Davida avy tamin’ny zavatra niainany fa velona ny Andriamaniny, dia vao mainka izy tapa-kevitra ny hanompo sy hidera azy. (Sal. 18:28, 29, 49) Hazoto hanompo an’i Jehovah isika raha resy lahatra hoe Andriamanitra velona izy. Hanana hery hiaretana fitsapana isika, ary vao mainka te hiasa mafy ho azy. Ho tapa-kevitra ny hifandray akaiky foana amin’i Jehovah koa isika. w24.06 20-21 § 3-4

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2026

Zoma 17 Aprily

Aza avela hisy hamitaka anareo mihitsy.​—2 Tes. 2:3.

Inona no ianarantsika avy amin’ny tenin’ny apostoly Paoly ho an’ny Tesalonianina? Mila mahay manavaka isika rehefa maheno zavatra tsy mifanaraka amin’izay nianarantsika tao amin’ny Baiboly, na maheno tantara sarotra inoana. Nandefa taratasy tany amin’ireo rahalahintsika, ohatra, ny fahavalontsika tany amin’ny Firaisana Sovietika teo aloha. Nolazaina fa avy tany amin’ny foibe mihitsy ilay izy, ary nampirisika ny rahalahy sasany hanangana fandaminana hafa mahaleo tena. Hoatran’ny tena nitombina ny zavatra noresahin’ilay taratasy. Tsy voafitaka anefa ireo rahalahy tsy nivadika. Tonga saina ry zareo hoe tsy nifanaraka tamin’ny zavatra nianarany izay noresahin’ilay taratasy. Hoatr’izany koa amin’izao. Mampiasa ny teknolojia indraindray ny fahavalon’ny fahamarinana, mba hanakorontanana ny saintsika sy hampisara-bazana antsika. Tsy “mora mikorontan-tsaina” isika sady voaro, rehefa mieritreritra tsara raha mifanaraka amin’ny fahamarinana efa nianarantsika ny zavatra henontsika na vakintsika.​—2 Tes. 2:2; 1 Jaona 4:1. w24.07 12 § 14-15

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2026
Tonga soa.
Fitaovana natao hikarohana ao amin'ireo boky amin’ny fiteny samihafa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ity.
Jereo ao amin'ny jw.org raha te haka boky.
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara